Tandremo ny Fampianaranao
“Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao, ka mahareta amin’izany; fa raha manao izany hianao, dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.” — 1 TIMOTY 4:16.
1, 2. Nahoana no ilaina maika amin’izao andro izao ny mpampianatra be zotom-po?
“MANDEHANA hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, (...) sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo”. (Matio 28:19, 20). Noho io baikon’i Jesosy Kristy io, dia tokony hiezaka ho tonga mpampianatra ny Kristianina rehetra. Ilaina ny mpampianatra be zotom-po mba hanampy olona tso-po ho tonga amin’ny fahalalana an’Andriamanitra, dieny mbola tsy diso aoriana loatra. (Jaona 17:3; Romana 13:11). Nampirisika toy izao ny apostoly Paoly: “Mitoria ny teny, manaova izany amim-pahadodonana na amin’ny vanim-potoana mora na amin’ny vanim-potoana sarotra”. Mitaky ny hampianarana ao anatiny sy any ivelan’ny kôngregasiôna izany. Eny tokoa, tsy mijanona ho fanambarana ny hafatr’Andriamanitra fotsiny ilay fanirahana hitory, fa mahafaoka zavatra betsaka. Ilaina ny fampianarana mandaitra, raha tiana ho tonga mpianatra ireo olona liana.
2 Miaina ao anatin’ny “andro sarotra” isika. (2 Timote 3:1, Fandikan-teny Katolika). Efa voasasa atidoha tamin’ny filôzôfian’izao tontolo izao sy ny fampianaran-diso, ny olona. Maro no “maizin-tsaina” sy “tsy mahalala henatra intsony”. (Efesiana 4:18, 19). Mitondra ratra ara-pihetseham-po mampanaintaina ny sasany. Eny, tena “nampahantraina (...) ka nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry” tokoa ny olona. (Matio 9:36). Na izany aza anefa, dia afaka manampy olona tso-po hanao ny fiovana ilaina isika, amin’ny fampiasana fahaiza-mampianatra.
Mpampianatra ao anatin’ny kôngregasiôna
3. a) Mahafaoka inona ilay asa fampianarana nasain’i Jesosy natao? b) Iza no manana andraikitra voalohany indrindra hampianatra ao amin’ny kôngregasiôna?
3 Olona an-tapitrisany maro no ampianarina manokana amin’ny alalan’ilay fandaharam-pampianarana Baiboly any an-tokantrano. Aorian’ny nanaovana batisa ireo vaovao anefa, dia mila fanampiana fanampiny izy ireo mba “hamaka sy hiorina mafy”. (Efesiana 3:17). Rehefa manatanteraka ilay asa nanirahan’i Jesosy, voarakitra ao amin’ny Matio 28:19, 20, isika, ka mitarika ireo vaovao ho ao amin’ny fandaminan’i Jehovah, dia mandray soa izy ireny, satria ampianarina ao anatin’ny kôngregasiôna mihitsy. Araka ny Efesiana 4:11-13, dia nisy lehilahy notendrena mba ho “mpiandry sy mpampianatra, ho [fanarenana, NW ] ny olona masina, ho amin’ny asan’ny fanompoana amin’ny fiangonana, ho amin’ny fampandrosoana ny tenan’i Kristy”. Indraindray, ny fahaizan’izy ireo mampianatra dia mitaky ny ilana ‘hananarana, hananarana mafy, handrisihana, amin’ny fahari-po rehetra’. (2 Timoty 4:2, NW ). Tena zava-dehibe ny asan’ny mpampianatra, hany ka rehefa nanoratra ho an’ny Korintianina i Paoly, dia nalahany nanarakaraka avy hatrany ny apostoly sy ny mpaminany, ny mpampianatra. — 1 Korintiana 12:28.
4. Amin’ny ahoana ny fahaiza-mampianatra no manampy antsika hanaraka ilay fampirisihan’i Paoly voarakitra ao amin’ny Hebreo 10:24, 25?
