Ny rariny ho an’ny rehetra noho ilay Mpitsara voatendrin’Andriamanitra
“Fa ny Ray tia ny Zanaka ka (...) ny fitsarana rehetra dia nomeny ny Zanaka.” — JAONA 5:20, 22.
1. Sahala amin’ny olona sasany tamin’ny taonjato I, fanontaniana inona avy moa no tokony hoeritreretinao?
HEVERINAO ho zava-dehibe ve ny rariny? Ho tonga hatraiza ianao mba hahazoana antoka fa hahita ny tena rariny ary mba ho eo mihitsy aza rehefa hanjaka amin’ny tany manontolo izany? Adidinao ny mieritreritra ireo fanontaniana ireo, araka ny nataon’olona, lehilahy sy vehivavy nanan-daza tany Atena.
2, 3. a) Teo am-pifaranan’ny famakafakana inona moa no nananaran’i Paoly ireo mpihaino azy ateniana hibebaka? b) Nahoana moa ny fibebahana no hevitra nanaitra ny mpihaino an’i Paoly?
2 Nihaino lahateny nanan-tantara nataon’i Paoly teo anoloan’ny fitsarana nalaza atao hoe Areopago izy ireo. Nataon’io apostolin’i Kristy io aloha izay hieritreretan’izy ireny ny amin’ny fisian’ny Andriamanitra tokana, ny Mpamorona, loharanon’ny aintsika rehetra. Nitarika ho amin’izao fanatsoahan-kevitra mirindra izao izany famakafakana izany: ananan’io Andriamanitra io trosa isika. Izao no nambaran’i Paoly rehefa tonga teo amin’io dingana tamin’ny famelabelarany io izy: “Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron’ny tsi-fahalalana [nitarika ho amin’ny fivavahana amin’ny sampy, ohatra]; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin’izao tontolo izao hibebaka.” — Asan’ny apostoly 17:30.
3 Ny fibebahana. Hevitra nahagaga tanteraka ny mpihaino an’i Paoly izany. Tamin’ny Grika fahizay tokoa, ny hoe mibebaka dia ny mahatsiaro alahelo mafy noho ny zavatra natao na ny teny nanenenana. Araka ny voalazan’ny firaketana iray anefa, ny fibebahana dia tsy nampahatsiahy “mihitsy fiovana feno tao amin’ny fiheverana ny fiainana ara-pitondrantena, fiovan-dalana tanteraka, fiovana mahakasika ny fitondrantena amin’ny ankapobeny”.
4. Inona moa no fanjohian-kevitra nirindra nanamafy ny fanambarana nataon’i Paoly ny amin’ny fibebahana?
4 Takatsika rehetra anefa hoe nahoana no mety ny mibebaka lalina toy izany. Aoka harahintsika ny famakafakana nataon’i Paoly: Koa satria avy amin’Andriamanitra ny ain’ny olombelona rehetra, dia tsy maintsy ampamoahina eo anatrehany ny rehetra; rariny àry ny hanampoizan’ny Mpamorona ny hitadiavan’ny olona hahafantatra azy. Raha tsy fantatry ny Ateniana ny fitsipiny sy ny sitrapony, dia tokony hamantatra izany izy ireo, hibebaka ary hampifanaraka ny fiainany amin’izany, na toy inona na toy inona fiezahana takin’izany. Izany no asehon’i Paoly antsika ao amin’ny famaranan-teniny mahery: “Satria Izy efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin’ny fahamarinana amin’ny alalan’ny Lehilahy iray voatendriny, koa efa nanome vavolombelona hampino ny olona rehetra izany Izy tamin’ny nananganany Azy tamin’ny maty.” — Asan’ny apostoly 17:31.
