Moa ve ianao handray soa avy amin’ny hatsaram-po ho an’izay tsy mendrika akory?
“ARAKARAKA ny nianarako ny amin’ireo mari-pitondrantenan’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly no nahatsapako fa vao mainka aho tsy mendrika ny hahazo ny fankasitrahany sy ny fitahiany”, hoy i Frank. Taitra ny fahalianany ho an’ny Baiboly fony izy tany am-ponja noho ny fanaovana heloka nifandray tamin’ny zavatra mahadomelina. Namaky ny boky hoe Ny fahamarinana izay mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizaya izy, nino mafy fa izay voalaza ao no fahamarinana, ary rehefa afaka avy tao am-ponja izy, dia nifandray tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hianarana bebe kokoa momba ny Baiboly.
Nahoana moa ny fianarany ny Baiboly no nahatonga azy hahatsiaro tena ho tsy mendrika? Satria nandika fotopoto-pitsipik’Andriamanitra maro be ny fomba fiainany teo aloha. Ny fampiasana zavatra mahadomelina, ny fisotroana zavatra misy alkaola tafahoatra, ary ny fanao mampietry hafa isan-karazany dia nampietry azy aoka izany, hany ka nilaza taminy toy izao indray andro ny pôlisy iray: “Azonao omena ahy ve ny adiresinao? Mba hahafantarako fotsiny izay tokony handefasana ny fatinao!”
Ny tena nahatonga azy hahatsapa fa tsy mendrika mihitsy izy anefa, tatỳ aoriana, dia ny fahasarotan’ny fandresena ireo fanao maloto efa lalim-paka ireo, na nanao ahoana na nanao ahoana fiezahana nataony. Ny fangejan’ny fisotroana zavatra misy alkaola tafahoatra, ohatra, dia saika naharesy azy. “Tsy nahomby hatrany hatrany foana aho, ary izany dia nampalahelo sy nahatrotraka ahy”, hoy izy. “Saika nivarilavo tanteraka aho, satria nihevitra aho fa tsy azo navotana intsony.”
Mety ho tsy nanana fiainana toy ny an’i Frank ny hafa tamin’ny lasa. Kanefa mety hahatsapa izy ireo fa tsy mahavita na inona na inona. Izany dia mety ho avy amin’ny famerany fari-pitondrantena ambony tsy araka izay tokony ho izy ho an’ny tenany, amin’ny fiezahany hanaraka izay heveriny fa takin’Andriamanitra. Rehefa tsy arany izany, dia mahatsiaro tena ho meloka izy. “Mety ho tonga nofy ratsy dia ratsy ny fahatsiarovan-tena ho meloka”, hoy ny Dokotera atao hoe Claire Weekes ao amin’ny bokiny hoe Ampio ny tenanao mba hahazo herim-po, “indrindra ho an’ireo izay manandrana ny mametra fari-pitondrantena ambony ho an’ny tenany.” Inona no azon’ny kristiana iray atao raha azon’izany fahatsapana ho tsy mendrika izany izy?
Fantaro ny atao hoe hatsaram-po ho an’izay tsy mendrika akory
“Ny zavatra iray izay nanampy ahy indrindra”, hoy i Frank, “dia ny fahatakarako izay lazain’ny Baiboly ao amin’ny Hebreo 4:15, 16. Mampahatsiahy antsika ny apostoly Paoly ao fa i Jesosy dia mpanampy mahay miahy, izay afaka “miara-mitondra ny fahalementsika” ary manao izay “hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana [hatsaram-po ho an’izay tsy mendrika akory, MN ] ho famonjena amin’izay andro mahory.”
Ho tianao ve ny hahazo ny fanalahidin’ny fandresena ny fahatsapana ho tsy mendrika? Izao izany: Tsarovy fa fantatr’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy fa malemy isika noho ny tsy fahatanterahana nolovana. Takany fa tsy afaka ny hahatratra amin’ny fomba tanteraka ireo mari-pitondrantena marina isika (Salamo 51:5; Romana 3:23; 5:12, 18; Jakoba 3:2). Tsy manantena ny hahazo avy amintsika betsaka kokoa noho izay azontsika omena àry izy. Ireo toetra tsarantsika no jereny, fa tsy ireo fahalementsika akory. Nanontany toy izao ilay mpanao salamo: “Raha mandinika heloka Hianao, Jehovah ô, iza no hahajanona, Tompo ô?” (Salamo 130:3). Hanaiky mora foana ianao fa tsy misy na dia iray amintsika aza. Amin’ny alalan’ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy anefa, i Jehovah dia afaka haneho famindrampo amintsika ka hihevitra antsika ho madio na dia eo aza ny tsy fahatanterahantsika (1 Jaona 2:2; 4:9, 10). Azontsika atao ny mahazo “ny famelana ny fahadisoantsika” — ary avy amin’izany ny fanampiana mba handresy izay mety ho fahatsapana ho tsy mendrika — “araka ny haren’ny hatsaram-pony ho an’izay tsy mendrika akory”. — Efesiana 1:7, MN.
