Ahoana no Ahafahan’ny Olona ho Tahaka ny Endrik’Andriamanitra?
“ANDRIAMANITRA nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik’Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy.” Izany no lazain’ny fitantarana ara-tsindrimandry, kanefa inona no dikan’izany? Tamin’ny ahoana ilay lehilahy sy ilay vehivavy voalohany no noforonina tahaka ny endrik’Andriamanitra? — Genesisy 1:27.
Sahala amin’Andriamanitra ara-batana ve izy ireo? Tsia, tsy hety mihitsy izany. Ny olona dia olombelona, ara-nofo, natao hiaina eto an-tany. Andriamanitra dia fanahy, miaina ao anatin’ny voninahitra any an-danitra tsy takatry ny saina, dia voninahitra izay tsy azon’ny olona hatonina akory. (Eksodosy 33:18-20; 1 Korintiana 15:50). Tamin’ny ahoana àry ny olona no hoe natao tahaka ny endrik’Andriamanitra? Izany dia tamin’ny nanomezana ny olombelona fahaizana haneho ireo toetran’Andriamanitra miavaka — fitiavana, rariny, fahendrena, sy hery — ary koa toetra hafa.
Ireo toetran’i Jehovah
Ireo toetran’i Jehovah Andriamanitra dia hita taratra eo amin’ny asa famoronany rehetra, kanefa dia niseho tamin’ny fomba nanaitra izy ireo teo amin’ny fifandraisany tamin’ireo olon-droa voalohany, i Adama sy i Eva. (Romana 1:20). Ny fitiavany dia hita tamin’ny namoronany ny tany tamin’ny fomba mety indrindra ho an’ny olona mba hahafahany hiaina eo amboniny. Namoronan’i Jehovah vady lavorary iray mba ho namany sy ho renin-janany ralehilahy. Napetrany tao amin’ny zaridaina kanto iray izy roa, ary nomeny azy ireo tamin’ny fomba tondraka izay zavatra rehetra nilainy mba hahavelona sy hahasambatra hatrany. Ny mahatalanjona indrindra tamin’izany rehetra izany, dia ny nanomezan’Andriamanitra azy ireo fahafahana hiaina mandrakizay. — Genesisy 2:7-9, 15-24.
Ny fahendren’Andriamanitra dia hita teo amin’ny nitsapany ilay mpivady olombelona voalohany. Raha te hitoetra ho anisan’ny fianakavian’i Jehovah eo amin’izao rehetra izao izy ireo, ary te hiaina mandrakizay amin’ny maha-ray aman-drenin’ny taranak’olombelona azy, dia nilain’izy ireo ny ho tonga ohatra teo amin’ny fahatokiana sy ny fanompoam-pivavahana marina. Noho izany dia nomen’i Jehovah fahafahana hampiseho ny toe-pony izy ireo tao anatin’ny fitsapana mety indrindra iray: tsy tokony hihinana tamin’ilay hazon’ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy izy ireo. Fahendrena tokoa ny namelan’i Jehovah ny olombelona hanaporofo ny fankatoavany sy ny fitiavany Azy, alohan’ny hanomezan’Andriamanitra azy ireo tombontsoa mahatalanjona nokasainy homena azy!
Ny fanehoan’Andriamanitra ny rariny dia hita teo amin’ny nanantitranterany ny amin’ny fari-pitsipika ambony ho an’ny zavaboariny, ary teo amin’ny tsy nampandeferany ireny fari-pitsipika ireny. Izany dia hita teo amin’ny nanomezany an’i Adama sy i Eva ny fahafahana rehetra mba hanao ny mety. Ary rehefa tsy nanao izany izy ireo, ny rariny dia hita teo amin’ny fanamelohany azy ireo hizaka ilay sazin’ny fikomiana voalaza.
Ny herin’i Jehovah dia hita teo amin’ny fanatanterahany hatramin’ny farany ilay fanamelohany. Nilaza an-kolaka i Satana, ilay mpikomy lehibe, fa mpandainga i Jehovah, ary nanolotra zavatra lehibe an’i Eva izy raha tsy nankato an’Andriamanitra izy io. (Genesisy 3:1-7). Tsy afaka nanatanteraka ny fampanantenany anefa i Satana. Tsy afaka nanakana an’i Jehovah tsy handroaka an’i Adama sy i Eva avy tao amin’ny saha Edena izy, sady tsy afaka nanakana ny fahatanterahan’ny tenin’Andriamanitra tamin’i Adama hoe: “Vovoka hianao, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray hianao.” (Genesisy 3:19). Tsy nampihatra avy hatrany ilay fanamelohana ho faty anefa i Jehovah, ary tamin’izany izy dia nampiseho bebe kokoa ny fitiavany. Nomeny fotoana i Adama sy i Eva mba hiterahana zanaka, ka amin’ny alalan’ireo, amin’ny farany, no ho tanteraka ny fikasany tany am-boalohany mikasika ny taranak’olombelona. — Genesisy 1:28.
