Mendrika ny hahazo dera mandrakizay i Jehovah
“Hankalaza Anao isan-andro aho sy hidera ny anaranao mandrakizay doria.” — SALAMO 145:2.
1. Nahoana i Davida no nanana antony maro hiderana an’i Jehovah?
NANANA antony maro hiderana an’Andriamanitra i Davida, mpanompo nahatokin’i Jehovah. Nahafantatra ny fahalehibeazan’i Jehovah sy ny hatsaram-pony io mpanjaka fanta-daza teo amin’ny Isiraely fahiny io ary takany fa mandrakizay ny maha-mpanjaka Azy. Mendrika ny hahazo dera ilay Andriamanitra Tsitoha noho izy manome fahafahampo ny fanirian’ireo zavamananaina rehetra ary noho ny fanehoany famindrampo amin’ireo mpanompony mahatoky.
2. (a) Tamin’ny fomba ahoana no nandaharana ny Salamo faha-145? (b) Fanontaniana inona avy no hodinihina eto?
2 Nanolotra dera an’Andriamanitra toy izany i Davida ao amin’ny Salamo faha-145. Manomboka amin’ny litera iray mifanarakaraka ao amin’ny abidy hebreo ny andininy tsirairay avy ao amin’io salamo “acrostiche” io, na dia navela aza ny litera iray (nun). Nety ho natao mba hitadidiana azy ny fandaharana azy ho “acrostiche” toy izany. Mankalaza an’i Jehovah ny Salamo faha-145, toy ny hita amin’ireto teny ireto: “Hankalaza Anao isan-andro aho sy hidera ny anaranao mandrakizay doria.” (Salamo 145:2) Kanefa amin’ny fomba ahoana no ahafahan’io salamo io hanan-kery eo amintsika? Inona no azony atao raha ny amin’ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra? Mba hahazoana valiny, dia aoka aloha isika handinika ny andininy voalohany ka hatramin’ny faha-10.
Tsy takatry ny saina ny fahalehibeazan’i Jehovah
3. Toa an’i Davida, inona moa no adidintsika amin’ilay ‘Andriamanitsika Mpanjaka’, ary nahoana?
3 Mpanjaka i Davida, nefa nanaiky ny fiandrianan’i Jehovah teo aminy izy tamin’ny filazana hoe: “Hanandratra Anao aho, ry Andriamanitro Mpanjaka ô, sy hankalaza ny anaranao mandrakizay doria.” (Salamo 145:1) Maneho fanajana fatratra mitovy amin’izany ny Vavolombelon’i Jehovah ka manandratra ny anaran’Andriamanitra ary midera azy maneran-tany. Mihatsara ny toetry ny fiainantsika eo am-pandraisantsika anjara amin’izany asa izany. Toa an’i Davida, dia manana adidy haneho fankatoavana sy fanekena an’i Jehovah isika noho izy ‘Andriamanitsika Mpanjaka’. Ary nahoana tokoa isika no tsy hanao izany? Izy ilay “Mpanjaka mandrakizay.” (Apokalypsy 15:3) Ambonin’izany, ilay Davida Lehibe, Jesosy Kristy, izay manjaka avy any an-tendrombohitra Ziona any an-danitra hatramin’ny 1914, dia manome antsika ohatra mahatalanjona ny amin’ny fanekena an’i Jehovah, ilay Mpanjaka mandrakizay.
4. Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika ‘mankalaza ny anaran’Andriamanitra’?
4 Nilaza i Davida fa ‘hankalaza ny anaran’Andriamanitra’ izy. Ahoana no hahafahan’ny olombelona tsotra hanao izany? Anisan’ny zavatra maro hafa aloha, ny hoe mankalaza olona iray dia midika hoe milaza zavatra tsara momba azy. Ny fankalazana ny anaran’Andriamanitra dia manambara fa manam-pitiavana mafy azy sy ny anarany masina hoe Jehovah isika. Tsy mitaraina momba an’Andriamanitra na oviana na oviana isika, tsy manakiana azy na oviana na oviana isika, tsy misalasala na oviana na oviana momba ny hatsaram-pony isika. Raha manana izany fihetsika izany ihany isika, ka nanolo-tena ho an’i Jehovah ary mihazona ny tsy fivadihana amin’ny maha-Vavolombelony vita batisa, vao afaka miara-milaza amin’i Davida fa ‘hankalaza ny anaran’Andriamanitra mandrakizay doria’ isika. Raha mitahiry ny tenantsika ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra isika, dia handray ny fiainana mandrakizay ho fanomezana ka ho afaka hankalaza an’i Jehovah mandrakizay. — Joda 20, 21.
