Toy Inona ny Hamafin’ny Finoanao ny Fitsanganana Amin’ny Maty?
“Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray.” — JAONA 11:25.
1, 2. Nahoana no mila matoky ny fitsanganana amin’ny maty ny mpivavaka amin’i Jehovah?
TOY inona ny hamafin’ny fanantenanao ny fitsanganana amin’ny maty? Moa ve izy io manatanjaka anao mba tsy hatahotra ny ho faty sady mampionona anao rehefa mamoy havan-tiana noho ny fahafatesana? (Matio 10:28; 1 Tesaloniana 4:13). Moa ve ianao toy ny maro amin’ireo mpanompon’Andriamanitra fahiny izay niaritra kapoka sy fanesoana sy fampijalijaliana ary fatorana an-tranomaizina noho izy ireo nohatanjahin’ny finoana ny fitsanganana amin’ny maty? — Hebreo 11:35-38.
2 Eny, ny mpivavaka amin’i Jehovah tso-po dia tokony tsy hisalasala mihitsy fa hisy ny fitsanganana amin’ny maty, ary tokony hisy vokany eo amin’ny fomba itondrany ny fiainany ny toky ananany. Mahafinaritra ny mieritreritra hoe, amin’ny fotoana voatondron’Andriamanitra, dia hamoaka ny maty ao aminy ny ranomasina sy ny fahafatesana ary ny Hadesy, ary ireo tafatsangana amin’ny maty ireo dia hanana fahafahana hiaina mandrakizay eo amin’ny tany zary paradisa. — Apokalypsy 20:13; 21:4, 5.
Fisalasalana ny amin’ny fiainan-ko avy
3, 4. Inona no mbola inoan’ny olona maro momba ny fiainana aorian’ny fahafatesana?
3 Efa hatramin’ny ela no nampianaran’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina hoe misy fiainana aorian’ny fahafatesana. Hoy ilay gazetiboky hoe U.S. Catholic: “Nandritra ireo taonjato, ny Kristianina dia nanao izay ho afany mba hanekena sy hizakana ny fahadisoam-panantenana sy ny fahoriana eto amin’itỳ fiainana itỳ, tamin’ny fiandrandrana fiainana hafa iray hahitana fiadanana sy fahafaham-po ary fahasambarana.” Na dia nanjary tsy miraharaha fivavahana sy somary tsy matokitoky fivavahana aza ny olona any amin’ny tany maromaro amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristianina, dia maro no mbola mihevitra ihany fa tsy maintsy misy zavatra aorian’ny fahafatesana. Misy zavatra betsaka tsy azon’izy ireo antoka anefa.
4 Nanao izao fanamarihana izao ny lahatsoratra iray tao amin’ny gazetiboky Time: “Mbola mino ny [fiainana any ankoatra] ny olona; ny fahazoany izay tena hevitr’izy io fotsiny no nihamaizina kokoa, ary mihamahalana kokoa ny andrenesan’izy ireo izany avy amin’ireo pastorany.” Nahoana ireo mpitondra fivavahana no tsy miresaka firy ny amin’ny fiainana any ankoatra, toy ny fanaon’izy ireo taloha? Hoy ilay manam-pahaizana manokana momba ny fivavahana atao hoe Jeffrey Burton Russell: “Heveriko fa tsy te hikasika ilay foto-kevitra [ireo mpitondra fivavahana] satria tsapany fa ho voatery handrodana ny fisalasalan’ny olona izy ireo.”
5. Ahoana no fiheveran’ny olona maro amin’izao andro izao ny foto-pampianarana momba ny afobe?
5 Any amin’ny fiangonana maro, ny hoe fiainana any ankoatra dia mahafaoka ny lanitra sy ny afobe. Ary raha tsy te hiresaka ny amin’ny lanitra ny mpitondra fivavahana, dia vao mainka koa izy ireo tsy te hiresaka ny amin’ny afobe. Hoy ny lahatsoratra an-gazety iray: “Amin’izao andro izao, na dia ireo fiangonana mino ny fanasaziana mandrakizay any amin’ny afobe ara-bakiteny aza (...) dia manamaivana ilay fampianarana.” Marina tokoa fa ny ankamaroan’ireo teôlôjianina maoderina dia tsy mino intsony ny afobe ho toeram-pijalijaliana ara-bakiteny, araka ilay nampianarana azy tany amin’ny Moyen Âge. Aleon’izy ireo kosa karazana afobe manaja kokoa ny “maha olombelona”. Araka ny filazan’ny olona maro mpanohana hevitra maoderina, dia tsy ampijalijalina ara-bakiteny any amin’ny afobe akory ny mpanota, fa mijaly kosa izy ireo satria “tafasaraka ara-panahy amin’Andriamanitra”.