5. Inona moa no vokatry ny lahatenin’i Paoly teo amin’ny mpihaino azy, ary nahoana?
5 Mendrika ny hodinihina amim-pitandremana io andininy io, lalina sy mampiaiky aoka izany, satria manome fanantenana fa hanjaka tsy ho ela eto an-tany ny rariny tanteraka. Mariho ireto fitenenana ireto: “nanendry andro iray”; “hitsarany izao tontolo izao [tsy maintsy hitsara ny tany onenana izy, MN ]”; “amin’ny fahamarinana”; “amin’ny alalan’ny Lehilahy iray voatendriny”; “nanome vavolombelona [antoka, MN ]”; “tamin’ny nananganany Azy tamin’ny maty.” Ireo teny farany ireo, “tamin’ny nananganany Azy tamin’ny maty”, dia nanaitra ny sain’ireo mpihaino an’i Paoly. Naneso azy ny sasany, hoy ny lazain’ny Asa 17 andininy faha-32 ka hatramin’ny 34 amintsika, nisy hafa koa tsy liana intsony tamin’ny dinidinika; ny sasany anefa nino ka nibebaka. Isika kosa, raha mangetaheta ny tena rariny isika, dia aoka isika hampiseho fahendrena kokoa noho ny ankamaroan’ireny Ateniana ireny; zava-dehibe tokoa ho antsika izany. Mba hahazoana tsara ny hevitry ny Asa 17 andininy faha-31, dia aoka hodinihintsika aloha ireto teny ireto: “Tsy maintsy hitsara ny tany onenana izy.” Manondro an’iza moa io “Izy” io? Fitsipika inona avy no ekeny, indrindra fa raha ny amin’ny rariny?
6. Inona moa no manome fanazavana ho antsika ny amin’Ilay nanendry andro iray mba hitsarana ny tany?
6 Asehon’ny Asan’ny apostoly 17:30 antsika hoe iza no noresahin’i Paoly: ilay Andriamanitra marina, Ilay nanome antsika ny aina, ny Mpamorona antsika, izay manambara amin’ny olombelona rehetra fa tokony hibebaka izy ireo. Manome antsika fanazavana maro ny aminy ny asan’Andriamanitra, fa velabelarina amin’ny fomba mazava dia mazava ao amin’ny Baiboly kosa ireo fitsipi-pahamarinany; hazavain’io boky io hoe nanao ahoana ny fifandraisany tamin’ny olona tahaka an’i Mosesy, ary ambarany ireo lalàna nomeny ny Isiraely fahizay.
Karazam-pitsarana sy rariny inona?
7. Inona moa no fanambarana nataon’i Mosesy ny amin’ny fahamarinan’i Jehovah?
7 Azo inoana fa fantatrao fa, nandritra ny am-polony taona maro, i Mosesy dia nanana fifandraisana akaiky tamin’i Jehovah, akaiky aoka izany, hany ka afaka nilaza Andriamanitra hoe niresaka tamin’i Mosesy ‘nifanatrika’ izy. (Nomery 12:8.) Fantatr’i Mosesy ny hoe ahoana no nataon’i Jehovah taminy, tamin’ny olona hafa sy ireo firenena. Teo amin’ny faramparan’ny andro niainany, dia nomeny izao filazalazana manome toky ny amin’Andriamanitra izao: “Ny amin’ny Vatolampy, tanteraka ny asany; fa ny làlany rehetra dia amin’ny rariny avokoa. Andriamanitra mahatoky Izy, ka tsy misy ratsy ao aminy; marina sy mahitsy Izy.” — Deoteronomia 32:4.
8. Nahoana moa isika no tokony hihevitra izay nolazain’i Eliho momba ny rariny?
8 Aoka hojerentsika koa ny fanambarana nataon’i Eliho. Io lehilahy io, fantatra noho ny fahendreny sy ny fahiratan-tsainy, dia tsy dodona ny hanao fanatsoahan-kevitra; naharitra herinandro mahery kosa izy nihainoana fiadian-kevitra tsy nety tapitra. Nahatonga ho afaka hanatsoaka hevitra hoe ahoana moa ny fanandraman-javatra efa hitany sy ny fandalinany ny lalan’Andriamanitra? Izao no nambarany: “Koa amin’izany mihainoa ahy, hianareo manam-panahy: Lavitra an’Andriamanitra ny hanao ratsy! Ary lavitra ny Tsitoha ny hanao meloka! Fa ny nataon’ny olona ihany no ampanodiaviny azy, ka mamaly ny olona rehetra araka ny làlany avy Izy. Eny tokoa, Andriamanitra tsy manao ratsy mihitsy, ary ny Tsitoha tsy mba mamadika ny rariny.” — Joba 34:10-12.
9, 10. Nahoana moa no mampahery ireo fepetra takin’Andriamanitra amin’ny mpitsara olombelona (Levitikosy 19:15)?
