-
Lioka 3:2-6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 tamin’ny andron’i Anasy lehiben’ny mpisorona sy Kaiafa,+ dia nampita hafatra tamin’i Jaona+ zanak’i Zakaria, tany an-tany efitra,+ Andriamanitra.
3 Lasa àry izy nankany amin’ny faritra rehetra manodidina ny Reniranon’i Jordana. Nitory izy hoe tokony hatao batisa ny olona mba hampisehoana fa efa nibebaka izy ireo, dia ho voavela ny helony,+ 4 araka ny voasoratra ao amin’ny boky misy ny tenin’i Isaia mpaminany hoe: “Izany fa misy miantsoantso any an-tany efitra hoe: ‘Omano ny lalana halehan’i Jehovah!* Ataovy mahitsy ny lalany.+ 5 Tsy maintsy hototofana ny lohasaha rehetra, ary haletsy daholo ny tendrombohitra sy ny havoana; ny lalana miolakolaka tsy maintsy hahitsy ary ny lalana mikitoantoana hatao mitovy tantana; 6 ary ny olombelona* rehetra hahita ny famonjen’Andriamanitra.’”*+
-