TOKO 10
“Voasoratra Hoe”
1-3. Inona no zava-dehibe tian’i Jesosy handresena lahatra ny mponin’i Nazareta? Inona no porofo narosony?
VAO nanomboka kelikely ny fanompoany i Jesosy. Nody tao Nazareta tanàna nahabe azy izy, mba handresy lahatra ny olona fa izy ilay Mesia nampanantenaina hatry ny ela! Inona no porofo nomeny, mba hanampiana azy ireo hiaiky an’izany zava-dehibe izany?
2 Azo inoana fa maro no nanantena azy hanao fahagagana. Efa ren’izy ireo mantsy fa nanao asa mahagaga izy. Tsy nanao famantarana toy izany anefa i Jesosy. Nankany amin’ny synagoga kosa izy, araka ny fanaony. Nitsangana hamaky teny izy, ary natolotra azy ny horonam-bokin’i Isaia. Lava be ilay horonana. Novahan’i Jesosy moramora izy io, mandra-pahitany ny andininy notadiaviny. Novakiny mafy avy eo ny Isaia 61:1-3.—Lioka 4:16-19.
3 Azo antoka fa nahalala an’ireo andininy ireo ny olona nanatrika teo. Faminaniana momba ny Mesia izy io. Nibanjina an’i Jesosy avokoa ny olona tao amin’ny synagoga, ary nangina daholo. Nanomboka nanazava i Jesosy avy eo, ary nety ho nanome tsipiriany maro aza. Hoy izy: “Androany no tanteraka ilay andinin-teny vao henonareo teo.” Gaga ny olona nahare ny teny mahafinaritra nolazainy. Mbola maro ihany anefa no te hahita azy hanao famantarana mahagaga. Tsy nanao izany kosa i Jesosy, fa nilaza ohatra avy ao amin’ny Soratra Masina, mba hampisehoana mazava tsara fa tsy ampy finoana izy ireo. Sahy tokoa izy tamin’izany. Nitady hamono azy àry ny mponin’i Nazareta, tsy ela taorian’izay!—Lioka 4:20-30.
4. Inona foana no nataon’i Jesosy teo amin’ny fanompoany? Inona no hodinihintsika ato amin’ity toko ity?
4 Mitovy amin’ny zavatra nataon’i Jesosy teo no nataony nandritra ny fanompoany rehetra. Niantehitra tamin’ny Tenin’Andriamanitra foana izy. Marina fa tena nisy lanjany ny fahagagana nataony, satria nanaporofo fa nanana ny fanahin’Andriamanitra izy. Tsy nisy zava-dehibe taminy mihoatra noho ny Soratra Masina anefa. Hijery ny modely nomeny tamin’io lafiny io isika izao. Hodinihintsika ny fomba nampiasan’ny Tompontsika ny Tenin’Andriamanitra sy niarovany azy io ary nanazavany azy.
Ny fomba nampiasany ny Tenin’Andriamanitra
5. Inona no tena tian’i Jesosy hampahafantarina ny olona nihaino azy? Ahoana no nanaporofoany fa marina ny teniny?
5 Tian’i Jesosy ho fantatry ny olona hoe avy aiza ilay hafatra nentiny. Hoy izy: “Tsy ahy ny fampianarako, fa an’Ilay naniraka ahy.” (Jaona 7:16) Nilaza koa izy indray mandeha hoe: “Tsy afaka manao na inona na inona araka izay tiako fotsiny aho, fa izay nampianarin’ny Ray ahy no lazaiko.” (Jaona 8:28) Ary mbola niteny izy hoe: “Tsy ny hevitro fotsiny no lazaiko aminareo, fa ny Ray izay tafaray foana amiko no manao ny asany.” (Jaona 14:10) Namerina matetika izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra i Jesosy, mba hanaporofoana fa marina ireo teniny ireo.
6, 7. a) Nanao ahoana ny habetsahan’ny andinin-teny nampiasain’i Jesosy? Nahoana izany no tena mahavariana? b) Inona no naha samy hafa ny fampianaran’i Jesosy sy ny an’ny mpanora-dalàna?