4 Marina aloha fa tsy loholona na mpiandraikitra daholo akory ny Kristianina rehetra. Na izany aza anefa, dia ny rehetra no ampirisihina mba hifandrisika ho amin’ny “fitiavana sy ny asa tsara”. (Hebreo 10:24, 25). Ny fanaovana izany any amin’ireo fivoriana, dia mahafaoka fanomezana valin-teny voaomana tsara sy amim-pahatsorana, izay afaka mampahery sy mandrisika ny hafa. Afaka ‘mampandroso ny asa tsara’ koa ireo mpitory ilay Fanjakana za-draharaha. Manao izany izy ireo amin’ny fizarana ny fahalalany sy ny fahaizany amin’ireo vaovao, rehefa miara-miasa amin’izy ireny eny amin’ny fanompoana eny amin’ny saha ny tenany. Misy fampianarana sarobidy azo ampitaina amin’ny fotoana toy izany, sy amin’ny fotoana hafa tsy nalamina mialoha. Ohatra, ireo vehivavy matotra dia ampirisihina ho “mpampianatra ny zavatra tsara”. — Titosy 2:3.
Noresen-dahatra mba hino
5, 6. a) Ahoana no ifanoheran’ny Kristianisma sy ny fanompoam-pivavahana diso? b) Ahoana no anampian’ireo loholona ireo vaovao mba hanao fanapahan-kevitra mampiseho fahendrena?
5 Mifanohitra tanteraka amin’ny Kristianisma marina, araka izany, ny fivavahan-diso. Maro amin’ireny fivavahan-diso ireny mantsy no mitady hifehy ny fisainan’ireo mpikambana ao aminy. Fony i Jesosy tetỳ an-tany, dia saika ny lafiny rehetra tamin’ny fiainan’ny olona no notadiavin’ireo mpitarika ara-pivavahana hofehezina tamin’ny lovantsofina mampahory noforonin’olombelona. (Lioka 11:46). Matetika no nanao zavatra toy izany koa ireo mpitondra fivavahana ao amin’ny Tontolo Lazaina fa Kristianina.
6 Ny fanompoam-pivavahana marina kosa anefa dia “fanompoana masina” atolotsika, omban’ny ‘fahaizantsika misaina’. (Romana 12:1, NW ). ‘Noresen-dahatra’ mba hino ny mpanompon’i Jehovah. (2 Timoty 3:14, NW ). Indraindray, dia mety hila ny hanorina toro lalana sy fomba fanaovan-javatra sasany ireo mitari-dalana eo anivon’ny kôngregasiôna, mba hampizotra tsara ny asa ao. Tsy mitady handray fanapahan-kevitra izay tokony hataon’ny Kristianina hafa anefa ireo loholona, fa mampianatra azy ireny kosa mba ‘hahay hanavaka ny tsara sy ny ratsy’. (Hebreo 5:14). Ny fomba lehibe indrindra anaovan’ny loholona izany, dia ny famahanana ny kôngregasiôna “amin’ny tenin’ny finoana sy ny fampianarana tsara”. — 1 Timoty 4:6.
Tandremo ny fampianaranao
7, 8. a) Nahoana no afaka mampianatra ny olona tsy dia manam-pahaizana firy? b) Inona no manondro fa mila miezaka ny tena mba hahatongavana ho mpampianatra mahomby?
7 Andeha anefa hiverenantsika ny amin’ilay fanirahana antsika rehetra hampianatra. Mitaky fahakingana manokana na fianarana manokana na fahaizana manokana ve ny fandraisana anjara amin’io asa io? Tsy voatery ho izany. Olon-tsotra tsy dia manam-pahaizana firy, amin’ny ankapobeny, no manao io asa fampianarana maneran-tany io. (1 Korintiana 1:26-29). Nanazava toy izao i Paoly: “Manana izao harena sarobidy [ny fanompoana] izao ao anaty vilany tany [vatana tsy lavorary] (...) izahay, mba ho ny an’Andriamanitra ny hery mihoatra noho ny mahazatra fa tsy ilay avy amin’ny tenanay.” (2 Korintiana 4:7, NW ). Porofon’ny herin’ny fanahin’i Jehovah ny fahombiazana miezinezina azo eo amin’ny asa fitoriana ilay Fanjakana maneran-tany!
8 Na izany aza, dia mitaky ezaka mafy avy amin’ny tena ny fahatongavana ho “mpiasa tsy mahazo henatra, mizara tsara ny teny fahamarinana”. (2 Timoty 2:15). Nampirisika an’i Timoty toy izao i Paoly: “Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao, ka mahareta amin’izany; fa raha manao izany hianao, dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.” (1 Timoty 4:16). Ahoana marina no itandreman’ny olona iray ny fampianarany, na ao anatin’ny kôngregasiôna na any ivelany? Moa ve ny fanaovana izany tsy maintsy mitaky ny hananana fahaizana na teknikam-pampianarana sasany?