Diniho araka izao ohatra manaraka izao izany. Ireo olona izay tia zava-kanto dia hanao ny fiezahana rehetra mba hamerina ho amin’ny laoniny ny sary hoso-doko na zava-kanto hafa simba dia simba. Rehefa nisy nitifitra tamin’ny basy, ohatra, tao amin’ny National Gallery (trano fitehirizana ny rakitry ny ela) any Londres, any Angletera, ny sary hoso-doko nataon’i Léonard de Vinci iray mahatratra 20 tapitrisa Livres Sterling (eo amin’ny 1 lavitrisa ariary eo ho eo) ny vidiny, dia tsy nisy na dia iray aza nanipy hevitra fa, noho ilay sary efa simba izao, dia tokony hariana izy io. Teo no ho eo kosa dia natomboka ny asa famerenana izany ho amin’ny laoniny. Nahoana? Satria sarobidy izy io teo imason’ireo tia zava-kanto.
Moa ve ianao tsy mendrika kokoa noho ny sary iray vita tamin’ny tsaoka sy ny arina? Sarobidy tokoa ianao eo imason’Andriamanitra — na manao ahoana na manao ahoana fahasimbana mety hisy eo aminao noho ny fahotana nolovana (Salamo 72:12-14; Matio 20:28). Jehovah Andriamanitra, ilay Mpamorona mahay ny fianakavian’olombelona, dia hanao izay ilaina mba hamerenana ho amin’ny fahatanterahana ireo anisan’io fianakaviana io izay manaiky ny fiahiany feno fitiavana. — Ampitahao amin’ny Asan’ny apostoly 3:21; Romana 8:20-22.
Ekeo ny hatsaram-po amin’izay tsy mendrika akory
Araho ny ohatry ny apostoly Paoly. Nankasitrahany tokoa ny hatsaram-pon’Andriamanitra izay namela tamim-pangoraham-po ny fahadisoany tamin’ny lasa ary tsy nitsahatra nanohana azy tamin’ny ady nataony mba handresena ny fahalemeny niverimberina (Romana 7:15-25; 1 Korintiana 15:9, 10). Nanitsy ny fandehan’ny fiainany i Paoly ary koa, ‘nasiany mafy ny tenany ka nandevoziny’ mba hanaraka hatrany lalana izay ankasitrahan’Andriamanitra. (1 Korintiana 9:27). Tsy navelany hanandevo azy ny tenany niaraka tamin’ireo fironany ara-batana sy ara-pihetseham-po hanota.
Ekeo ny hatsaram-pon’Andriamanitra ho an’izay tsy mendrika akory, ary avelao hitarika anao ho amin’ny fibebahana (Romana 2:4; 2 Korintiana 6:1). Raha misy diso nataonao tamin’ny lasa manelingelina anao, dia ahitsio izany ary avy eo dia manàna finoana ny toky nomen’i Jehovah fa namela anao izy (Isaia 1:16-18; Asan’ny apostoly 2:38). Raha mitohy maharitra ny fahalemenao ka mampahory anao, dia aza mitsahatra ny miady hanohitra izany. Mazotoa mivavaka ho amin’ny fanampian’i Jehovah mba handresy izany ary, mandritra izany fotoana izany ihany, dia matokia tanteraka ny famindrampony (Salamo 55:22). Avy amin’ny fanandraman-javatra hitany no nanomezan’i Frank izao torohevitra izao: “Rehefa misy fotoana tsy ahombiazan’ny olona iray amin’ny ady ataony amin’ny fanao ratsy sasany, dia aza heverina ho toy ny tsy fahombiazana tanteraka sy farany izany, fa ho toy ny fihemorana kely fotsiny.” Raha mbola manampy zava-manahirana ho anao ny hafa amin’ny fitakiana mihoatra noho izay azonao omena, dia tsarovy fa Andriamanitra no iezahanao ampifalina fa tsy ny olona akory. — Galatiana 1:10.
