-
Oha-panetren-tena Tokony HotahafinaNy Tilikambo Fiambenana—1993 | 1 Desambra
-
-
Avy eo indray, dia vakintsika ao amin’ny Salamo 113:6 (NW ) fa “mampietry ny tenany mba hijery ny lanitra sy ny tany” i Jehovah. Nilaza mazava i Davida Mpanjaka fa ny fanetren-tenan’i Jehovah no naha-lehibe azy, dia izy, Davida. Ny fandikan-teny hafa dia mampiasa ny teny hoe “miondrika mijery” (Fandikan-teny Malagasy), “manaiky ny hijery ambany be”. — The New English Bible.
5. Zavatra sendra nitranga inona avy no manamarina ny fanehoan’i Jehovah fanetren-tena?
5 Nampietry ny tenany tokoa i Jehovah Andriamanitra tamin’ny fomba nifandraisany tamin’i Abrahama, tamin’ny famelana an’i Abrahama hiady hevitra ny amin’ny fahamarinany rehefa nikasa ny handrava an’i Sodoma sy i Gomora, tanàna feno faharatsiana, Izy.a (Genesisy 18:23-32). Ary rehefa nilaza ny fikasany handrava ny firenen’Isiraely i Jehovah — tamin’ny fotoana iray noho ny fanompoan-tsampy, ary tamin’ny fotoana hafa noho ny fikomiana — dia niara-nanjohy hevitra tamin’i Jehovah i Mosesy tamin’ny tarehin-javatra tsirairay avy, toy ny hoe niresaka tamin’ny olombelona hafa iray izy. Tamin’ny fotoana tsirairay, dia namaly tamim-pankasitrahana i Jehovah. Fisehoan’ny fanetren-tenany ny fanomezana izay nangatahin’i Mosesy raha ny amin’ny Isiraely olony. (Eksodosy 32:9-14; Nomery 14:11-20). Ireo ohatra hafa ny amin’ny nifandraisan’i Jehovah tamim-panetren-tena tamin’olombelona toy ny amin’ny olona nitovy, raha azo atao ny milaza izany, dia hita tamin’ny nifandraisany tamin’i Gideona sy i Jona, araka izay voatantara ao amin’ny Mpitsara 6:36-40 sy Jona 4:9-11.
-
-
Oha-panetren-tena Tokony HotahafinaNy Tilikambo Fiambenana—1993 | 1 Desambra
-
-
a Ny hoe “mampietry tena” dia matetika ampiasaina miaraka amin’ny heviny hoe “miseho ho ambony”. Nefa ny heviny voalohany — ary ny heviny ao amin’ny Fandikan-tenin’izao Tontolo Izao Vaovao — dia hoe “milefitra”, “mahafoy an-tsitrapo ny tombontsoa raha ny amin’ny laharana”. — Jereo ny Webster’s Ninth New Collegiate Dictionary.
-