-
3 Jaona 9, 10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Nisy zavatra nosoratako ho an’ny fiangonana, saingy te ho lohany eo aminareo i Diotrefa,+ ka tsy mba nisy nohajainy na nekeny izay noteneninay.+ 10 Raha tonga any àry aho, dia hampahafantariko tsara ny zavatra mbola ataony. Manaratsy anay foana* mantsy izy,+ ary tsy vitan’izay fa tsy mety mandray tsara an’ireo rahalahy sady tsy manaja azy ireo.+ Dia izay te handray azy ireo indray tadiaviny hosakanana sy horoahina tsy ho anisan’ny fiangonana.
-