6. Ahoana no ahitan’ny olona sasany fa tsy ampy finoana izy ireo rehefa tojo fahafatesana?
6 Ny fanalefahana foto-pampianaram-piangonana mba tsy hanafintohina ny olona amin’ny andro maoderina, dia mety hanampy ny sasany mba hialana amin’ny tsy fitiavan’ny olona, saingy mahatonga mpiangona tso-po an-tapitrisany maro hisalasala ny amin’izay tokony hinoana. Noho izany, rehefa tojo fahafatesana izy ireo, dia matetika no mahita fa tsy ampy finoana. Izy ireo dia mitovy fihetsika amin’ilay vehivavy namoy mpianakavy maromaro tao amin’ny voina nampalahelo iray. Rehefa nanontaniana izy raha nitondra fampiononana ho azy ny fivavahany, dia nisalasala izy namaly hoe: “Izay aloha no fiheverako azy e.” Kanefa na dia atao hoe namaly tamin-toky aza izy fa tena nanampy azy ny finoany ara-pivavahana, dia inona moa ny soa maharitra hoentin’izany raha tsy marim-pototra ireo zavatra inoany? Zava-dehibe ny andinihana izany satria, raha ny marina, dia tena tsy mitovy amin’izay ampianarin’ny Baiboly ny ampianarin’ny ankamaroan’ireo fiangonana, mahakasika ny fiainan-ko avy.
Fiheveran’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina momba ny fiainana aorian’ny fahafatesana
7. a) Inona no finoana iombonan’ny ankamaroan’ireo fiangonana? b) Ahoana no nilazalazan’ny teôlôjianina iray ilay foto-pampianarana momba ny fanahy tsy mety maty?
7 Na dia eo aza ny tsy fitovian’ireo antokom-pivavahana rehetra ao amin’ny Tontolo Lazaina fa Kristianina, dia saika izy rehetra mihitsy no miara-miaiky fa ny olombelona dia manana fanahy tsy mety maty izay manohy miaina aorian’ny fahafatesan’ny vatana. Mino ny ankamaroan’izy ireo fa rehefa maty ny olona iray, dia mety hankany an-danitra ny fanahiny. Misy matahotra sao ho lasa any amin’ny afobe, na any amin’ny afo fandiovana, ny fanahiny. Tena fototra iorenan’ny fiheveran’izy ireo ny fiainan-ko avy anefa ilay hevitra hoe tsy mety maty ny fanahy. Nanazava izany ilay teôlôjianina atao hoe Oscar Cullmann, tao amin’ny lahatsoratra iray navoaka tao amin’ilay boky hoe Immortality and Resurrection (Tsy Fahafatesana sy Fitsanganana Amin’ny Maty). Nanoratra toy izao izy: “Raha hanontany Kristianina tsotra amin’izao andro izao isika (...) hoe inona no heveriny fa fampianaran’ny Testamenta Vaovao momba ny anjaran’ny olombelona aorian’ny fahafatesana, dia saika izao foana no valin-teny ho azontsika: ‘Ny tsy fahafatesan’ny fanahy.’ ” Nanampy teny toy izao anefa i Cullmann: “Io hevitra ekena hatraiza hatraiza io dia anisan’ny lehibe indrindra amin’ny tsy fahatakarana ny atao hoe Kristianisma.” Tsikaritr’i Cullmann fa fony izy nilaza izany voalohany, dia nampitroatra ny olona izy. Marina anefa ny an’i Cullmann.
8. Inona no nampanantenain’i Jehovah an’ilay lehilahy sy ilay vehivavy voalohany?
8 I Jehovah Andriamanitra akory tsy namorona ny olombelona mba hankany an-danitra aorian’ny hahafatesany. Tsy tao anatin’ny fikasany tany am-boalohany akory aza ny hahafatesan’izy ireo. Noforonina ho lavorary i Adama sy i Eva, ary nomena fahafahana hameno ny tany tamin’olo-marina haterany. (Genesisy 1:28; Deoteronomia 32:4). Nilazana ireo ray aman-drenintsika voalohany fa, raha tsy mankatò an’Andriamanitra ihany izy ireo vao ho faty. (Genesisy 2:17). Raha nankatò hatrany ny Rainy tany an-danitra izy ireo, dia ho nanohy niaina teto an-tany mandrakizay.
