Any amin’iza no tokony hitodihana mba hahitana ny tena rariny?
“Tsy hampihatra ny rariny va ilay Mpitsara ny tany manontolo?” — GENESISY 18:25, Votre Bible.
1, 2. Inona moa no vokatry ny tsy rariny maro eo amin’ny olona maro be?
TSY isalasalana fa tsapanao amin’alahelo ny fitomboan’ny tsy rariny eo amin’izao tontolo izao. Inona no vokatry ny tsy fisian’ny tena rariny eo aminao?
2 Ny sasany manjary misalasala ny amin’ny fisian’ny Andriamanitra marina iray. Mety ho milaza tena fa “agnostiques” aza izy ireny. Azo inoana fa efa nandre an’io teny io ianao. Ny tondroiny dia olona izay mihevitra fa “ny zavatra tena misy farany ambony rehetra, tahaka an’Andriamanitra, dia tsy fantatra, ary tokony ho tsy hay fantarina”. Ilay biolojista atao hoe Thomas Huxley, mpanohana ny tsangan-kevitr’i Darwin momba ny evaolisiona, no namorona azy io, tamin’ny taonjato faha-19a.
3, 4. Avy aiza moa ny teny hoe “agnostique”?
3 Fa avy aiza moa no nakan’i Huxley ny teny hoe “agnostique”? Ny namoronany azy dia avy amin’ny fitenenana iray nampiasain’ny apostoly Paoly, mpahay lalàna tamin’ny taonjato I, saingy tamin’ny heviny hafa. Nomen’i Paoly tamin’izay ny anankiray tamin’ireo lahatsoratra nalaza indrindra natao. Mbola mahaliana antsika ihany io lahateny io amin’izao andro izao, satria manampy antsika hahafantatra hoe rahoviana ary amin’ny fomba ahoana no hanorenana ny rariny ho an’ny rehetra ary ahoana koa aza no mety handraisantsika soa manokana avy amin’izany.
4 Nampiasa ny teny hoe “agnostique” (“tsy fantatra”) i Paoly rehefa niresaka ny amin’ny alitara iray nisy filazana hoe “Ho an’izay Andriamanitra tsy fantatra”. Ny lahateny fohy nataon’i Paoly ho an’ny Ateniana dia nosoratan’i Lioka mpitsabo ao amin’ny toko faha-17 amin’ny Asan’ny Apostoly. Ny fiandohan’io toko io dia mitantara ireo toe-javatra nitarika an’i Paoly ho any Atena. Asehon’ny faritra voafefy ao amin’ny pejy faha-6 ireo fanazavana mialoha nataon’i Lioka sy ny lahateny manontolo nataon’i Paoly.
5. Tao anatin’ny toe-javatra nanao ahoana moa no nanaovan’i Paoly ny lahateniny teo anatrehan’ny Ateniana? (Vakio Lioka 17:16-31.)
5 Tena mahery tokoa io lahateny io ary mendrika fandinihana amim-pitandremana. Mety hampianatra zavatra be dia be antsika izany, dia antsika izay mahita tsy rariny mahavaky vava manodidina antsika. Aoka hovakintsika aloha ny teny manodidina, manomboka eo amin’ny andininy faha-16 ka hatramin’ny faha-21. Nirehareha ny Ateniana noho izy ireo niaina tao amin’ny foibe ara-kolon-tsaina nalaza nampianarin’i Socrate sy Platon ary Aristote taloha. Tanàna tia fivavahana aoka izany koa i Atena. Nety ho hitan’i Paoly tao ny sary nampiseho an’i Arès, na Marsa, andriamanitry ny ady, ohatra; Zeus; Esculape, andriamanitry ny fitsaboana; Poséidon, andriamanitry ny ranomasina maherisetra; Dionysos; Athéna sy Eros.
