Ny Kristiana sy ny Tontolon’ny Olombelona
“Mandehana amin’ny fahendrena amin’izay eo ivelany”. — KOLOSIANA 4:5.
1. Inona no nolazain’i Jesosy momba ireo mpanara-dia azy sy izao tontolo izao?
TAO amin’ny vavaka iray nataony tamin’ny Rainy any an-danitra, dia nilaza toy izao momba ireo mpanara-dia azy i Jesosy: “Halan’izao tontolo izao izy, satria tsy naman’izao tontolo izao, tahaka Ahy tsy naman’izao tontolo izao.” Nanampy teny toy izao izy avy eo: “Izaho tsy mangataka aminao mba hampiala azy amin’izao tontolo izao, fa ny mba hiaro azy amin’ny ratsy.” (Jaona 17:14, 15). Tsy natao hisaraka ara-bakiteny amin’izao tontolo izao ny Kristiana — amin’ny fitokana-monina any amin’ny monasitera, ohatra. ‘Nirahin’i Kristy ho amin’izao tontolo izao’ kosa izy ireo mba ho vavolombelony “hatramin’ny faran’ny tany”. (Jaona 17:18; Asan’ny Apostoly 1:8). Na dia izany aza, dia nangataka an’Andriamanitra mba hiaro azy ireo izy, satria hanetsika fankahalana azy ireo noho ny anaran’i Kristy i Satana, “ny andrianan’izao tontolo izao”. — Jaona 12:31; Matio 24:9.
2. a) Ahoana no ampiasan’ny Baiboly ny teny hoe “izao tontolo izao”? b) Fihetsika voalanjalanja inona no asehon’i Jehovah amin’izao tontolo izao?
2 Ao amin’ny Baiboly, ny teny hoe “izao tontolo izao” (Grika: koʹsmos) dia matetika no manondro fitambaran’olona tsy marina izay “mipetraka eo amin’ilay ratsy”. (1 Jaona 5:19). Koa satria manaraka ireo fari-pitsipik’i Jehovah ny Kristiana ary mitandrina koa ilay didy mba hitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra amin’izao tontolo izao, dia nisy olana indraindray teo amin’ny fifandraisan’izy ireo tamin’izao tontolo izao. (2 Timoty 3:12; 1 Jaona 3:1, 13). Etsy an-danin’izany anefa, ny hoe koʹsmos dia ampiasaina koa ao amin’ny Soratra Masina mba hoenti-manondro ny fianakavian’olombelona amin’ny ankapobeny. Nilaza toy izao i Jesosy raha niresaka an’izao tontolo izao araka an’io hevi-teny io: “Toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay. Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin’izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao.” (Jaona 3:16, 17; 2 Korintiana 5:19; 1 Jaona 4:14). Koa na dia mankahala ireo zavatra mampiavaka ny fandehan-javatra ratsin’i Satana aza i Jehovah, dia nampiseho ny fitiavany ny olombelona izy, tamin’ny nandefasany ny Zanany ho etỳ an-tany mba hanavotana ny rehetra “tonga amin’ny fibebahana”. (2 Petera 3:9; Ohabolana 6:16-19). Tokony hitari-dalana an’ireo mpivavaka aminy izany fihetsika voalanjalanja asehon’i Jehovah amin’izao tontolo izao izany.
Ny ohatr’i Jesosy
3, 4. a) Inona no toerana notanan’i Jesosy raha ny amin’ny fanapahana? b) Ahoana no fiheveran’i Jesosy ny tontolon’ny olombelona?
3 Fotoana fohy talohan’ny hahafatesany, dia hoy i Jesosy tamin’i Pontio Pilato: “Ny fanjakako tsy avy amin’izao tontolo izao”. (Jaona 18:36). Mifanaraka amin’ireo teny ireo, dia efa nanda tsy handray fahefana teo amin’ireo fanjakan’izao tontolo izao i Jesosy tany aloha kokoa, rehefa nanolotra azy izany i Satana, ary efa tsy namela ny Jiosy hanao azy ho mpanjaka izy. (Lioka 4:5-8; Jaona 6:14, 15). Na dia izany aza anefa, dia nampiseho fitiavana lehibe ny tontolon’ny olombelona i Jesosy. Misy ohatra ny amin’izany nanaovan’ny apostoly Matio tatitra toy izao: “Ary nony nahita ny vahoaka Jesosy, dia nahonena Azy ny fijeriny ireo, satria nampahantraina ireo ka nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry.” Natosiky ny fitiavana izy ka nitory tamin’ny olona tany amin’ny tanàna sy ny vohitra nisy azy ireo. Nampianatra azy ireo sy nanasitrana ny aretin’izy ireo izy. (Matio 9:36). Tsapany ihany koa ireo zavatra ara-nofo nilain’ireo izay tonga hiana-javatra taminy. Toy izao no vakintsika: “Jesosy niantso ny mpianany hankeo aminy ka nanao hoe: Mahonena Ahy ny vahoaka, fa efa nitoetra hateloana taty amiko izy izao ka tsy manan-ko hanina; ary tsy tiako ny hampody azy tsy mihinana, fandrao reraka eny an-dàlana izy.” (Matio 15:32). Fiahiana feno fitiavana re izany!