9. a) Inona no fahamarinana momba ny fanahy olombelona? b) Inona no mitranga amin’ny fanahy rehefa maty izy io?
9 Mampalahelo anefa fa tsy nahavita nankatò an’Andriamanitra i Adama sy i Eva. (Genesisy 3:6, 7). Nolazalazain’ny apostoly Paoly toy izao ny vokany mampalahelo: “Avy tamin’ny olona iray [no nidiran’ny ota] ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra”. (Romana 5:12). Tsy niaina mandrakizay teto an-tany i Adama sy i Eva, fa maty. Inona no nitranga rehefa avy eo? Moa ve izy ireo nanana fanahy tsy mety maty izay ho azo nalefa tany amin’ny afobe mirehitra noho ny ota nataon’izy ireo? Mifanohitra amin’izany no lazain’ny Baiboly fa, talohan’izay, fony izy noforonina, dia “tonga fanahy [âme] velona” i Adama. (Genesisy 2:7, NW ). Tsy nomena fanahy ny olona; tonga fanahy, na olona velona, izy. (1 Korintiana 15:45, NW ). Tsy i Adama irery akory no “fanahy velona”, fa, araka ny asehonilay fiteny hebreo nanoratana ny bokin’ny Genesisy, dia “fanahy velona” koa ny biby izay ambany kokoa! (Genesisy 1:24, NW ). Rehefa maty i Adama sy i Eva, dia tonga fanahy maty izy ireo. Tamin’ny farany dia tsy nisy hafa tamin’ilay nolazain’i Jehovah tamin’i Adama no nitranga tamin’izy ireo: “Ny fahatsembohan’ny tavanao no hahazoanao hanina mandra-piverinao any amin’ny tany; fa ny tany no nanalana anao; fa vovoka hianao, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray hianao.” — Genesisy 3:19.
10, 11. Inona no eken’ny New Catholic Encyclopedia, mahakasika ny fampianaran’ny Baiboly momba ny fanahy, ary ahoana no itovian’izany amin’izay lazain’ny Baiboly?
10 Raha ny tena izy, dia manaiky izany ny New Catholic Encyclopedia. Hoy izy io, ao amin’ilay lahatsorany hoe “Ny Fanahy (ao amin’ny Baiboly)”: “Tsy misy dichotomie [fizarana ho tapany roa] eo amin’ny vatana sy ny fanahy ao amin’ny TT [“Testamenta Taloha”, na Soratra Hebreo].” Nanampy teny izy io fa ao amin’ny Baiboly, ny teny hoe “fanahy” (âme) dia “tsy midika velively ho fanahy misaraka amin’ny vatana, na misaraka amin’ny olona tsirairay”. Ny fanahy tokoa mantsy dia matetika no “midika hoe ilay zavamiaina mihitsy, na biby io na olona”. Mamelombelona erỳ ny fahatsorana toy izany, saingy mahatonga ny tena ho velom-panontaniana hoe nahoana izany zava-misy izany no tsy nampahafantarina an’ireo mpiangona amin’ny ankapobeny.
11 Firifiry moa ny tebiteby sy tahotra ho azon’ireo mpiangona nohalavirina raha mba fantany ilay fahamarinana ara-baiboly tsotra hoe: “Ny fanahy izay manota no ho faty”, fa tsy hijaly any amin’ny afobe! (Ezekiela 18:4). Na dia tena tsy mitovy amin’izay ampianarin’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina aza izany, dia mifanaraka tanteraka amin’izay nolazain’i Solomona, lehilahy hendry. Nahazo tsindrimandry izy hilaza hoe: “Fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona, ary tsy manana valim-pitia intsony izy; fa hadino ny fahatsiarovana azy. Izay rehetra azon’ny tànanao atao dia ataovy amin’ny herinao; fa tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin’ny fiainan-tsi-hita [fasana falehan’ny olona] izay alehanao.” — Mpitoriteny 9:5, 10.
12. Taiza no nahazoan’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina ny fampianarany momba ny fanahy tsy mety maty?
