-
Mihoby Ilay Vehivavy MombaNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
fa hitatra any amin’ny ankavanana sy any amin’ny ankavia hianao, ary ny taranakao hahazo ny jentilisa, ka dia hasiany mponina ny tanàna lao.
-
-
Mihoby Ilay Vehivavy MombaNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
11. a) Inona no fitahiana azon’ny vadin’Andriamanitra any an-danitra tamin’ny 1914? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.) b) Inona no fitahiana azon’ny voahosotra eto an-tany, nanomboka tamin’ny 1919?
11 Nisy fanavaozana toy izany teo anivon’ilay Jerosalema teto an-tany, taorian’ilay sesitany tany Babylona. Nihoatra lavitra noho izany aza ny fitahiana azon’i “Jerosalema any ambony.”a Niroborobo ny ‘zanany’ voahosotra, indrindra fa nanomboka tamin’ny 1919, satria vao avy narenina ny toe-piainany ara-panahy. (Isaia 61:4; 66:8) ‘Nahazo jentilisa’ izy ireo, satria nankany amin’ny tany maro mba hitady an’izay rehetra hanatevin-daharana ny fianakaviany ara-panahy. Nitombo haingana tsy nisy ohatra izany àry ireo voahosotra voangona. Toa feno ny isany 144 000 teo antenatenan’ireo taona 1930. (Apokalypsy 14:3) Tsy nifantoka tamin’ny fanangonana ny voahosotra intsony àry ny asa fitoriana, nefa tsy nitsahatra teo ny fitomboana.
12. Iza koa, ankoatra ny voahosotra, no nangonina ho ao amin’ny fiangonana kristianina, nanomboka tamin’ireo taona 1930?
12 Naminany i Jesosy fa ankoatra ny “ondry vitsy”, izany hoe ny rahalahiny voahosotra, dia hanana “ondry hafa” koa izy. Hangonina ho anisan’ny Kristianina marina koa ireo. (Lioka 12:32; Jaona 10:16) Tsy voahosotra, na zanak’i “Jerosalema any ambony”, ireo olo-mahatoky naman’ny voahosotra ireo, nefa manana anjara lehibe efa nambara ela be mialoha. (Zakaria 8:23) Nanomboka tamin’ireo taona 1930 ka hatramin’izao, dia “olona betsaka” amin’izy ireo no efa nangonina, ka tena nitatra be ny fiangonana kristianina. (Apokalypsy 7:9, 10) Miisa an-tapitrisa ny olona betsaka ankehitriny. Mila manorina Efitrano Fanjakana sy Efitrano Fivoriambe ary biraon’ny sampana fanampiny haingana àry isika. Mbola tsy marina toy ny amin’izao fotoana izao ny tenin’i Isaia. Tena tombontsoa ny mandray anjara amin’izany fanitarana nambara mialoha izany!
-