5. Inona no tokony ho vokatry ny faniriana hankalaza an’i Jehovah “isan’andro” eo amintsika?
5 Raha tena tia marina ny Mpanome ny fiainana antsika isika, dia hiara-miteny amin’i Davida hoe: “Hankalaza Anao isan-andro aho sy hidera ny anaranao mandrakizay doria.” (Salamo 145:2) Ho zava-poana toy inona moa ny andro iray raha tsy mankalaza an’Andriamanitra isika! Enga anie isika ka tsy ho sahirana loatra na ho feno fanahiana loatra momba ny zavatra ara-nofo ka hamela ny andro iray handalo tsy hilazana zavatra tsara momba ny Raintsika any an-danitra na hivavahana aminy. Tian’i Jesosy holazaina fa tokony hivavaka isan’andro isika rehefa nilaza izy tao amin’ilay vavaka fakan-tahaka hoe: “Omeo anay isan-andro izay hanina sahaza ho anay.” (Lioka 11:3) Maro amin’ireo ao amin’ny fanompoana manontolo andro no midera an’Andriamanitra isan’andro rehefa eo am-panaovana ny asany kristiana izy. Na manao ahoana na manao ahoana anefa ny tarehin-javatra misy antsika, ny fontsika dia tokony hanosika antsika hahita fomba hiderana an’Andriamanitra isan’andro. Ary hevero kely ange! Amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah vita fanoloran-tena manantena ny fiainana mandrakizay antsika, isika dia manana ny fahatsinjovana mahafinaritra ny hidera ny anarany mandrakizay. — Jaona 17:3.
6. Nahoana i Jehovah no “tokony hoderaina indrindra”?
6 Tsy isalasalana fa manana antony hiderana an’Andriamanitra mandritra ny andro manontolo isika, satria nanampy i Davida hoe: “Lehibe Jehovah ka tokony hoderaina indrindra; ary tsy takatry ny saina ny fahalehibiazany.” (Salamo 145:3) Lehibe aoka izany i Jehovah, hany ka tsy misy afaka ny hitovy aminy, ary tsy misy fetra ny fiandrianany. Voatery niaiky toy izao i Nebokadnezara, ilay mpanjaka babyloniana: “Tsy misy mahasakana Azy [an’Andriamanitra], na manao aminy hoe: Inona no ataonao?’” (Daniela 4:31, 32) “Mahatahotra, fa ambonin’ny andriamanitra rehetra” i Jehovah. (Salamo 96:4) Tsy mahagaga àry raha “miendrika hoderaina indrindra” izy. Tsy misy teny fiderana azo lazaina hoe mendri-kaja loatra rehefa mankalaza an’i Jehovah! Mendrika ny hahazo dera tsy voafetra sy mandrakizay izy.
7. Inona no manaporofo fa “tsy takatry ny saina ny fahalalehibeazan’[Andriamanitra]”?
7 Tsy ‘takatry ny saina ny fahalehibiazan’i Jehovah’. Tsy miankina amin’ny halehibeny eo amin’ny ara-batana ny fahalehibeazany fa amin’ny toetrany amin’ny maha-Andriamanitra azy. Eny tokoa, mahatalanjona loatra ireo zavatra noforoniny ka tsy ho takatsika, ary ny tenantsika aza dia ‘mahatalanjona ny nanaovana’ antsika. (Salamo 139:14; Joba 9:10; 37:5) Ambonin’izany, amin’ny fomba mahafinaritra toy inona moa no itondran’i Jehovah Andriamanitra tena! Mitana amim-pahatokiana ireo fampanantenana nomeny izy ary mampiharihary ireo fikasany amim-pitiavana. Kanefa tsy hahafantatra na oviana na oviana ny zavatra rehetra momba an’Andriamanitra isika. Arakaraka ny fandehan’ny fotoana haharitra mandrakizay, isika dia ho afaka hampitombo ny fahalalantsika momba azy, ny zavatra noforoniny ary ny fikasany. — Romana 11:33-36.
