Hahita azy ireny indray ve isika indray andro any?
“Nandao anay ho mandrakizay ianao, kanefa tsy nanampo an’izany velively izahay. Na dia ao aza ireo ratra lalina nateraky ny fahafatesanao, dia hitoetra mandrakariva ao am-ponay ianao. Tsy hohadinoinay na oviana na oviana ireo taona nahafinaritra nolaninay niaraka taminao ary tsy hanary ny fanantenana mbola hahita anao indray andro any izahay.”
AO AMIN’NY “grand-duché”-n’i Luxembourg, dia tsy mahalana no anehoan’ny havana sy ny sakaizan’ny maty iray fihetseham-po karazan’izany ao amin’ny lahatsoratra momba ny maty ao amin’ireo gazety. Na aiza na aiza eo amin’izao tontolo izao, dia misy olona manana sady fahatsiarovana mamy no alahelo mangidy vokatry ny famoizana olon-tiana iray — dia fanantenana miharo fisalasalana. Angamba ianao nahatsapa fihetseham-po toy izany na nandre sakaiza iray naneho izany taorian’ny fahafatesan’ny olon-tiana iray.
Ho an’ny ankamaroan’ny olona, dia manjavozavo ny fanantenana hahita indray ireo olon-tiany efa maty indray andro any. Tsotra ireo anton’ny fisalasalan’izy ireo. Voalohany indrindra, dia vitsy ny olona amin’izao androntsika izao no tena maka fotoana mba hamotopotorana ny amin’io raharaha io. Ary rehefa misy olona manandrana manao izany, ny filazalazana azony eo amin’ny ankamaroan’ireo fivavahana dia, na tsy hita fototra loatra, na hafahafa loatra ka tsy mampiaiky azy.
Araka ny fantatrao angamba, dia maro no mihevitra fa ny hany “fiainan-ko avy” ho an’ny maty dia ny fitohizan’ny tarana-pianakaviany. Indraindray dia re ny fitenenana fa ‘velona ao amin’ireo zanany ny olona iray’. Nefa moa ve ny “fiainana” toy izany mitondra zavatra ho an’ilay olona maty na manome fanantenana na dia kely akory aza an’ireo izay mbola velona ka hahita azy indray? Tsia dia tsia tokoa! Izany fomba fihevitra izany dia tsy mitondra afa-tsy fampiononana tsy manjary raha ny marina.
Noho ny fiheverantsika an’ireo olon-tsy fointsika, na ireo izay nandao antsika na ireo mbola velona, dia tokony hamaly ireto fanontaniana ireto isika: Raha ohatra ny olona iray tiantsika ka maty, ho hitantsika indray ve izy indray andro any? Raha izany no izy, rahoviana ary aiza? Any an-danitra sa eto an-tany? Inona moa no fanantenana ho an’ireo olon-tsy fointsika nodimandry sy ho antsika?
Raha resahina amim-pahatsorana, dia misy vaovao tsara momba izany. Tsara, izany tokoa izy io, satria manome fanantenana azo antoka sy mahafaly. Mahaforona vaovao izy, fanampin’izany, satria hafatra samy hafa amin’izay efa ren’ny ankamaroan’ny olona momba izany, eny fa na avy amina loharano ara-pivavahana aza.
Tamin’ny taonjato voalohany, raha tany Atena i Paoly, misionera kristiana, dia niresaka ny amin’ny fanantenana ho an’ny maty voavelabelatra ao amin’ny Soratra masina. Nihaino azy tamim-pahalianana ny sasany tamin’ireo mpihaino azy grika, ny hafa kosa tamim-panamavoana. Nisy filozofa naniry hiditra hanao ady hevitra taminy nanontany hoe: “Inona no tian’io mpibedibedy io holazaina?” Nilaza ny hafa fa “toa mitory andriamani-baovao izy, satria Jesosy sy ny fitsanganan’ny maty no notoriny”. (Asan’ny apostoly 17:18.) Eny, ny vaovao tsara izay tsy maintsy notorin’i Paoly dia nifandray tamin’ny fitsanganana amin’ny maty!
Inona no holazainao ny amin’ny fihainoana famelabelarana miresaka ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty ho avy, ny amin’ny fahafahana hahita ireo maty hiverina amin’ny fiainana? Toa tsy ilaina ve izany aminao? Na koa, noho ny fanabeazana ara-pivavahana noraisinao sy ny fihevitrao manokana, moa ve ny hafatra misy fanantenana omen’ny Soratra masina momba ireo maty toa vaovao sy hafahafa aminao, toy ny hoe avy amin’ny “andriamani-baovao” iray?
Etsy an-danin’izany, dia nilaza tamin’i Paoly ireo Ateniana hoe: “Fa mampandre ny sofinay zavatra hafahafa izay tsy fantatray hianao; koa tianay ho fantatra izay hevitr’izany zavatra izany.” (Asan’ny apostoly 17:20). Irinao ve, dia ianao koa, ny hahalala bebe kokoa ny amin’ny fanantenana omen’ny Baiboly momba ireo olo-malalantsika nodimandry, ary ho antsika izay velona? Raha eny, dia azo antoka fa hahaliana anao ny lahatsoratra manaraka.