Amin’ny ady ataonao mba hanao izay marina, dia mitandrema tena amin’ny “fanangolen’ ”i Satana, izay azo antsoina hoe “ny hafetsen-dratsin’ny Devoly”. (Efesiana 6:11, Fandikan’izao tontolo izao vaovao misy fakàn-teny, anglisy, fanontana tamin’ny 1984, fanamarihana ambany pejy; Français courant.) Aoka hodinihintsika izao ny “hafetsen-dratsy” roa izay hampiasainy mba hanaovana izay tsy handraisanao soa avy amin’ny hatsaram-po ho an’izay tsy mendrika akory.
Ireo “hafetsen-dratsin’ ”i Satana
Mampiasa ny fahatsapana ho tsy mendrika ny Devoly mba hanandramana mampiala anao amin’Andriamanitra. I Satana no loharanon’ny ota izay nanimba anao tany am-boalohany. Ankehitriny izy dia mety hanandrana ny hampitombo ny fahatsapanao fa tsy mendrika ianao eo imason’Andriamanitra, toy ny nandraman’i Bildada natao tamin’i Joba (Joba 25:4-6; Jaona 8:44). Firifiry akory moa ny faharesena azo noho ireo miaramila efa niraviravy tanana sahady teo am-panombohan’ny ady! Aza avela hanimba ny toe-tsainao àry i Satana (Efesiana 6:10-13). Raha mahafantatra ireo fitak’i Satana isika, izany dia hanosika antsika hiady mafy kokoa ihany mba hanao izay marina. — 2 Korintiana 2:11.
Raha malahelo ianao indraindray fa tsy nahomby tamin’ny lafiny iray na iray hafa, dia ataovy izay tsy ‘haharesin’ny fitomboan’alahelo’ anao. (2 Korintiana 2:7.) Nanao izao fanamarihana izao ny Dr. Claire Weekes momba ny fironan’ny sasany hamela ny tsy fahombiazany tamin’ny lasa handresy azy: “Manimba ny fiainana ny famelana ny heloka natao tamin’ny lasa tsy hahafahana manao na inona na inona amin’ny izao fotoana izao.” — Jereo Asan’ny apostoly 3:19.
Raha toa isika ka afaka mahafeno tanteraka ireo fepetra rehetra takin’Andriamanitra, dia ho hatsaram-po ho an’izay tsy mendrika no hasehony rehefa hanome antsika ireo fitahiana nampanantenainy izy. Hatsaram-po ho an’izay “tsy mendrika akory” anefa no asehon’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy antsika. Nanazava toy izao momba ny teny nampiasain’ny apostoly Paoly hilazana io toetran’Andriamanitra io ny Rakibolana grika-anglisy momba ny Testamenta Vaovao (anglisy), nataon’i J. H. Thayer: “Ao anatin’ny teny hoe kha’ris dia misy hevitra ny amin’ny hatsaram-po izay manome zavatra ho an’ny olona iray izay tsy mendrika ny hahazo izany.” Tsy misy mahatonga antsika ho mendrika ny handray ny fitahian’Andriamanitra ny asantsika. Araka ny lazain’i Paoly, izany dia hatsaram-po ho an’izay tsy mendrika akory. Raha manao amim-pahatsorana izay rehetra azonao atao ianao, araka izay mety ho vitanao, mba hanatontosa ny adidinao amin’Andriamanitra, dia mifalia noho ny fahafahanao manao izany. Tsy mangataka mihoatra noho izany aminao i Jehovah.