9 Moa ve tsy izany no antenaintsika avy amin’ny mpitsara iray, ny hitondrany ny tsirairay avy araka ny ataony, tsy misy fizahan-tavan’olona, tsy misy familiana ny rariny? Tsy hahazo toky ve isika raha tonga eo anatrehan’ny mpitsara olombelona iray manana ireo toetra ireo?
10 Milaza an’i Jehovah ho “Mpitsara ny tany rehetra” ny Baiboly. (Genesisy 18:25.) Nampiasa mpitsara olombelona anefa izy indraindray. Inona, ohatra, no nantenainy avy tamin’ireo mpitsara isiraelita nisolo tena azy? Deoteronomia 16:19, 20, izay ahitana toromarik’Andriamanitra milazalaza ny anjara asan’ireny mpitsara ireny, dia milaza izany amintsika toy izao: “Aza manao fitsarana miangatra, aza mizaha tavan’olona, ary aza mandray kolikoly; fa ny kolikoly mahajamba ny mason’ny hendry ary mamadika ny tenin’ny marina. Ny marina dia marina no harahinao, mba ho velona hianao.” Raha sarim-behivavy voatampi-maso no ampisehoan’ireo tsangambato mampiseho ny rariny izany, hilazana fa antenaina ny tsy hizahany tavan’olona, Andriamanitra kosa dia mbola lasa lavitra kokoa ihany. Notakiny mihitsy tamin’ireo mpitsara olombelona tokony hisolo tena azy sy hampanoa ireo lalàny ny hanehoan’izy ireny tsy fizahan-tavan’olona.
11. Inona no fanatsoahan-kevitra azontsika atao avy amin’ireo fanazavana ao amin’ny Baiboly momba ny rariny?
11 Ireny fanazavana ny amin’ny fomba iheveran’Andriamanitra ny rariny ireny no fototry ny famaranan-teny tamin’ny lahatenin’i Paoly izay, ao amin’ny Asan’ny apostoly 17:31, dia nanambara fa “nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin’ny fahamarinana” Andriamanitra. Ny fahamarinana sy ny tsy fizahan-tavan’olona, izany indrindra no azontsika antenaina avy amin’Andriamanitra. Mety ho velom-panahiana ny olona sasany satria, araka ny Asa 17 andininy faha-31, dia hampiasa “Lehilahy iray” Andriamanitra mba hitsara ny olombelona rehetra. Iza moa io lehilahy io? Azontsika antoka ve fa hampanaja ireo fitsipi-pahamarinana ambony noferan’Andriamanitra izy?
12, 13. Ahoana no ahafantarantsika hoe “Lehilahy” iza no hampiasain’Andriamanitra mba hanao fitsarana?
12 Mampahatsiahy antsika ny Asan’ny apostoly 17:18 (MN ) fa nanambara “ny vaovao tsara ny amin’i Jesosy sy ny fananganana amin’ny maty i Paoly. Noho izany, teo am-pifaranan’ny lahateniny, dia fantatr’ireo mpihaino azy fa Jesosy Kristy no noresahiny rehefa nilaza izy fa tsy maintsy ‘hitsara ny tany onenana amin’ny fahamarinana Andriamanitra, amin’ny alalan’ny lehilahy iray notendreny, ka nanome antoka ho an’ny rehetra tamin’ny nananganany azy tamin’ny maty’.
13 Fantatr’i Jesosy fa notendren’Andriamanitra ho mpitsara izy, mpitsara izay nanaraka ireo fitsipik’Andriamanitra. Izao no lazainy ao amin’ny Jaona 5:22: “Fa ny Ray aza tsy mitsara olona, fa ny fitsarana rehetra dia nomeny ny Zanaka.” Rehefa avy nanambara ny fitsanganan’ireo izay ao amin’ny fasana fahatsiarovana i Jesosy, dia hoy ny teny nanampiny: “Raha Izaho ihany, dia tsy mahay manao na inona na inona; araka izay reko no itsarako; ary marina ny fitsarako; fa tsy mitady ny sitrapoko Aho, fa ny sitrapon’Izay naniraka Ahy.” — Jaona 5:30; Salamo 72:2-7.