6 Rehefa dinihina ny tenin’i Jesosy rehetra ao amin’ny Baiboly, dia hita fa namerina andinin-teny avy ao amin’ny antsasany mahery amin’ireo boky ao amin’ny Soratra Hebreo izy. Izay voalazan’ilay andininy mihitsy no nolazainy, na ny hevitra tao anatiny. Mety hisy hieritreritra anefa hoe: ‘Tsy dia betsaka loatra izany. Telo taona sy tapany ange izy no nitory sy nampianatra e! Nahoana no tsy nampiasainy daholo izay ampahany tamin’ny Soratra Masina efa nisy tamin’izany?’ Mety ho izany mihitsy no nataony, raha ny marina. Ampahany kely monja amin’ny teniny sy ny zavatra nataony mantsy no nosoratana ao amin’ny Baiboly. (Jaona 21:25) Mety ho vitanao ao anatin’ny ora vitsivitsy monja mihitsy aza ny hamaky amin’ny feo avo ny tenin’i Jesosy rehetra voasoratra. Ahoana anefa raha omena ora vitsivitsy monja ianao mba hiresahana momba an’Andriamanitra sy ny Fanjakany, sady asaina mamerina andinin-teny avy ao amin’ny antsasany mahery amin’ireo boky ao amin’ny Soratra Hebreo? Tena sarotra izany! Tsy vitan’izany fa matetika i Jesosy no tsy nanana horonam-boky hovakina. An-kandrina daholo, ohatra, no namerenany an’ireo andinin-teny be dia be avy tao amin’ny Soratra Hebreo, rehefa nanao ilay toriteny malaza teo an-tendrombohitra izy!
7 Nanaja fatratra ny Tenin’Andriamanitra i Jesosy, matoa namerina izay voalaza tao. “Gaga ny olona tamin’ny fomba fampianany. Nampianatra azy ireo toy ny olona manana fahefana mantsy izy, fa tsy toy ny mpanora-dalàna.” (Marka 1:22) Tena tian’ny mpanora-dalàna ny namerina ny lalàna am-bava sy ny tenin’ny raby avara-pianarana fahiny, rehefa nampianatra. Tsy nampiasa an’ireo mba hampisy lanjany ny teniny anefa i Jesosy, na indray mandeha aza. Ny Tenin’Andriamanitra, taminy, no tena manan-kery. Imbetsaka izy no nilaza hoe: “Voasoratra hoe”, na teny mitovy amin’izany, rehefa nampianatra ny mpanara-dia azy sy nanitsy hevi-diso.
8, 9. a) Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa ny fanajany ny Tenin’Andriamanitra no nahatonga azy hanadio ny tempoly? b) Inona no mampiseho fa tena tsy nanaja ny Tenin’Andriamanitra ny mpitondra fivavahana?
8 Hoy i Jesosy, rehefa nanadio ny tempolin’i Jerosalema: “Voasoratra hoe: ‘Ny tranoko hantsoina hoe trano fivavahana’, nefa ianareo manao azy ho lava-bato fiafenan’ny jiolahy.” (Matio 21:12, 13; Isaia 56:7; Jeremia 7:11) Nanao fahagagana maro tao amin’io tempoly io i Jesosy ny omalin’io. Nidera azy ny ankizilahy sasany, satria tena nampiaiky azy ireo ny zavatra nataony. Tezitra anefa ny mpitondra fivavahana, ary nanontany an’i Jesosy raha reny ny tenin’ireo ankizy ireo. Namaly i Jesosy hoe: “Ie. Angaha mbola tsy novakinareo mihitsy ilay hoe: ‘Avy amin’ny vavan’ny ankizy sy ny zaza no amoahanao fiderana’?” (Matio 21:16; Salamo 8:2) Tian’i Jesosy ho fantatr’ireo lehilahy ireo fa nifanaraka tamin’ny Tenin’Andriamanitra ny zava-nitranga tao amin’ny tempoly.