6. Ampitahao amin’izay misy ao amin’ny faritra onenanao ny tarehin-javatra hitan’i Paoly tany Atena?
6 Fa inona no ho hitan’i Paoly raha mitsidika ny tanànanao na ny faritra misy anao izy amin’izao andro izao? Moa ve izy tsy hahatazana sampy maro — izany hoe sary ara-pivavahana — , ary izany dia na dia any amin’ireo tany eo ambany fitantanan’ny fivavahana lazaina fa kristiana aza? Hahita maromaro kokoa amin’izany ihany izy any amin’ny tany hafa. Izao no azo vakina ao amin’ny boky fanoroana momba ny fizahan-tany iray: “Ireo andriamanitr’i India, mifanohitra amin’ireo ‘rahalahiny’ any Grisia mivadibadika, dia manambady tokana, ary heverina ho manan-kery sasany mahagaga indrindra ireo vadiny (...). Tsy fanaovana laza masaka ny filazana fa [any India] dia misy andriamanitra an-tapitrisany maro manana fifandraisana amin’ny endriny rehetra amin’ny fiainana sy ny natiora.”
7. Karazan’andriamanitra manao ahoana moa no nivavahan’ny Grika fahizay?
7 Andriamanitra grika maro no lazalazaina ho tsy mendrika sy maloto fitondrantena aoka izany. Rehefa misy olona manana fitondrantena sahala amin’izany ankehitriny, dia henatra ho azy izany, ary, any amin’ny tany maro, dia heverina ho mania izy ireny. Azo atao àry ny manontany tena hoe rariny inona no azon’ny Grika tamin’izany nantenaina avy amin’ireny andriamanitra ireny. Voamarik’i Paoly anefa fa nifikitra tamin’izy ireny mafy ny Ateniana. Tamin’izay, netsehin’ny fiaikena mafy ara-drariny izy ka namelabelatra tamin’izy ireo ny fahamarinana ambony ampianarin’ny kristianisma marina.
Mpihaino mahatahotra
8. a) Inona avy no fiheverana nampiavaka ny filozofian’ny epikoreana? b) Ahoana ny hevitry ny stoisiana?
8 Nisy Jiosy sy Grika nihaino an’i Paoly tamim-pahalianana, fa ahoana no handraisan’ny epikoreana sy ny stoisiana, filozofa be fahefana, ny hafatra nentiny? Araka ny ho hitantsika, amin’ny lafiny maro, ny hevitr’izy ireny dia sahala amin’ny misy ankehitriny, sahala amin’ny ampianarina ny tanora any an-tsekoly aza. Ny epikoreana dia nampanaraka fiainana mifantoka amin’ny fikatsahana fahafinaretana faran’izay betsaka, indrindra fa fahafinaretan’ny saina. Ny filozofiany, nofototra tamin’ny hevitra hoe: ‘Aoka isika hihinana sy hisotro, satria ho faty isika rahampitso’, dia niavaka tamin’ny tsy fisian’ny fotopoto-pitsipika sy ny fahatsaram-pitondrantena (1 Korintiana 15:32). Tsy nino izy ireo fa hoe namorona an’izao tontolo izao ireo andriamanitra, fa hoe nipoitra tamin’ny kisendrasendra ny fiainana teo amin’izao rehetra izao mandeha ho azy. Afa-tsy izany koa, dia noheveriny fa tsy mihevitra ny olombelona ireo andriamanitra. Fa raha ny amin’ny stoisiana, dia noheveriny ho zava-dehibe ny lojika; noheveriny fa ny tenan-javatra sy ny hery no fotopototr’izao rehetra izao voalohany. Tsy mihevitra an’Andriamanitra ho persona izy, fa ho fisiana tsy manana ny maha-izy azy. Araka ny filazany, dia ny anjara no nitarika ny fiainan’ny olona.
