Ny Fiheveran’ny Baiboly
Afaka Manantena ny Fiarovan’Andriamanitra ve ny Kristiana Marina?
MBA hanaterana kojakoja fanampiana ara-nofo ho an’ny mpiara-mivavaka aminy, dia nisy Kristiana, taorian’ny vavaka, nanao dia lavitra tamina andian-kamiao namakivaky faritra iray rotidrotiky ny ady izay azo inoana fa hahafaty azy ireo. Tafita soa aman-tsara izy ireo, ka nahazendana indrindra an’ireo tafika niady. Niaro azy ireo ve ny anjelin’Andriamanitra?
Nisy mpivady kristiana iray, izay nanompo tamin’ny naha-mpitory nandritra ny taona maro, maty rehefa nianjera teo amin’ny toerana nitorian’izy ireo ny filazantsara isan-trano ny fiaramanidina iray. Nahoana ny anjelin’Andriamanitra no tsy nitarika azy ireo na ilay fiaramanidina ho any amin’ny toeran-kafa, tamin’izay fotoana izay indrindra? — Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 8:26.
Amin’ny fampitahana an’ireo fisehoan-javatra ireo, dia mety hanontany isika hoe: Nahoana no maty eo am-panaovana ny sitrapon’Andriamanitra ny Kristiana sasany, fa ny hafa kosa, matetika ao anatin’ny tarehin-javatra tena mampidi-doza, tafita velona? Afaka manantena ny fiarovan’Andriamanitra ve ny Kristiana, indrindra fa amin’izao “andro farany” tsy mora setraina izao? — 2 Timoty 3:1, NW.
Ny zava-kendren’ny fiarovan’Andriamanitra
Nampanantena i Jehovah Andriamanitra fa hitahy sy hiaro ny vahoakany. (Eksodosy 19:3-6; Isaia 54:17). Nanao izany tamin’ny fomba niavaka izy tamin’ny taonjato voalohany, fony teo am-piandohany ny kongregasiona kristiana. Tondraka ny fahagagana isan-karazany. Nampitombo sakafo hamahanana olona an’arivony maro i Jesosy; nanasitrana aretina sy kilema isan-karazany, namoaka fanahy mahery noho ny olombelona avy tao amin’ireo olona azon’ny demonia, sy nanangana ny maty mihitsy aza, izy sy ireo mpanara-dia azy. Teo ambanin’ny fitarihan’Andriamanitra, dia nitombo ka voaorina mafy ilay kongregasiona vaovao. Kanefa, na dia teo aza ny fanohanan’Andriamanitra rehetra niharihary, dia nisy Kristiana nahatoky maro nandia an’izay azo nantsoina hoe fahafatesana alohan’ny fotoana. — Ampitahao amin’ny Salamo 90:10.
Diniho izay nitranga tamin’i Jakoba sy i Jaona, zanakalahin’i Zebedio. Voafidy ho apostoly izy ireo, niaraka tamin’i Petera, ary anisan’ny naman’i Kristy akaiky indrindra.a Novonoina ho maritiora anefa i Jakoba tamin’ny taona 44 am.f.i., fa i Jaona rahalahiny kosa velona hatramin’ny faran’ny taonjato voalohany. Niharihary fa samy nanao ny sitrapon’Andriamanitra izy mirahalahy. Nahoana i Jakoba no navela ho faty, fa velona kosa i Jaona?
Azo antoka fa nanana ny hery hamonjena ny ain’i Jakoba ilay Andriamanitra Tsitoha. Eny tokoa, fotoana fohy taorian’ny nahafatesan’i Jakoba ho maritiora, dia novonjen’ny anjelin’i Jehovah tamin’ny fahafatesana i Petera. Nahoana no tsy nanafaka an’i Jakoba ilay anjely? — Asan’ny Apostoly 12:1-11.
Ampiasaina amin’ny fanatanterahana ny fikasan’Andriamanitra
Mba hahatakarana ny antony anomezana ny fiarovan’Andriamanitra, dia tsy maintsy takatsika fa omena izany, tsy hoe mba hahatonga ny isam-batan’olona ho velona ela kokoa fotsiny, fa mba hiarovana zavatra lehibe lavitra, dia ny fanatanterahana ny fikasan’Andriamanitra. Ohatra, azo antoka ny fahatafitana velon’ny kongregasiona kristiana amin’ny fitambarany satria mifandray akaiky amin’ny fahatanterahan’izany fikasana izany izy io. Kanefa, tsy niolakolaka i Kristy nilaza tamin’ny mpianany fa mety hiatrika fahafatesana izy ireo amin’ny maha-isam-batan’olona, noho ny finoany. Taorian’ny nanambarany izany, dia nohamafisin’i Jesosy ny ‘fiaretana hatramin’ny farany’, fa tsy ny fanafahana mahagaga. (Matio 24:9, 13, NW ). Ilay zava-misy hoe narovana ny olona sasany, fa tsy narovana kosa ny hafa, dia tsy manondro akory hoe mizaha tavan’olona Andriamanitra. Andriamanitra dia nampiasa fotsiny ilay olona izay teo amin’ny toerana tsara indrindra mba hanatanterahana ny fikasany, izay hitondra soa ho an’ny olombelona rehetra amin’ny farany.