9 Nivory ireo mpitondra fivavahana ireo tatỳ aoriana, ary tonga hanohitra an’i Jesosy. Hoy izy ireo: “Fahefana avy aiza no anaovanao an’izao?” (Matio 21:23) Efa nanome porofo maro be i Jesosy, mba hampisehoana hoe iza Ilay nanome fahefana azy. Tsy nilaza hevi-baovao izy tamin’izany, na namorona fampianarana hafa indray, fa nanazava fotsiny izay voalazan’ny Tenin’ny Rainy. Tena tsy nanaja an’i Jehovah sy ny Teniny àry ireo mpisorona sy mpanora-dalàna. Rariny tanteraka raha nanameloka azy ireo i Jesosy, rehefa nampibaribary ny haratsiam-panahiny.—Matio 21:23-46.
10. Ahoana no azontsika anahafana ny fomba nampiasan’i Jesosy ny Tenin’Andriamanitra? Inona no fitaovana ananantsika, izay tsy nananan’i Jesosy?
10 Miantehitra amin’ny Tenin’Andriamanitra toa an’i Jesosy ny tena Kristianina ankehitriny, rehefa manao ny fanompoany. Fantatra eran-tany ny Vavolombelon’i Jehovah, noho izy ireo mazoto manambara hafatra avy ao amin’ny Baiboly. Misy andinin-teny maro ao amin’ny boky aman-gazetintsika. Miezaka mamaky ny Soratra Masina amin’ny olona koa isika, eny amin’ny fanompoana. (2 Timoty 3:16) Tena faly isika rehefa avelan’ny olona hamaky andinin-teny sy hanazava ny dikany ary hiresaka momba ny soa entin’ny Tenin’Andriamanitra! Marina fa tsy tonga lafatra toy ny an’i Jesosy ny fitadidiantsika. Manana fitaovana maro tsy nananany anefa isika. Manana ny Baiboly manontolo isika, ary avoaka amin’ny fiteny maro kokoa izy io. Eo koa ny fitaovana maro natao hanampiana antsika hahita izay andinin-teny tadiavintsika. Aoka àry isika ho tapa-kevitra ny hampiasa andinin-teny avy ao amin’ny Baiboly sy hisarika ny sain’ny olona ho amin’izy io, isaky ny afaka manao izany!
Ny fomba niarovany ny Tenin’Andriamanitra
11. Nahoana i Jesosy no tsy maintsy niaro matetika ny Tenin’Andriamanitra?
11 Tsikaritr’i Jesosy fa matetika no tsy nohajaina ny Tenin’Andriamanitra, nefa azo antoka fa tsy nahagaga azy izany. Niaiky toy izao izy rehefa nivavaka tamin’ny Rainy: “Ny teninao no fahamarinana.” (Jaona 17:17) Tetsy an-danin’izany koa anefa, dia fantany tsara fa ‘mpandainga sady rain’ny lainga’ i Satana, “ilay mpitondra an’izao tontolo izao.” (Jaona 8:44; 14:30) Rehefa naka fanahy azy i Satana, dia nilaza andinin-teny telo avy tao amin’ny Soratra Masina i Jesosy, mba hanoherana azy. Niaro ny Tenin’Andriamanitra i Jesosy, rehefa nilaza andinin-teny iray avy tao amin’ny Salamo i Satana sady ninia nampiasa azy io tamin’ny fomba diso.—Matio 4:6, 7.
12-14. a) Inona no mampiseho fa tsy nanaja ny Lalàn’i Mosesy ny mpitondra fivavahana? b) Ahoana no niarovan’i Jesosy ny Tenin’Andriamanitra?
12 Matetika i Jesosy no niaro ny Soratra Masina, rehefa nisy nampiasa azy io tsy araka ny tokony ho izy, na nandika vilana azy io, na nahatonga ny olona hanana hevi-diso momba azy io. Nanao zavatra tsy mety toy izany ny mpitondra fivavahana tamin’ny androny. Nantitranterin’izy ireo mantsy fa tsy maintsy arahina ny tsipiriany madinika indrindra tamin’ny Lalàn’i Mosesy. Zara raha nasiany resaka anefa ny fampiharana ny torolalana niorenan’ireny lalàna ireny. Nampirisika ny olona hihatsaravelatsihy izy ireo tamin’izany, izany hoe hiseho ho mpivavaka fotsiny nefa tsy hiraharaha ireo zavatra mavesa-danja kokoa, toy ny hoe manao ny rariny, mamindra fo, ary mendri-pitokisana. (Matio 23:23) Ahoana àry no niarovan’i Jesosy ny Lalàn’Andriamanitra?
