-
Levitikosy 24:5-9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 “Haka lafarinina tsara toto ianao ka hanao mofo boribory 12, dia hanao an’izany ao anaty lafaoro. Lafarinina roa ampahafolon’ny efaha* no hanaovana ny mofo tsirairay. 6 Zarao ho roa toko ireo mofo ireo ka ataovy mofo enina mifanaingina ny toko tsirairay,+ dia ataovy eo ambonin’ilay latabatra vita amin’ny volamena tsy misy fangarony, eo anatrehan’i Jehovah.+ 7 Asio ditin-kazo manitra tsy misy fangarony eo ambonin’ny toko tsirairay. Dia ataovy fanatitra ho solon’ny mofo ilay ditin-kazo, ho santionany amin’ny fanatitra*+ atao anaty afo ho an’i Jehovah. 8 Isaky ny Sabata no halahatra tsy tapaka eo anatrehan’i Jehovah ireo mofo.+ Fifanekena maharitra ela be ataony amin’ny Israelita izany. 9 Ho lasan’i Arona sy ny zanany lahy izany,+ ka hohanin’izy ireo ao amin’izay toerana masina,*+ satria zavatra masina indrindra ho an’ny mpisorona, avy amin’ny fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah. Fitsipika tokony harahina foana izany.”
-