3“Hirahiko ny irako,+ ary hikarakara ny lalana halehako izy.+ Ary ho avy tampoka ao amin’ny tempoliny+ ilay tena Tompo+ tadiavinareo sy ilay iraky+ ny fifanekena+ izay sitrakareo.+ Ho avy tokoa izy”, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika.+
27 Ary nohazavainy tsara tamin’ireo ny hevitry ny teny momba azy ao amin’ny Soratra Masina rehetra, nanomboka hatrany amin’i Mosesy+ sy ny Mpaminany+ rehetra.
44 Ary hoy izy: “Izao no teny nolazaiko taminareo fony aho mbola teo aminareo,+ fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nosoratana momba ahy ao amin’ny lalàn’i Mosesy sy ao amin’ny Mpaminany+ ary ny Salamo.”+