4 Ny Jiosy dia nitsara an-tendrony izaitsizy ny Samaritana. I Jesosy kosa anefa dia niresaka naharitra tamin’ny vehivavy samaritana iray ary nandany roa andro nitoriana tamin’ny fomba feno tao amin’ny tanàna samaritana iray. (Jaona 4:5-42). Na dia nirahin’Andriamanitra ho any amin’ny “ondry very amin’ny taranak’Isiraely” aza i Jesosy, dia nanao zavatra izy indraindray ho setrin’ny finoana nasehon’ny tsy Jiosy hafa. (Matio 8:5-13; 15:21-28). Eny, nasehon’i Jesosy fa azo atao ny hoe sady “tsy naman’izao tontolo izao” no mampiseho fitiavana ny tontolon’ny olombelona, izany hoe amin’ny olona. Moa ve isika mampiseho fangorahana toy izany amin’ireo olona ao amin’ny toerana onenantsika, iasantsika, na iantsenantsika? Moa ve isika miahy izay hahasoa azy ireny — tsy ireo zavatra ilainy ara-panahy ihany fa ireo zavatra ilainy hafa koa, raha toa ka misy azontsika anampiana ihany? Nanao izany i Jesosy, ary tamin’ny fanaovany izany, dia nanokatra ny lalana hampianarana ny olona ny amin’ilay Fanjakana izy. Marina aloha fa tsy afaka manao fahagagana ara-bakiteny tahaka izay nataon’i Jesosy isika. Ny fanaovan-javatra mampiseho hatsaram-panahy anefa dia mazàna no tena manao fahagagana, raha izany no ilazana azy, noho izy io mandrodana fitsarana an-tendrony.
Ny fihetsik’i Paoly teo anoloan’ny olona “eny ivelany”
5, 6. Ahoana no nataon’ny apostoly Paoly tamin’ireo Jiosy “eny ivelany”?
5 Tao amin’ny maromaro tamin’ny taratasiny, ny apostoly Paoly dia niresaka ny amin’ny olona “any ivelany” na “eny ivelany”, izay manondro ireo tsy Kristiana, na Jiosy na Jentilisa. (1 Korintiana 5:12; 1 Tesaloniana 4:12; 1 Timoty 3:7). Ahoana no nataony tamin’ny olona toy izany? ‘Tonga zavatra rehetra izy tamin’ny olona rehetra, mba hamonjeny ny sasany.’ (1 Korintiana 9:20-22). Rehefa tonga tao amin’ny tanàna iray izy, dia fanaony ny nitory tamin’ny Jiosy nonina tao aloha. Inona no tari-dresaka nampiasainy? Tamim-pahaiza-mandanjalanja sy tamim-panajana, dia nanolotra porofo mampiaiky avy tao amin’ny Baiboly izy fa ny Mesia dia efa tonga sy maty ho sorona ary natsangana tamin’ny maty. — Asan’ny Apostoly 13:5, 14-16, 43; 17:1-3, 10.
6 Tamin’izany fomba izany dia nampitombo ny fahalalan’ny Jiosy ny Lalàna sy ny mpaminany i Paoly mba hampianarana azy ireo ny amin’ny Mesia sy ny Fanjakan’Andriamanitra. Ary nahavita nampiaiky Jiosy sasany izy. (Asan’ny Apostoly 14:1; 17:4). Na dia teo aza ny fanoherana azony avy tamin’ireo mpitarika jiosy, i Paoly dia nampiseho firaiketam-po tamin’ireo Jiosy tahaka azy, rehefa nanoratra hoe: “Ry rahalahy, ny irin’ny foko sy ny angatahiko amin’Andriamanitra ho an’ireny [ny Jiosy] dia famonjena. Fa vavolombelon’ireny aho fa mazoto ho an’Andriamanitra izy, saingy tsy araka ny fahalalana.” — Romana 10:1, 2.