13 Rehefa hiresaka momba ny didy iray tao amin’ny Lalàn’i Mosesy i Jesosy, tao amin’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra, dia matetika izy no nilaza hoe: “Efa henonareo fa voalaza hoe.” Niteny indray izy taorian’izay hoe: “Izaho kosa milaza aminareo hoe.” Avy eo izy dia nanazava torolalana, izay nampirisika ny olona tsy hianina fotsiny amin’ny fankatoavana ny Lalàna. Nanohitra ny Lalàna ve i Jesosy tamin’izany? Tsia. Niaro azy io kosa izy. Fantatry ny olona tsara, ohatra, ilay didy hoe: “Aza mamono olona.” Nilaza tamin’izy ireo anefa i Jesosy fa izay mankahala olona dia mandika ny torolalana iorenan’io didy io. Mitovy amin’izany ihany no nolazain’i Jesosy momba an’izay maniry hanao firaisana amin’olona tsy vadiny. Efa mandika ny torolalana iorenan’ilay lalàna mandrara ny fanitsakitsaham-bady izy amin’izany.—Matio 5:17, 18, 21, 22, 27-39.
14 Mbola niaro ny Tenin’Andriamanitra ihany i Jesosy, rehefa nilaza hoe: “Efa henonareo fa voalaza hoe: ‘Tiavo ny namanao ary ankahalao ny fahavalonao.’ Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiavo foana ny fahavalonareo, ary mivavaha foana ho an’izay manenjika anareo.” (Matio 5:43, 44) Hita ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ve ilay didy hoe: “Ankahalao ny fahavalonao”? Tsia. Ny mpitondra fivavahana no namorona an’izany. Nampihen-danja ny Lalàna tonga lafatra nataon’Andriamanitra izy ireo, satria nampiany hevitr’olombelona izy io. Mba tsy hahatonga ny Tenin’Andriamanitra ho lefin’ny lovantsofina, dia tsy natahotra niaro azy io i Jesosy.—Marka 7:9-13.
15. Ahoana no niarovan’i Jesosy ny Lalàn’Andriamanitra, mba tsy hiheverana azy io ho hentitra loatra na mampijaly?
15 Nataon’ny mpitondra fivavahana koa izay hiheveran’ny olona fa hentitra loatra ny Lalàn’Andriamanitra, ary mampijaly mihitsy aza. Nioty salohim-bary vitsivitsy ny mpianatr’i Jesosy, rehefa nandalo teo amin’ny saha iray. Niampanga azy ireo ho nandika ny lalàna momba ny Sabata ny Fariseo. Niaro ny Tenin’Andriamanitra indray i Jesosy teto. Nilaza ohatra avy tao izy, mba tsy hiheverana azy io ho hentitra loatra toy izany. Notantarainy ny nihinanan’i Davida sy ny olony ny mofo aseho fampiasa tao amin’ny tempoly, rehefa noana izy ireo. Tamin’izay ihany no lazain’ny Baiboly fa nisy olona nanao izany tany ivelan’ny toerana masina. Nasehon’i Jesosy an’ireo Fariseo ireo tamin’izany, fa tsy azon’izy ireo tsara ny atao hoe famindram-pon’i Jehovah sy ny fangoraham-pony.—Marka 2:23-27.
16. Ahoana no nanovan’ny mpitondra fivavahana an’ilay lalàn’i Mosesy momba ny fisaraham-panambadiana? Inona no nataon’i Jesosy tamin’izay?
