Ny Finoana Feno Herim-pon’ireo Rahalahintsika Rwandais
TANY am-piandohan’ny taona 1994 dia tankina izao tontolo izao noho ireo tatitra ny amin’ny vonoana olona be dia be avy tatsy Rwanda, tany iray atsy Afrika. Nipoaka ny ady an-trano feno setrasetra iray — ny fara tampon’ny fankahalana naharitra an-jatony taona maro.
Niatrika ny firodanan’ny lalàna sy ny filaminana tanteraka ireo Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny 2 000 atsy Rwanda ka voatery nandositra mba hamonjena ny ainy. Tokony ho 1 300 tamin’izy ireo no nahita fialofana tany amin’ireo tobin’ny mpitsoa-ponenana any Zaïre sy Tanzania eo akaiky, fa ny sasany kosa tsy afa-nandositra ara-potoana. Malahelo izahay mitatitra eto fa tokony ho 400 amin’ireo rahalahintsika sy anabavintsika — olon-dehibe sy ankizy, ary mazava ho azy fa sivily avokoa — no maty noho ny herisetra tsy nisy dikany. Ny Kristiana manerana ny tany dia malahelo namoy ireny mpihazona tsy fivadihana be herim-po ireny ary mahita fampiononana avy amin’ny fampanantenan’ny Baiboly ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty. — Jaona 11:25.
Manao ahoana kosa ireo rahalahy sy anabavy rwandais mbola velona? Nisy loholona nirahina avy tany amin’ny tany sasantsasany mba hamotopototra ny amin’ny toe-javatra any an-toerana. Ny tatitra iray dia nilaza fa ireo rahalahy rwandais dia niatrika ilay tarehin-javatra “tamim-pahamendrehana sy herim-po lehibe”. Ohatra, ny iray tamin’ireo zavatra voalohany nangatahin’ireo rahalahy dia zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly. ‘Toa miahy kokoa ny amin’ny hahazoana hanina ara-panahy noho ny fanampiana ara-nofo izy ireo, na dia mila mafy zavatra be dia be aza izy ireo’, hoy ny famaranan-tenin’ilay tatitra. Ary na dia faran’izay tsizarizary aza ny toe-javatra ao amin’ireo toby, ‘ny toerana madio indrindra ao dia ny ipetrahan’ireo rahalahintsika’.
Ny Fikambanana Watch Tower dia nanokana vola mba hahafahana hividy hanina, bodofotsy, fitafiana, kiraro ary fanafody. Ireo rahalahintsika any Frantsa dia nanao fanomezana tamim-pahalalahan-tanana, ary tamin’ny Jona, dia entana efa ho roa taonina no efa nalefa tany amin’ireo rahalahintsika rwandais mahantra ireo.
Tsy mahagaga fa ireo toe-javatra ireo dia nitarika ho amin’ny fanaovana fanambarana tsara dia tsara. Tohina ny fon’ny mpitazana nahita fa nahazo fanampiana sy fanohanana toy izany avy tamin’ireo Vavolombelona namany ireo rahalahintsika rwandais, ary azo natao ny nizara izany fanampiana izany tamin’ny hafa. Nisy nilaza fa ireo Vavolombelona irery tao amin’ireo toby no notsidihin’ireo mpiray finoana aminy!
Ny toe-javatra mampahory misy ireo rahalahintsika rwandais dia mampahatsiahy antsika fa amin’izao “andro farany” izao, ny olona dia “tsy hanana fifehezan-tena” sy ho “lozabe”. (2 Timoty 3:1-5, NW ). Ary na dia tsy mampanantena fiarovana amin’ny loza ara-batana amin’ny alalan’ny fahagagana ho an’ny vahoakany aza i Jehovah, dia mampanantena kosa ny hiaro ny toe-piainany ara-panahy sy ny fifandraisan’izy ireo aminy. Mampanantena koa izy fa, mandritra ny fanapahana arivo taonan’i Kristy, dia hanangana ireo izay maty ankehitriny ny tenany. (Salamo 91:1-10). Enga anie isika hanohy hivavaka ho an’ireo rahalahintsika rwandais mbola velona, mba hanohanan’i Jehovah sy hanampiany azy ireo mandritra izao fotoana feno fisedrana izao. — Salamo 46:1.