-
Hafatra Mahavelom-panantenana An’ireo Babo KivyNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
Fitokisana diso toerana
8. Iza no nitokisan’ny Jiosy, nefa inona no fampitandremana efa nomena azy?
8 Jiosy maro no mbola tsy natoky tanteraka ny famonjen’i Jehovah. Nitady fanampiana tany amin’ireo firenena natanjaka, ohatra, ny mpanjakany, talohan’ny nianjeran’i Jerosalema, ka toy ny hoe nijangajanga tamin’i Ejipta sy Babylona. (Ezekiela 16:26-29; 23:14) Nety tsara àry ny nampitandreman’i Jeremia azy ireo toy izao: “Ho voaozona izay olona matoky olona sy manao ny nofo ho sandriny, ka miala amin’i Jehovah ny fony.” (Jeremia 17:5) Izany indrindra anefa no nataon’ny vahoakan’Andriamanitra!
9. Nahoana no hoe ‘nandany vola tamin’izay tsy hanina’ ny Jiosy maro?
9 Nobaboin’ny iray tamin’ireo firenena nitokisany izy ireo izao. Nandray fianarana avy tamin’izany ve izy ireo? Toa maro no tsy nanao izany, araka izao fanontanian’i Jehovah izao: “Nahoana hianareo no mandany vola amin’izay tsy hanina, ary ny vokatry ny fisasaranareo amin’izay tsy mahavoky?” (Isaia 55:2a) ‘Nandany vola tamin’izay tsy hanina’ ny Jiosy babo, raha natoky olon-kafa ankoatra an’i Jehovah. Tsy hanafaka azy ireo mihitsy i Babylona, satria tsy fanaony ny namela ny babony hiverina tany amin’ny taniny. Tsy nitady afa-tsy ny hanjakazaka sy hanankarena ary hanaraka ny fivavahan-disony i Babylona, raha ny marina, ka tsy nisy zavatra hafa azony natolotra ny Jiosy.
10. a) Inona no valisoa homen’i Jehovah ny Jiosy babo, raha nihaino azy izy ireo? b) Inona no fanekena nataon’i Jehovah tamin’i Davida?
10 Niangavy ny vahoakany toy izao i Jehovah: “Mihainoa dia mihainoa Ahy, ka hano izay tsara, dia aoka hiravoravo amin’ny matavy ny fanahinareo.
-
-
Hafatra Mahavelom-panantenana An’ireo Babo KivyNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
I Jehovah no hany fanantenan’io vahoaka mosarena ara-panahy io, ary niresaka tamin’izy ireo tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany izy izao.
-