9. Nahoana moa no tsy mora tamin’i Paoly akory ny nitory tao amin’ny Areopago?
9 Ahoana no nandraisan’ireny filozofa ireny ny fampianarana nataon’i Paoly ampahibemaso? Tamin’izany fotoana izany ny Ateniana dia olona sady tia mamantapanta-javatra no feno fiavonavonan-tsaina; nanomboka niady hevitra tamin’i Paoly àry izy ireo, avy eo dia nitarika azy ho any amin’ny Areopago, havoana be karao-bato teo ambonin’ny tsena, nefa nanerinerina teo ny Acropole lehibe. Ny dikan’ny hoe Areopago dia havoan’i Arès, ka andriamanitry ny ady i Arès (na Marsa). Nisy fitsarana na filan-kevitra nivory tao fahiny. Mety ho efa notarihina Paoly ho eo anatrehan’io fitsarana io izay nanoloana ny Acropole lehibe, voaravaky ny tsangambato sy ny tempoly, anisan’izany ny Parthénon nalaza. Nisy nihevitra fa notandindomin-doza ilay apostoly satria ny lalàna romana tsy namela ny hampidirana andriamani-baovao. Kanefa, na dia tsy nentina teo amin’ny Areopago afa-tsy mba hanazava ny zavatra inoany na mba hampiseho ny fahaizany mampianatra aza i Paoly, dia tsy maintsy nisetra mpihaino nahatahotra izy. Moa ve izy ho afaka hamelabelatra hafatra tena lehibe amin’ny Ateniana nefa tsy hanapoaka fankahalan’izy ireo?
10. Ahoana moa no nanehoan’i Paoly fahaiza-mandanjalanja tamin’ny fampidiran-dresaka amin’ny lahateniny?
10 Jereo, ao amin’ny Asan’ny apostoly 17:22, 23 ny nitarihan’i Paoly resaka tamim-pahaiza-mandanjalanja sy fahendrena: niaiky izy fa olona tia fivavahana ny Ateniana ary manana sampy maro. Nihevitra angamba ny sasany tamin’ireo izay nihaino azy fa nidera azy ireo i Paoly. Marina tokoa fa tsy namelively an-karihary ny fivavahan’izy ireo tamin’ny andriamanitra maro izy, fa niresaka ny amin’ny alitara iray hitany izy natao “ho an’izay Andriamanitra tsy fantatra”. Porofoin’ny Tantara fa nisy alitara karazan’izany, ka manamafy ny fitokiantsika ny fitantaran’i Lioka izany. Hampiasa ny fisian’io alitara io i Paoly mba hampidirana ny fanazavany. Na dia fatra-pitia fahalalana sy lojika aza ny Ateniana, dia nanaiky ny fisian’ny andriamanitra iray ‘tsy fantany’ (agnôstos amin’ny teny grika). Notakin’ny lojika àry ny hamelan’izy ireo an’i Paoly hanazava taminy hoe iza io Andriamanitra io. Fanjohian-kevitra tsy misy tomika izany.
Tsy mety ho fantatra ve Andriamanitra?
11. Ahoana moa no nitarihan’i Paoly ireo mpihaino azy hihevitra ilay Andriamanitra marina?
11 Iza àry io “Andriamanitra tsy fantatra” io? Ilay “Andriamanitra” nanao izao tontolo izao sy ny zavatra rehetra eo aminy. Tsy misy afaka mandà ny fisian’izao rehetra izao, ny zavamaniry, ny biby sy ny olombelona. Ny hery, ny fahakingan-tsaina sy ny fahendrena miharihary hatraiza hatraiza dia manaporofo fa izao rehetra izao dia asan’ny Mpamorona mahery sy hendry iray, fa tsy avy amin’ny kisendrasendra. Mbola vao mainka manamarina kokoa ihany io fanjohian-kevitra nataon’i Paoly io amin’izao andro izao. — Apokalypsy 4:11; 10:6.
12, 13. Amin’izao androntsika izao, fanambarana inona avy no manamafy ny hevitr’i Paoly?
12 Tsy ela izay, tao amin’ny bokiny hoe Eo afovoan’ireo zavatra midadasika (anglisy) dia nilazalaza ny maha-be kojakojany tsy misy toy izany ireo karazam-piainana tsotra indrindra eto an-tany Atoa Bernard Lovell, astronoma britanika. Resahiny ao koa ny raharaha ny amin’ny hahafantarana raha azo inoana ny fipoirany avy amin’ny kisendrasendra. Izao no fanatsoahan-keviny: “Tena sarotra inoana ny mety hisian’ny fisehoan-javatra araka ny kisendrasendra miafara amin’ny fiforonan’ny môlekiolana ‘protéine’ kely indrindra. Raha ny marina, ao anatin’ny faritry ny fotoana sy ny toerana mitana ny saintsika, dia tsy misy mihitsy izany.”
