Afaka Mino ny Baiboly ve Ianao?
MBOLA miely patrana ny finoana ny Baiboly, na dia eto amin’ity tontolo maoderina ity aza. Tamin’ny fanadinadinana Gallup natao vao haingana teo amin’ny Amerikanina, ohatra, dia 80 isan-jato no naneho finoana ny maha Tenin’Andriamanitra ara-tsindrimandry ny Baiboly. Na ambony toy izany na tsia ny isan-jatony eo amin’ny faritra misy anao, dia mety ho takatrao fa manantena ny hampianarina Baiboly ireny mpino ireny any am-piangonana. Tsy ampianarina an’izany anefa izy ireny matetika. Raiso, ohatra, ny foto-pampianarana momba ny fanasaziana ny fanahy (âme) aorian’ny fahafatesana.
Ampianarina ao amin’ny Baiboly ve ny amin’ny afofandiovana na ny afobe mirehitra? Amin’izao fotoana izao dia hamaly hoe tsia ny manam-pahaizana maro ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristianina. Hoy ny New Catholic Encyclopedia: “Rehefa dinihina tokoa, ny foto-pampianarana katolika momba ny afofandiovana dia miorina amin’ny lovantsofina fa tsy amin’ny Soratra Masina.” Toy izao ny fanamarihan’ny A Dictionary of Christian Theology momba ny afobe: “Tsy hitantsika ao amin’ny T[estamenta] V[aovao] ny hoe anisan’ny fitorian’ny Kristianina tany am-boalohany ny afobe mirehitra.”
Raha ny marina, tsy ela izay ny vaomieran’ny Eglizy Anglikanina misahana ny foto-pampianarana, dia namoaka matoam-baovao rehefa nanoro hevitra ny amin’ny handavana tanteraka ny fampianarana momba ny afobe mirehitra. Milaza ny Dr. Tom Wright, lehiben’ny Katedralin’i Litchfield fa ny sarin’ny afobe fahiny dia “nampiseho an’Andriamanitra ho toy ny olona faran’izay tsy mifaditra ovana, ary namela holatra ara-tsaina maharary tao amin’ny olona maro”. Milazalaza ny afobe ho “tsy misy velively” ny tatitra nataon’ilay vaomiera.a Mitovy amin’izany koa izao fanamarihan’ny New Catholic Encyclopedia izao, mahakasika ny fomba fihevitry ny Katolika: “Ny teôlôjia amin’izao andro izao, dia mihevitra ny raharaha momba ny afobe ho toy ny fampisarahana amin’Andriamanitra.”
Raha ny marina, izay ampianarin’ny Baiboly momba ny fanahy (âme), dia mifanipaka amin’ny fampianarana ny amin’ny afofandiovana sy ny afobe mirehitra. Matetika ny Baiboly no miresaka ny amin’ny fahafatesan’ny fanahy (âme). “Ny fanahy izay manota no ho faty.” (Ezekiela 18:4; ampitahao amin’ny dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques manao hoe “Ny fanahy izay manota dia tsy maintsy ho faty.” sy ny dikan-teny katolikan’i Douay manao hoe: “Ny fanahy izay manota, io ihany no tsy maintsy ho faty”.) Araka ny Baiboly, ny maty dia tsy mahatsiaro tena, tsy mahatsiaro fanaintainana. “Fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona”. (Mpitoriteny 9:5). Ny fitsanganana mbola ho avy no fanantenana atolotry ny Baiboly ho an’ny maty. Fony maty i Lazarosy sakaizan’i Jesosy, dia nampitahainy tamin’ny torimaso ny fahafatesana. Naneho ny fanantenana izay ampianarina ao amin’ny Baiboly i Marta, anabavin’i Lazarosy, rehefa nanambara hoe: “Fantatro ihany fa hitsangana izy amin’ny fitsanganan’ny maty amin’ny andro farany.” Tamin’ny nananganany an’i Lazarosy tamin’ny maty, dia nohamafisin’i Jesosy io fanantenana ho an’ny olombelona io. — Jaona 5:28, 29; 11:11-14, 24, 44.