9. Inona no zava-dehibe kokoa noho ny fahaizana voajanahary?
9 Azo antoka fa nahazo tsara ny atao hoe fomba fampianatra i Jesosy, ary naneho izany tamin’ny fomba niavaka izy tao amin’ilay Toriteniny malaza teo an-tendrombohitra. Rehefa tapitra ny teniny, dia “talanjona ny vahoaka noho ny fomba fampianarany”. (Matio 7:28, Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara). Mazava ho azy fa tsy misy amintsika afaka mampianatra amin’ny fomba tsara toy izay nataon’i Jesosy. Tsy voatery ho mpandahateny mahay anefa isika vao ho mpampianatra mahomby. Na dia ny “biby” sy ny “voro-manidina” tokoa aza mantsy dia afaka mampianatra mangina, araka ny Joba 12:7! Ny misy vidiny indrindra, ankoatra izay fahaizana voajanahary mety hananantsika, dia ny hoe ‘olona manao ahoana’ isika, izany hoe ny toetrantsika sy ny fahazarana ara-panahy nambolentsika, izay azon’ireo mpianatra tahafina. — 2 Petera 3:11; Lioka 6:40.
Mpianatra ny Tenin’Andriamanitra
10. Ahoana no namelan’i Jesosy ohatra tsara dia tsara, tamin’ny naha mpianatra ny Tenin’Andriamanitra azy?
10 Tsy maintsy mpianatra ny Tenin’Andriamanitra ny olona iray izay mampianatra amin’ny fomba mandaitra ireo fahamarinana araka ny Soratra Masina. (Romana 2:21). Namela ohatra niavaka i Jesosy Kristy tamin’io lafiny io. Nandritra ny fanompoany, dia nanonona mivantana andinin-teny maro i Jesosy, na koa nilaza hevitra nifandraika tamin’izy ireny, ka sahabo ho ny antsasak’ireo boky ao amin’ny Soratra Hebreo no nangalany ireny andininy ireny.a Fantany tsara ny Tenin’Andriamanitra, ka niharihary izany teo amin’ny faha-12 taonany, fony izy hita “nipetraka teo afovoan’ny mpampianatra ka nihaino sady nanontany azy”. (Lioka 2:46). Rehefa olon-dehibe i Jesosy, dia fahazarany ny nandeha tany amin’ny synagoga, izay toerana namakiana ny Tenin’Andriamanitra. — Lioka 4:16.
11. Inona avy no fahazarana tsara manao fianarana, tokony hambolen’ny mpampianatra iray?
11 Mazoto mamaky ny Tenin’Andriamanitra ve ianao? Ny fikarohana atao ao anatin’izy io no fomba ‘hahafantaranao marina ny fahatahorana an’i Jehovah, ary hahitanao ny fahalalana an’Andriamanitra’. (Ohabolana 2:4, 5). Mambole àry fahazarana tsara manao fianarana. Miezaha hamaky ampahany amin’ny Tenin’Andriamanitra isan’andro. (Salamo 1:2). Ataovy fahazarana ny mamaky ny nomerao tsirairay amin’ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza!, raha vao voaray izy ireny. Mihainoa tsara any amin’ireo fivorian’ny kôngregasiôna. Mianara manao fikarohana amim-pitandremana. Rehefa mianatra ‘mamototra tsara ny zavatra rehetra’ ianao, dia afaka manalavitra ny filazana zavatra mihoatra noho ny voasoratra na ny filazana zavatra diso, rehefa mampianatra. — Lioka 1:3.
Fitiavana sy fanajana ny olona ampianarina
12. Nanao ahoana ny fihetsik’i Jesosy nanoloana ny mpianany?
12 Ny toetra lehibe hafa iray dia ny fananana fihetsika tsara manoloana ireo olona ampianarinao. Nanamavo an’ireo nihaino an’i Jesosy ny Fariseo. “Voaozona ireto vahoaka ireto, izay tsy mahalala ny lalàna”, hoy izy ireo. (Jaona 7:49). I Jesosy kosa anefa dia tia fatratra sy nanaja lalina ny mpianany. Hoy izy: “Tsy hataoko hoe mpanompo intsony hianareo, fa ny mpanompo tsy mahalala izay ataon’ny tompony; fa efa nataoko hoe sakaiza hianareo, satria izay rehetra reko tamin’ny Raiko no nambarako taminareo.” (Jaona 15:15). Izany dia nanondro ny fomba tokony hanatontosan’ireo mpianatr’i Jesosy ny asa fampianaran’izy ireo.