Derao ireo asan’i Jehovah
8. (a) Tamin’ny fomba ahoana no nideran’ ireo ‘taranak’olombelona nifandimby’ ireo asan’i Jehovah? (b) Raha mampianatra ireo zanatsika momba ireo asan’i Jehovah sy ireo zavatra nataony isika, ahoana moa no azo ampoizina fa handraisany ny fanompoana azy? (d) Amin’ny maha-“taranaka” falifaly azy, inona moa no nataon’ny sisa voahosotra?
8 Be dia be aoka izany no azo lazaina hiderana ilay Andriamanitsika izay tsy takatry ny saina ny fahalehibeazany, hany ka voatosika hilaza i Davida hoe: “Ny taranaka rehetra samy hidera ny asanao amin’izay mandimby azy sy hanambara ny asanao lehibe.” (Salamo 145:4) Nidera ireo asan’i Jehovah ireo taranak’olombelona nifandimby ary nitanisa ireo zavatra lehibe nataony. Endrey ny tombontsoa ananantsika mitantara ireo zavatra ireo amin’ny olona ampianarintsika ny Baiboly any an-tokantranony! Ohatra, azontsika atao ny milaza amin’izy ireo fa Andriamanitra no namorona ny zavatra rehetra. (Genesisy 1:1–2:25; Apokalypsy 4:11) Azontsika atao ny miresaka ny amin’ireo zava-dehibe nataony tamin’ny fotoana nanafahany ny Isiraelita tamin’ny fahandevozana egyptiana, nanampiany azy ireo handresy ireo fahavalo kananita, niarovany azy ireo tsy ho ringana tanteraka tany Persia fahizay, ary ny maro hafa koa. (Eksodosy 13:8-10; Mpitsara 4:15; Estera 9:15-17) Ary moa ve isika tsy voatosika hilaza amin’ireo zanatsika ireo asan’i Jehovah sy ireo zavatra nataony? Raha omentsika fampianarana toy izany ny zanatsika ka hitan’izy ireo fa manompo an’Andriamanitra amim-pifaliana isika, dia azo ampoizina fa handray ny fanompoam-pivavahana aminy ho toy ny fahafinaretana izy ary hihalehibe amin’ny ‘fifaliana avy amin’i Jehovah ho fiarovana mafy ho azy’. (Nehemia 8:10; Salamo 78:1-4) Ny sisa voahosotra dia mahaforona ‘taranaka’ Vavolombelon’i Jehovah falifaly iray izay midera ireo asan’Andriamanitra eo amin’ny “olona betsaka”, izay anisan’ilay taranaka honina ao amin’ny Paradisa eto an-tany. — Apokalypsy 7:9.
9. Eo am-pisaintsainana ireo asan’Andriamanitra sy ireo zava-dehibe nataony, dia afaka matoky ny amin’inona moa isika?
9 Eo am-pisaintsainana ireo asan’Andriamanitra sy ireo zava-dehibe nataony, isika dia mihamatoky fa “Jehovah tsy hahafoy ny olony noho ny anarany lehibe.” (1 Samoela 12:22; Salamo 94:14) Rehefa miatrika fitsapana sy zava-tsarotra ary fanenjehana isika dia afaka ny ho tony sy hino mafy fa ny “fiadanan’Andriamanitra” dia hiaro ny fontsika sy ny saintsika. (Filipiana 4:6, 7) Mety indrindra àry ny iresahantsika amin’ny hafa momba ilay Raintsika any an-danitra be fitiavana sady miaro!
10. Inona moa no tafiditra amin’ireo ‘asa mahagagan’i Jehovah’, ary inona no soa azontsika amin’ny fisaintsainana azy ireo?