Fanampiana ireo mpino tsy Jiosy
7. Nanao ahoana ny fihetsiky ny proselyta maro teo anoloan’ny vaovao tsara notorin’i Paoly?
7 Ny proselyta dia tsy Jiosy izay tonga voafora mba hanarahana ny Jodaisma. Miharihary fa nisy Jiosy proselyta tany Roma, Antiokia any Syria, Etiopia, sy Antiokia any Pisidia — eny tokoa, nanerana ny faritra nielezan’ny Jiosy. (Asan’ny Apostoly 2:8-10; 6:5; 8:27; 13:14, 43; ampitahao amin’ny Matio 23:15.) Tsy toy ny maro tamin’ireo mpanapaka jiosy ny proselyta satria azo inoana fa tsy mba niavonavona sy tsy afaka nirehareha tamim-piavonavonana ho taranak’i Abrahama izy ireo. (Matio 3:9; Jaona 8:33). Nandao andriamanitra sampy sy nitodika tamim-panetren-tena tany amin’i Jehovah kosa izy ireo, satria nanovo fahalalana momba an’i Jehovah sy ireo lalàny. Ary nanantena ny hahatongavan’ny Mesia, toy izay nantenain’ny Jiosy, izy ireo. Maro tamin’izy ireo no vonona hanao fiovana bebe kokoa ka nandray tsara ny fitoriana nataon’ny apostoly Paoly, noho izy ireo efa nampiseho fahavononana hiova noho ny fitadiavany ny fahamarinana. (Asan’ny Apostoly 13:42, 43). Rehefa niova nanaraka ny Kristianisma ny proselyta iray izay nivavaka tamin’ny andriamanitra sampy taloha, dia izy no tena tsara toerana hitory tamin’ny Jentilisa hafa izay mbola nivavaka tamin’ireny andriamanitra ireny.
8, 9. a) Ankoatra ireo proselyta, kilasina Jentilisa hafa inona no voasinton’ny fivavahan’ny Jiosy? b) Nanao ahoana ny fihetsiky ny olona tsy voafora maro natahotra an’Andriamanitra teo anoloan’ny vaovao tsara?
8 Ankoatra ireo proselyta voafora, dia nisy tsy Jiosy hafa voasinton’ny fivavahana jiosy. Ny voalohany tonga Kristiana tamin’izy ireny dia i Kornelio, izay “mpivavaka tsara sady natahotra an’Andriamanitra” na dia tsy proselyta aza. (Asan’ny Apostoly 10:2). Nanoratra toy izao ny Profesora F. F. Bruce, tao amin’ny famoaboasany ny Asan’ny Apostoly: “Mazàna dia antsoina hoe ‘olona matahotra an’Andriamanitra’ ireny Jentilisa ireny; na dia tsy teny teknika aza izy io dia mety ny ampiasana azy. Jentilisa maro tamin’izany andro izany, izay mbola tsy vonona hiova tanteraka ho amin’ny Jodaisma (vato nisakana manokana ho an’ny lehilahy ny nitakiana ny famorana), no voasinton’ilay finoana tsotra hoe tokana Andriamanitra, izay finoana nampiavaka ny fanompoam-pivavahan’ny synagoga jiosy. Voasinton’ireo fari-pitsipika ara-pitondran-tena nampiavaka ny fomba fiainan’ny Jiosy koa izy ireo. Nandeha tany amin’ny synagoga ny sasany tamin’izy ireo ka nanjary nahafantapanta-javatra momba ny vavaka sy ireo lesona araka ny Soratra Masina, izay reny novakina avy tamin’ny fandikan-teny grika.”