13. Nanao ahoana ny fihetseham-pon’i Paoly tamin’ireo olona nampianariny?
13 Tsy nangatsiaka toy ny fifandraisan’ny mpampiasa amin’ny mpiasa akory ny fifandraisan’i Paoly tamin’ireo olona nampianariny. Hoy tokoa mantsy izy tamin’ireo Korintianina: “Na dia manana mpampianatra iray alina ao amin’i Kristy aza hianareo, dia tsy maro ray hianareo; fa izaho no niteraka anareo ao amin’i Kristy Jesosy tamin’ny filazantsara.” (1 Korintiana 4:15). Latsa-dranomaso mihitsy aza i Paoly, indraindray, rehefa nananatra ireo olona nampianariny! (Asan’ny Apostoly 20:31). Nampiseho faharetana sy hatsaram-panahy niavaka koa izy. Afaka nilaza toy izao tamin’ireo Tesalonianina izy, noho izany: “Nalemy fanahy teo aminareo izahay, tahaka ny reny mitaiza ny zanany naterany”. — 1 Tesaloniana 2:7.
14. Nahoana no tena zava-dehibe ny hanehoana fiheverana manokana ireo olona ampianarintsika Baiboly? Hazavao amin’ny ohatra.
14 Manahaka an’i Jesosy sy i Paoly ve ianao? Ny fitiavana amim-pahatsorana ireo olona ampianarintsika, dia afaka manonitra be dia be an’izay rehetra mety ho tsy fahampian’ny fahaizantsika voajanahary. Mahatsapa ve ireo olona ampianarintsika Baiboly fa miahy azy manokana amim-pahatsorana isika? Maka fotoana mba hahafantarana azy ireny ve isika? Rehefa sarotra tamin’ny vehivavy kristianina iray ny nanampy mpianatra iray mba handroso ara-panahy, dia nanontany an’ilay mpianatra tamin-katsaram-panahy toy izao izy: “Misy manahiran-tsaina anao angaha?” Nanomboka namboraka ny tao am-pony ilay ramatoa, ka nilaza ny fanahiana sy ny tebiteby maro nananany. Nanjary nitondra fiovana goavana teo amin’io ramatoa nianatra io izany resadresaka feno fitiavana izany. Amin’ny toe-javatra toy izany, dia mety ny hanolorana hevitra araka ny Soratra Masina sy teny fampiononana sy fankaherezana. (Romana 15:4). Ilaina anefa ny mitandrina, satria mety hanao fandrosoana haingana ny mpianatra ny Baiboly iray, saingy mety mbola hanana fomba tsy kristianina izay tsy maintsy resena. Mety tsy ho fahendrena àry ny hifaneraserana akaiky loatra amin’ilay olona. Tokony hohazonin’ny Kristianina hisy fetrany araka ny tokony ho izy ny fifandraisany aminy. — 1 Korintiana 15:33.
15. Ahoana no azontsika anehoana fanajana ireo olona ampianarintsika Baiboly?
15 Anisan’ny fanajana ny olona ampianarintsika ny tsy fanandramana hifehy ny fiainany manokana. (1 Tesaloniana 4:11). Ohatra, mety hampianatra vehivavy iray izay manao tokantranomaso isika. Angamba efa niteraka izy ireo. Rehefa nanjary nahafantatra marina an’Andriamanitra ilay vehivavy, dia maniry hanitsy ilay raharaha, ho fanarahana ny fari-pitsipik’i Jehovah. (Hebreo 13:4). Tokony hanambady an’ilay lehilahy ve izy, sa kosa hisaraka aminy? Hanizingizina angamba isika fa hisakana ny fandrosoany amin’ny hoavy ny hanambadiany lehilahy iray tsy liana firy na tsy liana mihitsy amin’ny zavatra ara-panahy. Etsy an-danin’izany, dia mety hanahy ny amin’izay hahasoa an’ireo zanany isika ka hihevitra fa hisy tombony kokoa ho azy ny hanambadiana an’ilay lehilahy. Na ahoana na ahoana, dia sady tsy fanehoana fanajana no tsy fanehoana fitiavana ny hitsofohana amin’ny fiainan’ny mpianatra iray, ka hanandramana hanery azy hanaiky ny hevitsika manokana, mahakasika ny raharaha toy izany. Rehefa dinihina tokoa, dia izy no tsy maintsy mizaka ny vokatr’ilay fanapahan-kevitra. Moa àry ve tsy ny fampiofanana ny mpianatra toy izany mba hampiasa ny ‘sainy’ sy handray ny fanapahan-keviny manokana ny amin’izay tokony hataony, no tsara indrindra? — Hebreo 5:14.
