Vano Mahay Mandihy

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY ESPAINA

HAFAKELY ny fandihin’ny olona any Pusan, any Korea Atsimo. Miakanjo fotsy ireo lehilahy, ary manao satroka mainty. Manofa ny tanany izy ireo, mihodina, miondrika, ary indraindray mitsangana amin’ny tongony ilany.

Zavatra tsotra anefa no niavian’io dihy hafakely io. Naka tahaka ny fanaon’ny vano mena sanga ireo mpandihy. Efa hatramin’ny taonjato maro mantsy ireny vano ireny no nankany Korea Atsimo rehefa ririnina. Tena nahavariana ny Koreanina ny fandihy hafakely nataon’ireo vano ireo, ka avy tamin’izany no namoronany dihy ho azy manokana.

Mirohotra mankany Hokkaido, any Japon, ireo olona tia zavaboary mba hijery an’ireo vano ao amin’ny Valam-pirenen’i Kushiro Shitsugen. Nomena sakafo manokana ireo vano any Japon ireo, nandritra ny vanim-potoanan’ny ririnina namirifiry, ka nitombo ho an-jato izao ny isan’izy ireo. Mahafinaritra erỳ ny mijery an’ireo vorona mainty sy fotsy tsara tarehy, mandihy eny amin’ny orampanala. Nanoratra momba ny zavatra nahasarika azy tamin’ireo vano ireo i Jennifer Ackerman, tao amin’ny gazety Jeografia Nasionaly (anglisy), ka nampiasa ilay teny japoney hoe aware. Nanazava izy fa io teny io dia milaza “ny fihetseham-po tsapa, rehefa mahita zavatra miserana nefa manaitra ny hakantony.”

Efa hatramin’ny ela no nahasondriana ny olona ny vano, izay hita saiky any amin’ny kontinanta rehetra, afa-tsy any Amerika Atsimo sy any amin’ny Tendrontany Atsimo. Ahitana ny sarin’ireo vorona ireo ny hoso-doko any anaty lava-bato, toy ny atsy Afrika sy any Aostralia ary any Eoropa. Mariky ny fahelavelona sy ny fahasambarana ny vano any Extrême-Orient, ka tian’ireo mpanakanto any amin’iny faritra iny ny mampiseho azy ireo ao amin’ny sangan’asany. Mijanona ho mpivady mandra-pahafatiny koa ny vano. Izany angamba no nahatonga azy ireo ho mariky ny fanambadiana sambatra. Matetika àry no asiana sarina vano ny akanjo mariazy fanaon’ny Japoney. Zavaboary ireharehan’ny Koreanina ny vano mena sanga, satria vitsy nefa tena kanto. Nasian’ny Japoney sarina vano mandihy koa eo amin’ny vola taratasy 1 000 yen. Efa hatramin’ny 2 500 taona izay ny Sinoa no nanao ny “dihin’ny vano fotsy.” Angamba noho ny vano mahay mandihy no mahatonga ny olona ho tia manokana azy ireo.

Ny dihin’ny vano

Misy 15 karazana ny vano, ary mahay mandihy avokoa izy ireo. Na mbola tsy ampy roa andro aza ny vano kely dia efa manomboka mandihy. Manazava ny Boky Momba ny Vorona Eran-tany (anglisy) hoe: “Mandihy koa ny karazam-borona hafa, kanefa [ny vano no] tena mahay, . . . sy mahafinaritra ny mason’ny olona.” Misy karazany maro ny dihin’ny vano. Tena mahavariana koa izany satria lehibe izy ireo ary avo tsanganana. Mahazendana ny mahita azy ireo mitsambikina sy mamelatra ny elany eny amin’ny habakabaka. Milaza ilay boky momba ny vorona fa anisan’ny zavatra ataon’ny vano rehefa mandihy ny miondrika, mitsambikina, mihazakazaka, ary misidina kely. Miovaova ny fihetsiny, nefa mirindra tsara ilay dihy. Toy ny olona mihitsy ireo vano, satria raha vao misy vitsivitsy manomboka mandihy, dia matetika no manaraka avokoa izy rehetra. Atsy Afrika, ohatra, indraindray dia vano mara sanga 120 lahy sy vavy no miaraka tsiroaroa manao dihy mirindra.

Nahoana no mandihy ny vano? Fanatanjahan-tena ve izany, sa fampitan-kevitra, sa fiarahan’ireo vano te hivady, sa fanairana, sa kosa mba fanehoana hafaliana fotsiny? Mety ho ny sasany amin’ireo na izy rehetra ireo no antony. Tena tia miara-mandihy ny vano lahy sy vavy, ary fanaony alohan’ny hivadiany izany. Mandihy koa anefa na ny vano kely aza, ary izy ireo indrindra no tena mazoto mandihy. Milaza ilay boky momba ny vorona hoe: “Mahafinaritra ny mijery azy ireo, na inona na inona antony andihizany.”

