NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Itorio sy Ampianaro ny Olona mba ho Lasa Mpianatr’i Jesosy
Nandidy ny mpanara-dia azy i Jesosy mba handeha hanao mpianatra. (Mt 28:19) Tafiditra amin’izany ny hoe mitory sy mampianatra. Saintsaino àry hoe: ‘Inona no ezaka mbola mila ataoko amin’ireo lafim-panompoana ireo?’
MITORY
Tsy maintsy mazoto mitady an’ireo “mendrika” isika, fa tsy hoe miandry ny olona hanatona antsika. (Mt 10:11) Manararaotra miresaka amin’izay olona ‘sendra hitantsika’ àry ve isika rehefa manompo? (As 17:17) Lasa mpianatr’i Jesosy i Lydia, satria nazoto nitory ny apostoly Paoly.—As 16:13-15.
JEREO ILAY VIDEO HOE AZA MITSAHATRA MITORY: TSY ARA-POTOANA SY ISAN-TRANO, ARY VALIO IRETO:
Inona no nampiseho hoe niezaka namboly ny voan’ny fahamarinana foana i Samuel, teo amin’ny fiainany andavanandro?
Nahoana isika no mila manana fikirizana, na inona na inona karazana fitoriana ataontsika?
Iza no azonao iresahana ny hafatra momba ilay Fanjakana, eo amin’ny fiainanao andavanandro?
MAMPIANATRA
Tsy ampy ny mametraka boky na gazety, raha tiantsika ho lasa mpianatr’i Jesosy ny olona. Ilaina koa ny miverina mitsidika sy mampianatra Baiboly azy mba handroso ara-panahy izy. (1Ko 3:6-9) Ahoana anefa raha tsy dia mahita vokatra isika? (Mt 13:19-22) Tokony hiezaka foana isika hitady an’ireo manana fo toy ny “tany tsara.”—Mt 13:23; As 13:48.
JEREO ILAY VIDEO HOE AZA MITSAHATRA MITORY: AMPAHIBEMASO SY MAMPIANATRA BAIBOLY, ARY VALIO IRETO:
Inona no nataon’i Solomon sy Mary mba hanondrahana ny voan’ny fahamarinana tao am-pon’i Ezekiel sy Abigail?
Inona no tokony ho tanjontsika na inona na inona karazana fitoriana ataontsika, anisan’izany ny fitoriana ampahibemaso?
Ahoana no ampisehoantsika hoe ny hampianatra ny olona ny fahamarinana no tena imasoantsika?