Sarin’ny Tany nampanantenaina
Jerosalema, nisehoan-tantara araka ny Baiboly
MANANA renivohitra, foiben’ny fitondram-panjakana ny ankamaroan’ireo firenena. Noho ireo fisehoan-javatra hentitra nitranga tany Jerosalema sy ny maha-zava-dehibe azy ho an’ny olombelona rehetra, dia mety hihevitra an’io tanàna io ho renivohitr’izao tontolo izao ireo izay mianatra ny Baiboly.
Ny sary etsy ambony dia mampiseho izay hitan’ny mason’ny mpijery iray eny amin’ny toerana avo any atsimon’i Jerosalemaa. Atỳ akaikikaikin’ny hazo malomaloka no ihaonan’ny lohasaha roa: ny lohasaha Kidrona midina miankavanana, ary, eo ankavia (eo andrefana), ny lohasaha Hinoma, niavian’ny anarana hoe Gehena ao amin’ny Baiboly (Matio 10:28; 23:33). Naorina teo anelanelan’ireo lohasaha roa ireo ny Tanànan’i Davida fahiny (faritra mazava eo ambanin’ny manda ankehitriny). Tazana ao anatin’ny manda ny tsangambato miozilimana miavaka roa, eo amin’ny toerana manan-tantara. Ny tafo boribory kely, akaikin’ny manda indrindra, dia ny an’ny mosike iray; ao ambadika, ny tafo boribory lehibe, dia ny Tafo boriborin’ny Vatolampy.
Fa inona no mahaliana anao amin’i Jerosalema, indrindra fa ny toerana avo itsanganan’ireo trano roa ireo ankehitriny? Mampahatsiahy anao fitantarana ao amin’ny Baiboly inona moa ny sarin’ny ondrilahy iray voatanan’ny kirihitrala? Tsy isalasalana fa ny amin’i Abrahama niaraka tamin’Isaka zanany lahy nankao an-tendrombohitra Moria fantatra ho vodivona be vato, na toerana eo akaiky kely eo, ahitana ireo tafo boribory roa. Noho ny finoany, dia niseho ho vonona ny hanao sorona ny zanany malala i Abrahama, nefa nisakana ny tanany ny anjely iray. Tamin’izay Abrahama dia nahatazana ‘ondrilahy voasangazotry ny kirihitrala ny tandrony’ ka natolony ho sorona “ho solon’ny zanany” io. Eny, mety hampahatsiahy antsika io fisehoan-javatra nanan-tantara io ity sarin’i Jerosalema ity. — Genesisy 22:1-13.
Tamin’io toerana io, izay ahitana ireo tafo boribory roa amin’izao andro izao, dia nisy fanatitra niavaka hafa koa natao, rehefa avy nanorina tempoly kanto iray natokana ho an’i Jehovah i Solomona (2 Tantara 3:1). Manandrama ange maka sary an-tsaina ireo Isiraelita tonga hamonjy ireo andro firavoravoana fanao isan-taona avy any amin’ireo faritra rehetra amin’ilay tany niaraka tamin’ireo biby hatolony ho fanatitra. Ny andro firavoravoana nalaza indrindra dia ny Andro Fanavotana. Tamin’io andro io, dia nanaovana filokana ny osilahy iray ka ‘nalefa nankany an-efitra ho an’i Azazela’, angamba tao amin’ny lohasaha Kidrona, izay nitatra tany atsimo atsinanana tany an’efitr’i Jodia. Novonoina ny osilahy iray sy ny ondrilahy iray, ary natao sorom-panavotana ho an’ireo mpisorona sy ny vahoaka ny ran’izy ireo. Nentina nankao ambadiky ny efitra lamba, tao amin’ny Masina Indrindra amin’ny tempoly koa ny ra sasany. Zavatra azonao saintsainina izany rehefa mijery io sarin’ny tanàna io. — Levitikosy 16:1-34.
Izany sorona rehetra naterina tao Jerosalema izany dia nanambara ny sorona tanterak’i Jesosy Kristy. Tao anatin’ny alina farany niainany teto an-tany, tamin’ny fotoan’ny fenomanana, dia nivory niaraka tamin’ireo apostoliny i Jesosy mba hankalaza ny Paska nanan-kery farany. Tao amin’ny efitrano ambony iray no nanaovana izany, tondroina mandrakariva ho tao amin’ny faritra avo indrindra amin’ilay tanàna, eo ankavia (andrefana) amin’ilay faritanàna nisy ny tempoly. Rehefa avy nanorina ny Sakafon’ny Tompo i Jesosy, dia niaraka tamin’ireo apostoliny nankeo an-tendrombohitra Oliva, teo ambadiky ny lohasaha Kidrona, tany atsinanan’ny tempoly (eo ankavanana). — Lioka 22:14-39.
Mba hanampiana anao hahita io toerana io, dia jereo ny sary eto ambany, nalaina avy ao anatin’i Jerosalema, angamba avy eo amin’ny faritanàna nanorenan’i Jesosy ny Sakafon’ny Tompo, miantsinanana. Tazana avy eo, ambany ankavia, ny tafo boribory (hita ho manopy manga eo amin’ny diavolana) amin’ilay mosike mitsangana eo amin’ny havoana nisy ny tempoly. Eo atsinanana kokoa ny lohasaha Kidrona (eo ambanin’ny tsipika mahitsy), avy eo dia ireo hazo ao amin’ny sahan’i Getsemane. Eo ambony kokoa ny tendrombohitra Oliva, eo ankavanana.
Ho amin’ny fotoan’ny fenomanana koa, ny 10 aprily 1990, no hivorian’ireo Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany ao amin’ireo kongregasionany (aorian’ny filentehan’ny masoandro) mba hankalaza ny Sakafon’ny Tompo, ho fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy ho soronab. Miomàna àry mba hanatrika izany. Amin’io andro io, dia angamba ianao haniry koa hisaintsaina ny sasantsasany amin’ny fisehoan-javatra tamin’ny lasa izay nitranga tany Jerosalema sy teny amin’ny manodidina, fisehoan-javatra misy ifandraisana amin’i Jesosy, izay nanolotra ny fanahiny ho amin’ny fahafatesana. Narovany tamin’izany ny fahamarinan’i Jehovah ary navotany tamin’ny fahotana sy ny fahafatesana ireo izay mino azy. — 1 Korintiana 11:23-26; Hebreo 9:11-28.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ho hitanao ity sary ity nohalehibeazina ao amin’ny Calendrier des Témoins de Jéhovah 1989.
b Mba hahitana andinindininy misimisy kokoa ny amin’ny fomba fanisa ny datin’ny fankalazana ny Sakafon’ny Tompo, dia jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 janoary 1978, pejy faha-32.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 16]
Pictorial archive (Tantaran’ny Atsinanana Akaiky)
Pictorial archive (Tantaran’ny Atsinanana Akaiky)