Fitahiana Lehibe Kokoa Amin’ny Alalan’ny Fanekena Vaovao
“Mpanalalana amin’ny fanekena tsara lavitra [i Jesosy]”. — HEBREO 8:6.
1. Iza no hita fa ‘taranaky ny vehivavy’ nampanantenaina tao Edena, ary ahoana no ‘nahatorotoro ny ombelahin-tongony’?
TAORIAN’NY nanotan’i Adama sy i Eva, i Jehovah dia nanonona didim-pitsarana tamin’i Satana, ilay namitaka an’i Eva, tamin’ny filazana hoe: “Hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary hianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony.” (Genesisy 3:15). Niseho ihany tamin’ny farany ilay Taranaka nampanantenaina tany Edena, rehefa natao batisa teo amin’ny Ony Jordana i Jesosy, tamin’ny 29 am.f.i. Tamin’ny nahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana tamin’ny 33 am.f.i., dia nisy ampahany tamin’io faminaniana tranainy io tanteraka. ‘Nanorotoro ny ombelahin-tongotr’ilay’ Taranaka, i Satana.
2. Araka ny tenin’i Jesosy mihitsy, amin’ny ahoana ny fahafatesany no mitondra soa ho an’ny taranak’olombelona?
2 Soa ihany fa tsy naharitra io ratra io, na dia faran’izay nampanaintaina aza. Natsangana tamin’ny maty tamin’ny naha-fanahy tsy mety maty i Jesosy, ary niakatra tany amin’ny Rainy any an-danitra. Tany, dia natolony ny vidin’ny ra nalatsany ho “avotra hisolo ny maro”. Tanteraka, araka izany, ny teniny nanao hoe: ‘Tsy maintsy hasandratra ny Zanak’olona, mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy. Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.’ (Matio 20:28; Jaona 3:14-16; Hebreo 9:12-14). Manana anjara tena lehibe eo amin’ny fahatanterahan’ilay faminaniana nataon’i Jesosy, ny fanekena vaovao.
Ny fanekena vaovao
3. Oviana no hita niasa voalohany ny fanekena vaovao?
3 Fotoana fohy talohan’ny hahafatesany, dia nilaza tamin’ireo mpanara-dia azy i Jesosy fa ny ra halatsany dia ‘ran’ny fanekena vaovao’. (Matio 26:28; Lioka 22:20). Folo andro taorian’ny niakarany tany an-danitra, dia hita fa niasa ilay fanekena vaovao, rehefa nilatsahan’ny fanahy masina ireo mpianatra tokony ho 120 izay nivory tao amin’ny efitrano iray ambony rihana, tao Jerosalema. (Asan’ny Apostoly 1:15; 2:1-4). Ny fampidirana ireo mpianatra 120 ireo tao amin’ilay fanekena vaovao dia nampiseho fa lany andro izao ilay fanekena “voalohany”, dia ny faneken’ny Lalàna. — Hebreo 8:13.
4. Tsy nahomby ve ny fanekena taloha? Hazavao.
4 Tsy nahomby ve ilay fanekena taloha? Tsy izany velively. Marina fa noho izy io nosoloana izao, dia tsy vahoaka manokan’Andriamanitra intsony ny Isiraely ara-nofo. (Matio 23:38). Noho ny tsy fankatoavan’ny Isiraely sy noho ny fandavany an’Ilay Voahosotr’i Jehovah anefa no nahatonga izany. (Eksodosy 19:5; Asan’ny Apostoly 2:22, 23). Talohan’ny nanoloana ny Lalàna anefa, dia nahatontosa zavatra maro izy io. Nandritra ny taonjato maro, dia nanome ny fomba nanatonana an’Andriamanitra izy io, ary niaro tamin’ny fivavahan-diso. Nirakitra lafin-javatra izay nampiseho taratr’ilay fanekena vaovao izy io, ary ireo sorona niverimberina notakin’izy io, dia nampiharihary fa nila mafy fanavotana amin’ny ota sy ny fahafatesana ny olombelona. Marina tokoa fa ‘mpitaiza ho amin’i Kristy’ ny Lalàna. (Galatiana 3:19, 24; Romana 3:20; 4:15; 5:12; Hebreo 10:1, 2). Na dia izany aza, dia amin’ny alalan’ny fanekena vaovao no hanatanterahana amin’ny fomba feno ny fitahiana nampanantenaina an’i Abrahama.