10 Tokony haka fotoana hisaintsainana momba ny fahalehibeazan’i Jehovah sy ireo asany isika, satria nanampy i Davida hoe: “Ny lazan’ny voninahitry ny fiandriananao sy ny asanao mahagaga no hosaintsainiko.” (Salamo 145:5) Mahatahotra sady tsy manan-tsahala ny voninahitr’Andriamanitra. (Joba 37:22; Salamo 148:13) Noho izany no nisaintsainan’i Davida ny lazan’ny voninahitry ny fiandrianan’i Jehovah. Nisaintsaina momba izay nahakasika ireo ‘asa mahagagan’Andriamanitra’ koa ilay mpanao salamo. Anisan’izany ny fampiharana ny rariny araka an’Andriamanitra amin’ny fandringanana ireo mpanota ary amin’ny fiarovana ireo manompo an’Andriamanitra, toy ny tamin’ny Safodrano. (Genesisy 7:20-24; 2 Petera 2:9) Ny fisaintsainana momba ireo zavatra ireo dia hanamafy ny fifandraisantsika amin’i Jehovah ary hahatonga antsika ho afaka hiresaka momba ny fahalehibeazany sy ireo asany mahagaga amin’ny hafa. Nandritra ireo 40 andro naha-tany an’efitra azy, dia nampahatanjaka an’i Jesosy hahatohitra fakam-panahy ny fisaintsainana ireo zavatra nasehon’ny lanitra nisokatra azy. (Matio 3:13–4:11) Taorian’izany izy dia niresaka momba ny fahalehibeazan’i Jehovah sy ireo asany mahagaga tamin’ny hafa.
11. (a) Nahoana no nahazo an’ireo mponin’i Jeriko ny fahatahorana? (b) Amin’ny toe-tsaina manao ahoana no iresahan’ny Vavolombelon’i Jehovah momba ireo “asa mahatahotra” sy ny ‘fahalehibiazan’i Jehovah’?
11 Rehefa miresaka momba ny fahalehibeazan’Andriamanitra sy ny asany amin’ny hafa isika dia hanosika azy ireo hiteny momba izany koa. Hoy i Davida: “Ny herin’ny asanao mahatahotra no hotenenin’ny olona; ary ny fahalehibiazanao no holazaiko.” (Salamo 145:6) I Rahaba dia niresaka ny amin’ny fahatahorana nahazo an’ireo mponin’i Jeriko rehefa nahare ny amin’ny namonjen’i Jehovah ny Isiraelita tany amin’ny Ranomasina Mena izy ireo sy ny nampandreseny azy ireo ny Mpanjaka amorita roa. Tsy maintsy nisy resaka be momba ireo ‘asa nahatahotra’ ireo tany Jeriko. (Josoa 2:9-11) Ary azo antoka fa hahatahotra koa ny “fahoriana lehibe” efa antomotra. (Matio 24:21) Ny zavatra mampahatahotra ireo olona lavitra an’Andriamanitra anefa dia mahatonga “fahatahorana an’i Jehovah”, izany hoe tahotra amim-panajana mahasoa, ao am-pon’ireo olo-marina. (Ohabolana 1:7) Manana izany toe-tsaina mampiseho fanajana fatratra izany ny Vavolombelon’i Jehovah ka miresaka momba ireo fisehoan’ny herin’Andriamanitra. Ilay Mpanao fahagagana Lehibe no foto-kevitra lehibe indrindra eo amin’ny resaka ifanaovan’ny voahosotra sy ireo namany eto an-tany! Ary na dia ny fanenjehana aza tsy mahasakana azy hilaza ireo zavatra ireo sy ny ‘fahalehibiazan’i Jehovah’ amin’ny hafa. — Asan’ny apostoly 4:18-31; 5:29.
