Zoma 17 Aprily

Avy amin’Andriamanitra ny hery fanampiny, fa tsy avy aminay. 2 Kor. 4:7.

Nadiva ho rava ny fitondrana nazia rehefa akaiky hifarana ny Ady Lehibe II. Nisy didy navoaka àry hoe tsy maintsy vonoina ireo olona an’arivony tany amin’ny toby fitanana. Nokasaina halefa tany amin’ny seranan-tsambo ireo gadra tao amin’ny toby fitanan’i Sachsenhausen, hampidirina ao anaty sambo, ary halentika any an-dranomasina. Anisan’ny tetika iray nantsoina hoe diaben’ny fahafatesana izany. Navoaka ireo gadra 33 000 tao amin’ny toby fitanan’i Sachsenhausen, ary nasaina nandeha an-tongotra 250 kilaometatra hatrany Lübeck, tanàna misy seranan-tsambo any Alemaina. Vavolombelon’i Jehovah avy amin’ny firenena enina ny 230 tamin’ireo, ary nampiarahina izy ireo. Reraka ny rehetra satria tsy ampy sakafo sady narary. Ahoana no nataon’ireo rahalahintsika mba tsy hahafaty azy? Hoy ny rahalahy iray: “Nifampahery foana izahay mba ho afaka hanohy ny dia.” Tafavoaka velona izy ireo, satria nomen’Andriamanitra “hery fanampiny” sady nifankatia. w13 15/8 3:1, 2

HERINANDRON’NY 13 APRILY

Hira 18 sy Vavaka

Fianarana Baiboly:

Sekolin’ny Fanompoana:

Famakiana Baiboly: 1 Samoela 19-22 (8 min.)

No. 1: 1 Samoela 21:10–22:4 (3 min. na latsaka)

No. 2: Natoky An’i Jehovah Tamin’ny Fony Manontolo Izy Ireo—jv p. 287 § 2–p. 292 § 5 (5 min.)

No. 3: Nahoana ny Olona no Mijaly?—igw p. 15 § 1-4 (5 min.)

□  Fivoriana Momba ny Fanompoana:

Foto-kevitra ho an’ny volana: Aoka ianao ho hendry, ka “hararaoty tsara ny fotoana.”—Efes. 5:15, 16.

10 min: Aoka Ianao ho Hendry, ka “Hararaoty Tsara ny Fotoana.” Lahateny manazava ny foto-kevitra ho an’ny volana.—Efes. 5:15, 16; jereo Ny Tilikambo Fiambenana, 15 Mey 2012, p. 19-20, feh. 11-14.

20 min: “Ampiasao Tsara ny Fotoana Rehefa Manompo.” Fiaraha-midinika.

Hira 98 sy Vavaka