Tsy Misy Fisotroan-dronono ny Anay!
“TSY MISY FISOTROAN-DRONONO NY ANAY”, izany no hafatra tsapanao rehefa mitsidika trano anankiray tsy mahazatra ao Tokyo, ao Japon, ianao. Fianakaviana iray misy lehilahy sy vehivavy 22, samy 70 taona eo ho eo amin’ny antsalany, no mipetraka ao. Tsy ampiraisin’ny fatoram-pianakaviana izy ireo, fa ampiraisin’ny tombontsoa iombonana iray — ny asa misionera. Naharitra tao amin’ny asa fitoriana manontolo andro izy ireo nandritra ny 1 026 taona amin’ny fitambarany! Teraka tamin’ny 1910 ireo mpikambana telo zokiny indrindra. Ny fito amin’izy ireo dia nanomboka ny fanompoany manontolo andro fony mbola zatovo. Ny sivy amin’izy ireo dia nahita ny fitomboan’ny asa fitoriana ilay Fanjakana tao Japon hatrany am-piandohan’ilay asa, taorian’ny Ady Lehibe Faharoa. — Isaia 60:22.
Kanefa dia toeram-pampaherezana io tranon’ny sampan’ny Watch Tower taloha misy rihana dimy io, indrindra fa noho ilay toe-tsaina na ilay fironana manapaka eo amin’ireo misionera mipetraka ao. Na dia voafetra ara-batana aza ny ankamaroan’izy ireo noho ny taona sy ny fahasalamana tsizarizary, dia tsy misy amin’ireo mpiady ara-panahy ireo vonona ny hiala. Ireo Vavolombelona japoney dia nanavao tanteraka ilay trano ho azy ireo, nanome azy ireo Efitrano Fanjakana iray ao amin’ny lakaly sy ascenseur iray.
Izay mahatonga azy ireo ho sambatra
Noho izy ireo tao amin’ny toerana nanendrena azy hatramin’ny taona maro aoka izany, ireo misionera ireo dia mihevitra fa io no tanin’izy ireo. “Rehefa nandeha niverina tany Aostralia aho nandritra ny fivoriamben’ny distrika tamin’ny fahavaratra lasa teo”, hoy ny iray tamin’ireo mpikambana zokiny indrindra amin’ilay fianakaviana, “dia mailaka ny hiverina hody aho taorian’ny tapa-bolana!” Tia an’ireo olona ampiany ireo misionera ary namboly firaiketam-po lalina tamin’izy ireny. Ireo misionera rehetra dia mankamamy ireo taratasy sy antso an-telefaonina izay mampahatsiahy azy ireo ny asa tamin’ny andro fahiny.
Izany dia vokatry ny fanompoana tamim-pahazotoana. Natosiky ny fitiavana an’i Jehovah, ireo misionera dia nitory tamim-pahadodonana ny Tenin’Andriamanitra tao anatin’ny toe-javatra maro samihafa. (Ampitahao amin’ny 2 Timoty 4:2.) “Nampiofaninay ny tenanay ho falifaly satria fotsiny hoe manompo an’i Jehovah izahay”, hoy i Vera MacKay izay manompo any Japon hatramin’ny 37 taona. “Na dia tsy misy olona tonga aza eo amin’ilay varavarana, dia tonga teo izahay mba hanao fanambarana momba an’i Jehovah.”
Ny 12 amin’ireo misionera ireo dia mbola tsy nanambady mihitsy, kanefa dia sambatra izy ireo afaka manompo ny Tompo amin’ny saina tsy mivezivezy. (1 Korintiana 7:35). Iray amin’ireo i Gladys Gregory, izay manompo amin’ny maha-misionera hatramin’ny 43 taona. Hoy izy: “Mba hananana fahafahana lehibe kokoa ho amin’ny asan’i Jehovah, dia niditra tao amin’ny asan’ny mpisava lalana aho, tatỳ aoriana dia tany Gileada [Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower], ary avy eo dia tao amin’ny asa misionera. Na dia tsy nivoady ny amin’izany aza aho, dia nitoetra ho mpitovo, ary sahala amin’ireo namako maro, dia tsy nanenina ny amin’izany mihitsy aho.”