Farany, ny fanehoan’i Jehovah Andriamanitra ny rariny sy ny fitiavany sy ny heriny ary ny fahendreny dia niharihary tao amin’ilay fampanantenany hanome taranaka iray izay handrava ireo asan’i Satana sy hanafoana ireo vokatra mampalahelo avy tamin’io fikomiana voalohany tamin’ny fiandrianan’Andriamanitra io. (Genesisy 3:15). Mpamorona mahatalanjona toy inona moa no ananantsika!
Fiezahana hanahaka an’Andriamanitra
Na dia tsy lavorary intsony aza ny olombelona, dia mbola afaka maneho ireo toetran’Andriamanitra ihany. Noho izany, i Paoly dia nampirisika ny Kristiana tamin’ny androny toy izao: “Aoka hanahaka an’Andriamanitra hianareo tahaka ny zanaka malala”. (Efesiana 5:1). Nandritra ny tantara anefa, ny ankamaroan’ny olona dia nampiseho tsy firaharahana miharihary an’ireo toetran’Andriamanitra. Tamin’ny andron’i Noa, ny olona dia nanjary simba ara-pitondran-tena aoka izany, hany ka tapa-kevitra ny handringana ny taranak’olombelona manontolo i Jehovah, afa-tsy i Noa sy ny fianakaviany ihany. I Noa dia “lehilahy marina [nanao ny rariny] sady tsy nisy tsiny teo amin’ny olona niara-belona taminy”, ary naneho ny fitiavany an’Andriamanitra izy tamin’ny fanatanterahana ny didin’Andriamanitra.a “Nataon’i Noa izany; araka izay rehetra nandidian’Andriamanitra azy no nataony.” (Genesisy 6:9, 22). Naneho fitiavana ny mpiara-belona taminy sy ny fifikirany tamin’ny rariny i Noa, tamin’ny fahatongavana ho “mpitory ny fahamarinana”. (2 Petera 2:5). Naneho fahendrena izy sady nampiasa araka ny tokony ho izy ny heriny ara-batana, tamin’ny fanarahana ny fitarihan’Andriamanitra mba hanorenana sambo fiara goavana iray, mba hitahirizana sakafo tao anatiny, mba hanangonana biby, ary mba hidirana tao anatin’ilay sambo fiara rehefa nandidy izany i Jehovah. Naneho ny fitiavany ny fahamarinana koa izy tamin’ny tsy famelana ny mpiara-monina taminy ratsy fanahy hanimba azy.
Ny Baiboly dia milazalaza olona maro hafa izay nampiseho toetra araka an’Andriamanitra toy izany koa. Voalohany indrindra amin’izany i Jesosy Kristy, izay tahaka ny endrik’Andriamanitra tamin’ny fomba lavorary, ka noho izany dia afaka niteny hoe: “Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray”. (Jaona 14:9). Amin’ireo toetra izay nasehon’i Jesosy, dia ny fitiavany no miavaka indrindra. Ny fitiavana ny Rainy sy ny taranak’olombelona dia nanosika azy handao ny fonenany tany an-danitra sy hiaina toy ny olombelona teto an-tany. Izy io dia nanosika azy hanome voninahitra ny Rainy tamin’ny fitondran-tena marina sy nanosika azy hitory tamin’ny taranak’olombelona ny vaovao tsaran’ny famonjena. (Matio 4:23, NW; Jaona 13:31). Avy eo, ny fitiavana dia nanosika an’i Jesosy hanolotra ny fiainany lavorary ho famonjena ny taranak’olombelona sy, mbola zava-dehibe kokoa, ho fanamasinana ny anaran’Andriamanitra. (Jaona 13:1). Amin’ny filofosana hanahaka an’Andriamanitra, moa ve misy ohatra tsaratsara kokoa noho i Jesosy Kristy azo arahina? — 1 Petera 2:21.
