Genesisy
22 Taorian’izay, dia nizaha toetra+ an’i Abrahama Andriamanitra, ka niteny hoe: “Abrahama!” Dia hoy izy: “Intỳ aho, tompoko!” 2 Ary hoy Andriamanitra: “Ento, azafady, i Isaka+ zanakao, ilay lahitokanao tena tianao,+ ka mankanesa any amin’ny tany Moria.+ Dia atolory ho fanatitra dorana izy rehefa any, eo amin’ny tendrombohitra iray holazaiko anao.”
3 Dia nifoha maraina i Abrahama ka nasiany lasely ny ampondrany. Dia nentiny niaraka taminy ny mpanompony roa lahy sy Isaka zanany. Namaky kitay ho an’ny fanatitra dorana izy, dia lasa nankany amin’ilay toerana natoron’Andriamanitra azy. 4 Tamin’ny andro fahatelo, dia nitazana i Abrahama ka nahita an’ilay toerana avy lavitra. 5 Dia hoy i Abrahama tamin’ny mpanompony: “Mijanòna eto ianareo sy ny ampondra, fa izahay mianaka handeha ho erỳ, mba hiankohoka eo anatrehan’Andriamanitra. Hiverina eto aminareo ihany izahay avy eo.”
6 Dia nalain’i Abrahama ny kitay ho an’ny fanatitra dorana, ka nataony teo amin’ny sorok’i Isaka zanany. Ary nentin’i Abrahama ny afo sy ny antsibe,* ka niara-nandeha izy mianaka. 7 Ary hoy i Isaka tamin’i Abrahama rainy: “Dada ô!” Dia hoy izy: “Ahoana, anaka?” Ary hoy i Isaka: “Efa ireto ny afo sy ny kitay, fa aiza izay ondry hatao fanatitra dorana?” 8 Dia hoy i Abrahama: “Andriamanitra ihany, anaka, no hanome ny ondry hatao fanatitra dorana.”+ Ary nanohy ny diany izy mianaka.
9 Farany dia tonga teo amin’ilay toerana natoron’Andriamanitra an’i Abrahama izy mianaka. Dia nanorina alitara teo i Abrahama ka nandahatra ny kitay teo ambonin’ilay izy. Avy eo dia nofatorany ny tongotra aman-tanan’i Isaka zanany. Dia nataony teo ambonin’ilay alitara izy, teo ambonin’ny kitay.+ 10 Ary nalain’i Abrahama ilay antsibe,* ka handeha hovonoiny ilay zanany.+ 11 Nisy anjelin’i Jehovah anefa niantso azy avy any an-danitra, hoe: “Abrahama! Abrahama!” Dia hoy izy: “Intỳ aho, tompoko!” 12 Ary hoy ilay anjely: “Aza vonoina ny zanakao, ary aza atao na inona na inona mihitsy. Fa fantatro amin’izay izao fa matahotra an’Andriamanitra ianao, satria nafoinao ho ahy ny zanakao, ilay lahitokanao.”+ 13 Tamin’izay dia nijery i Abrahama ka nahita ondrilahy tsy dia lavitra teo. Voasaringotry ny kirihitrala ny tandrok’ilay ondry. Dia nalain’i Abrahama ilay ondry, ka natolony ho fanatitra dorana ho solon’ilay zanany. 14 Koa nataon’i Abrahama hoe Jehovah-jire* ny anaran’ilay toerana. Izany no nahatonga an’ilay fitenin’ny olona hatramin’izao hoe: “Any an-tendrombohitr’i Jehovah no hanomezana an’izany.”+
15 Ary niantso an’i Abrahama fanindroany avy any an-danitra ilay anjelin’i Jehovah, 16 hoe: “‘Mianiana amin’ny tenako aho’, hoy i Jehovah,+ ‘fa noho ianao nanao an’izao ka nahafoy ny zanakao, ilay lahitokanao,+ 17 dia tena hotahiko ianao ka tena hataoko lasa be dia be ny taranakao, hoatran’ny kintana eny amin’ny lanitra sy ny fasika eny amoron-dranomasina.+ Ho lasan’ny taranakao koa ny vavahadin’ny* fahavalony.+ 18 Ary hahazo fitahiana amin’ny alalan’ny taranakao+ ny firenena rehetra eny ambonin’ny tany, satria nihaino ny teniko ianao.’”+
19 Taorian’izay dia niverina nankeny amin’ny mpanompony i Abrahama. Dia lasa izy ireo niara-niverina tany Beri-sheba.+ Ary tsy niala tao Beri-sheba i Abrahama fa mbola nipetraka tao.
20 Taorian’izany, dia nisy nilaza tamin’i Abrahama hoe: “I Milka koa efa nitera-dahy tamin’i Nahora rahalahinao,+ 21 dia i Oza lahimatoa, Boza rahalahiny, Kemoela rain’i Arama, 22 Kaseda, Hazo, Pildasy, Jidlafa, ary Betoela.”+ 23 I Betoela niteraka an’i Rebeka.+ Naterak’i Milka tamin’i Nahora, rahalahin’i Abrahama, izy valo ireo. 24 Ary nanana vadikely i Nahora: Reoma no anarany. Nitera-dahy koa i Reoma, dia i Teba, Gahama, Tahasy, ary Maka.