Fahavononana hifanaraka amin’ny toe-javatra
Na dia manjary kirina aza ny olona sasany rehefa mihaantitra, ireo misionera kosa dia vonona ny hifanaraka amin’ny toe-javatra. Tao amin’ny tranon’ny misionera kely kokoa tao amin’ny faritra natao honenana iray ao Tokyo, no nisy an’i Lois Dyer sy i Molly Heron, ary i Lena sy i Margrit Winteler. Nipetraka tao nandritra ny 20 taona mahery izy ireo ary nanjary niraiki-po tamin’ireo olona tao amin’izany faritra izany. Tao amin’ny faritanin’izy ireo, ry Winteler mirahavavy dia nanana olona 40 nanaovana lalana fizarana gazety, ary i Molly sy i Lois dia nanana olona 74 teo amin’ny azy. Avy eo ny Fikambanana dia nangataka azy ireo hifindra tao amin’ilay tranon’ny misionera misy rihana dimy, tao afovoan-tanànan’i Tokyo. “Kivy sy tsy faly aho tamin’ny voalohany”, hoy ny fieken’i Lena. Toy ny mahazatra anefa, dia nifanaraka tamin’ilay fanendrena vaovao azony izy ireo. Manao ahoana izy ireo izao? “Tena sambatra”, hoy ny navalin’i Lena. “Izao dia misy anadahy roa avy ao amin’i Betela eto mba hahandro ny sakafonay sy hanadio ny tranonay. Voakarakara tsara izahay.” Izy rehetra dia samy miombon-kevitra amin’i Lois izay niteny hoe: “Manampy anay haharitra ny fikarakarana feno fitiavana omen’ny fandaminan’i Jehovah anay.”
Nifanaraka tamin’ny toe-javatra vaovao koa i Norrine Thompson. “Nandritra ny 15 taona aho dia nanana tombontsoa hanaraka ny vadiko [avy any Nouvelle-Zélande] teo amin’ny asan’ny distrika fony mbola distrika iray monja i Japon manontolo”, hoy izy. Nihasimba anefa ny fahasalaman’ny vadiny, ary voatery nandresy ilay fisedrana lehibe indrindra teo amin’ny fiainany izy: ny fahafatesan’ny vadiny, 18 taona lasa izay. “Tamin’izany fotoana izany”, hoy izy, “ny nahatonga ahy ho afaka hanohy teo amin’ny asa misionera, dia ny fitiavana nasehon’ireo anadahy sy rahavavy manerana an’i Japon, niaraka tamin’ny vavaka sy ny fitoerana ho be zavatra hatao teo amin’ny fanompoana.”
Fisikinana herim-po ao anatin’ny zava-manahirana ara-pahasalamana
“Ny ankamaroan’izy ireo dia manan-java-manahirana ara-pahasalamana, kanefa dia sariaka izy ireo, ary ny faniriany hanompo dia toetra miavaka iray”, hoy i Albert Pastor, mpiandraikitra an’ilay tranon’ny misionera. Mba hikarakarana ireo misionera, dia misy dokotera iray sy ny vadiny izay mpitsabo mpanampy, voatendry ho ao amin’ilay trano.
Indray andro, tokotokony ho telo taona lasa izay, dia tsy nahita tampoka ny maso havian’i Elsie Tanigawa, nahazo diplaoma avy tamin’ny kilasy faha-11 amin’ny Sekolin’i Gileada. Efa-bolana tatỳ aoriana, dia voa koa ny masony havanana. “Indraindray aho dia kivy kely ihany satria tsy afaka manompo toy ny nataoko taloha. Kanefa noho ireo fandaharana rehetra mampiseho hatsaram-panahy ataon’ny Fikambanana sy ny fanampiana feno fitiavana avy amin’ilay namako sy ny hafa, dia manohy mahita fifaliana eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah aho”, hoy i Elsie.
Niatrika fisedrana maro nahakasika ny fahasalamany nandritra ireo taona vitsivitsy lasa i Shinichi Tohara sy i Masako vadiny izay samy iray kilasy tamin’i Elsie tao Gileada. Ho an’i Shinichi izay mpandahateny mahay, dia zava-tsarotra lehibe ny tsy fahafahany mahita ireo fandraisana an-tsoratra nataony noho ny masony misy fahavoazana. Na dia nanaovana fandidiana lehibe sy kely aza izy nandritra ireo taona faramparany, dia mibaliaka ny masony rehefa miresaka ny amin’ilay mpianatra ny Baiboly 90 taona izay ampiany ankehitriny, izy.