13 Tetsy an-daniny koa, ireo astronoma dia nandinika ny fiandohan’izao rehetra izao midadasika misy antsika tamin’ny alalan’ny fitaovana elektirônika. Inona no hitan’izy ireo? Izao no lazain’i Robert Jastrow amintsika ao amin’ny bokiny hoe Andriamanitra sy ireo astrônôma (anglisy): “Ankehitriny, ny fahalalantsika momba ny astrônômia dia mitovy amin’ny fiheverana araka ny Baiboly momba ny niandohan’izao tontolo izao.” “Mihevitra ny tenany ho manonofy ratsy ny mpahay siansa mino ny herin’ny saina. Rehefa avy nianika tendrombohi-tsy fahalalana izy dia mitady ho tonga eo amin’ny tampony indrindra. Ary rehefa miakatra eo amin’ny vatolampy farany izy, inona no hitany? Andiana teolojiana [mpanohana ny famoronana] miandry eo hatramin’ny taonjato maro.” — Jereo Salamo 19:1.
14. Fanjohian-kevitra mirindra inona moa no manamafy ny fanambaran’i Paoly hoe tsy monina ao amin’ny tempoly nataon’olombelona Andriamanitra?
14 Tsapantsika àry ny fahamarinan’ny tenin’i Paoly voasoratra ao amin’ny Asan’ny apostoly 17:24, dia teny mitarika antsika ho amin’ny dingana vaovao voatantara eo amin’ny andininy faha-25. Azo antoka fa lehibe kokoa noho izao rehetra izao hita maso ilay Andriamanitra tsitoha izay nanao “izao tontolo izao sy ny eo aminy rehetra” (Hebreo 3:4). Tsy ho fahendrena àry ny hieritreretana fa azo ahiboka ao anaty tempoly izy, indrindra fa ireo tempoly natsangan’olona miaiky fa ‘tsy fantany’ izy. Fanaporofoan-kevitra nahery tokoa no nalefan’i Paoly ho an’ireo filozofa ateniana izay, tamin’izay fotoana izay, dia angamba nibanjina ireo tempoly maro teny amin’ny toerana avo nanodidina! — 1 Mpanjaka 8:27; Isaia 66:1.
15. a) Nahoana no nieritreritra an’i Athéna angamba ireo mpihaino an’i Paoly? b) Fanatsoahan-kevitra inona moa no tokony hatao avy amin’ny hoe Andriamanitra no Ilay manome?
15 Azo inoana fa ireo mpihaino an’i Paoly dia nanolotra fanompoam-pivavahana ho an’ny anankiray amin’ireo tsangambaton’ny Acropole natao ho an’i Athéna, andriamani-bavy mpiaro ny tanàna. Vita tamin’ny volamena sy ny ivoara ny tsangambaton’i Athéna tao amin’ny Parthénon. Avy eny amin’ireo sambo mandehandeha eny amin’ny manodidina, dia nety ho hita ny tsangambaton’i Athéna hafa iray eo amin’ny roapolo metatra ny haavony. Afa-tsy izany koa, dia voalazan’ny lovantsofina fa nianjera avy any an-danitra ny sampy iray antsoina hoe Athéna Polias; nitondrana akanjo vaovao vita an-tanana tsy tapaka izy io. Kanefa, raha ilay Andriamanitra avo indrindra no Andriamanitra tsy fantatr’ireo olona ireo, moa ve izy nila zavatra hita maso azon’izy ireo nentina ho azy? Moa ve tsy izy kosa aza no manome antsika izay ilaintsika: ny “aina”, ny “fofon-aina” mitana izany mbamin’ny “zavatra rehetra”, anisan’izany ny masoandro, ny ranonorana sy ny tany mahavokatra izay manome ny sakafo hanintsika (Asan’ny apostoly 14:15-17; Matio 5:45)? Izy no manome, ary ny olona no mandray. Azo antoka anefa fa tsy miankina amin’ireo mandray ilay manome.