14. Karazam-pitsarana inona no azontsika antenaina fa horaisina avy amin’i Jesosy?
14 Izany dia mifanaraka tanteraka amin’ny Asan’ny apostoly 17:31 (MN ), anomezan’i Paoly toky fa tsy maintsy “hitsara ny tany onenana amin’ny fahamarinana” ny Zanaka. Tsy milaza velively fitsarana henjana, tsy milefitra, mampiseho hamafiam-po, akory io fanambarana io. Mifanohitra amin’izany, ny fitsarana mifanaraka amin’ny rariny dia tokony hohalefahina amin’ny famindrampo sy ny fahatakarana ny fihevitry ny hafa. Afa-tsy izany koa, dia aoka tsy hohadinointsika fa na dia any an-danitra aza i Jesosy izao, dia olombelona izy taloha. Afaka ny hiseho hahay hipetraka eo amin’ny toerantsika àry izy. Nanisy fitenenana ny amin’izany i Paoly ao amin’ny Hebreo 4:15, 16, raha niresaka ny amin’i Jesosy mpisoronabe.
15. Amin’ny ahoana moa i Jesosy no hafa noho ireo mpitsara olombelona?
15 Rehefa mamaky ny Hebreo 4:15, 16, isika, moa ve tsy mahazo hery isika manana an’i Jesosy ho mpitsara? Izao no voasoratra ao: “Fa isika tsy manana mpisoronabe [sady mpitsara] izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika, fa Izay efa nalaim-panahy tamin’ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota. Koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin’izay andro mahory.” Amin’izao androntsika izao, dia tsy manome toky loatra izany hoe miseho eo anatrehan’ny fitsarana; amin’ny mpitsara tahaka an’i Kristy kosa anefa, dia afaka ‘manatona amin’ny fahasahiana isika, mba hahazoana famindrampo, fahasoavana sy famonjena amin’izay andro mahory [fotoana mety, MN ]’. Ny amin’izany fotoana mety izany, dia mety hanontany tena ara-drariny toy izao isika: ‘Rahoviana Jesosy no hitsara ny olombelona araka ny rariny?’
“Andro iray” mba hitsarana — Rahoviana?
16, 17. Ahoana no ahafantarantsika fa, avy any an-danitra, dia eo am-panaovana asa fitsarana i Jesosy?
16 Aoka hotadidiantsika ny fitenenana nampiasain’i Paoly: “Nanendry andro iray” Andriamanitra mba hitsarana izao tontolo izao amin’ny alalan’ilay Mpitsara voatendriny. Ho fitsinjovana izany “andro” fitsarana izany, dieny izao i Jesosy dia manao asa fitsarana lehibe. Nahoana no afaka milaza izany isika? Fotoana fohy talohan’ny hisamborana azy, rehefa nampangaina lainga sy nomelohina ho faty tsy ara-drariny i Jesosy, dia nanome faminaniana mahakasika ny androntsika izy. Hitantsika ny filazana izany ao amin’ny Matio toko faha-24, izay ilazalazan’i Jesosy ireo fisehoan-javatra maneran-tany tokony hanamarika ny fotoana antsoina hoe “fifaranan’ny fandehan-javatra”. Ny ady, ny mosary, ny horohorontany sy ny loza hafa mamely ny tany nanomboka tamin’ny Ady Lehibe Voalohany dia manaporofo fa eo am-pahatanterahany ny faminanian’i Jesosy ka tsy ho ela dia “ho tonga ny farany”. (Matio 24:3-14.) Hatramin’ny am-polony taona maro ny Vavolombelon’i Jehovah no manome ireo fanazavana araka ny Baiboly ireo. Raha irinao ny hahazo fanazavana misimisy kokoa manaporofo fa tena miaina amin’ny andro faran’ny fandehan-javatra tsy marina ankehitriny tokoa isika, dia ampy ny manatona Vavolombelon’i Jehovah iray.
17 Aoka hodinihintsika izao ny tapany faharoa amin’ny Matio toko faha-25. Mbola eo amin’ny faminanian’i Jesosy momba ny andro farany ihany isika. Tanteraka amin’izao androntsika izao izay azo vakina ao amin’ny Matio 25:31, 32, manao hoe: “Ary raha tonga ny Zanak’olona amin’ny voninahiny, arahin’ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny [any an-danitra] Izy; ary ny firenena rehetra hangonina eo anatrehany, dia hanavaka azy Izy, tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy.” Aoka hojerentsika izay lazain’i Jesosy ho famaranana, momba io asa fanavahana io, io fitsarana io. Izao no vakintsika eo amin’ny Mt 25 andininy faha-46 (MN ): “Ary ireo [ny olona nalahatra ho anisan’ny ‘osy’] ho any amin’ny fanesorana mandrakizay, fa ny marina [‘ny ondry’], ho any amin’ny fiainana mandrakizay.”