Na dia manana ‘tsilo ao amin’ny nofo’ aza ireo misionera ireo, dia mihevitra ny fahalemeny toy ny nataon’ny apostoly Paoly izay nilaza hoe: “Ny fahalemeko no fahatanjahako.” (2 Korintiana 12:7-10). Ary dia matanjaka tokoa moa izy ireo! Efa tafafoha ho amin’ny fanompoam-pivavahana maraina isan’andro izy ireo amin’ny fito ora. Aorian’ny sakafo maraina, ireo izay manana fahafahana ara-batana hanao izany, dia mandeha any amin’ny asa fanompoana vao maraina.
I Richard sy i Myrtle Shiroma dia anisan’ireo izay mandeha tsy tapaka any amin’ny fanompoana. Tapaka lalan-dra noho ny fihetsehan’ny artériosclérose-n’ny atidoha i Myrtle tamin’ny 1978, kanefa dia nanaraka ny vadiny teo amin’ny asa fitetezam-paritany izy hatramin’ny Novambra 1987. Izao i Richard izay efa 70 taona koa dia manampy an’i Myrtle mba hanao ny zava-drehetra. Mifoha amin’ny dimy ora maraina izy, manala azy avy eo am-pandriana, mampandro azy, mampiakanjo azy, manosotra lokomena sy manjamaso ary ny kojakojany hafa azy, ary mamahana azy. Avy eo izy dia mitondra azy mivoaka miaraka amin’ny sezany mikorisa ho any amin’ny asa fanompoana isa-maraina, mandeha isan-trano mandritra ny adiny iray eo ho eo, ary avy eo dia manao fanambarana amin’ny olona eny amin’ny fiandrasana aotobisy. Tsy afaka miteny intsony i Myrtle, kanefa ny teny farany nataony dia hoe: Dendo, dendo, teny japoney mifanitsy amin’ny hoe: “Fitoriana, fitoriana”.
Nifindra nankao amin’ilay tranon’ny misionera i Sandra Sumida, zanak’izy ireo vavy, mba hanampy azy ireo. Namoy vao haingana ny vady malalany noho ny fihetsehan’ny aretim-po, i Sandra. Ankasitrahany ilay fandaharana mampiseho hatsaram-panahy nataon’ny Fikambanana Watch Tower tamin’ny fanendrena azy hiverina tany Japon avy tany Guam. I Guam no toerana nanompoany tamin’ny naha-misionera niaraka tamin’ny vadiny. “Nahatsapa foana aho fa tsy dia nanana anjara firy teo amin’ny fanampiana ny ray aman-dreniko satria aho tany Guam”, hoy izy. “I Joanne, rahavaviko no nikarakara azy ireo tato amin’itỳ trano itỳ. Koa rehefa nisokatra ny fahafahana hanao izany, dia nahatsapa fahafaham-po aho. Ny fahatsapan-tena ho ilaina eto dia fanasitranana ahy hatramin’ny nahafatesan’ny vadiko tampoka.”
Mbola maneho fiahiana mitohy
Na dia mahatsapa ny vokatry ny fahanterana aza ireo misionera, dia tsy mety manary ny toe-tsaina misionera ananany izy ireo. (Salamo 90:10; Romana 5:12). I Jerry sy i Yoshi Toma izay anisan’ireo voalohany nahazo diplaoman’i Gileada nankany Japon, dia mbola mandeha any amin’ny faritany be fandraharahana indrindra any Shibuya. “Fony izahay tonga teo amin’ilay trano nisy rihana tokana izay nitsangana teto tamin’ny 1949, dia nandeha nitety isaky ny lava-bato izahay. Izao i Tokyo dia niova ho tanàn-dehibe renivohitra. Antitra izahay ary tsy afaka manao be toy ny nataonay taloha. Kanefa rehefa miverina avy amin’ny fitoriana izahay, dia velombelona aoka izany”, hoy i Yoshi.