Ny rehetra avy amin’ny olona iray ihany
16. Inona moa no nolazain’i Paoly ny amin’ny fiandohan’ny olombelona?
16 Manaraka izany, ao amin’ny Asan’ny apostoly 17:26 i Paoly dia manambara fahamarinana izay tokony hoeritreretin’ny olona maro, indrindra fa amin’ny fotoana iainantsika anjakan’ny tsy rariny lehibe ara-pirazanana. “Avy amin’ny iray ihany”, hoy izy, no namoronan’ny Mpamorona ‘ny firenena rehetra izay namponeniny ambonin’ny tany rehetra’. Ny hevitra hoe mahaforona fianakaviana iray ihany ny taranak’olombelona, sy ny mety ho vokatr’izany eo amin’ny hevitra ny amin’ny rariny, dia tokony hitarika ny Ateniana hieritreritra. Nihevitra tokoa izy ireo fa nanana fiaviana manokana izay nahatonga azy ho hafa noho ny olombelona rehetra. Paoly kosa dia nino ny fitantarana ao amin’ny Genesisy ilazana fa Adama, lehilahy voalohany, no raintsika rehetra (Romana 5:12; 1 Korintiana 15:45-49). Nefa manontany tena angamba ianao raha mbola azo atao ihany ny manohana io fanazavana io amin’izao andron’ny siansa iainantsika izao.
17. a) Filazana vao haingana inona moa no nanamarina ny hevitr’i Paoly? b) Inona moa no ifandraisan’izany amin’ny rariny?
17 Ampahafantarin’ny tsangan-kevitra momba ny evaolisiona fa any amin’ny toerana maro amin’ny gilaoby dia misy olona nivoatra miandalana, ary izany dia amin’ny endriny isan-karazany. Teo am-piandohan’ny taona lasa anefa, ilay gazety mivoaka isan-kerinandro atao hoe Newsweek dia nanokana ny fizarana ara-tsiansa aminy tamin’ny foto-dresaka hoe: “Eo am-pikarohana an’i Adama sy Eva.” Namoaka fahitan-javatra vao haingana teo amin’ny lafin’ny fandovan-toetra io lahatsoratra io. Araka ny azo nantenaina, dia tsy nifanaraka daholo akory ny manam-pahaizana manokana rehetra; niharihary tamin’io lahatsoratra io anefa fa, eo amin’ny lafin’ny fandovan-toetra, dia iray ihany ny razambentsika rehetra. Koa satria, araka ny nolazain’ny Baiboly efa ela be izay, isika rehetra dia mpirahalahy avokoa, moa ve isika rehetra tsy tokony ho afaka hahita ny rariny daholo? Moa ve isika rehetra tsy tokony hanana zo hoentina amin’ny fomba tsy miangatra na toy inona na toy inona volon-kodintsika, toetry ny volontsika, eny, izay rehetra mahaforona ny fisehoantsika ivelany (Genesisy 11:1; Asan’ny apostoly 10:34, 35)? Mbola eo ihany anefa izao fanontaniana izao: Rahoviana moa ny olona no ho afaka hiaina ao anatin’ny rariny, ary amin’ny fomba ahoana no hanorenana izany rariny izany?
18. zava-nitranga ara-tantara inona no manamafy izay nolazain’i Paoly momba ny fifandraisan’Andriamanitra amin’ny olona?