Fifindra-monina

Matetika no heno ny feon’ny vano na dia mbola lavitra aza izy ireo. Efa fantatra hoe mihamanatona izy ireo, rehefa re manako avy any amin’ny kilaometatra maro any ilay feo toy ny trompetra. Ny feo toy izany angamba no manampy azy ireo ho tafaray foana, rehefa mifindra monina. Mifindra monina avy any amin’ny toerana fanatodizany ny ankamaroan’ireo karazana vano, amin’ny fararano. Mandeha lavitra be izy ireo, miainga any Kanada, Siberia, na Skandinavia, ka mamonjy ireo faritra mafana kokoa any Chine, Etazonia (Texas), Inde, na any amin’ny faritr’i Mediterane. Misetra loza izy ireo rehefa manao dia lavitra toy izany, ary tena reraka. Manidina hatrany amin’ny 10 000 metatra ireo karazana vano any Eoropa sy Azia rehefa mamakivaky ny Tendrombohitra Himalaya mba hankany Inde. Manao endrika V izy ireo rehefa manidina, ary manaraka ny rivotra mafana mba tsy ho voatery hikopaka elatra mafy, nefa tody lavitra. Tsy maintsy miantehitra amin’ny herin’ny tenany anefa izy ireo rehefa miampita rano.*

Efa ho 20 taona no lanin’ilay manam-pahaizana momba ny vorona, atao hoe Juan Carlos Alonso, mba handinihana ny fifindra-monin’ireo vano 70 000 avy any Eoropa sy Azia, izay mijanona any Espaina mandritra ny ririnina. Manazava izy hoe: “Nasiana peratra famantarana ny tongotry ny vorona sasany, ary ny hafa nasiana fitaovana manokana mba hamantarana ny lalany rehefa mifindra monina izy.” Hoy ihany izy: “Mijanona any Espaina mandritra ny ririnina ny vano sasany. Faly erỳ aho isaky ny mahita vano iray nasiako peratra famantarana tany Alemaina Avaratra tamin’izy mbola kely. Lalana mitovy ihany no narahin’ny vano hatramin’ny taonjato maro, rehefa mifindra monina izy. Nianatsimo ny vano iray nasiana peratra famantarana tany Failandy, ka tonga hatrany Etiopia tamin’ny ririnina. Nisy vano avy tany Siberia kosa tonga tany Meksika.”

Narovana mba tsy ho lany tamingana

Amin’izao fotoana izao, dia ny 9 amin’ireo karazana vano 15 no atahorana ho lany tamingana. Ny karazana vano iray any Amerika Avaratra no tena atahorana indrindra ho lany taranaka, satria 14 monja izy ireo tamin’ny 1938. Natokana anefa izy ireo, ary natao izay hitomboan’ny taranany. Narovana ny fonenany, ka nitombo tsikelikely ny isany, ary nahatratra 300 mahery. Karakarain’ny mpandinika zavaboary any amin’ny toerana mitokana izao ireo vano kely, ary avy eo apetrany any amin’ny toerana voaro tsara. Mampiasa karazana fiaramanidina maivana izy ireo mba hampiofanana an’ireo vano kely hifindra monina. Manao ezaka toy izany koa ny manam-pahaizana rosianina, mba hiarovana ny vano any Siberia, izay atahorana ho lany tamingana.

Misy tantara iray tena mampihetsi-po nitranga tany Japon. Tsy nifindra monina ireo vano mena sanga vitsivitsy tany Hokkaido, satria mbola nahita sakafo hohanina amin’ny ririnina izy ireo, teny amoron’ny ranomafana. Tena namirifiry anefa ny ririnina tamin’ny taona 1952, ka nivaingana ireny rano ireny, ary efa nampoizina ho faty ireo vorona 30 sisa. Nanipy katsaka teo ambonin’ireo renirano nivaingana anefa ny mpianatra, ka velona ihany ireo vorona. Nanomboka tamin’izay, dia nomena sakafo tsy tapaka ireo vano ireo. Nitombo ho 900 eo ho eo ny isan’izy ireo, ary efa ho ny ampahatelon’ny vano eran-tany izany.

Hanao ahoana ny hoavin’ny vano?

Toy ny karazam-biby hafa, dia mijaly ny vano rehefa ritra ny heniheny ary tsy misy intsony ny ahi-maitso. Tsy maintsy nianatra niara-niaina tamin’ny olombelona àry ny vano mba hivelomany. Tian’izy ireo kokoa ny mipetraka lavitra ny olombelona, kanefa afaka miaina akaikin’ny olombelona ihany izy, raha tsy misy manakotaba. Ny karazana vano any Inde no lava indrindra amin’ny voro-manidina rehetra, ary efa zatra manatody eny amin’ny dobo akaikin’ny tanàna izy ireo. Ny karazana vano hafa kosa nianatra nitady sakafo teny amin’ny tanimboly, tany amin’izay nandalovany rehefa nifindra monina izy, na izay tany nipetrahany nandritra ny ririnina.

Antenaina fa hiaro an’ireo zavaboary mahafinaritra ireo ny ezaka mafy ataon’ny manam-pahaizana, any amin’ny tany maro. Hampalahelo tokoa mantsy raha toa ka tsy hahita ny dihy mahasondriana ataon’ireo vano ny taranaka any aoriana, na koa tsy handre ny feony rehefa mifindra monina mianatsimo izy ireo, ka misidina eny amin’ny lanitra manga!

[Fanamarihana ambany pejy]

Mifindra monina any Israely ireo vano an’arivo avy any Eoropa sy Azia mandritra ny vanin-taona mafana, ary mijanona any mandritra ny ririnina ny sasany. Ho finaritra erỳ izay sendra mahita ireo vano, izay mandalo ny Tendrombohitra Hermona rakotra orampanala, ary misidina eo amin’ny lohasahan’i Jordania. Miserana ihany no ahitana an’izany, kanefa tsy hay hadinoina ny hakantony.

[Sary, pejy 15]

Vano mena sanga any Azia

[Sary, pejy 16]

Sary eo amin’ny bakoly iray avy any Korea

[Sary, pejy 16]

Vano mainty sy fotsy, misy volon-tsofina

[Sary, pejy 16, 17]

Vano fahita any Eoropa, eny am-panidinana

[Sary, pejy 17]

Karazana vano misy sanga