16. Inona no azon’ireo loholona atao mba hanehoana fitiavana sy fanajana ny andian’ondrin’Andriamanitra?
16 Tena zava-dehibe ny hoe amim-pitiavana sy amim-panajana no itondran’ny loholon’ny kôngregasiôna ny andian’ondry. Nilaza toy izao i Paoly rehefa nanoratra ho an’i Filemona: “Na dia azoko atao aza ny mandidy anao ao amin’ny Kristy amin’izay tokony hataonao, dia aleoko miangavy aminao noho ny fitiavana.” (Filemona 8, 9, Kat.). Indraindray, dia mety hisy toe-javatra mahakivy ao amin’ny kôngregasiôna. Mety hilaina mihitsy aza ny fisehoana ho hentitra. Nampirisihin’i Paoly i Titosy mba ‘hananatra mafy [ireo mania], mba hahatonga azy ireny hatanjaka ao amin’ny finoana’. (Titosy 1:13). Na amin’izany aza anefa, dia tsy maintsy mitandrina ny mpiandraikitra mba tsy hiteny amin-kasiahana na oviana na oviana amin’ny kôngregasiôna. “Tsy mety raha miady ny mpanompon’ny Tompo”, hoy i Paoly, “fa ho malemy fanahy amin’ny olona rehetra, mahay mampianatra, mahalefitra”. — 2 Timoty 2:24; Salamo 141:3.
17. Inona no fahadisoana nataon’i Mosesy, ary inona no azon’ny loholona ianarana avy amin’izany?
17 Tsy maintsy mampahatsiahy tena hatrany ireo mpiandraikitra fa “ondrin’Andriamanitra” no karakarain’izy ireo. (1 Petera 5:2, izahay no manao sora-mandry.) Na dia nanetry tena aza i Mosesy, dia nisy fotoana kely nanadinoany izany. “Niodina tamin’ny Fanahin’i Jehovah [ny Isiraelita], ka dia nihoa-bava Mosesy.” (Salamo 106:33). Tsy faly mihitsy tamin’izany fomba ratsy nitondrana ny andian’ondriny izany Andriamanitra, na dia tena nanan-tsiny aza ny Isiraelita. (Nomery 20:2-12). Rehefa tojo zava-tsarotra toy izany amin’izao andro izao ireo loholona, dia tokony hiezaka mafy mba hampianatra amim-pahaiza-mahataka-javatra sy amin-katsaram-panahy. Mampiseho fihetsika faran’izay tsara ireo rahalahintsika rehefa anehoana fiheverana sy entina toy ny olona mila fanampiana, fa tsy toy ireo izay tsy azo arenina intsony. Ireo loholona dia mila mihazona ilay fomba fijery tsara nananan’i Paoly fony izy nanoratra hoe: “Izahay matoky anareo ao amin’ny Tompo, fa izay zavatra andidianay dia efa ataonareo sady mbola hataonareo ihany koa.” — 2 Tesaloniana 3:4.
Asio fiheverana ny zavatra ilain’izy ireo
18, 19. a) Ahoana no tokony hataontsika mahakasika ireo zavatra ilain’ny mpianatra ny Baiboly izay tsy dia manana fahaizana firy? b) Ahoana no azontsika anampiana ireo mpianatra izay mahita fahasahiranana amina foto-kevitra voafaritra tsara?
18 Ny mpampianatra mahomby iray dia vonona ny hanao zavatra mifanaraka amin’ny fahaizana sy ny fetran’ny mety ho vitan’ny olona ampianariny. (Ampitahao amin’ny Jaona 16:12.) Ao amin’ilay fanoharan’i Jesosy momba ny talenta, dia nomen’ilay tompo tombontsoa “samy araka izay fahaizany avy” ny tsirairay. (Matio 25:15). Afaka manaraka modely mitovy amin’izany isika rehefa mitarika fampianarana Baiboly. Ara-dalàna tsotra izao ny aniriana hahavita boky ara-baiboly iray, ao anatin’ny fe-potoana fohifohy ihany. Tsy azo lavina anefa fa tsy ny rehetra no mahay mamaky teny tsara na mahay mandray hevi-baovao haingana. Noho izany, dia ilaina ny fahaiza-manavaka mba hahafantarana ny fotoana tokony hifindrana ho amin’ny hevitra hafa iray ao amin’ilay fianarana, raha hita fa sarotra ho an’ny olona liana iray ny haharaka ilay fianarana atao haingana. Ny fanampiana ireo mpianatra mba hahazo ny hevitr’izay ianarany, dia zava-dehibe kokoa noho ny famitana fianarana iray amin’ny hafainganam-pandeha iray efa voafaritra. — Matio 13:51.
