-
Ankalazao ny anarana masin’i Jehovah!Ny Tilikambo Fiambenana—1990 | 15 Desambra
-
-
“Ny mason’izao rehetra izao miandrandra Anao, ary Hianao manome azy ny haniny amin’ny fotoany
-
-
Ankalazao ny anarana masin’i Jehovah!Ny Tilikambo Fiambenana—1990 | 15 Desambra
-
-
(Salamo 145:15, 16) Toy ny hoe mampitodika ny masony sy ny fanantenany any amin’ilay Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao ny zavaboary velona rehetra. Miantehitra amin’Andriamanitra ny anjely mba hahafahany manohy miaina. Ary toy ny ankizy anankiray miantehitra amin’ny rainy na ny reniny mba hahazoany izay ilainy, dia toy izany koa, isika dia miantehitra amin’ilay Raintsika any an-danitra. Raha ny marina, avy aminy no ahazoan’ny olombelona sy ny biby fivelomana. Tsy misy na dia iray aza ivelany afaka mahavoky soa [mahafa-po, MN ] azy amin’izay ilainy. “Manome azy ny haniny amin’ny fotoany”, izany hoe rehefa ilainy izany, Andriamanitra.
13. Amin’ny fomba ahoana avy no ‘anokafan’i Jehovah ny tanany, ka amokisany soa ny zava-miaina rehetra’?
13 ‘Manokatra ny tanany Andriamanitra, ka mahavoky soa ny zava-miaina rehetra.’ (Salamo 104:10-28) Marina fa maty noho ny tsy fisian’ny sakafo ny biby sasany. Olombelona maro no noana, voan’ny fitiavan-tenan’ny hafa, ny fampahoriana ary ny fampiasan’ireo amin’ny fomba ratsy ny vola tahiry. Ambonin’izany, i Jesosy dia efa nanambara mialoha fa ho anisan’ny “famantarana” ny fanatrehany amin’izao andro farany izao ny “mosary”. (Matio 24:3, 7, MN ) Tsy misy na dia iray monja amin’ireo aza anefa mitranga satria kahihitra na tsy mahay manome i Jehovah. Eritrereto fotsiny ireo zavaboary an’arivo tapitrisany maro afaka mivelona! Ambonin’izany, manome antsika toky io salamo io fa, eo ambany fanapahan’ilay Fanjakana, rehefa ‘tsy manapaka ny namany ampidirany loza aminy ny olona’, dia homen’Andriamanitra fahafahampo amin’izay hilaintsika eo amin’ny ara-nofo sy eo amin’ny ara-panahy isika. (Mpitoriteny 8:9; Isaia 25:6) Na dia amin’izao andro izao aza isika dia tsy voatery ho noana sakafo ara-panahy, satria manome izany amin’ny fomba tondraka amin’ny fotoany amin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy malina” Andriamanitra. (Matio 24:45-47, MN; 1 Petera 2:2) Raha ny eo amin’ny lafiny ara-panahy no resahina, dia ny Vavolombelon’i Jehovah no vahoaka voafahana tsara indrindra eto ambonin’ny tany.
-