Miderà an’i Jehovah noho ny hatsaram-pony
12. Amin’ny heviny ahoana no ‘mampiboiboika teny’ antsika ny hatsaram-pon’i Jehovah?
12 Mendrika ny hahazo fiderana Andriamanitra, tsy noho ny fahalehibeazany ihany fa noho ny hatsaram-pony sy ny fahamarinany koa. Koa nilaza i Davida hoe: “Hiboiboika teny momba ny fahatsiarovana ny haben’ny hatsaram-ponao izy sy hihoby ny fahamarinanao.” (Salamo 145:7, MN ) Lehibe aoka izany ny hatsaram-pon’i Jehovah, hany ka “miboiboika teny” falifaly momba azy io isika. Ny hevitr’izany amin’ny teny hebreo dia ny an’ny rano miboiboika tampoka sy betsaka avy amin’ny loharano iray. Enga anie isika àry ka hiboiboika teny fiderana feno fankasitrahana an’i Jehovah toy ny riaka mihitsy. (Ohabolana 18:4) Nanadino ny hatsaram-pon’i Jehovah ny Isiraely ka niteraka fanimbana ara-panahy lehibe ho an’ny tenany. (Salamo 106:13-43) Aoka anefa ny fontsika ho safononoky ny fankasitrahana lehibe aoka izany, hany ka hibebaka ny hafa rehefa avy nianatra ny amin’ny halehiben’ny hatsaram-po asehon’i Jehovah amin’ny Vavolombelony nanolo-tena ho azy. — Romana 2:4.
13. Inona no tokony ho vokatry ny fisehoan’ny rariny sy ny fahamarinan’Andriamanitra eo amintsika?
13 Enga anie ny fisehoan’ny rariny sy ny fahamarinan’Andriamanitra ka hanosika antsika koa mba hihoby. Raha izany no tsapantsika, dia tsy ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no hokatsahintsika aloha fa ny fahamarinany koa. Ho tiantsika mandrakariva ny hanomezan’ny fitondrantenantsika dera an’i Jehovah. Eny, ho mpitory ilay Fanjakana tsy tapaka isika ka hahefa be eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Tsy hilevina ao anatin’ny fahanginana, toy ny ao anaty fasana, na oviana na oviana ny fiderantsika an’i Jehovah. — Matio 6:33; 1 Korintiana 15:58; Hebreo 10:23.
Mamindra fo i Jehovah
14. Inona no manaporofo fa “miantra sy mamindra fo” i Jehovah?
14 Nanonona toetran’Andriamanitra fanampiny mendrika ny hoderaina i Davida ka nilaza hoe: “Miantra sy mamindra fo i Jehovah; tsy mora tezitra sady be hatsaram-po miharo fitiavana izy.” (Salamo 145:8, MN ) Miantra Andriamanitra amin’ny heviny hoe be hatsaram-po sy malala-tanana amin’ny fomba feno izy. (Matio 19:17; Jakoba 1:5) Manao soa na dia amin’ireo tsy manompo azy aza izy. (Asan’ny apostoly 14:14-17) Mamindra fo sy mangoraka koa i Jehovah ka “mahatsiaro fa vovoka isika.” Tsy manao tsinontsinona ny fo torotoro iray izy, na manao amintsika araka ny fahotantsika, fa mamindra fo lavitra noho ny ray olombelona be fitiavana indrindra. (Salamo 51:17; 103:10-14) Ny fanehoana famindrampo lehibe indrindra nataony dia tamin’ny nandefasany ny Zanany malalany mba ho faty ho antsika mba hahafahantsika hihavana indray amin’Andriamanitra ka hanandrana marina ny fiantrany! — Romana 5:6-11.