Hazavain’ny mpahay tantara fa ny fampianarana momba ny hoe manana fanahy (âme) tsy mety maty sy misaraka amin’ny vatana ny olona dia tsy niandoha avy tamin’ny Baiboly fa tamin’ny filôzôfia grika. Marihin’ny New Catholic Encyclopedia fa ireo Hebreo fahiny dia tsy nihevitra hoe voaforon’ny vatana hita maso sy fanahy (âme) tsy hita maso, ny olona. Toy izao no ambarany momba ny zavatra ninoan’ny Hebreo: “Rehefa niditra tao amin’ilay olombelona voalohany noforonin’Andriamanitra tamin’ny vovo-tany ny fofon’aina mahavelona, dia tonga ‘fisiana nanana aina’ izy (G[enesisy] 2.7). Tsy noheverina ho toy ny fampisarahana foto-javatra roa miavaka tsara tao amin’ny olona, ny fahafatesana, toy izay niheveran’ny filôzôfia grika azy; miala ny fofonaina mahavelona ka manjary ‘fisiana maty’ ny olona (L[evitikosy] 21.11; N[omery] 6.6; 19.13). Ao amin’ireo andininy tsirairay ireo, ilay teny hoe ‘fisiana’ dia ny teny hebreo [neʹphesh], izay nadika matetika hoe ‘fanahy’, nefa raha ny marina dia saika manondro ilay olona ihany izy io.”
Marihin’io encyclopédie io ihany fa vao haingana izay no nisy manam-pahaizana katolika “nanamafy fa ny T[estamenta] V[aovao] dia tsy mampianatra ny tsy fahafatesan’ny fanahy (âme) araka ny heviny omen’ny filôzôfia grika azy”. Izao no famaranan-keviny: “Ny vahaolana tena lehibe indrindra momba ny fiainana aorian’ny fahafatesana dia tsy ho hita ao amin’ny fanombantombanana filôzôfika loatra, fa ao amin’ilay fanomezana mahagaga, dia ny Fitsanganana Amin’ny Maty.”
Ny Baiboly sa ny lovantsofina?
Ahoana kosa no nidiran’ireo hevitra tsy araka ny Baiboly tao amin’ny fampianaran’ireo fivavahana? Fivavahana maro no milaza fa ny Baiboly no fahefana ambony indrindra eken’izy ireo. Tsy ela izay, ohatra, dia niresaka ny Papa Jean-Paul II fa tokony “heken’ireo mpino ho marina tanteraka sy ho fari-pitsipika tampony mametra ny finoantsika”, ny Soratra Masina. Ekena anefa amin’ny ankapobeny fa tsy mitovy amin’ny fampianaran’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany ny an’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina amin’izao andro izao. Mihevitra ny ankabeazan’ireo fivavahana fa anisan’ny fivoarana miandalana teo amin’ny foto-pampianaran’izy ireo, izany fiovana izany. Ambonin’izany, ny Eglizy Katolika dia manohana fa mitovy ny fahefana ananan’ny Soratra Masina sy ny an’ny lovantsofin’ny eglizy. Milaza ny New Catholic Encyclopedia fa ny eglizy dia “tsy manohana foto-pampianarana izay miorina amin’ny Soratra Masina fotsiny, nefa tsy anisan’ny lovantsofina, ary tsy manohana foto-pampianarana izay miorina amin’ny lovantsofina fotsiny, nefa tsy anisan’ny Soratra Masina”.