18. Hiafara amin’inona ny fitsarana atao?
18 Miaina amin’ny fotoana fanapahan-javatra, amin’ny fotoam-pitsarana, àry isika izao. Ireo olona izay ‘mitady an’Andriamanitra ka mahita azy tokoa’ dia hotsaraina fa mendrika ny ho anisan’ny “ondry”; hanana fahafahana ho tafita velona amin’ny fandehan-javatra ankehitriny izy ireny ka hiditra ao amin’izao tontolo izao vaovao nampanantenain’Andriamanitra. Amin’izay no ho tanteraka ny teny hita ao amin’ny 2 Petera 3:13 manao hoe: “Kanefa isika, araka ny teny fikasany, dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran’ny fahamarinana.” Amin’izany “andro” izany, dia ho tanteraka amin’ny fomba feno ny tenin’i Paoly voasoratra ao amin’ny Asan’ny apostoly 17:31, ary hotsaraina araka ny rariny ny tany.
19, 20. Iza no hahita ny Andro Fitsarana ho avy?
19 Ny Andro Fitsarana dia tsy hahakasika fotsiny ireo “ondry” izay ho efa notsaraina fa mendrika ny hiditra ao amin’izao tontolo izao vaovao. Taorian’ny nilazany tokoa fa napetrak’Andriamanitra taminy ny fitsarana, dia niresaka ny amin’ny fananganana ny maty mbola ho avy i Jesosy. Toy izany koa, ao amin’ny Asan’ny apostoly 10:42, dia nanambara ny apostoly Petera fa Jesosy Kristy no Ilay “voatendrin’Andriamanitra ho Mpitsara ny velona sy ny maty”.
20 Noho izany, amin’io ‘andro voatendrin’Andriamanitra’ mba ‘hitsarana ny tany onenana amin’ny fahamarinana’ amin’ny alalan’i Jesosy Kristy io, andro resahina ao amin’ny Asan’ny apostoly 17:31, dia hitsangana ny maty. Ho toy inona moa ny fifaliana hahita ny herin’Andriamanitra hiasa mba handresena ny fahafatesana, izay matetika no ny ratsy indrindra amin’ny tsy rariny! Ny olona sasany, tahaka ny tenan’i Jesosy, dia maty tsy ara-drariny noho ny nataon’ny fitondram-panjakana na tamin’ny fanafihana. Ny olon-kafa maty noho ny rivo-doza, ny horohorontany, ny hain-trano na ny loza aman’antambo hafa karazan’izany. — Mpitoriteny 9:11.
Fanonerana ny tsy rariny taloha
21. Ahoana no hanonerana ny tsy rariny taloha ao amin’izao tontolo izao vaovao?
21 Ho toy inona moa ny fifaliana hahita ireo olon-tsy fointsika efa maty, ho velona indray! Olona maro no hanana voalohany, fahafahana ‘hitady an’Andriamanitra ka hahita azy tokoa’, ka izany dia hahatonga azy ireo ho afaka hanantena ny hahazo ny “fiainana mandrakizay”, valisoan’ny “ondry”. Amin’ireo ho tafatsangana amin’ny maty, mbamin’ny sasany amin’ireo ho tafita velona amin’ny fandehan-javatra tsy marina, dia hisy ho niharam-pahavoazana noho ny loza tsapa ho tsy rariny: fahasamponana hatrany an-kibon-dreny, fahajambana, tsy fandrenesana, fahasahiranana miteny. Mety hisy ao amin’ny ‘tany vaovao hanjakan’ny fahamarinana’ ve ireo fahoriana ireo? Nampiasa an’Isaia i Jehovah mba hanambara faminaniana samihafa izay hisy fahatanterahany ara-bakiteny kanto amin’ny Andro Fitsarana. Jereo izay azontsika antenaina: “Dia hampahiratina ny mason’ny jamba, ary hampahaladina ny sofin’ny marenina. Dia hitsambikina tahaka ny diera ny mandringa, ary hihoby ny lelan’ny moana.” — Isaia 35:5, 6.