9 Tojo olona maro natahotra an’Andriamanitra ny apostoly Paoly rehefa nitory tany amin’ny synagoga tany Azia Minora sy Gresy. Tany Antiokia any Pisidia, dia nantsoiny hoe “lehilahy Isiraely sy hianareo izay matahotra an’Andriamanitra” ireo tafavory tao amin’ny synagoga. (Asan’ny Apostoly 13:16, 26). Nanoratra i Lioka fa rehefa avy nitory nandritra ny Sabata telo tao amin’ny synagoga tany Tesalonika i Paoly, dia nisy “sasany tamin’ireo [Jiosy] (...) nino [tonga Kristiana] ka nanampy ho isan’ny mpianatr’i Paoly sy Silasy, ary maro be koa tamin’ny Grika izay mpivavaka, ary tsy vitsy tamin’ny vehivavy nanan-kaja”. (Asan’ny Apostoly 17:4, fanamarihana ambany pejy). Azo inoana fa olona tsy voafora natahotra an’Andriamanitra ny sasany tamin’ireo Grika. Hita porofo fa maro tamin’ny Jentilisa toy izany no niaraka tamin’ny Jiosy.
Fitoriana tamin’ireo “tsy mino”
10. Ahoana no nitorian’i Paoly tamin’ireo Jentilisa tsy nahafantatra izay atsimo sy avaratra tamin’ny Soratra Masina, ary inona no vokany?
10 Ao amin’ny Soratra Grika Kristiana, ny teny hoe “tsy mino” dia afaka manondro ny olona amin’ny ankapobeny any ivelan’ny kongregasiona kristiana. Matetika izy io no manondro mpanompo sampy. (Romana 15:31; 1 Korintiana 14:22, 23; 2 Korintiana 4:4; 6:14). Tany Atena, dia olona maro tsy nino no nobeazina tamin’ny filôzôfia grika, ka tsy nahalala izay atsimo sy avaratra tamin’ny Soratra Masina. Nahakivy an’i Paoly tsy hitory tamin’izy ireo ve izany? Tsia. Nampifanarahiny tamin’ny toe-javatra kosa anefa ny tari-dresaka nampiasainy. Nampiseho tamim-pahakingana hevitra ara-baiboly izy, kanefa dia tsy nanonona nivantana ny Soratra Hebreo, izay tsy fantatry ny Ateniana. Nampiseho tamim-pahakingana ny fitoviana nisy teo amin’ny fahamarinana ara-baiboly sy ny hevitra sasany nambaran’ireo poety stoika fahiny izy. Ary nampiseho ilay hevitra momba ny fisian’ny Andriamanitra marina iray ho an’ny olombelona rehetra izy, dia Andriamanitra izay hitsara amim-pahamarinana amin’ny alalan’ny lehilahy iray efa maty sy natsangana tamin’ny maty. Araka izany, i Paoly dia nitory tamim-pahaiza-mandanjalanja momba an’i Kristy tamin’ireo Ateniana. Inona no vokany? Na dia nanaraby azy tsotra izao, na be fisalasalana, aza ny ankamaroany, “ny olona sasany [dia] niray taminy ka nino; mba naman’izany Dionysio Areopagita sy ny vehivavy anankiray atao hoe Damary ary ny sasany koa”. — Asan’ny Apostoly 17:18, 21-34.
11. Karazana tanàna nanao ahoana i Korinto, ary inona no vokatry ny asa fitoriana nataon’i Paoly tany?
11 Nisy Jiosy be dia be tao Korinto, koa nanomboka ny fanompoany tao àry i Paoly, tamin’ny fitoriana tany amin’ny synagoga. Rehefa hita anefa fa nanohitra ireo Jiosy, dia nandeha tany amin’ny mponina jentilisa i Paoly. (Asan’ny Apostoly 18:1-6). Mponina manao ahoana re izany! I Korinto dia tanàna feno olona somebiseby sy nifangaroan’ny samy hafa fiaviana ary feno fivarotana. Nalaza ratsy nanerana ny tontolo grika sy romana izy io noho ny fitondran-tena baranahiny tao aminy. Eny tokoa, ny hoe “miaina toy ny Korintiana” dia nidika hoe miaina ao anatin’ny fahalotoam-pitondran-tena. Taorian’ny nandavan’ny Jiosy ny fitorian’i Paoly anefa i Kristy vao niseho taminy ka nilaza hoe: “Aza matahotra, fa mitenena ihany (...); fa manana olona maro amin’ity tanàna ity Aho.” (Asan’ny Apostoly 18:9, 10). Inona tokoa fa nahorina kongregasiona iray tao Korinto i Paoly na dia nanana fomba fiaina “korintiana” aza taloha ny sasany tamin’ireo mpikambana tao aminy! — 1 Korintiana 6:9-11.