15. Nahoana no azo lazaina fa “tsy mora tezitra” sy “be hatsaram-po miharo fitiavana” i Jehovah Andriamanitra?
15 Tsy mora tezitra ilay Raintsika any an-danitra. Tsy mamela ny fahavinirana jamba hipoaka tsy misy fifehezana izy. “Be hatsaram-po miharo fitiavana” koa i Jehovah. Eto ny teny hebreo dia milaza hatsaram-po ateraky ny fitiavana ary miraikitra amin’ny zavatra iray. Manao izany izy mandra-pahatanterany ny fikasany momba io zavatra io. Ny fandikana iray hafa io teny io dia hoe “fitiavana tsy mivadika”. Anisan’ny zavatra maro hafa, ny hatsaram-pon’Andriamanitra miharo fitiavana, na ny fitiavany tsy mivadika, dia miseho amin’ireo zavatra ataony mba hanafaka, hamonjy, hiaro, hanamaivana amin’ny fahoriana ary hanasitrana amin’ny fahotana amin’ny alalan’ny avotra. (Salamo 6:4; 25:7; 31:16, 21; 40:11; 61:7; 119:88, 159; 143:12; Jaona 3:16) Ny tsy nanaovan’i Jehovah izay hahatongavan’ny Haramagedona taorian’ilay “ady tany an-danitra” avy hatrany dia nahafahan’ny vahoaka maro hahazo famonjena, ary izany dia fanehoana lehibe ny hatsaram-pon’Andriamanitra miharo fitiavana. — Apokalypsy 12:7-12; 2 Petera 3:15.
16. Ahoana no nisehoan’i Jehovah ho ‘nanisy soa izao rehetra izao’?
16 Raha dinihina ny famindrampon’Andriamanitra, dia mety ho azo lazaina fa lehibe ny fony. Nanambara toy izao i Davida: “Manisy soa izao tontolo izao Jehovah; ary ny fiantràny dia eny amin’ny asany rehetra.” (Salamo 145:9) Eny, be hatsaram-po tamin’ireo Isiraelita Andriamanitra. Raha ny amin’izany, “Izy [dia] mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina.” (Matio 5:43-45) Tany Edena, i Jehovah dia nampanantena “taranaka” iray izay hitondra fitahiana. Tatỳ aoriana dia hoy izy tamin’i Abrahama: “Amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.” (Genesisy 3:15; 22:18) Ary lehibe aoka izany ny hatsaram-pon’Andriamanitra amin’izao “andro farany” izao, hany ka na iza na iza dia afaka ny ho ‘avy ary hisotro maimaimpoana amin’ny ranon’aina’. (Daniela 12:4; Apokalypsy 22:17) Vonona ny hanao soa ny zavaboariny manan-tsaina rehetra i Jehovah, ary tokony hampanatona antsika akaiky kokoa ihany azy ny hatsaram-pony.
17. Amin’ny heviny ahoana ny ‘fiantràn’i Jehovah no eny amin’ny asany rehetra’?
17 Ny ‘fiantràn’i Jehovah dia eny amin’ny asany rehetra’ noho izy manome izay ilain’ny olombelona sy ny biby amin’ny fomba tondraka. Izy no “manome hanina ny nofo rehetra.” (Salamo 136:25; 147:9) Tsy mankalaza ny manan-karena Andriamanitra ka manamavo ny ory, na manandratra ny miavonavona ka manao tsinontsinona ny manetry tena, na manondrotra ny adala ka mampietry ny hendry. Ny olona mpanota no manao izany fa tsy ilay Raintsika any an-danitra mamindra fo. (Salamo 102:17; Zefania 3:11, 12; Mpitoriteny 10:5-7) Ary endrey ny halehiben’ny famindrampon’Andriamanitra, ny hatsaram-pony ary ny hatsaram-pony miharo fitiavana tamin’ny fanaovana izay hetezan’ny famonjena amin’ny alalan’ny sorom-panavotan’ny Zanany malala! — 1 Jaona 4:9, 10.
Mankalaza an’i Jehovah ireo olo-mahatoky
18. (a) Amin’ny ahoana ny asan’Andriamanitra no “mankalaza” azy? (b) Amin’ny fotoana toy inona isika no tokony ho voatosika hankalaza an’i Jehovah?