18 Asehon’ny Paoly eo amin’ny andininy faha-26 fa araka ny fandrindran-kevitra ny hiheverana fa manana fikasana ara-drariny ho an’ny olombelona ny Mpamorona; izany no atao hoe sitrapony. Fantatr’ilay apostoly fa rehefa nifampiraharaha tamin’ny firenen’Isiraely Andriamanitra, dia noferany, toy ny tamin’ny alalan’ny didy, ny toerana tokony honenany sy ny fomba azon’ny firenena hafa nitondrana azy (Eksodosy 23:31, 32; Nomery 34:1-12; Deoteronomia 32:49-52). Rehefa nandre ireo teny ireo ny Grika dia nieritreritra tamim-pireharehana ny fiainany tamin’ny lasa angamba; ary raha ny marina, na fantatr’izy ireo izany na tsia, Jehovah Andriamanitra dia nanambara ara-paminaniana ny sitrapony ny amin’ny fotoana, ny fotoana hentitra eo amin’ny Tantara, hahatongavan’i Grisia ho Herim-panjakana Fahadimy (Daniela 7:6; 8:5-8, 21; 11:2, 3). Koa satria izy no Ilay miasa na dia eo amin’ireo firenena aza, moa ve tsy ara-dalàna ny haniriantsika hahafantatra azy?
19. Nahoana moa no mifanaraka amin’ny rariny ny hevitra nambaran’i Paoly ao amin’ny Asan’ny apostoly 17:27?
19 Tsy namela antsika ho ao anatin’ny tsy fahalalana Andriamanitra, toy ny hoe tokony hitsapatsapa hitady azy isika; nataony izay hahafahan’ny Ateniana sy ny tenantsika koa hahafantatra azy. Izao no hosoratan’i Paoly atỳ aoriana ao amin’ny Romana 1:20: “Ny fombany [Andriamanitra] tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny mah’Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin’ny zavatra nataony.” Noho izany, dia tsy lavitra antsika akory Andriamanitra; ny tokony hataontsika dia ny haniry hahita azy, ny haniry hianatra hahafantatra azy. — Asan’ny apostoly 17:27.
20. Amin’ny heviny ahoana moa no marina fa amin’ny alalan’Andriamanitra no “ivelomantsika sy ihetsehantsika ary iainantsika?
20 Araka ny ampahafantarin’ny Asan’ny apostoly 17:28, dia ny fankasitrahana no tokony hanosika antsika hitady an’Andriamanitra. Moa ve tsy nanome antsika ny fiainana izy? Ary tsy fiainana tsotsotra tahaka ny an’ny hazo. Ny olombelona sy ny ankamaroan’ny biby tokoa dia manana fahaizana ambony, ny fahaiza-mihetsika. Tsy mahafaly antsika ve izany? Lasa lavitra kokoa ihany i Paoly: tsy vitan’ny hoe misy isika, fa fisiana manan-tsaina, manana ny maha-isika antsika isika. Ny atidoha nomen’Andriamanitra antsika dia mahatonga antsika ho afaka hisaina, hahazo hevitra voavaka an-tsaina fotsiny, tahaka ny tena rariny, ka hanantena ny fahatanterahan’ny sitrapon’Andriamanitra. Araka ny azo alaina sary an-tsaina, dia tsy maintsy ho tsapan’i Paoly fa ho sarotra amin’ny epikoreana sy ny stoisiana ny hanaiky ireo teny ireo. Koa, mba hanampiana azy ireo amin’izany, dia naka tenin’ny poeta grika fantatr’izy ireo sy nohajainy izy, satria nilaza hevitra sahala amin’izany ireny poeta ireny araka izao: “Fa terany koa isika.”
21. Tokony hanosika antsika hanao inona moa ny maha-anisan’ny terak’Andriamanitra antsika?
21 Ireo izay manaiky fa teraka, zavatra noforonin’ilay Andriamanitra Avo Indrindra, ny olombelona, dia tokony hitodika any aminy mba hitarihany azy ireo eo amin’ny fiainany. Afaka mankasitraka ny fahasahian’i Paoly isika: raha mbola tsy lavitra ny Acropole izy, dia nanambara tamin-kerim-po fa azo antoka ho lehibe kokoa noho izay rehetra mety ho tsangambato namboarin’ny olona, na dia ilay tsangambato volamena sy ivoara nandravaka ny Parthénon aza, ny Mpamorona antsika. Izay rehetra anisantsika ka manaiky ireo tenin’i Paoly ireo dia tokony hiaiky koa fa Andriamanitra akory tsy sahala amin’ireo sampy tsy manana aina ivavahan’ny olona maro amin’izao androntsika izao. — Isaia 40:18-26.