Ahoana no ahafahantsika ho sahala amin’Andriamanitra kokoa amin’izao andro izao?
Ahoana no ahafahantsika amin’izao andro izao maneho ireo toetran’Andriamanitra ka hanao zavatra amin’ny maha-tahaka ny endrik’Andriamanitra? Diniho aloha ilay toetra hoe fitiavana. Hoy i Jesosy: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra”. Ahoana no anehoantsika fitiavana amin’Andriamanitra? Mamaly toy izao ny apostoly Jaona: “Izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny.” — Matio 22:37; 1 Jaona 5:3.
Mazava ho azy fa mba hankatoavana ny didin’i Jehovah, dia tsy maintsy mahafantatra azy ireo isika. Izany dia mahatafiditra famakiana sy fianarana ary fisaintsainana ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly, sy ireo zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly. Sahala amin’ny mpanao salamo, dia tokony ho afaka hiteny isika hoe: “Endrey ny fitiavako ny lalànao! Fisaintsainako mandrakariva izany.” (Salamo 119:97). Arakaraka ny ahazoantsika fahatakarana ny Tenin’Andriamanitra lalindalina kokoa hatrany, dia hanjary ho vonton’ny fomba fisainan’Andriamanitra isika. Manjary tia ny fahamarinana sy mankahala ny tsy fankatoavan-dalàna isika. (Salamo 45:7, NW ). Teo no nahavoa an’i Adama. Nahafantatra ny lalàn’i Jehovah izy, saingy tsy ampy ny fitiavany an’izany mba hifikirana aminy. Rehefa mamaky ny Tenin’Andriamanitra isika, dia tokony hanontany tena tsy an-kijanona hoe: ‘Ahoana no iharan’izany amin’ny tenako? Inona no azoko atao mba hahatonga ny fitondran-tenako hifanaraka kokoa amin’ny toetran’Andriamanitra?’
Hoy koa i Jesosy hoe: “Tiava ny mpiara-belona aminao tahaka ny tenanao”. (Matio 22:39, NW ). Ny olona salama saina rehetra dia tia ny tenany ary maniry ny tsara indrindra ho an’ny tenany. Tsy ratsy akory izany. Kanefa moa ve isika mampiseho fitiavana mitovy amin’izany amin’ireo mpiara-belona amintsika? Moa ve isika manaraka ilay baiko ara-baiboly hoe: “Aza mamihina ny soa amin’izay tokony homena azy, raha azon’ny tananao atao ihany”? — Ohabolana 3:27; Galatiana 6:10.
Ahoana ny amin’ilay toetra hoe fahendrena? Ny fitadiavantsika haneho io toetra io dia mitarika antsika hianatra ny Baiboly satria io no mirakitra ny fahendren’Andriamanitra. Vakina toy izao ny Salamo 119:98-100: “Ny didinao mampahahendry ahy mihoatra noho ny fahavaloko, satria ato amiko mandrakizay ireny. Hendry noho ny mpampianatra ahy rehetra aho, satria ny teni-vavolombelonao no fisaintsainako. Hendry noho ny anti-panahy aho, satria ny didinao no notandremako.” Ao amin’ny Ohabolana 3:18, ny fahendrena dia lazalazaina ho “hazon’aina”. Raha mahazo fahendrena isika ka mampiasa azy io, dia hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra sy ilay valisoa, dia ny fiainana mandrakizay. — Mpitoriteny 7:12.
Ahoana ny amin’ny rariny? Eo amin’itỳ tontolo ratsy itỳ, ny rariny dia toetra tena ilaina ho an’ireo izay hampifaly an’Andriamanitra. Tia ny fahamarinana (rariny) sy nankahala ny tsy fankatoavan-dalàna i Jesosy. (Hebreo 1:9, NW ). Manao izany koa ny Kristiana amin’izao andro izao. Ny rariny dia manosika azy ireo hankasitraka ireo toetra mety. Halaviriny ireo fomba tsy marin’itỳ tontolo itỳ ary ataony ho ny zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainany ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra. — 1 Jaona 2:15-17.