Misionera tao Japon hatramin’ny 40 taona i Lillian Samson, ary mankafy dia mankafy ny fanompoany izy. “Izao aho dia manampy vehivavy iray 80 taona izay niara-nianatra tamin’i Adeline Nako, misionera namako, izay niverina nankany Hawaii mba hikarakara ny reniny marary. Tsy ela izay ilay ramatoa dia tonga mpitory ilay Fanjakana rehefa avy nandresy ilay zava-manahirana momba ny fivavahana amin’ny razana. Nankany amin’ny tempoly izy ary nilaza tamin’ny vadin’ilay pretra hoe: ‘Niova ho amin’ny Kristianisma aho!’ ” Noho ny fifaliana toy izany eo amin’ny fiainany, dia tsy nanenenan’i Lillian mihitsy ilay andro nandaozany ny asa fivelomany ka nanombohany ny asan’ny mpisava lalana, fony izy 19 taona.
I Ruth Ulrich sy i Martha Hess misionera mpinamana hatramin’ny 45 taona mahery dia miasa avy ao amin’io tranon’ny misionera io hatramin’ny 35 taona. Miorina tsara ao amin’ilay faritany izy ireo. Indray mandeha dia nanontany an’i Martha toy izao ny mpiandraikitra ny fizaran-tany: “Afaka mindrana ny tarehinao ve aho hoentiko isam-baravarana?” Nahafantatra ny tarehin’i Martha ny olona ka naninjitra ny tanany mba hahazo gazety, raha mbola sahirana nanombo-dresaka ilay mpiandraikitra ny fizaran-tany.
Tamin’ny lalana fizarana gazetin’i Ruth dia nisy vehivavy iray tsy afaka namaky teny noho ny zava-manahirana ara-pahasalamana. Na dia izany aza, dia manohy maka ireo gazety izy ary nandray mihitsy aza an’ilay boky mifono baoritra hoe L’humanité à la recherche de Dieu. Nanontany tena i Ruth raha tokony hanohy hanatitra ireo gazety izy satria toa tsy nisy namaky ireo zavatra vita an-tsoratra. Avy eo, indray andro dia nanatona an’i Ruth niaraka tamin’ilay boky Recherche ny vadin’ilay ramatoa, ka nilaza hoe: “Boky mahafinaritra itỳ! Namaky azy tanteraka indroa aho.” Nanomboka fianarana ny Baiboly niaraka tamin’izy mivady i Ruth.
Ilay tranon’ny misionera mihitsy dia manintona olona liana. Indray takariva, dia nisy lehilahy tanora iray tonga tao amin’ilay trano ka nilaza hoe: “Araka ny fahazoako azy, dia hoe raha tonga eto, hono, aho dia afaka mahazo fanampiana mba hianatra ny Baiboly.” Natomboka ny fianarana ny Baiboly niaraka taminy. Tamin’ny naha-mpahandro azy tao amin’ny restaurant sinoa iray, dia niara-niasa tamin’ny vehivavy iray voaroaka hatramin’ny taona maro izy. Tonga hatrany an-dakozia ireo gazety napetraky ny mpitory iray nitsidika ilay restaurant. Tian’ilay mpahandro tanora izy ireo ary dia nanomboka nanontany an’ilay Vavolombelona taloha izy. Noho ny tsy fahafahan’ilay vehivavy namaly izany, dia nasainy nitsidika tany amin’ilay tranon’ny misionera izy. Manompo amin’ny maha-mpikarakara momba ny asa izy izao no sady mpisava lalana. Rehefa afaka kelikely dia voaray indray ilay vehivavy ary tamin’ny farany dia tonga mpisava lalana maharitra koa.
Feno fankasitrahana ny amin’izay nataon’i Jehovah ho azy ireo ny misionera rehetra ao amin’ilay trano. Avy tany Aostralia sy Kanada sy Hawaii sy Soisa ary Etazonia izy ireo, ary ny 11 dia avy tamin’ny kilasy faha-11 na tamin’ireo kilasy taloha kokoa amin’ny sekolin’i Gileada ho an’ny misionera. Nahita ny fandrosoan’ny asan’ilay Fanjakana tao Japon izy ireo ary miray fihetseham-po amin’i Davida Mpanjaka izay nilaza hoe: “Efa mba tanora ihany aho, ary efa antitra ankehitriny; fa tsy mbola hitako izay marina nafoy, na ny zanany mangataka hanina.” (Salamo 37:25). Ho fankasitrahana ny fikarakarana feno fitiavana ataon’Andriamanitra, dia tapa-kevitra ireo misionera ireo, tsy hoe hisotro ronono, fa tsy hitsahatra ny hanompo an’i Jehovah kosa.