Hotahina amin’ny alalan’ny taranak’i Abrahama ireo firenena
5, 6. Teo amin’ny fahatanterahana ara-panahy lehibe indrindran’ny fanekena abrahamika, iza ilay Taranak’i Abrahama, ary firenena iza no voalohany nandray fitahiana tamin’ny alalany?
5 Nampanantena an’i Abrahama toy izao i Jehovah: “Amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany”. (Genesisy 22:18). Teo ambanin’ilay fanekena taloha, dia vahiny nalemy fanahy maro no notahina tamin’ny alalan’ny fiarahany tamin’ny Isiraely, ilay firenena taranak’i Abrahama. Teo amin’ny fahatanterahany lehibe indrindra ara-panahy anefa, ny Taranak’i Abrahama dia lehilahy iray lavorary. Nanazava izany i Paoly fony izy nilaza hoe: “Tamin’i Abrahama sy ny taranany no nilazana ny teny fikasana. Tsy lazainy hoe: Ary ho an’ny taranaka, toy ny milaza ny maro; fa toy ny milaza ny anankiray, ‘ary ho an’ny taranakao’, dia Kristy izany.” — Galatiana 3:16.
6 Eny, i Jesosy no ilay Taranak’i Abrahama, ary amin’ny alalany no andraisan’ireo firenena fitahiana ambony lavitra noho izay mety ho nentin’ny Isiraely ara-nofo. Tsy azo lavina fa ny Isiraely ihany no firenena voalohany nandray izany fitahiana izany. Tsy ela taorian’ny Pentekosta 33 am.f.i., dia hoy ny apostoly Petera tamin’ny antokon’olona jiosy iray: “Hianareo no zanaky ny mpaminany sy ny fanekena nataon’Andriamanitra tamin’ny razanareo, raha hoy Izy tamin’i Abrahama: ‘Ary amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany’. Andriamanitra, rehefa nanangana ny Mpanompony, dia naniraka Azy ho aminareo voalohany, mitahy anareo amin’ny fialanareo rehetra amin’ny faharatsianareo isam-batan’olona.” — Asan’ny Apostoly 3:25, 26.
7. Firenena iza avy no notahina tamin’ny alalan’i Jesosy, ilay Taranak’i Abrahama?
7 Tsy ela ilay fitahiana dia nitarina hatrany amin’ny Samaritana, ary avy eo dia hatrany amin’ny Jentilisa. (Asan’ny Apostoly 8:14-17; 10:34-48). Tamin’ny fotoana iray, teo anelanelan’ny taona 50 sy 52 am.f.i., dia nanoratra tany amin’ireo Kristiana tany Galatia, any Azia Minora, i Paoly, nanao hoe: “Satria hitan’ny Soratra Masina rahateo fa amin’ny finoana no anamarinan’Andriamanitra ny jentilisa, dia nitory ny filazantsara tamin’i Abrahama rahateo izy, nanao hoe: ‘Aminao no hitahiana ny firenena rehetra’; ka dia izay amin’ny finoana [no tahina] mbamin’i Abrahama mpino.” (Galatiana 3:8, 9; Genesisy 12:3). Na dia “jentilisa” aza ny Kristiana maro tany Galatia, dia notahina tamin’ny alalan’i Jesosy izy ireo noho ny finoany. Tamin’ny fomba ahoana?
8. Ho an’ireo Kristiana tamin’ny andron’i Paoly, inona no voafaoka tamin’ny hoe hotahina amin’ny alalan’ny Taranak’i Abrahama, ary firy amin’ny farany no hahazo izany fitahiana izany?
8 Hoy i Paoly tamin’ireo Kristiana galatiana, na inona na inona fiaviany: “Raha an’i Kristy hianareo, dia taranak’i Abrahama sy mpandova araka ny teny fikasana.” (Galatiana 3:29). Ho an’ireo Galatiana ireo, dia anisan’ny fitahiana tamin’ny alalan’ny Taranak’i Abrahama ny nahatongavan’izy ireo ho sady mpandray anjara tamin’ilay fanekena vaovao no mpiray lova amin’i Jesosy, ho mpiara-miasa amin’i Jesosy ao amin’ny taranak’i Abrahama. Tsy fantatsika ny isan’ny mponina tao amin’ny Isiraely fahiny. Fantatsika fotsiny hoe tonga “tahaka ny fasika amoron-dranomasina ny hamarony”. (1 Mpanjaka 4:20). Tena fantatsika kosa anefa ny isa faran’ireo mpiara-miasa amin’i Jesosy ao amin’ilay taranaka ara-panahy — 144 000. (Apokalypsy 7:4; 14:1). Ireo 144 000 ireo dia avy amin’ny “fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny sy ny olona ary ny firenena rehetra” amin’ny taranak’olombelona, ary izy ireo dia mandray anjara amin’ny fampiharana amin’olon-kafa koa, ireo fitahiana avy amin’ny fanekena abrahamika. — Apokalypsy 5:9.
Faminaniana iray tanteraka
9. Amin’ny ahoana ireo ao anatin’ny fanekena vaovao no manana ny lalàn’i Jehovah ao anatiny?
9 Nanoratra toy izao i Jeremia, rehefa nanambara mialoha ny amin’ilay fanekena vaovao: “Izao no fanekena hataoko amin’ny taranak’Isiraely. Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko sady hosoratako ao am-pony”. (Jeremia 31:33). Toetra mampiavaka an’ireo izay ao anatin’ilay fanekena vaovao ny fanompoan’izy ireo an’i Jehovah noho ny fitiavana. (Jaona 13:35; Hebreo 1:9). Voasoratra ao am-pon’izy ireo ny lalàn’i Jehovah, ary maniry amin-kafanam-po hanao ny sitrapon’i Jehovah izy ireo. Marina fa nisy olona nahatoky sasany tia fatratra ny lalàn’i Jehovah, teo amin’ny Isiraely fahiny. (Salamo 119:97). Maro anefa no tsy nanao izany. Na izany aza, dia nitoetra ho anisan’ilay firenena ihany izy ireo. Tsy misy afaka mitoetra ao anatin’ilay fanekena vaovao raha tsy voasoratra ao am-pony ny lalàn’Andriamanitra.
10, 11. Ho an’ireo ao anatin’ny fanekena vaovao, amin’ny fomba ahoana i Jehovah no “ho Andriamaniny”, ary ahoana no hahalalan’izy rehetra azy?
10 Nanampy teny toy izao i Jehovah, mahakasika ireo izay ao anatin’ilay fanekena vaovao: “Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko.” (Jeremia 31:33). Teo amin’ny Isiraely fahiny, dia maro no nanolotra fanompoam-pivavahana tamin’ireo andriamanitr’ireo firenena, kanefa dia nitoetra ho Isiraelita ihany. Niorina tamin’ilay fanekena vaovao, i Jehovah dia namorona firenena ara-panahy iray, “ny Isiraelin’Andriamanitra”, mba hisolo toerana ny Isiraely ara-nofo. (Galatiana 6:16; Matio 21:43; Romana 9:6-8). Kanefa, tsy misy olona afaka mitoetra ho anisan’ilay firenena ara-panahy raha mitsahatra tsy manolotra fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah irery ihany izy.
11 Hoy koa i Jehovah: “Samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra. Hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra”. (Jeremia 31:34). Teo amin’ny Isiraely, dia maro no tsy niraharaha tsotra izao an’i Jehovah, tamin’ny filazana toy izao, raha ny marina: “Sady tsy hanao soa Jehovah no tsy hanao ratsy.” (Zefania 1:12). Tsy misy afaka mitoetra ho anisan’ny Isiraelin’Andriamanitra raha tsy miraharaha an’i Jehovah, na mandoto ny fanompoam-pivavahana madio. (Matio 6:24; Kolosiana 3:5). “Olona izay mahalala an’Andriamaniny” ireo Isiraelita ara-panahy. (Daniela 11:32). Mahita fahafinaretana izy ireo amin’ny ‘fandraisana fahalalana an’ilay hany Andriamanitra marina sy an’i Jesosy Kristy’. (Jaona 17:3, NW ). Mahatonga ny fahalalany an’Andriamanitra ho lalina ny fahalalana an’i Jesosy, satria ‘nanambara an’Andriamanitra’ tamin’ny fomba tsy nanam-paharoa i Jesosy. — Jaona 1:18; 14:9-11.
12, 13. a) Miorina amin’inona no amelan’i Jehovah ny fahotan’ireo izay ao anatin’ny fanekena vaovao? b) Ahoana no maha-ambony kokoa ny fanekena vaovao noho ny fanekena taloha, raha ny amin’ny famelan-keloka?
12 Farany, dia nampanantena toy izao i Jehovah: “Havelako ny helony, ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.” (Jeremia 31:34b). Ny Lalàn’i Mosesy dia nahafaoka fitsipika voasoratra an-jatony maro, izay nangatahina mba hankatoavin’ireo Isiraelita. (Deoteronomia 28:1, 2, 15). Izay rehetra nandika ny Lalàna, dia nanao fanatitra hatao sorona mba hanaronana ny fahotany. (Levitikosy 4:1-7; 16:1-31). Jiosy maro no nanjary nino fa afaka ny ho tonga olo-marina izy ireo, tamin’ny alalan’ny asan’ny tenany nifanaraka tamin’ny Lalàna. Takatry ny Kristiana anefa fa tsy afaka mahazo fahamarinana mihitsy izy ireo ho tambin’ny asan’ny tenany. Tsy afaka ny tsy hanota izy ireo. (Romana 5:12). Eo ambanin’ilay fanekena vaovao, dia tsy azo atao ny hanana ny toeran’ny olo-marina eo anatrehan’Andriamanitra, raha tsy miorina amin’ny soron’i Jesosy ihany. Izany toerana izany anefa dia fanomezana, hatsaram-panahin’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory. (Romana 3:20, 23, 24). Mbola mitaky fankatoavana amin’ny mpanompony ihany i Jehovah. Nilaza i Paoly fa ireo izay ao amin’ilay fanekena vaovao dia eo “ambanin’ny lalàn’i Kristy”. — 1 Korintiana 9:21.
13 Noho izany, dia misy sorona noho ny ota koa ho an’ny Kristiana, saingy sorona ambony vidy lavitra noho ireo sorona teo ambanin’ny faneken’ny Lalàna. Nanoratra toy izao i Paoly: “Ny mpisorona rehetra [teo ambanin’ny faneken’ny Lalàna] dia mitsangana isan-andro manao fanompoam-pivavahana sy manatitra ireny fanatitra ireny ihany matetika izay tsy mahaisotra ny ota; fa [i Jesosy] kosa, rehefa nanao fanatitra iray monja ho mandrakizay noho ny ota, dia efa mipetraka eo an-tànana ankavanan’Andriamanitra”. (Hebreo 10:11, 12). Koa satria maneho finoana ny soron’i Jesosy ny Kristiana ao amin’ilay fanekena vaovao, dia ambaran’i Jehovah ho olo-marina izy ireo, ho tsy misy ota, ka noho izany dia tsara toerana mba ho voahosotra ho zanany ara-panahy. (Romana 5:1; 8:33, 34; Hebreo 10:14-18). Rehefa manota izy ireo noho ny tsy fahalavorarian’olombelona, dia afaka mitalaho famelan-keloka amin’i Jehovah. Ary miorina amin’ny soron’i Jesosy, dia mamela azy ireo i Jehovah. (1 Jaona 2:1, 2). Raha mifidy ny lalan’ny fahotana an-tsitrapo anefa izy ireo, dia mamoy ny toerany maha-olo-marina azy sy ilay tombontsoa ho mpandray anjara amin’ilay fanekena vaovao. — Hebreo 2:2, 3; 6:4-8; 10:26-31.
Ny fanekena taloha sy ilay vaovao
14. Famorana inona no notakina teo ambanin’ny faneken’ny Lalàna? teo ambanin’ny fanekena vaovao?
14 Noforana ireo lehilahy tao amin’ilay fanekena taloha, ho famantarana fa teo ambanin’ny Lalàna izy ireo. (Levitikosy 12:2, 3; Galatiana 5:3). Taorian’ny niantombohan’ny kongregasiona kristiana, dia nihevitra ny sasany fa tokony hoforana koa ireo Kristiana tsy Jiosy. Noho ny fitarihan’ny Tenin’Andriamanitra sy ny fanahy masina anefa, dia nanjary takatr’ireo apostoly sy loholona tao Jerosalema fa tsy nilaina izany. (Asan’ny Apostoly 15:1, 5, 28, 29). Hoy i Paoly, taona vitsivitsy taorian’izay: “Tsy izay araka ny miseho no Jiosy, ary tsy izay miseho eo amin’ny nofo no famorana; fa izay araka ny miafina no Jiosy, ary ny famorana dia amin’ny fo, amin’ny fanahy, fa tsy amin’ny soratra”. (Romana 2:28, 29). Tsy nisy vidiny ara-panahy intsony teo imason’i Jehovah ny famorana ara-bakiteny, na dia ho an’ireo Jiosy ara-nofo aza. Ho an’ireo ao anatin’ilay fanekena vaovao, dia ny fo, fa tsy ny nofo, no tsy maintsy forana. Tsy maintsy esorina ao an-tsainy sy ao amin’ny faniriany ary ao amin’ny antony manosika azy, ny zavatra rehetra tsy mampifaly an’i Jehovah sy maloto eo imasony.a Maro amin’izao fotoana izao no porofo velon’ny fahafahan’ny fanahy masina manova fomba fisainana toy izany. — 1 Korintiana 6:9-11; Galatiana 5:22-24; Efesiana 4:22-24.
15. Ahoana no itovian’ny Isiraely ara-nofo sy ny Isiraelin’Andriamanitra, raha ny amin’ny fanapahan’ny mpanjaka?
15 Tao amin’ny fandaharana momba ny faneken’ny Lalàna, dia Mpanjakan’ny Isiraely i Jehovah, ary rehefa nandeha ny fotoana, dia nampihatra ny fiandrianany tamin’ny alalan’ny mpanjaka olombelona tao Jerosalema izy. (Isaia 33:22). I Jehovah koa no Mpanjakan’ilay Isiraelin’Andriamanitra, ny Isiraely ara-panahy, ary nanomboka tamin’ny 33 am.f.i. izy dia nanapaka tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy, izay nahazo “ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany”. (Matio 28:18; Efesiana 1:19-23; Kolosiana 1:13, 14). Amin’izao andro izao, ny Isiraelin’Andriamanitra dia manaiky an’i Jesosy ho Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra, izay niorina tamin’ny 1914. Mpanjaka tsara lavitra noho i Hezekia sy i Josia ary ireo mpanjaka nahatoky hafa teo amin’ny Isiraely fahiny mihitsy aza, i Jesosy. — Hebreo 1:8, 9; Apokalypsy 11:15.
16. Karaza-mpisorona manao ahoana ny Isiraelin’Andriamanitra?
16 Tsy fanjakana fotsiny ny Isiraely, fa nanana mpisorona voahosotra koa. Tamin’ny 33 am.f.i., dia nisolo toerana ny Isiraely ara-nofo ny Isiraelin’Andriamanitra ka tonga ‘mpanompon’i Jehovah’, ‘vavolombelony’. (Isaia 43:10). Noho izany, dia nihatra tamin’ny Isiraelin’Andriamanitra ara-panahy ny tenin’i Jehovah tamin’ny Isiraely, izay voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Isaia 43:21 sy Eksodosy 19:5, 6. Izao ilay firenena ara-panahy vaovaon’Andriamanitra dia “taranaka voafidy, ‘fanjakà-mpisorona, firenena masina’, olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany”, tompon’andraikitra amin’ny ‘filazana eny rehetra eny ny hatsaran’i Jehovah’. (1 Petera 2:9). Mahaforona fitambara-mpisorona ny rehetra ao amin’ny Isiraelin’Andriamanitra, na lahy na vavy. (Galatiana 3:28, 29). Amin’ny maha-anisan’ny taranak’i Abrahama manarakaraka azy ireo, dia miteny toy izao izy ireo ankehitriny: “Mihobia, ry jentilisa mbamin’ny olony”. (Deoteronomia 32:43). Mahaforona ny “mpanompo mahatoky sy malina” ireo anisan’ny Isiraely ara-panahy izay mbola tavela eto an-tany. (Matio 24:45-47, NW ). Amin’ny fiarahana amin’izy ireo ihany no ahafahana manao fanompoana masina azo ekena, ho an’Andriamanitra.
Fanjakan’Andriamanitra — Ilay fahatanterahany farany
17. Fahaterahana inona no andalovan’ireo izay ao anatin’ny fanekena vaovao?
17 Ireo Isiraelita izay teraka taorian’ny 1513 al.f.i. dia tonga tao anatin’ny faneken’ny Lalàna hatrany am-pahaterahana. Ireo izay raisin’i Jehovah ho ao anatin’ilay fanekena vaovao koa dia mandalo fahaterahana — fahaterahana ara-panahy, raha ny amin’izy ireo. Nilaza izany tamin’ilay Fariseo natao hoe Nikodemosy i Jesosy fony izy nanao hoe: “Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra.” (Jaona 3:3). Ireo mpianatra 120 tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i. no olombelona tsy lavorary voalohany nisantatra izany fahaterahana vaovao izany. Noho izy ireo nambara fa olo-marina teo ambanin’ny fanekena vaovao, dia nandray ny fanahy masina izy ireo ho “santatry” ny lovany amin’ny maha-mpanjaka azy. (Efesiana 1:14). ‘Nateraky ny fanahy’ izy ireo mba ho tonga zanaka natsangan’Andriamanitra, ka izany no nahatonga azy ireo ho rahalahin’i Jesosy, sy ho “mpiray lova amin’i Kristy”, araka izany. (Jaona 3:6; Romana 8:16, 17). Nanokatra lalana ho amin’ny fahatsinjovan-javatra mahatalanjona ny ‘nahaterahan’izy ireo indray’.
18. Manome fahafahana ho amin’ny fahatsinjovan-javatra mahatalanjona inona avy ny fahaterahana indray, ho an’ireo izay ao anatin’ilay fanekena vaovao?
18 Rehefa nanelanelana tamin’ilay fanekena vaovao i Jesosy, dia nanao fanekena fanampiny tamin’ireo mpanara-dia azy tamin’ny filazana hoe: “Izaho dia manendry fanjakana ho anareo tahaka ny nanendren’ny Raiko ho Ahy”. (Lioka 22:29). Io fanekena momba ilay Fanjakana io dia nanomana ny lalana ho an’ny fahatanterahan’ny fahitana niavaka iray, voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Daniela 7:13, 14, 22, 27. I Daniela dia nahita “toy ny zanak’olona” iray nahazo fahefan’ny mpanjaka avy tamin’ny “Fahagola”, dia i Jehovah Andriamanitra. Avy eo i Daniela dia nahita ny “nahazoan’ny olo-masina ny fanjakana”. I Jesosy no ilay “toy ny zanak’olona” izay nandray ny Fanjakana any an-danitra avy tamin’i Jehovah Andriamanitra, tamin’ny 1914. Ireo mpianany voahosotry ny fanahy no “olo-masina” izay hiara-manana anjara aminy, amin’io Fanjakana io. (1 Tesaloniana 2:12). Amin’ny fomba ahoana?
19, 20. a) Ho an’ireo ao anatin’ny Fanekena vaovao, inona no fara fahatanterahana be voninahitr’ny fampanantenana nomen’i Jehovah an’i Abrahama? b) Fanontaniana fanampiny inona no ilaina hodinihina?
19 Aorian’ny hahafatesany, ireny voahosotra ireny dia hatsangana amin’ny maty ho zavaboary ara-panahy tsy mety maty sahala amin’i Jesosy, mba hiarahany hanompo amin’i Jesosy amin’ny maha-mpanjaka sy mpisorona any an-danitra. (1 Korintiana 15:50-53; Apokalypsy 20:4, 6). Izany ka fanantenana be voninahitra! ‘Hanjaka ambonin’ny tany izy ireo’, fa tsy eo amin’ny tany Kanana fotsiny. (Apokalypsy 5:10). Hahazo ny “vavahadin’ny fahavalony” ve izy ireo? (Genesisy 22:17). Eny, ary amin’ny fomba tsy azo iadian-kevitra. Hitranga izany rehefa hanatri-maso ny fandravana an’i Babylona Lehibe, ilay vehivavy janga ara-pivavahana feno fankahalana, izy ireo, sy rehefa hiara-mandray anjara amin’i Jesosy amin’ny fiandrasana ny firenena “amin’ny tehim-by” sy amin’ny fanorotoroana ny lohan’i Satana, ireo voahosotra tafatsangana amin’ny maty ireo. Hanana anjara amin’ny fanatanterahana ilay tsipiriany farany amin’ilay faminaniana ao amin’ny Genesisy 3:15 izy ireo, araka izany. — Apokalypsy 2:26, 27; 17:14; 18:20, 21; Romana 16:20.
20 Na dia izany aza, dia mety hanontany isika hoe: Ireo 144 000 mahatoky ireo ihany ve no tafiditra amin’ny fanekena abrahamika sy ny fanekena vaovao? Tsia, misy olon-kafa tsy tafiditra mivantana ao amin’ireo fanekena ireo, hahazo fitahiana amin’ny alalan’izy ireo, araka ny ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ny Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, pejy faha-305, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.
Tadidinao Ve?
◻ Oviana no hita niasa voalohany ny fanekena vaovao?
◻ Inona no tontosa tamin’ny alalan’ny fanekena taloha?
◻ Iza, voalohany indrindra, no Taranak’i Abrahama, ary araka ny filaharana nanao ahoana no nitahiana ireo firenena tamin’ny alalan’io Taranaka io?
◻ Ho an’ireo 144 000, inona no fara fahatanterahan’ny fanekena abrahamika sy ny fanekena vaovao?
[Sary, pejy 15]
Misy heviny lalina kokoa ny famelan-keloka ho an’ireo ao anatin’ny fanekena vaovao noho ny an’ireo teo ambanin’ny fanekena taloha