Alakamisy 30 Oktobra

Miambena hatrany.—Mat. 25:13.

Eritrereto hoe miangavy anao ny manam-pahefana iray mba hanatitra azy any amin’ny fotoan-dehibe iray. Efa minitra vitsy alohan’ny hiaingana anefa vao hitanao hoe tsy ampy lasantsy ny fiaranao. Lasa haingana ianao mividy lasantsy, kanefa vao lasa ianao, dia tonga ilay manam-pahefana. Mitoditodika izy mitady anao. Tsy mahandry anefa izy, ka mitady olon-kafa hitondra azy. Tafaverina ianao rehefa kelikely, nefa indrisy fa lasa ilay manam-pahefana. Manao ahoana ny fihetseham-ponao? Niresaka toe-javatra mitovy amin’izany i Jesosy, tao amin’ilay fanoharana momba ny virjiny. Tiany hohazavaina tamin’izay hoe nahoana no ho mendri-pitokisana sy malina ny Kristianina voahosotra sasany, mandritra ny andro farany, fa tsy ho toy izany kosa ny sasany. (Mat. 25:1-12) Hoy izy taorian’izay: “Koa miambena hatrany àry, satria tsy fantatrareo na ny andro na ny ora”, izany hoe tsy fantatra ny fotoana hahatongavan’i Jesosy mba hampihatra ny didim-pitsaran’i Jehovah amin’ny tontolon’i Satana. w12 15/9 4:1, 3

HERINANDRON’NY 27 OKTOBRA

Hira 5 sy Vavaka

Fianarana Baiboly:

Sekolin’ny Fanompoana:

Famakiana Baiboly: Deoteronomia 11-13 (10 min.)

Fivoriana Momba ny Fanompoana:

15 min:Inona no Hanampy Antsika Hahatsapa fa Maika ny Asa Fitoriana?” Lahateny misy fiaraha-midinika. Asio fampisehoana ahitana mpitory manolotra boky Ampianarina na taratasy mivalona.

15 min: Manomàna Tsara Raha Te Hitory Tsy Misy Hataka Andro. Lahateny misy fiaraha-midinika miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Aogositra 2014 (p. 14-15, feh. 14-20) Anontanio ny mpanatrika hoe inona ny hevitra na fanontaniana manahiran-tsaina ny olona eo amin’ny faritaninareo. Ahoana no azontsika iresahana azy ireny rehefa eny amin’ny fanompoana? Asio fampisehoana: Mpisava lalana roa na mpivady manomana fomba fitory mahaliana ny olona eo amin’ny faritaniny, ka mampiasa an’io lahatsoratra io. Afaka mifidy izay boky na gazety tiany hapetraka izy ireo.

Hira 95 sy Vavaka

27 OKTOBRA 2014–2 NOVAMBRA 2014

PEJY 7 • HIRA: 28, 107