Fiezahana hamonjy “ny karazan’olona rehetra” amin’izao andro izao
12, 13. a) Amin’ny ahoana no mitovy amin’ny tamin’ny andron’i Paoly ny faritanintsika amin’izao andro izao? b) Inona no fihetsika asehontsika ao anatin’ny faritany efa niorenan’ireo fivavahana ao amin’ny Tontolo Lazaina fa Kristiana hatramin’ny ela na ny faritany misy olona maro diso fanantenana amin’ireo fivavahana lehibe?
12 Amin’izao andro izao, toy ny tamin’ny taonjato voalohany, ‘ny fahasoavan’Andriamanitra dia famonjena ny [karazan’olona rehetra, NW ]’. (Titosy 2:11). Niitatra nanerana ny kontinanta rehetra sy any amin’ny ankamaroan’ireo nosin-dranomasina ny faritany itoriana ny vaovao tsara. Ary, toy ny tamin’ny andron’i Paoly, dia tojo ny “karazan’olona rehetra” tokoa isika. Ohatra, ny sasany amintsika dia mitory any amin’ny tany izay efa hatramin’ny taonjato maro no niorenan’ireo fiangonana ao amin’ny Tontolo Lazaina fa Kristiana. Toa an’ireo Jiosy tamin’ny taonjato voalohany, ireo mpikambana ao amin’izy ireny dia mety ho voagejan’ny lovantsofina ara-pivavahana. Na dia izany aza anefa, dia faly isika mikaroka an’ireo tsara toe-po ka mampitombo izay fahalalana ananany momba ny Baiboly. Tsy manabanty na manamavo azy ireny isika na dia manohitra sy manenjika antsika aza indraindray ireo mpitondra fivavahana ao amin’izy ireny. Ekentsika kosa fa mety ‘hazoto ho an’Andriamanitra’ ny sasany amin’izy ireny na dia tsy manana fahalalana araka ny marina aza. Toa an’i Jesosy sy i Paoly, dia mampiseho tena fitiavana ny olona isika, ary maniry koa isika raha maniry ny hahavoavonjy azy ireny. — Romana 10:2.
13 Rehefa mitory ny maro amintsika, dia mihaona amin’ny olona diso fanantenana amin’ireo fivavahana lehibe. Mety ho mbola matahotra an’Andriamanitra anefa izy ireny, satria manam-pinoana azy ihany ka miezaka hanana fiainana mahitsy. Ao anatin’izao taranaka miolakolaka sy miha-tsy matahotra an’Andriamanitra izao, moa ve tsy tokony hahafaly antsika ny mihaona amin’ny olona izay mino an’Andriamanitra ihany? Ary moa ve isika tsy dodona ny hitarika azy ireny ho amin’ny endri-panompoam-pivavahana iray izay tsy misy fihatsarambelatsihy sy lainga? — Filipiana 2:15.
14, 15. Ahoana no nampisy faritany midadasika hitoriana ny vaovao tsara?
14 Tao amin’ilay fanoharana ny amin’ny harato tarihina, i Jesosy dia nilaza mialoha fa hidadasika ny faritany hanaovana ny asa fitoriana. (Matio 13:47-49). Nanazava an’io fanoharana io Ny Tilikambo Fiambenana 15 Jona 1992, ka nanambara toy izao eo amin’ny pejy faha-20: ‘Nandritra ny taonjato maro, dia nisy mpikambana tao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana nanana anjara lehibe tamin’ny fandikana sy fanaovana kopia ary fizarana ny Tenin’Andriamanitra. Tatỳ aoriana dia nisy fiangonana nanorina na nanohana fikambanana mpampiely Baiboly, izay nandika ny Baiboly ho amin’ny fiteny fampiasa any amin’ireo tany lavitra. Nandefa misionera mpitsabo sy mpampianatra, izay namokatra “Kristiana raha misy patsa”, koa izy ireo. Izany dia nahangona hazandrano tsy mendrika betsaka aoka izany, izay tsy nahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra. Fara faharatsiny anefa, dia nahatonga tsy Kristiana an-tapitrisany maro hanana fifampikasohana tamin’ny Baiboly sy tamin’ny endriky ny Kristianisma iray, na dia endriny voaloto aza, izany.’