16 Nataon’ny mpitondra fivavahana koa izay hahitana hirika tsy hampiharana ny Lalàn’Andriamanitra, ka hampihenana ny lanjan’izy io. Milaza, ohatra, ny Lalàna fa mahazo misaraka amin’ny vadiny ny lehilahy iray, raha hitany “nanao zavatra tsy mendrika” ilay vehivavy. (Deoteronomia 24:1) Azo inoana fa olana lehibe nanala baraka ny tokantranon’izy ireo ilay izy. Nohararaotin’ny mpitondra fivavahana tamin’ny andron’i Jesosy anefa izany, mba hilazana fa mahazo misaraka amin’ny vadiny ny lehilahy iray, na inona na inona antony. Anisan’izany ny hoe mandoro sakafo Ramatoa!a Nasehon’i Jesosy fa tena nandika vilana ny teny nasain’Andriamanitra nosoratan’i Mosesy izy ireo. Nilaza izy avy eo fa mbola manan-kery foana ilay fitsipika napetrak’i Jehovah hatrany am-boalohany momba ny fanambadiana. Tsy inona izany fa ny hoe tsy tokony hanana afa-tsy vady tokana ny olona iray, ka tsy afa-misaraka raha tsy hoe nijangajanga angaha ny iray taminy.—Matio 19:3-12.
17. Ahoana no iarovan’ny Kristianina ny Tenin’Andriamanitra, toy ny nataon’i Jesosy?
17 Raisin’ny mpanara-dia an’i Kristy ho adidy koa ankehitriny ny miaro ny Soratra Masina, rehefa misy tsy manaja azy io. Tena mampihen-danja ny Baiboly, ohatra, ny mpitondra fivavahana rehefa milaza an-kolaka fa lany andro ny fitsipika omen’izy io momba ny fitondran-tena. Mahatonga ny olona tsy hatoky ny Tenin’Andriamanitra koa ny fivavahana sasany, satria mampianatra zavatra diso, nefa milaza fa avy ao amin’ny Baiboly ilay izy. Voninahitra ho antsika ny miaro ny Tenin’Andriamanitra izay madio sady marina. Asehontsika, ohatra, fa tsy telo izay iray Andriamanitra. (Deoteronomia 4:39) Mahalala fomba sy malemy fanahy ary maneho fanajana lalina anefa isika, rehefa miaro ny Tenin’Andriamanitra.—1 Petera 3:15.
Ny fomba nanazavany ny Tenin’Andriamanitra
18, 19. Manomeza ohatra mampiseho fa tena mahavariana ny fahaizan’i Jesosy nanazava ny Tenin’Andriamanitra.
18 Tany an-danitra i Jesosy tamin’ny fotoana nanoratana ny Soratra Hebreo. Azo antoka àry fa tena faly izy rehefa tonga tetỳ an-tany, ka afaka nanazava ny Tenin’Andriamanitra! Eritrereto, ohatra, izay nitranga rehefa avy natsangana tamin’ny maty izy, ka nifanena tamin’ny mpianany roa teny an-dalana ho any Emaosy. Tsy hay hadinoina tokoa io andro io! Raha mbola tsy fantatr’izy ireo hoe i Jesosy no niresaka taminy, dia nilaza taminy izy ireo fa nalahelo sy very hevitra, satria maty ilay Tompo malalany. Ahoana no nataon’i Jesosy? “Nohazavainy tamin’izy ireo izay zavatra rehetra resahin’ny Soratra Masina momba azy, nanomboka hatrany amin’i Mosesy sy ny Mpaminany rehetra.” Inona no vokatr’izany teo amin’izy roa lahy? Nifampiresaka toy izao izy ireo taorian’izay: “Tsy hoatran’ny hoe nisy afo niredareda ve tao am-pontsika tamin’izy niresaka tamintsika teny an-dalana, dia nanazava tsara ny Soratra Masina tamintsika?”—Lioka 24:15-32.
19 Nihaona tamin’ny apostoliny sy ny olon-kafa i Jesosy taoriana kelin’izay, tamin’io andro io ihany. Inona no nataony? “Nosokafany tanteraka ny sain’izy ireo mba ho azon’izy ireo tsara ny hevitry ny Soratra Masina.” (Lioka 24:45) Tsy isalasalana fa faly izy ireo tamin’izay. Mety ho nitamberina tao an-tsainy koa ireo fotoana maro be nanomezan’i Jesosy fanazavana toy izany ho azy ireo sy izay rehetra te hihaino. Matetika i Jesosy no nampiasa andinin-teny efa diso fantatry ny olona. Hainy tsara ny nanazava azy ireny, hany ka nanjary nahafantatra zavatra mahatalanjona ny olona, izany hoe hevi-baovao sy lalina kokoa momba ny Tenin’Andriamanitra.