22. Inona moa no fifandraisana misy eo amin’ny fibebahana sy ny fitadiavantsika ny rariny?
22 Tsy tokony hianina amin’ny fanekena an’io fanaporofoan-kevitra io anefa isika sady hanohy hiaina toy ny teo aloha; izany no asehon’i Paoly mazava eo amin’ny andininy faha-30: “Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron’ny tsi-fahalalana [nieritreretana fa sahala amin’ny sampy tsy manan-kery Andriamanitra na manaiky ny hivavahana aminy amin’ny alalan’ny sampy]; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin’izao tontolo izao hibebaka.” Araka izany, raha mbola nandroso ho amin’ny fanatsoahan-kevitra manamarina i Paoly, dia nampiditra foto-pisainana manaitra: ny fibebahana. Koa raha mitodika any amin’Andriamanitra isika mba hahita ny tena rariny, dia ilaintsika ny mibebaka. Mitaky inona amintsika izany? Ary amin’ny fomba ahoana no hanorenan’Andriamanitra ny rariny ho an’ny rehetra?
[Fanamarihana ambany pejy]
a Sahala amin’ny maro amin’ny mpiara-belona amintsika, Huxley dia nanamarika ny tsy rariny ataon’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Tao amin’ny filazana amin’ny ambangovangony nataony momba ny “agnosticisme”, dia izao no nosoratany: “Raha afaka mahita (...) ny riakam-pihatsarambelatsihy sy halozana, ny lainga, ny vonoana olona, ny tsy fiantrana avy amin’io loharano io tamin’ny fotoana rehetra nisian’ny tantaran’ireo firenena kristiana isika, izay mety hoheverintsika fa ratsy indrindra raha ny amin’ny afobe, dia hatsatso tokoa raha oharina amin’izany fahitana izany.”
Ahoana no havalinao?
◻ Toe-javatra ara-pivavahana nanao ahoana moa no hitan’i Paoly tany Atena, ary tarehin-javatra inona sahala amin’izany no misy amin’izao andro izao?
◻ Amin’ny lafiny inona avy moa Andriamanitra no lehibe kokoa noho ny andriamanitra sandoka rehetra nivavahana tany Atena tamin’ny andron’i Paoly?
◻ Toe-javatra tena lehibe inona, mahakasika ny fomba namoronan’Andriamanitra ny taranak’olombelona moa no tokony hiantoka ny rariny ho an’ny rehetra?
◻ Inona moa no tokony ho vokatry ny fahalehibeazan’Andriamanitra eo amin’ny olombelona?
[Efajoro, pejy 6]
Ny rariny ho an’ny rehetra — Asan’ny apostoly, toko faha-17
“16 Ary raha niandry azy tany Atena Paoly, dia taitra tao anatiny ny fanahiny, raha nahita ny tanàna feno sampy izy. 17 Ary izy niady hevitra tamin’ny Jiosy sy ny proselyta tao amin’ny synagoga sy tamin’izay tafavory tany an-tsena isan-andro.
18 Ary ny olon-kendry sasany tamin’ny Epikoreana sy ny Stoika nanohitra azy koa, ka hoy ny sasany: Inona no tian’io mpibedibedy io holazaina? Ary kosa ny sasany: Toa mitory andriamani-baovao izy, satria Jesosy sy ny fitsanganan’ny maty no notoriny. 19 Ary ireo naka azy, dia nitondra azy ho any Areopago ka nanao hoe: Moa mba mahazo mahafantatra izany fampianarana vaovao lazainao izany izahay? 20 Fa mampandre ny sofinay zavatra hafahafa izay tsy fantatray hianao; koa tianay ho fantatra izay hevitr’izany zavatra izany. (21 Fa ny Ateniana rehetra sy ny vahiny izay nitoetra teo tsy nandany ny androny tamin’ny zavatra hafa, afa-tsy ny hilaza na hihaino zava-baovao.)