Fantaro anefa ny “hafetsen-dratsy” iray hafan’i Satana. Ataony izay hinoan’ny sasany fa afaka manararaotra ny hatsaram-pon’Andriamanitra ho an’izay tsy mendrika akory sy ny famindrampony izy. Mamela amim-pitiavana ny fahalementsika i Jehovah, kanefa izany akory tsy midika fa afaka mitsahatra tsy hiady mba handresy izany isika. Niresaka ny amin’ireo izay “nanitsaka ny Zanak’Andriamanitra ka (...) naniratsira ny fanahin’ny fahasoavana [hatsaram-po ho an’izay tsy mendrika akory, MN ]” i Paoly. (Hebreo 10:29.) Tsy nampiseho fanajana ireo fotopoto-pitsipika marina ireny olona ireny, ary nanamavo ireo lalàn’Andriamanitra, ka nanao tamin’izany izay tsy hahafahana namonjy azy intsony. Izao no nosoratan’i Joda, rahalahin’i Jesosy iray reny taminy, izay nahita ny loza naterak’ireo olona voafitak’i Satana ireo: “[Ao amin’ny kongregasiona, dia] misy olona sasany efa niditra misokosoko, (...) dia olona ratsy fanahy, izay mamadika ny fahasoavan’Andriamanitsika [hatsaram-pon’Andriamanitsika ho an’izay tsy mendrika akory, MN ] ho fijejojejoana.” — Joda 4.
Fitahin’i Satana ireny olona ireny amin’ny fanaovana izay hinoany fa afaka manao ratsy na an-tsitrapo na tsy an-tsitrapo izy ary avy eo dia mangataka ny hamelan’Andriamanitra ny fahotany. Tsy havelan’i Jehovah anefa ny fahotan’ireo mpandika ny lalàny an-tsitrapo toy izany. Izy dia “be famindrampo” amin’ireo izay miezaka mafy ny hanompo azy amin’ny fomba tsara araka izay azony atao na dia eo aza ny tsy fahatanterahany. “Kanefa tsy mety manamarina ny meloka [manafaka amin’ny sazy, MN ]” izy rehefa mendrika ny hosazina izany. — Eksodosy 34:6, 7.
Afaka mandray soa avy amin’ny hatsaram-po ho an’izay tsy mendrika akory ianao
Mampionona ny mahafantatra fa tsy ny toetrantsika tsy tanteraka sy simba fotsiny akory no hitan’i Jehovah eo amintsika. Fantany izay ho toetrantsika rehefa hampiharina amin’ny fomba feno ny fahafahana mamerina ho amin’ny laoniny ananan’ny sorom-panavotan’i Jesosy. Noho izany àry, dia mivavaha amim-patokiana amin’i Jehovah, toy ny nataon’i Davida mpanao salamo. “Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, hoy i Davida, “araka ny fahasoavanao [ny hatsaram-ponao, MN ]. Araka ny haben’ny fiantranao vonoy ny fahadisoako. Sasao madio aho mba ho afa-keloka, ary diovy aho mba ho afa-pahotana. Fa tsaroako ny fahadisoako, ary eo anatrehako mandrakariva ny fahotako. Afeno ny tavanao ny fahotako, ary vonoy ny heloko rehetra. (...) Ny fo torotoro sy mangorakoraka, Andriamanitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona.” — Salamo 51:1-3, 9, 17.
Mety ho eo anoloanao foana ireo fahadisoanao sy tsy fahombiazanao. Indraindray ianao dia mety hanana fihetseham-po toy ny an’ilay zanaka adala noresahin’i Jesosy. Rehefa nody tany aminy io zatovolahy io taorian’ny nandanilaniany foana ny lovany tamin’ny fomba nahamenatra tany an-toeran-kafa, dia hoy izy tamin-drainy: “Tsy miendrika hatao hoe zanakao intsony [aho].” (Lioka 15:21). Nanana fomba fihetsika tsara anefa io zatovolahy io. Tsy nanda ny hatsaram-pon-drainy izy sady tsy nitady ny hanararaotra izany. Izany no antony nandraisan-drainy azy indray tamim-pitiavana tao an-tranony (Lioka 15:20-24). Faly i Jehovah hanao toy izany ankehitriny amin’ireo mpanota izay miezaka mafy ny hanao ny sitrapony. — Salamo 103:8-14; Isaia 55:7.
Tsy navelan’i Frank handresy azy ny fahatsapana ho tsy mendrika. Nanaiky ny hatsaram-pon’Andriamanitra ho an’izay tsy mendrika akory izy, ary ankehitriny izy dia manompo amin’ny maha-mpikarakara momba ny asa ao amin’ny iray amin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah. “Mibitaky ny hafaliana aho ankehitriny”, hoy izy, “rehefa mieritreritra izay nataon’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy sy izay mbola hataony ho antsika!”
[Fanamarihana ambany pejy]
a Natontan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.