-
Antomotra ny Andro Fitsaran’i Jehovah!Ny Tilikambo Fiambenana—2001 | 15 Febroary
-
-
Ka dia ho tonga babo ny fananan’ireny, ary ho lao ny tranony; dia hanao trano izy, nefa tsy hitoetra ao; hamboly voaloboka izy, nefa tsy hisotro ny divay avy aminy.”—Zefania 1:12, 13.
-
-
Antomotra ny Andro Fitsaran’i Jehovah!Ny Tilikambo Fiambenana—2001 | 15 Febroary
-
-
16. Inona no hitranga rehefa hihatra amin’i Joda ny didim-pitsaran’Andriamanitra, ary inona no tokony ho akon’izany fahalalana izany eo amintsika?
16 Nampitandremana ny mpivadi-pinoana tao Joda fa horobain’ireo Babylonianina ny fananany, hataon’izy ireo lao ny tranony, ary halain’izy ireo ny vokatry ny tanimboalobony. Tsy hisy vidiny ny fananana ara-nofo rehefa hihatra amin’i Joda ny didim-pitsaran’Andriamanitra. Toy izany koa no hitranga rehefa ho avy amin’ny fandehan-javatra ankehitriny ny andro fitsaran’i Jehovah. Enga anie àry isika hanana fomba fijery ara-panahy ka ‘hihary harena any an-danitra’, amin’ny fihazonana ny fanompoana an’i Jehovah ho eo amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainantsika!—Matio 6:19-21, 33.
-