19 Torak’izany koa ny amin’ireo mpianatra ny Baiboly izay mahita fahasahiranana amina foto-kevitra voafaritra tsara, toy ny Andriamanitra telo izay iray na ny fety ara-pivavahana. Amin’ny ankapobeny, dia tsy ilana fampidirana fanazavana avy amina boky fanaovana fikarohana ara-baiboly, ny fampianarantsika. Na izany aza anefa, dia mety hanao izany ihany isika indraindray, raha hita mazava fa mahasoa izany. Ilaina ny fahaiza-mitsara zavatra mba tsy hampihisatra tsy amin’ny antony ny fandrosoan’ny mpianatra iray.
Aoka ianao hafana fo!
20. Tamin’ny ahoana i Paoly no namela ohatra mahakasika ny fanehoana hafanam-po sy fiekena mafy, teo amin’ny fampianarany?
20 “Aoka hafana fo”, hoy i Paoly. (Romana 12:11). Eny, na mitarika fampianarana Baiboly any an-tokantrano isika na manana anjara amin’ny fivorian’ny kôngregasiôna, dia tokony hanao izany amin-jotom-po sy amin-kafanam-po isika. Hoy i Paoly tamin’ireo Tesalonianina: ‘Ny fitorianay ny Evanjely tany aminareo dia tsy tamin’ny teny ihany, fa tamin’ny hery koa, sy tamin’ny Fanahy Masina, ary tamin’ny fiekena tanteraka.’ (1 Tesalonisiana 1:5, Kat.). “Tsy ny filazantsaran’Andriamanitra ihany”, araka izany, no nomen’i Paoly sy ireo namany, “fa ny [ainy] koa aza”. — 1 Tesaloniana 2:8.
21. Ahoana no ahafahantsika mihazona fihetsika feno hafanam-po, manoloana ny asa fampianarana anendrena antsika?
21 Ny tena hafanam-po dia avy amin’ny fiekena mafy fa mila mandre izay lazaintsika ireo olona ampianarintsika Baiboly. Aoka tsy hoheverintsika na oviana na oviana ho zavatra atao amim-pahazarana fotsiny ny asa fampianarana anendrena antsika. Azo antoka fa i Ezra mpanora-dalàna dia nitandrina ny fampianarany tamin’io lafiny io. “Nampiomana ny fony hitady ny lalàn’i Jehovah [izy] ka hankatò izany ary hampianatra ny Isiraely”. (Ezra 7:10). Tokony hanao toy izany koa isika, ka hanomana amin’ny fomba feno ilay fianarana, sady hisaintsaina ny maha zava-dehibe azy io. Aoka isika hangataka amin’i Jehovah amim-bavaka mba hofenoiny finoana sy fiekena mafy. (Lioka 17:5). Ny hafanam-pontsika dia afaka manampy ireo mpianatra ny Baiboly mba hanana fitiavana marina ny fahamarinana. Mazava ho azy fa mety hahafaoka fampiasana teknikam-pampianarana voafaritra tsara ny fitandremana ny fampianarantsika. Handinika ny sasany amin’izany ny lahatsoratra manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ny Étude perspicace des Écritures, Boky Voalohany, pejy faha-771, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.
Tadidinao Ve?
◻ Nahoana no ilaina amin’izao andro izao ireo Kristianina mpampianatra mahay?
◻ Inona avy no fahazarana tsara manao fianarana, azontsika ambolena?
◻ Nahoana no tena zava-dehibe ny fitiavana sy ny fanajana ireo olona ampianarintsika?
◻ Ahoana no tokony hataontsika mahakasika ireo zavatra ilain’ireo olona ampianarintsika Baiboly?
◻ Nahoana no faran’izay zava-dehibe ny hafanam-po sy ny fiekena mafy, rehefa mampianatra ny hafa?
[Sary, pejy 10]
Mpianatra ny Tenin’Andriamanitra koa ireo mpampianatra tsara
[Sary, pejy 13]
Anehoy fiheverana manokana ireo mpianatra ny Baiboly