Raha ny amin’ny hery indray, isika rehetra dia samy manana antonintoniny amin’izy io. Manana hery ara-batana sy ara-tsaina voajanahary isika, ary arakaraka ny itomboantsika amin’ny maha-Kristiana, dia mampitombo hery amin’ny heviny ara-panahy isika. Ampitomboin’i Jehovah amin’ny fanahiny masina ny herintsika, hany ka, na dia toa osa aza isika, dia afaka manatanteraka ny sitrapon’i Jehovah. Hoy i Paoly: “Manana ny tanjaka ho an’ny zavatra rehetra aho noho ilay manome hery ahy.” (Filipiana 4:13, NW ). Azontsika raisina izany tanjaka izany, raha mivavaka mba hahazo ny fanahin’i Jehovah isika.
Fitoriana ny vaovao tsara
Ny fanehoantsika ireo toetran’Andriamanitra lehibe efatra dia hita tsara amin’ny fankatoavantsika ilay didy hoe: “Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.” (Matio 28:19, 20). Ny asa fampianarana toy izany dia mitondra fiainana ho an’ireo izay mandray azy. Endre izany fanehoam-pitiavana tsara dia tsara an’ireo izay, amin’ny ankamaroany, dia vahiny tanteraka amintsika eo am-piandohana!
Ankoatra izany, ny fampianarana toy izany dia lalan’ny fahendrena. Mitondra vokatra izay maharitra izy io. Amin’ny asa hafa inona indray moa no azo ilazana hoe: “Raha manao izany hianao, dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao”? (1 Timoty 4:16). Tsy misy matiantoka ao amin’ilay asa fanaovana mpianatra. Samy mahazo fitahiana mandrakizay ireo izay mihaino sy ireo izay mampianatra.
Raha ny amin’ny rariny, ny Kristiana dia mampianatra fotopoto-pitsipika ara-drariny sy marina amin’ireo olona ampianariny ny Baiboly. Manampy azy ireo hanompo an’i Jehovah, “ilay Andriamanitry ny rariny”, isika. (Malakia 2:17, NW ). Ireo izay manokana ny fiainany hanompoana an’i Jehovah amin’izao andro izao ka manohy amim-pahatokiana hatramin’ny farany, dia ambara fa marina, hamarinina, ka izany dia hitarika ho amin’ny fahatafitany velona amin’ny Haramagedona. — Romana 3:24; Jakoba 2:24-26.
Fanehoana hery toy inona moa ny fitoriana sy ny fampianarana ny vaovao tsara maneran-tany! (Matio 24:14, NW ). Mila fiaretana ny fitoriana tsy an-kijanona any amin’ireo faritany isian’ny ankamaroan’ny olona tsy maniry hihaino. Amin’ny alalan’ny fanahiny anefa, i Jehovah dia manome ny tanjaka ilaina mba hiaretana hatramin’ny farany. — Isaia 40:30, 31; Matio 24:13, NW; Lioka 11:13.
Marina fa, amin’ny maha-taranak’i Adama tsy lavorary antsika, dia tsy afaka maneho ireny toetra tsara dia tsara ireny amin’ny fomba lavorary isika. Kanefa dia tsarovy fa natao tahaka ny endrik’Andriamanitra ny olona, ary raha milofo mba ho tonga sahala amin’Andriamanitra bebe kokoa hatrany isika, dia hanatanteraka amin’ny ampahany ilay anton’ny fisiantsika. (Mpitoriteny 12:13). Raha miezaka mafy manao izay farany azontsika atao isika ary mangata-pamelana rehefa tsy mahomby, dia afaka manantena ny ho tafita velona ao amin’ilay tontolon’Andriamanitra vaovao sy marina, ka ao isika dia mety hahatratra ny fahalavorariana amin’ny farany. Amin’izay isika dia ho ao amin’ny tany paradisa iray honenan’ny olombelona lavorary izay samy haneho ireo toetran’i Jehovah Andriamanitra amin’ny fomba feno. Fifaliana re izany! Amin’ny farany, ny olombelona dia ho tahaka ny endrik’Andriamanitra amin’ny hevitr’ilay teny feno tanteraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Tena mifandray akaiky ny hoe “marina” sy ny hoe “manao ny rariny”. Ao amin’ny Soratra Grika Kristiana, izy ireo dia aseho amin’ilay teny tokana hoe: diʹkai·os.
[Sary, pejy 25]
Nasehon’i Jesosy antsika ny fomba fambolena ireo toetran’i Jehovah Andriamanitra
[Sary, pejy 26]
Amin’ny farany ny olombelona dia ho tahaka ny endrik’Andriamanitra amin’ny heviny feno tanteraka