Araka ny tantara, dia nosoloan’ny fivavahana fampianarana miorina amin’ny lovantsofina fotsiny, ireo fampianarana araka ny Soratra Masina. Fivavahana maro, raha ny marina, no manohana ankehitriny fa diso ny fampianaran’ny Baiboly. Milaza, ohatra, ny New Catholic Encyclopedia fa “fanambarana ara-baiboly maro no miharihary ho tsy marina tsotra izao, rehefa tsaraina araka ny fahalalana maoderina ara-tsiansa sy ara-tantara”. Mikasika ilay fampianarana ara-baiboly hoe tsy mahatsiaro tena ny maty, dia izao no teny anampiny: “Na dia momba ny raharaha ara-pivavahana aza, dia miharihary fa tsy feno ny fahalalan’ny T[estamenta] T[aloha] (...) ny amin’ny fiainana aorian’ny fahafatesana.” Manonona ny Salamo 6:5 (andininy faha-6 ao amin’ny Baiboly sasany) ho toy ny ohatra iray amin’izany, ilay encyclopédie: “Tsy misy fahatsiarovana Anao any amin’ny fahafatesana, any amin’ny fiainan-tsi-hita iza no hidera Anao?” Ny seminera sy ny kolejy protestanta sasany dia tsy mampianatra intsony ny hoe tsy mety diso ny Baiboly. Mino ny Eglizy Katolika, etsy an-danin’izany, fa izy no manana ny fahefana hampianatra, ka noho io fahefana io dia izy no milaza ny hevitry ny teny ampianarina ao amin’ny Baiboly. Mety hanontany tena anefa ianao hoe: ‘Ahoana raha toa ka mifanipaka amin’ny Soratra Masina izany filazana ny hevitry ny teny izany?’
Ny mahazava-dehibe ny Soratra Masina
Imbetsaka i Jesosy no nanonona ny Soratra Masina ho toy ny fahefana, ka nialohavan’ny hoe “Voasoratra hoe”, matetika ny hevi-dehibe nambarany. (Matio 4:4, 7, 10; Lioka 19:46). Tsy azo lavina fa, fony i Jesosy niresaka momba ny toeran’ny lehilahy manambady, dia tsy tao amin’ny fanombantombanana araka ny filôzôfia grika no nanovozany hevitra, fa tao amin’ny fitantarana ny famoronana ao amin’ny Genesisy kosa. (Genesisy 1:27; 2:24; Matio 19:3-9). Mazava fa nihevitra ny Soratra Masina ho ara-tsindrimandrin’Andriamanitra sy mifanaraka amin’ny zava-misy, i Jesosy. Hoy izy tao amin’ny vavaka tamin’Andriamanitra: “Ny teninao no fahamarinana.” — Jaona 17:17.b
Noraketin’ny Baiboly an-tsoratra toy izao ny fanamelohan’i Jesosy an’ireo mpitarika ara-pivavahana tamin’ny androny: “Hay! tsara ny nahafoizanareo ny didin’Andriamanitra mba hitandremanareo ny fampianarana voatolotra anareo! (...) Ka dia foananareo ny tenin’Andriamanitra amin’ny fampianarana voatolotra anareo”. (Marka 7:6-13). Toy izany koa no nanoheran’ny apostoly Paoly ny fanerena hampiditra ny filôzôfia grika, na ny lovantsofina diso tao amin’ny fampianarany. “Tandremo”, hoy izy, “fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin’ny filosofia sy ny famitahana foana, araka ny fampianarana voatolotry ny razana”. (Kolosiana 2:8; 1 Korintiana 1:22, 23; 2:1-13). Nisy ny lovantsofina, na fampianarana sasany izay nampirisihan’i Paoly mafy mba hohazonin’ny Kristianina. Kanefa izy ireny dia niorina sy nifanaraka tanteraka tamin’ny Soratra Masina. (2 Tesaloniana 2:13-15). “Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa”, hoy ny nosoratan’i Paoly, “mba [hanana fahaizana feno ny olon’Andriamanitra, NW ], ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.” — 2 Timoty 3:16, 17.