22. Inona moa no antoka mampahery tokoa omen’ny toko faha-65 amin’ny Isaia raha ny amin’ny rariny?
22 Hanao ahoana ny tsy rariny hafa izay miteraka fanaintainana lehibe. Mahita teny mahafinaritra sy mampahery isika ao amin’ny Isaia toko faha-65. Raha ampitahaina amin’ny 2 Petera 3:13 ny andininy faha-17, dia tsapa fa io toko io dia miresaka koa ny amin’ny ‘lanitra vaovao sy tany vaovao’, ny amin’ny fandehan-javatra vaovao marina. Inona anefa no hisakana ny olom-bitsy ratsy fanahy tsy hanimba ny fiadanana sy ny rariny? Eo aoriana kokoa, io toko ao amin’ny Isaia io ihany, dia manilika ny mety hisian’izany.
23. Hanao ahoana ny fiafaran’ny Andro Fitsarana ho an’ny olona sasany?
23 Mandritra ny fotoana rehetra haharetan’io Andro Fitsarana io, dia hanohy ny asany i Jesosy mba hamantarana hoe iza no mendrika ny fiainana mandrakizay. Tsy ho mendrika izany ny sasany. Rehefa ho avy nanana ny fotoana rehetra mba hitadiavana an’Andriamanitra, angamba aza nandritra ny “zato taona”, izy ireo dia hampiseho fa laviny ny fampiharana ny rariny. Tsy ho azony atao àry ny hanohy hiaina ao amin’izao tontolo izao vaovao, ary hifanaraka amin’ny rariny izany; izany no asehon’ny Isaia 65:20 (MN ), manao hoe: “Fa raha ny amin’ny mpanota, na dia efa zato taona aza izy, dia hozonina.” Ho vitsy no hoheverina toy izany fa tsy mendrika ny fiainana. Moa ve tsy heverinao fa ny tenantsika, sy olon-kafa maro hafa koa, dia ho faly hianatra sy hampihatra ny rariny? — Isaia 26:9.
24. Inona no hiafaran’ny tsy rariny ara-toe-karena?
24 Tokony horaisina avy amin’ireo teny ireo ve fa tsy hisy tsy rariny intsony mihitsy, na dia eo amin’ny lafiny ara-toe-karena aza? Izany dia izany tokoa. Mampiseho izany ny Isaia 65:21-23: “Hanao trano ny olona ka hitoetra ao; ary hanao tanimboaloboka ny olona ka hihinana ny vokatra aminy. Tsy hanao trano hitoeran’olon-kafa izy, na hamboly zavatra hohanin’olon-kafa; fa ho tahaka ny andron’ny hazo ny andron’ny oloko, ary ireo voafidiko dia hanaram-po amin’ny asan’ny tànany. Tsy hisasatra foana izy, na hitera-jaza ho tratry ny loza tampoka; fa taranak’izay notahin’i Jehovah ireo, ary ny terany ho ao aminy.” Ho toy inona moa ny fiovana raha oharina amin’izay hitantsika amin’izao andro izao! Ary fitahiana re izany!
25. Inona no andrasanao avy amin’ny rariny haorin’ilay Mpitsara voatendrin’Andriamanitra, ary tapa-kevitra ny hanao inona ianao?
25 Araka izany, izay rehetra mangetaheta ny fahamarinana, fahamarinana mandrakizay, dia afaka ny hahery: azo antoka fa hanjary zavatra tena hisy izany, ary tena tsy ho ela intsony. Aoka izy ireny hanararaotra ny fotoana kely sisa tavela amin’izao andro fitsarana izao mba hitadiavana an’Andriamanitra miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ka hahitana azy tokoa. Handray soa mandrakizay avy amin’izany izy ireo.
Famerenana
◻ Inona moa no fantatsika ny amin’ny fitsipi-pahamarinan’Andriamanitra?
◻ Inona no hataon’i Jesosy ao anatin’ny Andro Fitsarana ho avy?
◻ Inona no mampiseho fa miaina amin’ny fotoana fanapahan-javatra isika raha ny amin’ny fitsaran’Andriamanitra?
◻ Ahoana no hanonerana ny tsy rariny tamin’ny lasa ao amin’izao tontolo izao vaovao?
[Sary nahazoan-dalana, pejy 15]
Pictorial Archive (Tantaran’ny Atsinanana Akaiky)