18 Mendrika ny hahazo dera avy amin’ny faritra rehetra Andriamanitra. Izao no ilazan’i Davida izany: “Jehovah ô, mankalaza anao ny asanao rehetra; ary ny olo-mahatokinao midera Anao.” (Salamo 145:10, MN ) “Mankalaza” azy ny zavatra noforonin’Andriamanitra, toy ny anomezan’ny trano vita tsara laza tsara ny mpanorina azy ary ny fasiam-boninkazo tsara tarehy iray ny mpanefy azy havanana. (Ampitahao amin’ny Hebreo 3:4; Isaia 29:16; 64:8.) Mahatalanjona aoka izany ireo zavatra noforonin’i Jehovah hany ka nanosika anjely sy olombelona hidera azy. Niara-nihira sy nihoby ireo anjely zanak’Andriamanitra rehefa namorona ny tany izy. (Joba 38:4-7) Nilaza i Davida fa “ny lanitra mitory ny voninahitr’Andriamanitra; ary ny habakabaka manambara ny asan’ny tànany.” (Salamo 19:1-6) Manana antony tsara hankalazana an’i Jehovah isika rehefa mahita hitsikitsika manidina mankeny amin’ny lanitra na gazela iray mitsambikina eny amin’ny havoana maitso. (Joba 39:26; Tononkiran’i Solomona 2:17) Mety ny hanaovana dera rehefa mijinja ny vokatry ny tany isika na miara-misakafo amin’ireo namantsika. (Salamo 72:16; Ohabolana 15:17) Ny tenantsika voavolavola tamin’ny fomba mahatalanjona koa dia mety hanetsika antsika hanao teny fiderana feno fankasitrahana an’Andriamanitra. — Salamo 139:14-16.
19. Iza moa ireo “olo-mahatoky”, ary inona no ataony?
19 Amin’izao andro izao, ireo “olo-mahatoky” voahosotry ny fanahin’i Jehovah eto an-tany dia mankalaza azy. Milaza zavatra tsara momba azy izy ireo ary maniry mafy ny hahita ny sitrapony hatao eto an-tany toy ny anaovana azy any an-danitra. (Matio 6:9, 10) Manambara amin’ny hafa ireo asa mahatalanjon’Andriamanitra ireo voahosotra ary mihamitombo hatrany foana ny isan’ny olona betsaka mandray izany tsara. Miaraka amin’ireo voahosotra mahatoky izy ireo ary manompo amim-paharisihana amin’ny maha-mpitory ilay Fanjakana azy. Manosika anao handray anjara tsy tapaka amin’io asa io ve ny fankasitrahana ka ho fiderana an’Andriamanitra?
20. (a) Amin’ny fomba ahoana no hanamasinana ny anaran’i Jehovah? (b) Raha ny amin’ny Salamo faha-145, fanontaniana inona avy no mbola tokony hodinihina?
20 Amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah antsika dia manolotra dera an’Andriamanitra isika toy ny nataon’i Davida. Amintsika, ny fanamasinana ny anarana masin’i Jehovah ary ny fankalazana izany dia raharaha iankinan’ny aina. Koa satria hohamasinin’ny Fanjakan’Andriamanitra io anarany io, dia mitana toerana lehibe dia lehibe ao amin’ny vaovao tsara ambarantsika io fampianaran’ny Baiboly momba ilay Fanjakana io. Manome fahazavana ara-panahy momba izany ve ny Salamo faha-145? Inona no hahariharin’ny fandinihantsika ny tapany farany amin’io Salamo io? Amin’ny fomba hafa ahoana avy no anaporofoany fa mendrika ny hahazo dera mandrakizay i Jehovah?
Inona no valinteninao?
◻ Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika mankalaza ny anaran’i Jehovah?
◻ Inona avy ny sasany amin’ireo asan’Andriamanitra mendrika hoderaina?
◻ Hanao ahoana ny fihetsitsika raha mankasitraka ny hatsaram-pon’i Jehovah isika?
◻ Tamin’ny fomba ahoana avy no nisehoan’ny famindrampon’Andriamanitra?
[Sary, pejy 12]
Milaza amin’ireo zanakao momba ireo asa lehibe nataon’i Jehovah ve ianao, toy ny nataon’ireo ray aman-dreny tia an’Andriamanitra teo amin’ny Isiraely fahiny?
[Sary, pejy 15]
Toy ny anomezan’ny trano vita tsara laza tsara ny mpanorina azy, dia toy izany koa no ankalazan’ny zavatra noforonin’i Jehovah Azy