Deoteronomia
5 Dia nantsoin’i Mosesy ny Israely rehetra, ka hoy izy: “Ry Israely ô, henoy ny fitsipika sy ny didim-pitsarana lazaiko aminareo anio, dia ianaro sy araho tsara. 2 Nanao fifanekena tamintsika i Jehovah Andriamanitsika, tany Horeba.+ 3 Tsy tamin’ny razambentsika no nanaovan’i Jehovah an’izany fifanekena izany fa tamintsika, dia isika rehetra mbola velona eto. 4 Niteny mivantana* taminareo avy tao anaty afo i Jehovah, teo amin’ilay tendrombohitra.+ 5 Nitsangana teo anelanelanareo sy Jehovah aho tamin’izay,+ mba hampita aminareo ny tenin’i Jehovah. Natahotra an’ilay afo mantsy ianareo, ka tsy niakatra teo amin’ilay tendrombohitra.+ Hoy izy tamin’izay:
6 “‘Izaho no Jehovah Andriamanitrao izay nitondra anao nivoaka avy tany Ejipta, tany amin’ny toerana nanandevozana anao.+ 7 Aza manana andriamani-kafa ankoatra ahy* mihitsy.+
8 “‘Aza manao sary sokitra+ ho anao, na manamboatra zavatra mitovy bika amin’izay eny amin’ny lanitra ambony, na izay etỳ amin’ny tany ambany, na izay any anaty rano ambanin’ny tany. 9 Aza miankohoka eo anatrehan’ireny, na manaiky ho voatarika hanompo azy,+ fa izaho Jehovah Andriamanitrao dia Andriamanitra mitaky ny hanompoana ahy irery ihany.+ Koa raha misy raim-pianakaviana mankahala ahy, dia hosaziko noho ny fahadisoany ny zanany sy ny zafikeliny ary ny zafiafiny.+ 10 Fa raha misy kosa tia ahy sy mankatò ny didiko, dia ho tiako* foana ny taranany, hatramin’ny taranany faharivo.
11 “‘Aza manao tsinontsinona ny anaran’i Jehovah Andriamanitrao,+ fa tsy hisy havelan’i Jehovah ho afa-maina izay manao tsinontsinona ny anarany.+
12 “‘Tandremo ny andro sabata mba ho masina foana io andro io, araka ny didy nomen’i Jehovah Andriamanitrao anao.+ 13 Enina andro ianao no hiasa sy hanao ny raharahanao rehetra.+ 14 Fa ny andro fahafito kosa Sabata ho an’i Jehovah Andriamanitrao.+ Aza manao asa na inona na inona,+ na ianao, na ny zanakao lahy, na ny zanakao vavy, na ny mpanompolahinao, na ny mpanompovavinao, na ny ombinao, na ny ampondranao, na ny biby fiompinao, na ny vahiny mipetraka ao an-tanànanao.*+ Amin’izay dia ho afaka hiala sasatra hoatr’anao koa ny mpanompolahinao sy ny mpanompovavinao.+ 15 Tadidio fa andevo tany Ejipta ianao, ka nampiasa ny tanany matanjaka sy ny sandriny mahery i Jehovah Andriamanitrao rehefa nitondra anao niala tany.+ Izany no antony nandidian’i Jehovah Andriamanitrao anao hitandrina ny andro sabata.
16 “‘Hajao ny rainao sy ny reninao,+ araka ny didy nomen’i Jehovah Andriamanitrao anao, mba ho ela velona ianao, ary mba handeha tsara ny fiainanao eo amin’ilay tany homen’i Jehovah Andriamanitrao anao.+
20 “‘Aza mijoro ho vavolombelona mandainga hiampanga ny namanao.+
21 “‘Ary aza mitsiriritra ny vadin’ny namanao.+ Aza tia tena ka mitsiriritra ny tranon’ny namanao, na ny taniny, na ny mpanompolahiny, na ny mpanompovaviny, na ny ombiny, na ny ampondrany, na inona na inona fananany.’+
22 “Ireo didy* ireo no nolazain’i Jehovah taminareo rehetra tafavory teo amin’ilay tendrombohitra, ary nilaza an’izany tamin’ny feo mafy avy tao anaty afo sy rahona ary haizim-pito+ izy. Tsy nasiany fanampiny ireo didy ireo. Dia nosoratany teo amin’ny takela-bato roa ireo ka nomeny ahy.+
23 “Raha vao henonareo anefa ilay feo avy tao anaty haizina, tamin’ilay tendrombohitra mbola nirehitra,+ dia nanatona ahy daholo ny lehibem-poko sy ny anti-panahy* teo aminareo. 24 Dia hoy ianareo: ‘Efa nasehon’i Jehovah Andriamanitsika antsika ny voninahiny sy ny heriny, ary efa henontsika ny feony niteny avy tao anaty afo.+ Androany isika no nahita fa afaka miteny amin’olona Andriamanitra, kanefa mbola velona ihany ilay olona.+ 25 Matahotra anefa izahay sao ho faty, satria mety handevona anay io afo lehibe io. Tena ho faty mihitsy izahay, raha mbola maheno ny feon’i Jehovah Andriamanitsika. 26 Fa iza tamin’ny olona* rehetra no hoatr’antsika ka hoe efa naheno ny feon’ilay Andriamanitra velona niteny avy tao anaty afo, nefa mbola velona ihany? 27 Fa mandehana ianao mihaino an’izay rehetra holazain’i Jehovah Andriamanitsika. Dia ianao no hiteny aminay izay rehetra lazain’i Jehovah Andriamanitsika aminao, ary hohenoinay izany ka harahinay.’+
28 “Henon’i Jehovah àry ny teny nolazainareo tamiko, ka hoy i Jehovah tamiko: ‘Efa henoko ny tenin’ity vahoaka ity taminao. Mety daholo izany teniny izany.+ 29 Raha mba maniry hatahotra ahy+ sy hankatò ny didiko rehetra foana+ mantsy ny fony, dia handeha tsara mandrakizay ny fiainany sy ny an’ny taranany!+ 30 Mandehana lazao aminy hoe: “Modia any amin’ny tranolainareo.” 31 Ianao kosa mijanòna eto amiko, fa holazaiko aminao daholo ny didy sy ny fitsipika ary ny didim-pitsarana tokony hampianarinao azy sy tokony hankatoaviny any amin’ilay tany homeko azy.’ 32 Koa araho tsara izay efa nandidian’i Jehovah Andriamanitrareo anareo.+ Aza miala amin’izany na mivily miankavanana na miankavia.+ 33 Araho tsara ny lalana asain’i Jehovah Andriamanitrareo halehanareo,+ mba ho velona ianareo ka handeha tsara ny fiainanareo, ary ho ela velona eo amin’ilay tany halainareo ho anareo ianareo.+