22 Ary Paoly nitsangana teo afovoan’i Areopago ka nanao hoe: Ry lehilahy Ateniana, hitako fa amin’ny zavatra rehetra dia fatra-pivavaka amin’ny andriamanitrareo indrindra hianareo. 23 Fa raha nandeha aho ka nandinika izay zavatra ivavahanareo, dia nahita alitara anankiray misy izao soratra izao: HO AN’IZAY ANDRIAMANITRA TSY FANTATRA. Koa izay ivavahanareo, kanefa tsy fantatrareo, dia izany no toriko aminareo, 24 dia Andriamanitra Izay nanao izao tontolo izao sy ny eo aminy rehetra, Izy no Tompon’ny lanitra sy ny tany ka tsy mba mitoetra ao anaty tempoly nataon-tànana, 25 sady tsy mba tompoin’ny tànan’olona toa mila zavatra, fa Izy ihany no manome izao rehetra izao aina sy fofon-aina ary ny zavatra rehetra; 26 ary ny firenena rehetra avy amin’ny iray ihany dia namponeniny ambonin’ny tany rehetra, ary efa notendreny ny fotoan’andro sy ny faritry ny fonenany, 27 mba hitady an’Andriamanitra izy, raha tàhiny hahatsapa ka hahita Azy, kanefa tsy mba lavitra antsika rehetra Izy; 28 fa Izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary iainantsika; araka ny nataon’ny mpanao tonon-kira sasany teo aminareo hoe: ‘Fa terany koa isika.’ 29 Ary satria terak’Andriamanitra isika, dia tsy mety raha ny fomban’Andriamanitra no ataontsika ho tahaka ny volamena, na volafotsy, na vato voasoratry ny fahaizana aman-tsain’olombelona. 30 Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron’ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin’izao tontolo izao hibebaka, 31 satria Izy nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin’ny fahamarinana amin’ny alalan’ny Lehilahy iray voatendriny, koa efa nanome vavolombelona hampino ny olona rehetra izany Izy tamin’ny nananganany Azy tamin’ny maty.”
[Efajoro, pejy 7]
Noforonina izao rehetra izao
Tamin’ny 1980, John O’Keefe, izay miasa ao amin’ny NASA (Agence aéronautique et spatiale américaine), dia nanambara toy izao: “Ekeko ny voalazan’i Jastrow hoe ny astronomia amin’ny andro ankehitriny dia nahita porofo mafy orina fa noforonina izao rehetra izao, dimy ambin’ny folo na roapolo lavitrisa taona lasa izay.” “Mampihetsi-po ahy ny mahatsapa fa ireo porofo manohana ny famoronana (...) dia miharihary hatraiza hatraiza: ny vatolampy, ny lanitra, ny onja hertsiana sy ireo lalàna fototra indrindra amin’ny fizika.”
[Efajoro, pejy 9]
“Eo am-pikarohana an’i Adama sy Eva”
Izao no azo vakina, ankoatra ny zavatra hafa, eo ambanin’io lohateny io ao amin’ny gazety mivoaka isan-kerinandro hoe Newsweek: “Izao no nolazain’i Richard Leakey, arkeology hatramin’ny ela be, tamin’ny 1977: ‘Tsy niseho tao amin’ny toerana iray monja ny olombelona araka ny maha-izy azy amin’izao andro izao.’ Na dia izany aza, ireo manam-pahaizana momba ny fandovan-toetra ankehitriny dia mirona hijery ny zavatra amin’ny fomba hafa (...). ‘Raha marina ny voalazany, ary matoky mafy ny amin’izany aho, dia zava-dehibe tokoa ny fanatsoahan-kevitr’izy ireo’, hoy Stephen Gould, mpanoratra hevitra amin’ny ambangovangony sady paleontolojista ao amin’ny Oniversite Harvard. ‘Ampahafantariny antsika fa, na inona na inona tsy fitoviany ivelany, dia manana ny maha-izy azy itoviana ny olombelona rehetra, niseho tsy ela teo amin’ny toerana manokana iray. Misy karazam-pihavanana biolojika hentitra lavitra noho izay niheverantsika azy àry.’ ” — 11 janoary 1988.