-
‘Asandrato ny Feo, ka Miaraha Mihoby!’Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
7. Nisy vokany inona teo amin’ny anaran’i Jehovah ny fahababoan’ny vahoakany?
7 Nisy fiantraikany teo amin’ny anaran’i Jehovah ny nanandevozana ny vahoakany. Hoy ilay faminaniana: “Ankehitriny inona no hataoko eto? hoy Jehovah, fa nobaboina tsy ahoan-tsy ahoana ny oloko; ny mpanapaka azy dia manakora, hoy Jehovah; ary mandrakariva dia hamavoina mandritra ny andro ny anarako.
-
-
‘Asandrato ny Feo, ka Miaraha Mihoby!’Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
Nanontany i Jehovah hoe: “Inona no hataoko eto?”, amin’ny heviny hoe: Inona no idirako amin’ny nanandevozana ny Isiraely tany Babylona? Tsy maintsy nanao zavatra i Jehovah, satria namabo ny vahoakany i Babylona sy nanakora azy ireo. Nahatonga an’i Babylona hanamavo ny anaran’i Jehovah izany fieboeboany izany. (Ezekiela 36:20, 21) Tsy nety nanaiky izy fa noho i Jehovah tsy faly tamin’ny vahoakany no nahalao an’i Jerosalema. Noraisin’i Babylona ho porofon’ny fahalemen’ny Andriamanitry ny Jiosy kosa ny naha andevo azy ireo. Naniratsira an’i Jehovah mihitsy aza i Belsazara, mpanjaka lefitr’i Babylona, ka nampiasa ny fitaovan’ny tempolin’i Jehovah, mba hankalazana ny andriamanitr’i Babylona.—Daniela 5:1-4.
8. Inona no natao tamin’ny anaran’i Jehovah, taorian’ny nahafatesan’ny apostoly?
8 Ahoana no azo ampiharana izany amin’i “Jerosalema any ambony”? Tafaorina teo amin’ireo nilaza azy ho kristianina ny fivadiham-pinoana, ary hatramin’izay dia azo lazaina fa izy ireo “no itenenana ratsy ny anaran’Andriamanitra any amin’ny jentilisa.” (Romana 2:24; Asan’ny Apostoly 20:29, 30) Ohatra, noho ny finoanoam-poana, dia nanjary tsy nety nampiasa ny anaran’Andriamanitra ny Jiosy. Nanjary tsy nampiasa ny anaran’Andriamanitra toy izany koa ny Kristianina nivadi-pinoana, rehefa maty ireo apostoly. Niforona àry ny Kristianisma Anarana, izay ny tapany lehibe indrindra amin’i Babylona Lehibe. (2 Tesalonianina 2:3, 7; Apokalypsy 17:5) Nanala baraka ny anaran’i Jehovah ny fahalotoam-pitondran-tena mahatsiravina sy ny trosan-dra mihoa-pampana eo amin’izy ireo.—2 Petera 2:1, 2.
-