15 Nampiova finoana olona ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, ary nahomby indrindra izany tany Amerika Atsimo sy Afrika ary tany amin’ny nosin-dranomasina sasany. Amin’izao androntsika izao, dia olona malemy fanahy maro no efa hita any amin’ireny faritra ireny, ary afaka manohy manao soa be dia be isika raha maneho fihetsika tsara sy feno fitiavana amin’ireny olona manetry tena ireny, tsy misy hafa amin’ny fihetsik’i Paoly tamin’ireo proselyta jiosy. Anisan’ireo mila ny fanampiantsika ihany koa ireo olona an-tapitrisany maro izay azo antsoina hoe “mpomba” ny Vavolombelon’i Jehovah. Finaritra foana izy ireo mahita antsika mitsidika azy. Ny sasany dia niara-nianatra ny Baiboly tamintsika ary nanatrika ireo fivoriantsika, indrindra fa ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy fanao isan-taona. Moa ve tsy saha midadasika hitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana ireny olona ireny?
16, 17. a) Karazan’olona manao ahoana avy no itondrantsika ny vaovao tsara? b) Ahoana no anahafantsika an’i Paoly, raha ny amin’ny fitoriana amin’ny karazan’olona samihafa?
16 Fanampin’izany, ahoana ny amin’ireo izay avy amin’ny kolontsaina ivelan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana — na mihaona amintsika ao amin’ny tany niaviany izy ireny na mpiavy any amin’ny tany tandrefana? Ary ahoana ny amin’ireo olona an-tapitrisany maro izay nanilika tanteraka ny fivavahana, ka nanjary tsy mino na misalasala momba ny fisian’Andriamanitra? Ankoatra izany, ahoana ny amin’ireo izay mila ho toy ny firehetana ara-pivavahana ny fanarahany ny filôzôfia maoderina na ny psikôlôjiam-bahoaka avoaka amin’ireo boky maro fampianaran-tena, hita any amin’ny trano fivarotam-boky? Tokony hohalavirina ve izay olona rehetra toy izany, ka hoheverina ho tsy azo avotana? Tsy izany, raha manahaka ny apostoly Paoly isika.
17 Fony izy nitory tany Atena, i Paoly dia tsy latsaka tamin’ny fandrika hiady hevitra momba ny filôzôfia tamin’ireo nihaino azy. Nampifanaraka ny fanjohian-keviny tamin’ny olona niresahany anefa izy, ka nampiseho tamin’ny fomba mazava sy mirindra ireo fahamarinana ara-baiboly. Toy izany koa fa tsy voatery ho tonga manam-pahaizana momba ireo fivavahana na filôzôfian’ny olona itoriantsika akory isika. Mampifanaraka ny tari-dresatsika amin’ny toe-javatra kosa anefa isika mba hampandaitra ny fitoriantsika, ka amin’izany fomba izany dia ho tonga “zavatra rehetra (...) amin’ny olona rehetra” isika. (1 Korintiana 9:22). Nanambara toy izao i Paoly rehefa nanoratra ho an’ny Kristiana tany Kolosia: “Mandehana amin’ny fahendrena amin’izay eo ivelany, hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa. Aoka ny fiteninareo ho amin’ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra.” — Kolosiana 4:5, 6, izahay no manao sora-mandry.
18. Inona no andraikitsika, ary inona no tsy tokony hohadinointsika mihitsy?
18 Toa an’i Jesosy sy ny apostoly Paoly, dia aoka isika haneho fitiavana ny karazan’olona rehetra. Aoka isika hikely aina indrindra indrindra mba hizara amin’ny hafa ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Etsy an-danin’izany, dia aza hadinoina mihitsy fa nilaza toy izao momba ny mpianany i Jesosy: “Tsy naman’izao tontolo izao izy”. (Jaona 17:16). Ny dikan’izany ho antsika dia hodinihina bebe kokoa ao amin’ny lahatsoratra manaraka.
Famerenana
◻ Lazalazao ny fihetsika voalanjalanja nananan’i Jesosy teo anoloan’izao tontolo izao.
◻ Ahoana no nitorian’ny apostoly Paoly tamin’ny Jiosy sy ny proselyta?
◻ Ahoana no nitarihan’i Paoly resaka tamin’ny olona matahotra an’Andriamanitra sy ny tsy mino?
◻ Ahoana no ahafahantsika ho tonga “zavatra rehetra (...) amin’ny olona rehetra”, eo amin’ny asa fitoriantsika?
[Sary, pejy 10]
Amin’ny fanaovana asa mampiseho hatsaram-panahy amin’ny mpiara-belona aminy, dia mazàna ny Kristiana no afaka mandrodana fitsarana an-tendrony