Fanontanian’ny mpamaky
* Nahoana no zava-dehibe ny hamitana tanteraka ny fianarana ny boky roa miaraka amin’ireo mpianatra vaovao na dia natao batisa talohan’ny nahavitana ny boky faharoa aza izy?
Mitahy ny fandaminany i Jehovah amin’ny fampitomboana isa ireo vaovao izay mirohotra mankao amin’ireo kongregasiona. Faly isika mahita izany fanangonana lehibe izany. Kanefa dia fantatsika fa ireny olona mitovy amin’ny ondry ireny dia mila fanampiana sy fitarihana mitohy, amin’ny fianarana hanompo an’i Jehovah.
Ireo vaovao dia mila ny hampiana mba ho tonga amin’ny fahalalana marina ny fahamarinana. (Kol. 1:9, 10) Manana tombontsoa isika hanampy azy ireny amin’ny fahazoana fahatakarana tsara ny fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly sy ny fahazoana tsara izay ampianarin’ny Baiboly mikasika ny fari-pitondrantena, ny fomba fiaina kristiana ary raharaha mifandray amin’izany. Hanampy azy ireny ho tafaorina mafy ao amin’ny fahamarinana izany mba handresena izay rehetra mety ho fitsapana hipoitra.
Ilain’ny mpianatra koa ny hanjary olon-dehibe raha ny amin’ny fahaizany mahataka-javatra. (1 Kor. 14:20) Nampiseho ny fanandraman-javatra fa mba hahatongavana ho olon-dehibe matotra ara-panahy, ny fianarana manokana ny Baiboly miaraka amin’ny mpampianatra iray dia tena ilaina. Araka izany, na dia mety ho natao batisa aza ny olona iray talohan’ny nahavitany tanteraka ny fianarana ny boky roa, dia fahendrena ny hanohizana ny fianarany Baiboly any an-tokantrano mandra-pahavitan’ny fianarana boky roa.
Aorian’ny batisa
Nilaza i Jesosy fa tokony hanao mpianatra isika—hanao batisa azy sy hampianatra azy. (Matio 28:19, 20) Maro amin’ny fampianarana ireo mpianatra no natao taorian’ny batisa. Ny fahalalana mety ho azon’ny olona iray avy amin’ny boky iray monja dia matetika no tsy ampy mba hanatanterahana ny fampiofanana azy ara-panahy. Ilaina ny fampianarana fanampiny mba hahatonga azy ho ampy fitaovana amin’ny asa fanompoana sy hahatsara fitaovana azy hifahatra amin’ireo fanerena mahazo an’ireo manompo an’i Jehovah amin’izao andro farany izao. Ny tsy fitondrana fampiofanana ampy dia mety hamela ilay mpianatra ho tsy voaomana ara-panahy mba hijoro amin’ny tenany ihany.
Aorian’ny nanaovana batisa ny vaovao iray dia manohy manampy azy handroso kokoa ihany isika na nahavita nianatra boky roa izy na tsia. Manome fahalalana fototra ny zavatra vita an-tsoratra nianarana voalohany. Ny boky faharoa dia mahafaoka ireo toetra tsara kristiana. Mety ho ny boky Hiaina mandrakizay, avy eo dia ny boky Tafaray na ny boky fiadanana izany. Raha tsy mety ho azo ireo boky ireo, ny hafa mirakitra fanazavana mitovy aminy dia azo ampiasaina. Manome fampianarana lalina ny amin’ny fikasan’i Jehovah sy ny fari-pitondrantena kristiana ambony ary ny fepetra takiny ny fanohizana ny fianarana ny Baiboly mandra-pahavitan’ny boky faharoa. Manampy ny vaovao hahatakatra ny hevitry ny fotopoto-pitsipika kristiana sy hanjary hamaka tsara amin’ny finoana izany. (Kol. 2:7) Raha mila antsipiriany fanampiny sy fanazavana mifandray amin’ny fianarana toy izany, dia jereo ny Fanontanian’ny mpamaky tamin’ny febroary 1988 amin’ny Ny Fanompoantsika ilay Fanjakana.
Mazava ho azy fa aorian’ny batisa dia antenaina ny handrosoan’ireo vaovao eo amin’ny ara-panahy. (Heb. 6:1-3) Amin’ny toe-javatra maro dia tsy maharitra ela ny famitana ny boky faharoa. Amin’izay ilay olona vaovao dia manana fototra mafy.