FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2023)
Hiala
Hiditra
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
Fampandrenesana
Fiteny vaovao misy: Tamang (Eastern)
  • Androany

Alarobia 27 Septambra

Izay nandika lalàna ka manarontsarona ny nataony dia tsy hahomby, fa izay miaiky heloka sy miala amin’izany kosa no hamindrana fo. ​—Ohab. 28:13.

Ny hoe tena mibebaka dia tsy midika fotsiny hoe milaza fa malahelo noho ny fahotana vita. Tsy maintsy manova ny fomba fisainany sy ny any am-pony koa ny olona iray raha tena mibebaka. Tsy mamerina an’ilay fahotana intsony, ohatra, izy ary mankatò ny fitsipik’i Jehovah indray. (Ezek. 33:14-16) Ny hamerina amin’ny laoniny ny fifandraisany amin’i Jehovah no tokony ho zava-dehibe indrindra aminy. Inona no tokony hataonao raha fantatrao hoe misy namanao nanao fahotana lehibe? Raha manarontsarona ny fahotany ianao, dia vao mainka izany hanimba azy. Tsy hahavita hanafina an’izany rahateo ianao, satria hitan’i Jehovah ny zava-drehetra. (Ohab. 5:21, 22) Hanampy azy kosa ianao raha mampahatsiahy azy hoe te hanampy azy ny anti-panahy. Raha tsy manaiky hiresaka ny fahotany amin’ny anti-panahy anefa izy, dia ianao no tokony hampahafantatra an’izany amin-dry zareo. Hasehonao amin’izany hoe tena te hanampy azy ianao. w21.10 7 § 19-21

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2023

Alakamisy 28 Septambra

Aza mitady izay hahasoa ny tenanareo fotsiny, fa izay hahasoa ny hafa koa.​—Fil. 2:4.

Mila mianatra hahafoy tena hoatran’i Jesosy anefa isika rehetra. Milaza ny Baiboly hoe “lasa hoatran’ny mpanompo izy.” (Fil. 2:7) Mitady fomba hampifaliana ny tompony ny mpanompo. Mpanompon’i Jehovah sy ireo rahalahy sy anabavy koa isika. Inona àry no azonao atao raha te hampiasain’i Jehovah kokoa ianao, sady te hanampy bebe kokoa ny mpiara-manompo? Ireto misy fanontaniana vitsivitsy azonao eritreretina: ‘Vonona hahafoy fotoana sy hery hanampiana olon-kafa ve aho? Tonga dia vonona hanampy ve aho rehefa misy olona ilaina hanadio Efitrano Fivoriambe na hikojakoja Efitrano Fanjakana?’ Hitanao angamba hoe mila miezaka kokoa ianao mba hahafoy tena ho an’ny hafa. Ahoana anefa raha hoatran’ny tsy mazoto hanao an’izany ianao? Mivavaha amin’i Jehovah. Lazao aminy izay tsapanao ary angataho izy mba hanampy anao “hanana faniriana sy hery hanaovana zavatra.”​—Fil. 2:13. w22.02 22-23 § 9-11

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2023

Zoma 29 Septambra

Hamelombelona anareo aho. ​—Mat. 11:28.

Tsara fanahy i Jesosy dia tsy nasiaka izy sady nahay nandanjalanja, na dia rehefa nisy olana aza. (Mat. 11:29, 30) Nisy vehivavy fenisianina, ohatra, indray mandeha niangavy azy mba hanasitrana ny zanany. (Mat. 15:22-28) Tsy nekeny ny fangatahany tamin’ny voalohany. Rehefa hitany anefa hoe tena nanam-pinoana ilay vehivavy, dia nilefitra ihany izy ka nositraniny ny zanany. Tsy nobaikoin’ny fihetseham-po fotsiny anefa i Jesosy na dia tsara fanahy aza. Hentitra tamin’ireo olona akaikin’ny fony mantsy izy indraindray. Nisy fotoana, ohatra, i Jesosy nanitsy an’i Petera teo anatrehan’ny mpianatra hafa, satria nitady handresy lahatra azy tsy hanao ny sitrapon’i Jehovah izy. (Mar. 8:32, 33) Tsy hoe te hanala baraka an’i Petera akory izy tamin’izay, fa te hampiofana azy. Te hampitandrina ny mpianatra hafa koa izy mba tsy hiana-kendry. Azo antoka hoe menamenatra kely i Petera tamin’izay, kanefa nahasoa azy ilay fanitsiana. Mila mananatra an’ireo olona tianao ianao indraindray, raha tena tsara fanahy amin’izy ireo. Tokony hifanaraka amin’ny toro lalan’ny Baiboly ny torohevitra omenao, hoatran’ny nataon’i Jesosy. w22.03 11 § 12-13

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2023
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2023 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara