Inona no Fikasan’Andriamanitra ny Amin’ny Olombelona?
1-4. a) Inona no fikasan’Andriamanitra ny amin’ny olombelona tany am-boalohany? b) Nahoana no niseho ho tsy nankato ny olona? (Jereo ny efajoro “Iza Moa i Satana?”)
NY FAMPANANTENANA ny amin’ny tontolo iray tsy hisian’ny ady araka ny aharihary ao amin’ny Isaia 2:2-4 sy ny Mika 4:1-4 dia tsy manome fanantenana marim-pototra momba ny hoavy efa antomotra ho antsika fotsiny, fa milaza amintsika zavatra tena lehibe momba ilay Mpamorona antsika koa. Andriamanitra iray manana fikasana izy. Ny faminaniana ao amin’ny Isaia toko faha-2 tokoa dia anisan’ny fitohitohizana faminaniana lava, manomboka amin’ireo pejy voalohany ao amin’ny Baiboly ka hatramin’ny pejiny farany, manazava amintsika ny fomba hitondran’Andriamanitra ny fikasany tany am-boalohany ho amin’ny fahatanterahany.
2 Rehefa namorona ny mpivady olombelona voalohany Andriamanitra, dia nilaza tamin’izy ireo mazava ny fikasany ny amin’izy ireo. Toy izao no vakintsika ao amin’ny Genesisy toko voalohany, andininy faha-28: “Nitso-drano azy Andriamanitra ary nilaza tamin’izy ireo Andriamanitra hoe: ‘Miteraha sy mitomboa ary mamenoa ny tany, ka mifeheza azy; ary manapaha amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina sy ny voro-manidina eny amin’ny lanitra ary ny zavamiaina rehetra izay mihetsiketsika ambonin’ny tany.’ ” Rehefa mampifandray an’io baiko io amin’izay voalaza ao amin’ny toko manaraka amin’ny Genesisy isika — “Ny TOMPO Andriamanitra nitondra an-dralehilahy ka nametraka azy tao amin’ny saha Edena hiasa sy hitandrina azy” — dia manjary mazava fa ny fikasan’Andriamanitra ny amin’ilay mpivady voalohany miaraka amin’ny taranany, dia ny hanitaran’izy ireo ny Paradisa hihoatra ny faritry ny saha Edena, ka hameno ny bolan-tany iray manontolo amin’ny farany.a — Genesisy 2:15.
3 Hafiriana izy ireo no hifaly amin’ny fonenany paradisa? Milaza ny Soratra Masina fa noforonina mba hiaina mandrakizay eto ambonin’ny tany ny olona. Amin’ny tsy fankatoavan’izy ireo ny Mpamorona azy ireo ihany vao hitranga ny fahafatesan’ny olombelona, araka ny ambara toy izao ao amin’ny Genesisy toko faha-2, andininy faha-16 sy faha-17: “Ny TOMPO Andriamanitra nandidy an-dralehilahy ka nanao hoe: ‘Ny hazo rehetra eo amin’ny saha dia azonao ihinanana; fa raha ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, dia tsy mahazo mihinana amin’izany ianao; fa raha vao mihinana aminy ianao dia ho faty.’ ” Araka ny fanjohian-kevitra àry, ny fankatoavana mitohy dia tokony ho nahazoany fiainana mitohy, fiainana mandrakizay ao anatin’ireo toe-piainana paradisa ireo. — Salamo 37:29; Ohabolana 2:21, 22.
4 Kanefa, ny anjely iray, nantsoina hoe Satana (midika hoe Mpanohitra) tatỳ aoriana, dia nitaona izany mpivady olombelona voalohany izany hampiasa tamin’ny fomba ratsy ny safidiny malalaka, tamin’ny fifidianana ny tsy hankato an’Andriamanitra. (Joba 1:6-12; ampitahao amin’ny Deoteronomia 30:19, 20.) Tamin’ny nanaovany izay hinoana fa bibilava iray no niteny, dia nampino an’i Eva io anjely mpikomy io, ary nampino an’i Adama, tamin’ny alalan’i Eva fa hanjary ho hendry kokoa sy ho feno kokoa ny fiainany, amin’ny tsy fanekena an’Andriamanitra ho Fahefana Tampony.b (Genesisy 3:1-19). Noho ny fikomian’izy ireo an-karihary, dia nomelohina ho faty izy ireo. Nidika ve izany fa foana na tsy tanteraka ny fikasan’Andriamanitra ny amin’ny olombelona? Tsia, midika kosa izany fa nilaina ny fomba hafa mba hanatanterahana ny fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany ny amin’ny paradisa iray eto an-tany, feno olombelona mankato, mifaly amin’ny fiainana mandrakizay. Amin’ny fomba ahoana no hisian’izany?
Taranaka iray nampanantenaina
5, 6. a) Inona no nampanantenain’Andriamanitra ho toy ny fanafodin’ireo zava-manahirana misy eto an-tany nentin’ny fikomian’i Satana? b) Inona no nampanantenain’Andriamanitra an’i Abrahama?
5 Rehefa nanonona ny fanamelohany an’ireo voafaoka tao amin’ny fikomiana tamin’ny fahefany i Jehovah Andriamanitra, dia nanambara fa hanangana “taranaka” iray na “teraka”, izay hanafoana ny fahavoazana nentin’ilay mpampirisika ny fikomiana izy. Tamin’ny teny ara-panoharana, dia niresaka ny amin’ilay bibilava, izay nampiseho an’i Satana, ho toy ny voakapoka na voatorotoron’io Taranaka io eo amin’ny lohany Andriamanitra. Amin’izany fomba izany no handringanany an’i Satana sy hamaranany ny fikomiana. Nandritra ny taona maro dia nohazavaina tamin’ny fomba samihafa sy mifanohitra io andinin-teny ao amin’ny Genesisy io. Nefa, noho ny nampiasana ny teny hoe “taranaka” ao amin’ny faminaniana maro, dia ambaran’ny fampanantenana hafa mifandray aminy, ny heviny. — Genesisy 3:15.
6 Matetika ny teny hoe “taranaka” dia mifandray amin’ny fahatanterahan’ny fikasan’Andriamanitra ny amin’ny olombelona amin’ny fitambarany. Araka ny voasoratra ao amin’ny Genesisy 22:18, ilay Hebreo nahatoky atao hoe Abrahama dia nomen’Andriamanitra izao fampanantenana izao: “Ny firenena rehetra ambonin’ny tany dia hotahina amin’ny alalan’ny taranakao, satria nanaiky ny baikoko ianao.” (Sora-mandry nataonay.) Naneho fiheverana manokana an’i Abrahama tamin’ny naha-lehilahy iray nitady Azy marina tokoa Andriamanitra. Kanefa, na dia nomen’Andriamanitra valisoa tamin’ny fomba nivantana aza i Abrahama, dia mampiseho mazava io andalan-teny io fa tsy nihevitra an’i Abrahama fotsiny na ny taranany ara-nofo ihany Andriamanitra. Tsy nohadinoin’Andriamanitra mihitsy ny fikasany tany am-boalohany ny amin’ny paradisa iray eto an-tany ho an’ny olombelona rehetra, “ny firenena rehetra”. Nambarany tamin’i Abrahama izao fa vokatry ny fahatokiany, dia hanana tombontsoa izy hamoaka ilay “taranaka”, izay amin’ny alalany no hitahiana ny firenena rehetra.
7, 8. Ahoana no nanjary nampifandraisana an’io Taranaka nampanantenaina io tamin’ny hevitra momba ny fanjakana sy momba ny Mesia?
7 Tonga rain’ny firenena lehibe maro i Abrahama. (Genesisy 17:4, 5). Nefa nahariharin’i Jehovah Andriamanitra mazava hoe amin’ny alalan’iza amin’ireo taranany ireo no hiavian’ilay Taranaka nampanantenaina, ka hitondrany amin’izany fomba izany fitahiana ho an’ny olombelona rehetra. (Genesisy 17:17, 21). Samy notononina ho anisan’ny teraka hitondra ho amin’ilay “taranaka” i Isaka zanakalahin’i Abrahama sy i Jakoba zafikeliny. Iray tamin’ireo firenena nivoaka avy tamin’i Abrahama, ny firenen’Isiraely, misy an’ireo foko 12 avy tamin’ireo zanakalahin’i Jakoba, zafikelin’i Abrahama. Tao amin’ity firenena ity no hivoahan’ilay “taranaka” nampanantenaina amin’ny farany. — Genesisy 26:1, 4; 28:10, 13-15, JP.
8 Nasehon’ny faminaniana tatỳ aoriana tamin’ny fomba hentitra fa ho avy amin’ny fokon’ny Joda ny taranaka iray manokana, na mpanapaka. Izao no lazain’ny Genesisy 49:10: “Ny tehim-panjakana tsy hiala amin’i Joda, na ny mpanome lalàna eo anelanelan’ny tongony, mandra-pahatongan’i Silo; ka hanoa azy ny firenena.”3 Ilay mpivaofy tenin’ny Baiboly atao hoe Rashi, dia nanambara fa ny fitenenana hoe “mandra-pahatongan’i Silo” dia midika hoe “mandra-pahatongan’ ilay Mesia Mpanjaka, izay ho tompon’ny fanjakana”.4 Tahaka an’i Rashi, dia takatry ny mpivaofy tenin’ny Baiboly maro fa manana heviny mesianika io faminaniana io.
9. a) Inona no nampanantenain’Andriamanitra an’i Davida Mpanjaka raha ny amin’ilay Taranaka? b) Amin’ny ahoana no ifandraisan’ny fampanantenana ao amin’ny Genesisy 49:10 sy ilay ao amin’ny Salamo 72:7, 8?
9 Ny mpanapaka voalohany avy amin’ny taranak’i Joda, i Davida Mpanjaka, dia nampanantenain’Andriamanitra toy izao: “Ary ny ankohonanao sy (...) ny seza fiandriananao hampitoerina mandrakizay.” (2 Samoela 7:16). Nanampy izao fampanantenana izao Andriamanitra: “Hatsangako ny taranakao mandimby anao (...) ary hampitoeriko ny fanjakany. Izy no hanao trano ho Ahy, ary Izaho kosa hampitoetra ny seza fiandrianany ho mandrakizay.” (1 Tantara 17:11, 12, JP). Ny zanak’i Davida sady mpandimby azy, i Solomona Mpanjaka, dia nanorina marina tokoa ny tranon’i Jehovah, na ny tempoly, nefa niharihary fa tsy nanapaka mandrakizay izy. Kanefa, ho iray amin’ny taranak’i Davida koa ilay “Silo” na “Mesia” nambara mialoha tao amin’ny Genesisy 49:10. (JP). Raha niresaka ara-paminaniana momba azy io i Davida Mpanjaka, dia nanoratra toy izao: “Aoka hiroborobo ny marina amin’ny androny, ary ho be ny fiadanana mandra-paha-tsy hisy volana intsony. Aoka koa izy hanapaka hatramin’ny ranomasina ka hatramin’ny ranomasina, ary hatramin’ny Ony ka hatramin’ny faran’ny tany.” — Salamo 72:7, 8, JP.
10. Inona no hotanterahin’ilay Taranaka nampanantenaina resahina ao amin’ny Genesisy 3:15, ary amin’ny ahoana izy io no mifanaraka amin’ny fampanantenana nomena an’i Abrahama?
10 Raha manaraka ny fanambarana miandalana omen’ny faminaniana isika, dia hanjary hahatakatra fa ireo fitahiana nampanantenaina an’i Abrahama — “amin’ny taranakao ny firenena rehetra ambonin’ny tany no hotahina” — dia hotanterahina amin’ny alalan’io Mpanapaka avy amin’ny taranak’i Davida io ihany raha ny marina. (Genesisy 22:18, JP). Amin’izany fomba izany, ireo faminaniana momba ilay Taranaka dia hanjary hitambatra amin’ny fanantenan’ny firenena jiosy ny amin’ny Mesia, izay mandritra ny fanapahany no hisian’ny fiadanana tanteraka ho an’ny tany. Izy, raha ny marina, no ilay “taranaka” voalaza ao amin’ny Genesisy 3:15, izay hamarana ny fikomiana tany am-boalohany natao tamin’ny fiandrianan’Andriamanitra ary hanafoana ny fahavoazana nentiny. (Salamo 2:5, 8, 9). Dinihina ao amin’ny pejy faha-24–31 ny fanontaniana sy ny fanazavana hafa momba ilay Mesia nampanantenaina. Nefa, aoka hodinihintsika izao ny fifandraisana fanampiny nananan’Andriamanitra tamin’ny taranak’i Abrahama.
Ny zava-kendren’ny faneken’ny Lalàna
11-13. Tamin’ny ahoana no nandraisan’ilay firenena soa avy amin’ny faneken’ny Lalàna, ary natao haharitra mandrakizay ve izy io?
11 Tonga firenena iray ny Isiraelita taonjato vitsivitsy tatỳ aorian’ny andron’i Abrahama. Nanafaka ireo taranany ireo tamin’ny fahababoana tany Egypta Andriamanitra, ary teo ambanin’ny fitarihan’i Mosesy, lehilahy nanam-pinoana hafa iray izay nofidiny, dia nanao fanekena iray manokana, na fifanarahana, tamin’izy ireo Andriamanitra. (Eksodosy 19:5, 6; Deoteronomia 5:2, 3). Nanome fitarihana mazava ho an’ilay firenena io faneken’ny Lalàna io raha ny amin’ny fomba tian’Andriamanitra hanompoana azy. Nandamina azy ireo ho toy ny firenena iray ho fikendrena ny fanompoam-pivavahana toy izany izy io.
12 Mety hanamarika isika fa hatramin’ny niandohany, io fanekena io dia narahina fepetra. Talohan’ny nanambarana tamin’ny firenen’Isiraely ny Didy Folo sy ny fanekena manontolo izay nakana azy ireo, dia nilaza tamin’izy ireo toy izao Andriamanitra: “Koa ankehitriny, raha hankato Ahy amim-pahatokiana ianareo ka hitandrina ny Fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy eo amin’ny firenena rehetra ianareo. Ahy tokoa ny tany rehetra, nefa ho fanjakà-mpisorona sy ho firenena masina ho Ahy ianareo.” (Eksodosy 19:5, 6). Mba hahatonga azy ireo hampiasain’Andriamanitra hatrany ho toy ny rakitra soa ho azy, dia tokony ho nankato azy tamim-pahatokiana izy ireo. Ireo no fepetra niaraka tamin’ilay fanekena.
13 Ny valisoa nampanantenaina ho setrin’ny fahatokiany — ny hoe hanompo amin’ny maha-fanjakà-mpisorona izy ireo — dia mampiseho fa tsy ny faneken’ny Lalàna akory no tena zava-kendrena, fa dingana iray kosa izy io mankany amin’ny fanomanana fisoronana iray, izay hanampy ny firenena hafa hanjary hahafantatra an’ilay Andriamanitra marina. Hatramin’ny fiantombohany, ny fikasan’Andriamanitra dia ny hitahiana ny olombelona rehetra, fa tsy ny olona avy amin’ny firenena iray fotsiny. — Genesisy 22:18.
14. Soa hafa inona avy no nentin’ny faneken’ny Lalàna?
14 Koa satria tsy ny faneken’ny Lalàna akory no tanjona, inona no zava-kendrena tamin’izy io? Nanala sarona tsy misy fihambahambana ary niampanga ny fiheveran-diso rehetra ara-pivavahana, izay nampitomboin’ny olona tamim-pahaleovan-tena hatramin’ny nikomiana tao amin’ny saha Edena, izy io. (Deoteronomia 18:9-13). Niaro ny firenen’Isiraely tamin’ireo fanao maharikoriko sy ny fanompoam-pivavahan’ireo firenena nanodidina azy koa izy io, tamin’ny famerana ho faran’izay kely ny fifandraisana rehetra tamin’ireo firenena ireo. (Deoteronomia 7:1-6). Raha mbola nitandrina izany Lalàna izany koa ny Isiraelita, dia ho voaro tao anatin’ny toe-piainana madio ara-pivavahana, izay ho nahafahany tamin’ny farany nahafantatra sy nandray ilay Taranaka na Mesia nampanantenaina, izy ireo.
15, 16. Fianarana lehibe ara-panahy inona avy voafaoka tao anatin’ny faneken’ny Lalàna moa no manondro koa fa tsy haharitra izy io?
15 Nanamafy koa ny ilana fanati-pihavanana ny faneken’ny Lalàna, satria tafiditra tao anatiny ny rafitra iray voafaritra tsara momba ny fanatitra, izay anisan’ny fanompoam-pivavahana jiosy tanteraka. (Levitikosy 1:1-17; 3:1-17; 16:1-34; Nomery 15:22-29). Hatramin’ny nikomian’i Adama sy i Eva, ny olombelona dia nanary ny fahatanterahana nananany izay ho nahafahany niaina mandrakizay tao anatin’ny fahasalamana tanteraka. (Genesisy 2:17). Vokatry ny ota voalohany, dia nandova ny tsy fahatanterahana sy ny fironana hanota raikitra ao aminy ny taranak’i Adama sy i Eva (teraka avokoa taorian’ny nikomiany). (Genesisy 8:21; Salamo 51:7 [51:5, NW ]; Mpitoriteny 7:20). Niteraka ny aretina sy ny fahanterana ary ny fahafatesana ny tsy fahatanterahana, ary koa nahatonga ny fiforonan’ny fefy nampisaraka ny olona tamin’Andriamanitra. (1 Mpanjaka 8:46; ampitahao amin’ny Fitomaniana 3:44.) Nilaina ny fototra sasany mba hanafoanana izany fahavoazana izany ary mba handaminana sy hanaovana fanati-pihavanana noho ny toetran’ny ny olona tsy tanteraka koa. Nahatsapa foana izany zavatra nilaina izany tamin’ny fomba lalina ireo olona nanam-pinoana. — Joba 1:4, 5; Salamo 32:1-5.
16 Nanantitrantitra ny faneken’ny Lalàna fa Andriamanitra dia manana fari-pitsipika ara-dalàna izay tsy maintsy fenoina. Nanome fototra hahatakarana ny fomba hanatanterahana amin’ny fomba feno ireo fari-pitsipi-pahamarinan’Andriamanitra koa izy io.c Tsy afaka velively namerina tamin’ny laoniny ny fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany ny amin’ny olombelona ireo fandaharana momba ny fanatitra natao teo ambanin’ny faneken’ny Lalàna, satria nihelina ihany ny vokany; nampisongadina ny maha-mpanota ny olona izy io fa tsy nanala na niaro azy tamin’izany. Noho izany, ny Lalàna dia dingana iray nanampy an’io firenena voalamina nisy mpivavaka io, hahatakatra amin’ny fotoana mety ny fomba hamantarana ilay Taranaka ary ny fomba hanafoanan’ilay Taranaka ny fahavoazana nentin’ny fahotan’i Adama. Aiza no ilazan’ny Torah izany?
Fampanantenana mpaminany iray tahaka an’i Mosesy
17, 18. Inona no tiana hambara amin’ny fampanantenan’Andriamanitra ao amin’ny Deoteronomia 18:15, 18, 19, miresaka ny amin’ny hananganana mpaminany iray?
17 Ao amin’ny Deoteronomia toko faha-18, andininy faha-15, dia nilaza toy izao tamin’ny firenen’Isiraely i Mosesy: “Ny TOMPO Andriamanitrao hanangana ho anao mpaminany iray avy eo amin’ny firenenao, tahaka ahy; izy no hohenoinareo.” Ao amin’io toko io ihany, eo amin’ny andininy faha-18 sy faha-19, i Jehovah dia niresaka tamin’i Mosesy, ilay voatendriny ho mpanalalana teo aminy sy ny vahoakany toy izao: “Hanangana mpaminany iray ho azy ireo avy amin’ny fireneny ihany, tahaka anao, aho: Hataoko ao am-bavany ny Teniko, ary holazainy amin’izy ireo izay rehetra handidiako azy; ary raha misy tsy mihaino ny teny holazainy amin’ny Anarako, dia Izaho mihitsy no hampamoaka azy.” Ahoana no tokony handraisana an’io faminaniana io?
18 Ilay mpaminany resahina eto dia mazava fa olona iray manokana sy miavaka. Hazavain’ny teny manodidina fa tsy fotopoto-pitsipika ankapobeny momba ny fikasan’Andriamanitra hanohy hanangana mpaminany ho an’ilay firenena fotsiny izy io, araka ny fiheveran’ny sasany azy. Ny teny hebreo adika hoe mpaminany (na·viʼʹ) dia milaza tokana, mampitaha azy amin’i Mosesy, izay olona niavaka teo amin’ny tantaran’ilay firenena. Ambonin’izany, ireo teny famaranana ao amin’io bokin’ny Deoteronomia io ihany dia manambara toy izao: “Tsy nisy mpaminany tahaka an’i Mosesy intsony mihitsy teo amin’ny Isiraely — izay navahan’ny TOMPO nifanatrika.” (Deoteronomia 34:10-12). Tena azo inoana fa i Josoa, zanak’i Nona, izay mpitarika lehibe sady mpaminany voatendrin’Andriamanitra, no nirakitra an-tsoratra ireo teny ireo. Nefa, tsy hita amin’ny fiteniny mihitsy hoe nihevi-tena izy fa ho aminy no hahatanterahan’ireo tenin’i Mosesy momba ny mpaminany iray tahaka an’i Mosesy ireo. Inona àry no tian’Andriamanitra holazaina rehefa nampanantena izy fa hanangana mpaminany iray tahaka an’i Mosesy? Olona nanao ahoana moa i Mosesy?
Fanekena vaovao iray nambara mialoha
19. a) Tamin’ny ahoana i Mosesy no niavaka? b) Zavatra hafa inona no tokony hataon’ny mpaminany iray tahaka an’i Mosesy?
19 Mpitarika lehibe i Mosesy; mpamoaka lalàna izy, mpaminany, mpanao fahagagana, mpampianatra, ary mpitsara. Mpanalalana koa izy, ny hany mpaminany nanelanelana tamin’ny fanekena iray nataon’Andriamanitra tamin’ny olona (teto dia ny firenen’Isiraely). Ny mpaminany iray izay ho tahaka azy marina dia hanao zavatra mitovy amin’ny nataony. Midika ve izany fa nanam-pikasana Andriamanitra ny hanolo ny faneken’ny Lalàna tamin’ny fanekena iray hafa? Eny, izany tokoa no fikasany. Tamin’ny alalan’i Jeremia mpaminany, dia nambaran’Andriamanitra mazava ny fikasany hanao fanekena vaovao iray. Nitaky mpanalalana vaovao ny fanekena vaovao iray. Ny olona iray tahaka an’i Mosesy ihany no afaka hameno ireo fepetra takina amin’izany fanendrena izany. Raha mandinika izay tafiditra ao anatin’ny fanekena vaovao isika, dia afaka hahatakatra tsaratsara kokoa ny anjara asan’ny mpanalalana.
20, 21. a) Inona no ampanantenaina ao amin’ny Jeremia 31:31-34? b) Inona no zava-kendrena voambara momba ny fanekena vaovao? d) Ho vokatr’izany, inona no hitranga amin’ny faneken’ny Lalàna?
20 Efa ho 900 taona taorian’i Mosesy vao nampita ireto teny ireto tamin’ny firenen’Isiraely i Jeremia: “Indro, ho avy ny fotoana — hoy ny TOMPO — izay hanaovako fanekena vaovao amin’ny Taranak’Isiraely sy ny Taranak’i Joda. Tsy ho tahaka ny fanekena nataoko tamin’ny razany tamin’ny andro nitantanako azy nivoaka avy tany amin’ny tany Egypta, fanekena izay notapahiny, (...) — hoy ny TOMPO. Fa toy izao no fanekena hataoko amin’ny taranak’Isiraely aorian’izany andro izany (...) Havelako ny helony, ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.”d — Jeremia 31:31-34.
21 Raha ho lasa mpanalalana vaovao amin’ny fanekena vaovao iray ilay mpaminany tahaka an’i Mosesy, dia hanjary hiharihary àry fa ireo tsipiriany niavaka rehetra tamin’ny fanompoam-pivavahana notakina teo ambanin’ny Lalaǹ’i Mosesy dia tsy hanan-kery amin’ny fomba maharitra, fa ho mandra-panorina ilay fanekena vaovao ihany. Rehefa hanome fototra ho amin’ny ‘famelana ny fahotana sy ny tsy fahatsiarovana intsony ny helok’izy’ ireo Andriamanitra, dia azo antoka fa tsy hilaina intsony ny rafitra iray manontolo mitaky ny hanaovana fanatitra tao amin’ny tempoly, izay nitondra famelan-keloka nihelina ihany. Rehefa haorina ny fanekena vaovao, dia tsy hanana ny heviny intsony koa ireo lafiny nahakasika ny fombafombam-pivavahana teo amin’ny faneken’ny Lalàna, toy ny fitandremana ny Sabata sy ireo andro firavoravoana. Amin’ny fotoana voatendry, dia azo antoka fa hasehon’Andriamanitra izay hotakiny amin’ireo izay voaray ao anatin’izany fanekena vaovao nampanantenaina izany. — Amosa 3:7.
Fitahiana ho an’ny firenena rehetra
22, 23. a) Inona no zava-kendren’ny fanekena vaovao raha ny amin’ireo firenena? b) Ahoana no anehoan’ny faminaniana hafa izay zava-kendren’Andriamanitra ho an’ny firenena rehetra?
22 Ny fahatakarana fa olona iray ihany ilay mpaminany tahaka an’i Mosesy sy ilay Taranak’i Abrahama, dia manampy antsika hahita lafiny hafa tena lehibe amin’ny fanekena vaovao; izany dia hanjary ho fomba ara-dalàna, hahafahan’ny olona avy amin’ny firenena rehetra hanolotra fanompoam-pivavahana ho an’ilay Andriamanitra marina. Koa satria milaza ny Genesisy 22:18 fa amin’ny alalan’io “taranaka” io “ny firenena rehetra ambonin’ny tany no hotahina”, dia mazava fa amin’ny fotoana sasany eo amin’ny tantaran’ny olombelona, Andriamanitra dia tsy hifandray intsony amin’ny firenena iray monja, ireo taranak’i Abrahama. Rehefa avy nampiasaina tamin’izany anjara asa lehibe izany, dia ny hamokatra io Taranaka nampanantenaina io, ny firenen’Isiraely, ary aorian’ny fanorenana ny fanekena vaovao, dia hisokatra ho an’ny olona avy amin’ny firenena sy firazanana rehetra ny fanompoam-pivavahana amin’ilay Andriamanitra marina.
23 Azo antoka fa tsy misy mihitsy olona afaka ny hiady hevitra ara-dalàna ny amin’ny fahitsian’Andriamanitra, rehefa namela olona tso-po avy amin’ny firenena sy firazanana rehetra hanolotra fanompoam-pivavahana ho azy izy. Izany no fikasan’Andriamanitra hatrany am-boalohany, ary misy faminanian’ny Baiboly maro manamafy fa hotahina amin’ny alalan’ilay taranak’i Abrahama ny olona avy amin’ny firenena rehetra. (Zakaria 8:20-23). Ahitana ohatra iray amin’izany ao amin’ny Zefania toko faha-3, andininy faha-9, izay anambaran’Andriamanitra toy izao: “Fa amin’izany dia hovako ho madio ny fitenin’ny firenena mba hiantsoan’izy rehetra ny TOMPO amin’ny anarany sy hanompoany Azy amin’ny firaisan-kina.” Ilay faminaniana ao amin’ny Isaia toko faha-2 resahina eo amin’ny fanombohan’ity bokikely ity dia manamafy izany endriny mampiray amin’ny fanompoam-pivavahana amin’Andriamanitra izany, eo amin’ny olona amin’ny firenena maro mitodika mba hanompo azy marina tokoa, mianatra ny lalan’ny fiadanana; manamafy koa izy io hoe rahoviana izany no hitranga: “Izao no ho tonga any amin’ny faran’ny andro.” (Isaia 2:2, JP). Inona no hevitr’io fitenenana hoe “any amin’ny faran’ny andro” io?
24. a) Inona no hevitry ny fitenenana hoe “ny faran’ny andro”? b) Inona no lazalazaina ao amin’ny Ezekiela toko faha-38 sy faha-39?
24 Miresaka imbetsaka ny amin’ny andro hitondran’Andriamanitra ny firenena rehetra hotsaraina ny Soratra Masina. (Isaia 34:2, 8; Jeremia 25:31-35; Joela 4:2 [Joela 4:2, NW], Habakoka 3:12; Zefania 1:18; 3:8). Hatramin’ny nandavana ny fiandrianan’Andriamanitra tao amin’ny saha Edena, dia nanjary nihaniharihary ny tsy fahaizan’ny olombelona manapaka ny tenany amim-pahombiazana. Tsy nahomby tanteraka ireo fitondram-panjakan’ny olona ary nampitondra fahoriana mihoa-pampana. Raha avela hitohy ela kokoa izao vanim-potoana itobahan’ny fitaovam-piadiana niokleary sy ny fandotoana ny toerana manodidina maneran-tany izao, dia handringan-tena ny olona ary hanimba ny tany fonenany izy. Noho izany, dia handray an-tanana ny raharaha Andriamanitra amin’ny fampiasana ny Mesia voatendriny, ilay Taranaka. (Salamo 2:1-11; 110:1-6). Nahita mialoha ny ady fanapahan-javatra hataon’Andriamanitra amin’ireo fitondram-panjakan’ny olona ny mpaminany Ezekiela. Ao amin’ny toko faha-38 sy faha-39 amin’ny bokiny, dia milazalaza momba ny adin’Andriamanitra amin’“i Goga avy any amin’ny tany Magoga” izy. (Ezekiela 38:2). Eken’ny olona maro ho toy ny faminaniana iray momba ny andro farany izy io. Mampiseho ny fandinihana amim-pitandremana ny Soratra Masina fa eto ny hoe “Goga” dia anarana ara-panoharana ho an’ilay fanahy nikomy, i Satana ihany, izay nitarika an’i Adama sy i Eva teo amin’ny lalan’ny tsy fankatoavana an’Andriamanitra. Ny faharesen’io fanahy io sy ireo mpiandany aminy, izay fahavalon’Andriamanitra hatramin’ny ela, raha ny marina dia ampahany voalohany amin’ny fahatanterahan’ilay fampanantenana tany am-boalohany hoe ilay “taranaka” amin’ny heviny ara-panoharana, dia hanorotoro an’i Satana, ilay “menarana” eo amin’ny lohany ka hahafaty azy. — Genesisy 3:15, JP.
25. Inona no nambara mialoha fa hitranga aorian’ny fandringanana ny tafik’i Satana?
25 Aorian’ny fandringanana ireo mpiandany amin’i Satana, dia haverina amin’ny laoniny eto an-tany indray ny toe-piainana paradisa nisy tao Edena tany am-boalohany. Nefa, amin’ity indray mitoraka ity, dia hankato an’Andriamanitra ny olombelona, eo ambanin’ny fandaharan’ilay fanekena vaovao. (Isaia 11:1-9; 35:1-10). Tsy ny fahotana ihany no havela fa haverina ho amin’ny fahatanterahana indray amin’ny fomba feno ny olombelona. Ho vokatr’izany, dia homena azy ireo ny fiainana mandrakizay. (Salamo 37:29; Isaia 25:8). Amin’izany fotoana izany, na dia ireo maty aza, ireo izay maty nahatoky teo anatrehan’Andriamanitra sy ireo maty an’arivony tapitrisa maro tsy nanana mihitsy fahafahana feno hianatra marina momba azy, dia haverina ho amin’ny fiainana indray — hatsangana amin’ny maty! (Daniela 12:2, 12 [12:2, 13, MG, JP]; Isaia 26:19). Moa ve ny fanantenana kanto toy izany tsy mampanatona antsika akaiky kokoa an’Andriamanitra izay mihevitra ny hanao zavatra toy ireo?
26. Mitaky inona amintsika ny fahatongavan’ilay mpaminany tahaka an’i Mosesy?
26 Ireo fitahiana ireo dia sasantsasany fotsiny amin’ireo fitahiana ho an’ny olona avy amin’ny firenena rehetra, izay tonga amin’ny fahafantarana sy ny fihainoana ny feon’ilay mpaminany tahaka an’i Mosesy, ilay Taranaka izay hanapaka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida “mandra-paha-tsy hisy volana intsony”, izany hoe mandrakizay. (Salamo 72:7). Momba an’io mpaminany tahaka an’i Mosesy io, dia milaza toy izao koa ny Deoteronomia 18:19: “Ary raha misy tsy mihaino ny teny izay holazainy amin’ny Anarako, dia Izaho mihitsy no hampamoaka azy.” Moa ve ianao haka fotoana sy hanao ny fiezahana ilaina mba hamantarana an’io Mpaminany tahaka an’i Mosesy io, io Mesia io, ary amin’izany fomba izany dia hianatra izay rehetra takin’Andriamanitra? Ho tonga amin’ny fahafantarana ilay Andriamanitra marina ve ny tenanao manokana?
a Tsy fanoharana akory ny fitantaran’ny bokin’ny Genesisy momba ny saha Edena, fa toerana tena nisy, izay nalalaka tokoa i Edena. Manondro toerana iray any avaratry ny lemak’i Mezopotamia, any amin’izay misy ny loharanon’ny onin’i Eofrata sy Tigra ilay andalan-teny. (Genesisy 2:7-14). Natao ho modely iray ho azon’ny olona tahafina sy ho azony anolokoloana ny tapany sisa amin’ny tany izy io.
b Mba hahatakarana lalina kokoa izay tafiditra tamin’izany fikomiana izany, dia jereo ny efajoro “Nahoana no Avelan’Andriamanitra Hisy ny Faharatsiana?”
c Ny ohatra ara-pitsarana natambatr’i Mosesy tao amin’ny Lalàna raha ny amin’ny fomba fanonerana rehefa misy fandikan-dalàna — “aina solon’aina, maso solon’ny maso, nify solon’ny nify” — dia manome taratry ny fotopoto-pitsipika lehibe nampiharin’ny tenan’Andriamanitra, rehefa nandamina ny raharaha momba ny famonjena ny olona izy. (Deoteronomia 19:21). I Adama, lehilahy iray tanteraka, dia nanjary tompon’andraikitra tamin’ny fanamelohana nahazo ny taranak’olombelona, noho izany dia nilaina ny lehilahy tanteraka hafa iray mba hanonitra izany fahaverezana izany amin’ny fanolorany ny ainy. Amin’izany fomba izany, ny fahafatesany dia hanonitra tanteraka ny fahotan’i Adama sy ny vokany teo amin’ny olombelona. Ny fahatongavan’ilay “taranaka” nampanantenaina ihany, izay hanolotra ny ainy ho avotra ara-dalàna, no afaka hitondra amin’ny fomba feno ny fanafahana toy izany. (Genesisy 3:15, JP). Raha mila fanazavana feno kokoa ny amin’io anjara asan’ilay Taranaka io ao amin’ny fikasan’Andriamanitra, dia jereo ny fizarana “Iza no Hitarika Ireo Firenena ho Amin’ny Fandriampahalemana?”, fehintsoratra faha-17 ka hatramin’ny faha-20.
d Ny fanazavana iray miely eken’ny Jodaisma amin’izao andro izao dia ny hoe naminany fanavaozana na fanamafisana ny faneken’ny Lalàna tamin’ny Isiraelita fotsiny i Jeremia, toy izay niseho taorian’ny fiverenan’izy ireo avy tany amin’ny fahababoana tany Babylona tamin’ny 537 al.f.i. (Ezra 10:1-14). Nefa eto koa, dia lavin’ilay faminaniana ny fanazavana toy izany. Nambaran’Andriamanitra mazava fa izy io dia ho “fanekena vaovao”, fa tsy fanekena nohavaozina fotsiny. Ambonin’izany, dia manantitrantitra izy fa izy io dia tsy sahala amin’ilay fanekena natao rehefa nitondra azy ireo nivoaka avy tamin’ny fanandevozana tany Egypta izy. Ny sasany nilaza fa “vaovao” izy io amin’ny heviny hoe izao dia hitandrina amim-pahatokiana an’io fanekena io ihany izy ireo, nefa asehon’ny tantara fa ny mifanohitra amin’izany no nitranga. Raha ny marina, ny tsy fananan’izy ireo fahatokiana dia nitarika ny fandravana ny tempoly faharoa. — Deoteronomia 18:19; 28:45-48.