12 Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Miakara atỳ amiko, atỳ an-tendrombohitra ary mijanòna atỳ, fa tiako homena anao ireo takela-bato mbamin’ny lalàna sy ny didy hosoratako, mba hampianarina azy.”+
18 Ary raha vao vita ny teny nataony tamin’i Mosesy teo an-tendrombohitra Sinay, dia nomeny azy ny takela-bato roa misy ny Tenin’ny Vavolombelona,+ dia ny takela-bato nosoratan’ny rantsantanan’Andriamanitra.+
19 Raha vao tonga teo akaikin’ny toby i Mosesy, ka nahita an’ilay zanak’omby+ sy ny olona nandihy, dia nirehitra ny fahatezerany. Avy hatrany dia nazerany ireo takela-bato teny an-tanany, ka novakivakiny teo am-pototry ny tendrombohitra.+