Ovanao Arakaraka ny Zava-misy ve ny Fitorianao?
1. Inona ny fanovana tokony hataontsika noho ity tontolo ity miovaova?
1 Oharin’ny Baiboly amin’ny sehatra ity tontolo ity, ao amin’ny 1 Korintianina 7:31. Miovaova foana ny tantara aseho sy ny olona milalao eo amin’ilay sehatra. Mila ampifanarahintsika amin’izany fiovana izany koa ny fomba fitorintsika sy ny fandaharam-potoanantsika ary ny zavatra horesahintsika. Vonona hanao an’izany ve ianao?
2. Nahoana isika no tokony ho vonona hanova ny fomba fitorintsika?
2 Ny fomba fitory: Nahay nampifanara-javatra foana ny fiangonana kristianina hatramin’izay. Tsy navelan’i Jesosy nitondra kitapom-batsy sy vola, ohatra, ny mpianany tamin’ny voalohany rehefa nirahiny hitory. (Mat. 10:9, 10) Fantatr’i Jesosy anefa fa ho halan’ny olona ny mpianany ary hatao any an-toeran-kafa ny fitoriana. Novany àry ilay toromarika tatỳ aoriana. (Lioka 22:36) Nampiasa fomba fitory samihafa koa ny fandaminan’i Jehovah nandritra ny taonjato faha-20, arakaraka ny zava-nisy. Nampiasa karatra fitoriana sy fiara misy fanamafisam-peo izy ireo ary nitory tamin’ny alalan’ny radio. Tsy tratra an-trano ny ankamaroan’ny olona any amin’ny faritra sasany ankehitriny. Ampirisihina hitory eny amin’ny toerana be olona sy hitory tsy ara-potoana àry ny mpitory, ankoatra ny fitoriana isan-trano. Ampirisihina hitory isan-trano koa isika rehefa takariva raha miasa mandritra ny andro ny olona. Rehefa miova lalana ny kalesin’i Jehovah any an-danitra, moa ve ianao miara-mandeha amin’izy io?—Ezek. 1:20, 21.
3. Nahoana isika no mila mahay mampifanara-javatra rehefa mitory?
3 Ny zavatra horesahina: Inona no mampanahy ny olona ao amin’ny faritaninareo: Momba ny toe-karena ve sa tokantrano sa heloka bevava? Ilaina ny mahafantatra ny olana sy ny zava-mitranga eny amin’ny faritany mba hanomanana an’izay horesahintsika. (1 Kor. 9:20-23) Rehefa milaza ny heviny ilay olona itoriana, dia aleo ampifanarahina amin’izay mampanahy azy ilay resaka, fa tsy hoe valiana tsotsotra fotsiny izy ary tohizina ihany ilay hevitra efa nomanintsika.
4. Nahoana isika no mila manao fanovana haingana?
4 Efa akaiky hifarana ny zavatra aseho eo amin’ny sehatr’ity tontolo ity, ary hanomboka ny fahoriana lehibe. “Efa kely sisa ny fotoana tavela.” (1 Kor. 7:29) Tena mila manao fanovana àry isika ary tsy mangataka andro, amin’izay dia ho vitantsika tsara ao anatin’ilay fotoana sisa tavela ny fanompoantsika.