25 Ry lehilahy, tiavo foana ny vadinareo,+ tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana sy ny nanolorany ny tenany hamonjy azy,+26 mba hanamasinany azy, ka hanadiovany azy amin’ny rano fandroana, izany hoe ny teny.+
22 Efa nanadio ny tenanareo ianareo rehefa nankatò ny fahamarinana, ka ny vokatr’izany, dia fitiavan-drahalahy tsy misy fihatsarambelatsihy.+ Koa mifankatiava lalina amin’ny fo.+