Koa satria tena mety hitranga ny fahafatesana alohan’ny fotoana eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra, ny Kristiana dia tokony hanana ilay toe-tsaina mahay mandanjalanja mitovy amin’ny an’ireo Hebreo nahatoky telo mirahalahy izay nomelohina ho faty noho ny nivavahany tamin’Andriamanitra. Nilaza toy izao tamin’ny mpanjakan’i Babylona izy ireo: “Indro, Andriamanitra Izay tompoinay dia mahavonjy anay amin[’]ny lafaoro misy afo mirehitra sady hamonjy anay amin’ny tànanao, ry mpanjaka ô. Ary na dia tsy izany aza, aoka ho fantatrao, ry mpanjaka ô, fa ny andriamanitrao dia tsy hotompoinay, ary ny sariolona volamena efa natsanganao dia tsy hivavahanay.” — Daniela 3:17, 18.
Nitsimbina ny ain’i Petera sy i Jaona i Jehovah noho ny anjara asa fototra notanan’izy ireo teo amin’ny fanatanterahana ny fikasany. Nampiasaina mba ‘hampaherezana’ ny kongregasiona tamin’ny alalan’ny asan’ny mpiandry, anisan’izany ny fanoratana boky ara-tsindrimandry roa ao amin’ny Baiboly, i Petera. (Lioka 22:32). Nanoratra boky dimy ao amin’ny Baiboly sady “andry” tao amin’ny kongregasiona tany am-boalohany i Jaona. — Galatiana 2:9; Jaona 21:15-23.
Tsy azo atao ny manambara mialoha ny fomba amaritan’i Jehovah hoe rahoviana marina sy amin’ny fomba ahoana no hisalovanany eo amin’ny fiainan’ireo mpanompony. Ny hany azo ambara amin’ny fomba azo antoka dia hoe nampanantena ny homba an’ireo mpanara-dia azy “mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao” i Kristy. (Matio 28:20). ‘Homba antsika’ izy, indrindra indrindra amin’ny alalan’ny fitarihan’ny anjely ny asa fitoriana. (Matio 13:36-43; Apokalypsy 14:6). Ankoatra an’ireo filazana ankapobe ireo, dia tsy afaka mitsinjo mialoha amin’ny fomba marina isika ny hoe amin’ny fomba ahoana no hisehoan’ny fanampian’Andriamanitra na iza no mety hahazo ny fiarovan’Andriamanitra. Ahoana raha toa ka mihevitra ny Kristiana iray fa nahazo ny fiarovana sy ny tari-dalan’Andriamanitra izy? Koa satria tsy azo porofoina na lavina amin’ny fomba tsy azo iadian-kevitra izany, dia tsy misy olona tokony hitsara ny filazana amim-pahatsoran’izany olona izany.
Mafy fo ve Andriamanitra?
Moa ve ilay zava-misy hoe mamela ny hahafatesan’ny Kristiana Andriamanitra, mampiseho fa somary mafy fo izy? Tsy izany velively. (Mpitoriteny 9:11). Eo an-dalam-piasana i Jehovah mba hitsimbinana ny aintsika, tsy mandritra ny taona vitsivitsy na am-polony taona monja koa aza, fa ho mandrakizay. Avy eny amin’ny toeram-pitazanany ambony, izy dia mitarika ny fisehoan-javatra ho amin’izay hahasoa mandrakizay ny isam-batan’olona izay tia azy na manakaiky azy. (Ampitahao amin’ny Matio 18:14.) Hidika ho fanesorana tanteraka an’izay rehetra mety ho niaretantsika eto amin’itỳ fandehan-javatra itỳ— ny fahafatesana mihitsy koa aza — ny fahatanterahan’ny fikasany. Saro-takarina sy tonga lafatra aoka izany ny fomba fanaovan’Andriamanitra zavatra, hany ka voatosika hihiaka toy izao ny apostoly Paoly: “Endrey ny halalin’ny haren’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! ny fitsarany tsy hita lany, ary ny làlany tsy azo fantarina!” — Romana 11:33.
Koa satria tsy misy na inona na inona mahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra, ny fanontaniana tokony hapetraky ny Kristiana tsirairay dia tsy hoe ‘Hahazo ny fiarovan’Andriamanitra ve aho?’, fa hoe kosa ‘Manana ny fitahian’i Jehovah ve aho?’ Raha manana izany isika, dia hanome antsika ny fiainana mandrakizay izy — na inona na inona mitranga amintsika eto amin’itỳ fandehan-javatra itỳ. Raha ampitahaina amin’ny fiainana tonga lafatra mandrakizay, dia toa ‘maivana, vetivety foana’ izay rehetra mety ho fahoriana — ny fahafatesana mihitsy koa aza — eto amin’itỳ fandehan-javatra itỳ. — 2 Korintiana 4:17.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Vavolombelona nahita ny niovan’i Jesosy tarehy (Marka 9:2) sy ny nitsanganan’ny zanakavavin’i Jairo tamin’ny maty (Marka 5:22-24, 35-42) i Petera sy i Jakoba ary i Jaona; tao amin’ny Sahan’i Getsemane teo akaiky izy ireo nandritra ny fitsarana ny tenan’i Jesosy (Marka 14:32-42); ary izy ireo, niaraka tamin’i Andrea, no nanontany an’i Jesosy momba ny fandravana an’i Jerosalema sy ny fanatrehany ho avy ary ny fifaranan’ny fandehan-javatra. — Matio 24:3, NW; Marka 13:1-3.