Tsinjon’i Paoly mialoha fa hisy fihatahana amin’ny Soratra Masina. Nampitandrina an’i Timoty toy izao izy: “Ho avy ny andro izay tsy hahazakan’ny olona ny fampianarana tsy misy kilema; (...) ary hampiala ny sofiny amin’ny teny marina tokoa izy”. Nampirisihiny mafy toy izao i Timoty: “Fa hianao kosa mahonòna tena amin’ny zavatra rehetra”. (2 Timoty 4:3-5). Amin’ny fomba ahoana anefa? Ny fananana ‘toe-panahy tsara’ no fomba iray. Ny diksionera grika iray dia mamaritra io teny ao amin’ny Baiboly io ho “fahavononana hianatra sy hanomban-javatra araka ny marina”. Nampiasa io fitenenana io i Lioka mba hilazalazana ny amin’ireo mpihaino an’i Paoly tany Beria tamin’ny taonjato voalohany. Zava-baovao tamin’izy ireo ny fampianaran’i Paoly, ary tsy naniry ny ho voafitaka izy ireo. Nidera azy ireo i Lioka tamin’ny fanoratana hoe: “Ny toe-panahin’ireo [Berianina] dia tsara noho ny tao Tesalonika; satria nandray ny teny tamin’ny zotom-po indrindra ireo ka nandinika ny Soratra Masina isan’andro, na marina izany, na tsia.” Ny fananana toe-panahy tsara dia tsy nahatonga an’ireo Berianina ho be fisalasalana, ka hirona ho amin’ny tsy finoana na inona na inona. Ho vokatry ny fanadihadiana tamim-pahatsorana nataon’izy ireo kosa, dia ‘maro taminy no nino’. — Asan’ny Apostoly 17:11, 12.
Ny soa entin’ny fiainana mifanaraka amin’ny Baiboly
Fantatra tsara noho ny fifikirany tamin’ny Baiboly sy ny fitiavany feno fahafoizan-tena, ireo Kristianina tany am-boalohany. Maro anefa, amin’izao andro izao, ny olona “manana ny endriky ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, nefa nandà ny heriny”. (2 Timoty 3:5). Izay mety ho endrika Kristianisma amin’izao andro izao ka tsy mifanaraka amin’ilay tany am-boalohany, dia tsy afaka ny ho tena hanana hery hanatsara ny fiainan’ny olona. Afaka manampy ve izany mba hanazavana ny antony ahitantsika fitomboan’ny herisetra, ny faharatsiam-pitondran-tena, sy ny faharavan’ny fianakaviana, ary ny fiahiana fatratra ny zavatra ara-nofo, ao amin’ny tapany lehibe amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristianina? Any amin’ny tany “kristianina” sasany, dia misy adim-poko mahatsiravina na dia eo amin’ny samy mpikambana amin’ny fivavahana iray ihany aza.
Efa nanjavona tanteraka ve ilay toe-panahy tsara nananan’ireo Berianina? Mbola misy antokon’olona ve amin’izao andro izao mino ny Baiboly ary miaina mifanaraka amin’izy io?
Toy izao no fanamarihan’ny Encyclopedia Canadiana: “Ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah dia sady famelomana no fanorenana indray ny Kristianisma tany am-boalohany izay narahin’i Jesosy sy ny mpianany nandritra ny taonjato voalohany sy faharoa amin’izao vanim-potoana iainantsika izao.” Manamarika toy izao ny New Catholic Encyclopedia mahakasika ny Vavolombelona: “Mihevitra ny Baiboly ho ny hany loharanon’ny zavatra inoany sy ny fitsipi-pitondran-tena arahiny izy ireo.”
Izany no azo inoana fa antony lehibe hahafantarana tsara ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany noho ny firoboroboana eo amin’ny lafiny ara-panahy, sy ny fiadanana ary ny fahasambarana misy eo anivony. Mampirisika ireo mpamaky anay àry izahay mba hianatra bebe kokoa momba ireo fampianarana ara-panahy mahasoa, ao amin’ny Baiboly. Afaka mitarika ho amin’ny fitokisana bebe kokoa amin’ny Baiboly sy ny finoana matanjaka kokoa an’Andriamanitra ny fahalalana betsaka kokoa. Tena mendrika ny fiezahantsika ny soa mandrakizay hoentin’ny finoana toy izany.
[Fanamarihana ambany pejy]
a National Public Radio—“Morning Edition”
b Mba hahazoana fanazavana misimisy kokoa momba ny mahazo ianteherana ny Baiboly, dia jereo ilay bokikely hoe Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.
[Sary, pejy 6]
Nitory teny an-tsena ny apostoly Paoly sy ny hafa
[Sary, pejy 7]
“Mihevitra ny Baiboly ho ny hany loharanon’ny zavatra inoany sy ny fitsipi-pitondran-tena arahiny”, ny Vavolombelon’i Jehovah