Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Fitsidihana indray ny tempoly
VAO avy nandany ny aliny fahatelo tao Betania i Jesosy sy ny mpianany hatramin’ny nahatongavany avy tany Jeriko. Vao nangiran-dratsy izao, ny alatsinainy 10 Nisana, dia efa teny an-dalana ho any Jerosalema sahady izy ireo. Noana i Jesosy. Rehefa nahatazana aviavy nandravina izy, dia nanatona hijery raha mety hisy voany ny sasany taminy.
Aloha tsy ara-potoana ny ravin’ilay hazo, satria tsy manomboka alohan’ny jona ny fotoam-pamoazan’ny aviavy, nefa izao vao faran’ny martsa. Niharihary anefa fa takatr’i Jesosy fa raha tonga aloha ny ravina, dia mety ho tonga aloha koa ny voan’aviavy. Diso fanantenana anefa izy. Nanome endrika mamitaka an’ilay hazo ny raviny. Nanozona ilay hazo àry i Jesosy tamin’ny filazana hoe: “Aza misy mihinana voa avy aminao intsony mandrakizay.” Ao amin’ny nomerao manaraka amin’ity gazety ity, dia hahaliana antsika ny hianatra mikasika ny vokatry ny fanozonana nataon’i Jesosy tamin’ilay aviavy sy ny heviny ara-panoharana.
Tsy ela dia tonga tany Jerosalema i Jesosy sy ny mpianany rehefa nanohy ny diany. Nankany amin’ny tempoly izay efa nozahany ny tolakandron’ny omalin’iny izy. Izao anefa izy, dia nanao zavatra nitovy tamin’ilay nataony telo taona lasa izay, fony izy tonga nankalaza ny Paska tamin’ny taona 30 am. fan. ir. Noroahin’i Jesosy ireo nivarotra sy nividy tao amin’ny tempoly ary nazerany ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny fipetrahan’ny mpivarotra voromailala. Tsy navelany hisy olona hitondra fanaka handeha hamaky ny kianjan’ny tempoly.
Rehefa nanameloka ireo mpanakalo vola sy ireo mpivarotra biby tao amin’ny tempoly izy, dia nilaza hoe: “Tsy voasoratra hoe va: ‘Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra?’; fa hianareo kosa efa nanao azy ho ‘Zohy fieren’ny jiolahy’”. Jiolahy izy ireo satria nitaky vola tsy toko tsy forohana tamin’ireo izay voatery tsy fidiny nividy taminy ny biby nilainy hatao sorona. Teo imason’i Jesosy, ireo raharaham-barotra nifanaovana ireo dia toy ny fanaovana an-keriny na halatra.
Rehefa ren’ny lohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary loholona izay nataon’i Jesosy, dia nitady izay fomba hamonoana azy indray izy. Noporofoiny tamin’izany fa tsy azo ovana izy ireo. Tsy mbola hitany izay fomba hamonoana an’i Jesosy satria nazoto dia nazoto nihaino azy ny vahoaka.
Tonga koa mba hankalaza ny Paska teo anilan’ny Jiosy ara-nofo ireo Jentilisa. Proselyta izy ireo, izany hoe nanaraka ny fivavahan’ny Jiosy. Indreo fa nanatona an’i Filipo izao ny Grika sasany, miharihary fa proselyta, ary nangataka ny hahita an’i Jesosy.
Nankany amin’i Andrea i Filipo angamba hanontany raha mety ny fihaonana toy izany. Toa mbola teo amin’ny tempoly izay nety nahitan’ny Grika azy i Jesosy.
Fantatr’i Jesosy fa tsy nanana afa-tsy andro vitsivitsy hiainana sisa izy, noho izany dia nanao fanoharana nahafinaritra ny amin’ny toe-javatra nisy azy izy: “Tonga ny fotoana hankalazana ny Zanak’olona. Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy latsaka ao amin’ny tany ny voam-bary ka maty, dia mitoetra foana izy; fa raha maty kosa izy, dia hahavokatra be.”
Tsy misy vidiny ny voam-bary iray. Nefa inona no hitranga raha alevina ao anaty tany izy ary “maty”, mamarana ny fiainany amin’ny maha-voa azy? Hitsimoka izy amin’izay, ary amin’ny fotoany dia hitombo ho taho izay hamokatra voam-bary be dia be. Amin’ny fomba mitovy amin’izany, dia Jesosy no hany olombelona tanteraka. Nefa, raha maty tsy nivadika tamin’Andriamanitra izy, dia ho lasa fitaovana hanomezana ny fiainana mandrakizay ho an’ny olona tsy mivadika manana toe-tsaina mahafoy tena toa azy. Izany no nahatonga an’i Jesosy hiteny hoe: “Izay tia ny ainy no mahavery izany; fa izay mankahala ny ainy amin’izao fiainana izao no hiaro izany ho amin’ny fiainana mandrakizay.”
Niharihary fa tsy nihevitra ny tenany fotsiny ihany i Jesosy, satria nanazava toy izao izy avy eo: “Raha misy olona manompo Ahy, dia aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako, dia ao koa no hitoeran’ny mpanompoko; raha misy olona manompo Ahy, dia hankalaza azy ny Ray.” Endrey izany valisoa mahatalanjona noho ny nanarahana an’i Jesosy sy nanompoana azy! Ny fankalazan’ny Ray ny tena mba ho tafaray amin’ny Kristy ao amin’ny Fanjakana no valisoa.
Raha nieritreritra ny amin’ny fahoriana be sy ny fahafatesana amim-pijaliana izay niandry azy i Jesosy, dia nanohy ny teniny hoe: “Ankehitriny mangorohoro ny fanahiko; ary ahoana no holazaiko: Ray ô, vonjeo Aho ho afaka amin’ity ora ity?” Raha mba azo nosorohina fotsiny mantsy izay niandry azy! Tsy izany anefa no izy araka ny teniny hoe: “Nefa izao no nihaviako ho amin’ity ora ity.” Nanaiky ny fandaharan’Andriamanitra manontolo i Jesosy, anisan’izany ny fahafatesany ho sorona. Matio 21:12, 13, 18, 19; Marka 11:12-18; Lioka 19:45-48; Jaona 12:20-27.
◆ Nahoana Jesosy no nanantena hahita aviavy na dia tsy tamin’ny fotoam-pamoazany aza?
◆ Nahoana i Jesosy no niantso ireo nivarotra tao amin’ny tempoly hoe “jiolahy”?
◆ Amin’ny heviny ahoana no itovian’i Jesosy amin’ny voam-bary izay maty?
◆ Nanao ahoana ny fihetseham-pon’i Jesosy mikasika ny fijaliana sy ny fahafatesana izay niandry azy?