Timoty Voalohany
2 Voalohany indrindra àry, dia mampirisika aho hoe manaova fitalahoana sy vavaka sy fangatahana ary fisaorana ho an’ny karazan’olona rehetra, 2 anisan’izany ny mpanjaka sy izay rehetra mitana toerana ambony.*+ Amin’izay isika hanana fiainana milamina foana sy tsy ho voahelingelina, sady hahafoy tena tanteraka ho an’Andriamanitra sy ho matotra tsara.+ 3 Tsara sady ankasitrahana eo imason’Andriamanitra Mpamonjy antsika+ izany. 4 Ary sitrapon’Andriamanitra ny hamonjena ny karazan’olona rehetra+ sy ny hahalalan’izy ireo tsara ny fahamarinana. 5 Fa iray ny Andriamanitra+ ary iray ny mpanelanelana+ amin’Andriamanitra sy ny olona,+ dia olona iray atao hoe Kristy Jesosy,+ 6 izay nanolotra ny tenany ho vidim-panavotana mifandanja, mba hamonjena ny olona rehetra.*+ Izany no hotorina amin’ny fotoana voatondro hanaovana an’izany. 7 Ary ny hitory an’izany+ no nanendrena ahy ho mpitory sy apostoly,+—milaza ny marina aho, fa tsy mandainga—ho mpampianatra an’ireo hafa firenena+ momba ny finoana sy ny fahamarinana.
8 Tiako àry raha mivavaka foana ny lehilahy, any amin’izay toerana rehetra ivorianareo, ka hanandratra tanana madio* rehefa manao an’izany,+ sady tsy ho tezitra+ na hiady hevitra.+ 9 Ny vehivavy koa rehefa mihaingo, dia tokony hanao akanjo mendrika sy maotina, sady tokony hisaina tsara,* ary tsy hanao randrana miavaka be, na hiravaka volamena na perla na hanao akanjo tena lafo be.+ 10 Tokony hifanentana kosa amin’ny vehivavy milaza ho mpivavaka amin’Andriamanitra ny haingon’izy ireo,+ ka ny asa tsara ataony no haingony.
11 Aoka ny vehivavy hangina* sy hanaiky tsara+ rehefa ampianarina.* 12 Tsy avelako hampianatra na hanana fahefana amin’ny lehilahy ny vehivavy, fa tokony hangina*+ kosa. 13 I Adama mantsy no natao voalohany, vao i Eva.+ 14 Tsy i Adama koa no voafitaka fa ilay vehivavy no voafitaka tanteraka,+ ka lasa mpandika lalàna. 15 Ho voaro ihany anefa ny vehivavy rehefa manan-janaka,+ raha miezaka foana hanana finoana sy fitiavana ary ho masina sy hahay hisaina.*+