20, 21. Ahoana no nanazavan’i Jesosy ny teny nolazain’i Jehovah tamin’i Mosesy teo amin’ilay voarointsilo nirehitra?
20 Niresaka tamin’ny Sadoseo, ohatra, i Jesosy indray mandeha. Sekta tao amin’ny Jodaisma ny Sadoseo. Mpisorona koa izy ireo ary tsy nino ny fitsanganan’ny maty. Hoy i Jesosy tamin’izy ireo: “Angaha mbola tsy novakinareo izay nolazain’Andriamanitra taminareo momba ny fitsanganan’ny maty, hoe: ‘Izaho no Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’i Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba’? Tsy mba Andriamanitry ny maty izy, fa an’ny velona.” (Matio 22:31, 32) Fantatry ny Sadoseo tsara io andinin-teny io. I Mosesy, izay nohajain’izy ireo fatratra, no nanoratra azy io. Azonao anefa ve hoe nahoana no tena nampiaiky ilay fanazavana nomen’i Jesosy?
21 Tokony ho tamin’ny taona 1514 T.K. i Mosesy no niresaka tamin’i Jehovah, teo amin’ilay voarointsilo nirehitra. (Eksodosy 3:2, 6) Efa 329 taona no nahafatesan’i Abrahama, 224 taona no nahafatesan’i Isaka, ary ny an’i Jakoba 197 taona. Nilaza anefa i Jehovah hoe: ‘Izaho no Andriamaniny’, izany hoe mbola Andriamaniny izy tamin’io fotoana io. Fantatry ny Sadoseo fa tsy andriamanitry ny maty toy ireo ivavahan’ny mpanompo sampy i Jehovah, ka hoe manjaka any ankoatra. Andriamanitry ny “velona” kosa izy, hoy i Jesosy. Inona àry no dikan’izany? “Aminy dia velona daholo izy rehetra ireo”, araka ny valin-teny mampiaiky nolazainy. (Lioka 20:38) Tsy misy fetrany ny fitadidian’Andriamanitra, ka tsy hadinony mihitsy ireo mpanompo malalany efa maty. Azo antoka tanteraka fa hatsangan’i Jehovah amin’ny maty izy ireo, ka azo lazaina fa velona. (Romanina 4:16, 17) Tsy mahavariana tokoa ve izany fanazavana momba ny Tenin’Andriamanitra izany? Tsy mahagaga àry raha ‘gaga ny vahoaka’!—Matio 22:33.
22, 23. a) Ahoana no azontsika anahafana an’i Jesosy rehefa manazava ny Tenin’Andriamanitra? b) Inona no hodinihintsika ao amin’ny toko manaraka?
22 Manazava ny Tenin’Andriamanitra toy ny nataon’i Jesosy koa ny Kristianina ankehitriny, ary voninahitra lehibe ho azy ireo izany. Marina fa tsy tonga lafatra ny saintsika. Matetika anefa isika no mampiasa andinin-teny efa fantatry ny olona, ary manazava lafin-javatra mbola tsy noeritreretiny mihitsy mahakasika an’ilay andininy. Impiry impiry, ohatra, izy ireo no mety ho efa namerina ny hoe: “Hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny Fanjakanao!” (Matio 6:9, 10) Tsy fantany akory anefa ny anaran’Andriamanitra na ilay Fanjakany. Mahafinaritra erỳ rehefa avelan’ny olona hanome azy fanazavana tsotra sy mazava momba ny fahamarinana ara-baiboly isika!
23 Manahaka ny fomba niresahan’i Jesosy ny fahamarinana isika, rehefa mampiasa ny Tenin’Andriamanitra sy miaro azy io ary manazava azy. Hain’i Jesosy koa ny nanohina ny fon’ny olona, rehefa niresaka momba ny fahamarinana ara-baiboly izy. Hodinihintsika ao amin’ny toko manaraka ny fomba sasany nanaovany izany.
a Fariseo nisara-panambadiana i Josèphe, mpahay tantara tamin’ny taonjato voalohany. Nilaza izy tatỳ aoriana fa azo natao ny nisara-panambadiana, “na inona na inona antony (ary nahita antony maro hisarahana tamin’ny vadiny ny lehilahy).”