Alakamisy 14 Mey
Hotsarainy araka ny rariny ny tany misy mponina, ary hotsarainy araka ny tsy fivadihany ireo firenena.—Sal. 96:13.
Ahoana no hataon’i Jehovah atsy ho atsy mba hanomezana voninahitra ny anarany? Amin’ny alalan’ny didim-pitsarany. Tsy ho ela izy dia handringana an’i Babylona Lehibe noho izy io manaratsy ny anarany masina. (Apok. 17:5, 16; 19:1, 2) Mety hanapa-kevitra hanompo an’i Jehovah miaraka amintsika ny olona sasany mahita ny fandravana an’i Babylona Lehibe. Rehefa tonga ny Aramagedona dia horavan’i Jehovah ny tontolon’i Satana manontolo. Haringany daholo ny olona manohitra azy sy manevateva ny anarany, fa hovonjeny kosa ireo olona tia sy mankatò azy ary mirehareha satria manome voninahitra azy. (Mar. 8:38; 2 Tes. 1:6-10) Ho vitan’i Jehovah tanteraka ny hanamasina ny anarany rehefa tapitra ny fitsapana farany, aorian’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. (Apok. 20:7-10) Amin’izay fotoana izay dia ‘ho feno fahalalana ny voninahitr’i Jehovah ny tany, hoatran’ny rano manarona ny fanambanin’ny ranomasina.’ (Hab. 2:14) Ho avy ny fotoana hanomezan’ny olona rehetra an’i Jehovah ny voninahitra mendrika ny anarany. Hampientanentana be izao izany! w25.01 7 § 15-16
Zoma 15 Mey
Mila miaritra ianareo, fa anisan’ny famaizana anareo izany.—Heb. 12:7.
Inona no hanampy ny Kristianina hebreo hiaritra fanoherana? Fantatry ny apostoly Paoly hoe nila nanana fomba fijery nety ry zareo. Nohazavainy àry hoe anisan’ny fampiofanana ny Kristianina ireny matoa avelan’Andriamanitra hitranga. Mampiofana ny Kristianina mba hanana toetra tsara na hanatsara ny toetra efa ananany izany. Ho mora kokoa amin’ny Kristianina hebreo ny hiaritra rehefa mifantoka amin’ny soa azony ry zareo. (Heb. 12:11) Nampirisihin’i Paoly ny Kristianina hebreo mba ho tapa-kevitra kokoa hiaritra fitsapana. Nety tsara hoe izy no nanoratra momba an’izany. Efa nanenjika ny Kristianina mantsy izy taloha dia fantany hoe tena mafy ny nanjo azy ireo. Tsapany koa hoe ahoana izany miaritra fanenjehana izany. Izy tsinona efa tratran’ny fanoherana isan-karazany rehefa lasa Kristianina.—2 Kor. 11:23-25. w24.09 12 § 16-17
Asabotsy 16 Mey
Miambena foana.—Mat. 25:13.
Maika kokoa ny asa fitoriana, isaky ny tapitra ny andro tsirairay. Nahoana? Satria kely sisa ny fotoana tavela. Diniho izay nolazain’i Jesosy ao amin’ny Marka 13:10, momba ny asa fitoriana mandritra ny andro farany. Mitantara i Matio, ao amin’ny tantara mifanitsy amin’io, hoe nilaza i Jesosy fa hotorina maneran-tany ny vaovao tsara vao ho tonga “ny farany.” (Mat. 24:14) Inona ilay hoe “farany”? Ny fandravana tanteraka ny tontolo ratsin’i Satana. Efa nametraka “andro sy ora” hisehoan’ireo zavatra hitranga tsy ho ela i Jehovah. (Mat. 24:36; Asa. 1:7) Vao mainka isika manatona an’io fotoana io, isaky ny mandalo ny andro tsirairay. (Rom. 13:11) Mandra-pahatongan’ny farany anefa, dia tsy maintsy mitory foana isika. Rehefa mandinika ny fanompoana ataontsika isika, dia tsara ny mieritreritra an’ireto fanontaniana tena lehibe ireto: Nahoana isika no mitory ny vaovao tsara? Inona no mandrisika antsika? Raha tsorina, dia ny fitiavana. Rehefa mitory isika, dia asehontsika hoe tiantsika ny vaovao tsara sy ny olona, ary ny lehibe indrindra dia hoe tiantsika i Jehovah sy ny anarany. w24.05 14 § 2-3