12 Nahoana ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina no mampianatra zavatra samy hafa be amin’izay lazain’ny Baiboly? Tao amin’ilay lahatsoratra hoe “Fanahy, Olombelona, Tsy Fahafatesany”, ny New Catholic Encyclopedia dia nilaza fa nahita porofo mba hinoana ny amin’ny fanahy tsy mety maty ireo Rain’ny Eglizy tany am-boalohany, tsy tao amin’ny Baiboly akory, fa tany amin’ireo “mpanao tononkalo sy filôzôfa ary ny lovantsofina ankapobe teo amin’ny foto-pisainana grika (...) Tatỳ aoriana, dia naleon’ireo manam-pahaizana manokana nampiasa an’i Platon na ireo foto-pitsipika avy amin’i Aristote”. Milaza izy io fa tamin’ny farany, dia natsofoka “tao amin’ny votoatin’ny teôlôjia kristianina mihitsy” ny “fitaoman’ny foto-pisainan’i Platon, amin’ny endriny taloha sy vaovao”, ka anisan’izany ny finoana ny fanahy tsy mety maty.
13, 14. Nahoana no tsy mety ny manantena hahazo fahazavana ara-panahy avy amin’ireo filôzôfa grika mpanompo sampy?
13 Moa ve ireo mitonona ho Kristianina tokony ho nitodika tany amin’ireo filôzôfa grika mpanompo sampy mba hianarana zavatra fototra toy ny fanantenana fiainana aorian’ny fahafatesana? Mazava ho azy fa tsia. Rehefa nanoratra tany amin’ireo Kristianina nipetraka tany Korinto, any Gresy, i Paoly, dia nanao hoe: “Ny fahendren’izao tontolo izao dia fahadalana eo anatrehan’Andriamanitra; fa voasoratra hoe: ‘Ny hafetsen’ny hendry ihany no entiny misambotra azy’. Ary indray: ‘Jehovah no mahalala ny hevitry ny hendry, fa zava-poana izany’ ”. (1 Korintiana 3:19, 20). Mpanompo sampy ireo Grika fahiny. Ahoana àry no mety hahatonga azy ireo ho loharanon’ny fahamarinana? Nanontany ny Korintianina toy izao i Paoly: “Inona no ikambanan’ny tempolin’Andriamanitra amin’ny sampy? Fa isika no tempolin’Andriamanitra velona, araka ny nataon’Andriamanitra hoe: ‘Honina eo aminy Aho sy handeha eo aminy; ary ho Andriamaniny Aho, ary izy ho oloko’ ”. — 2 Korintiana 6:16.
14 Tamin’ny voalohany, dia ny firenen’ny Isiraely no nanambarana ireo fahamarinana masina. (Romana 3:1, 2). Taorian’ny 33 am.f.i., dia ny kongregasiona kristianina voahosotra tamin’ny taonjato voalohany no nanambarana izany. Raha niresaka ny amin’ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany i Paoly, dia nanao hoe: “Isika no nanambaran’Andriamanitra [ireo zavatra voaomana ho an’izay tia azy] tamin’ny Fanahy”. (1 Korintiana 2:10; jereo koa ny Apokalypsy 1:1, 2.) Nalaina avy tamin’ny filôzôfia grika ilay foto-pampianaran’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina momba ny tsy fahafatesan’ny fanahy. Izy io dia tsy nomena tamin’ny alalan’ny fanambaran’Andriamanitra tamin’ny Isiraely, na tamin’ny kongregasionan’ireo Kristianina voahosotra tamin’ny taonjato voalohany.
Ny tena fanantenana ho an’ny maty
15. Araka ny voalazan’i Jesosy, inona no tena fanantenana ho an’ny maty?
15 Raha tsy misy fanahy tsy mety maty, inona no tena fanantenana ho an’ny maty? Mazava ho azy fa ny fitsanganana amin’ny maty, izay sady foto-pampianarana tena lehibe ao amin’ny Baiboly no fampanantenana tena mahatalanjona nataon’Andriamanitra. Nanolotra ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty i Jesosy, fony izy nilaza toy izao tamin’i Marta, namany: “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray.” (Jaona 11:25). Ny hoe mino an’i Jesosy dia midika hoe mino ny fitsanganana amin’ny maty, fa tsy ny fanahy tsy mety maty.
16. Nahoana no azon’ny saina ekena ny finoana ny fitsanganana amin’ny maty?
16 Teo aloha kokoa i Jesosy dia efa niresaka ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty, fony izy nilaza toy izao tamin’ny Jiosy sasany: “Aza gaga amin’izany; fa avy ny andro izay handrenesan’ny olona rehetra any am-pasana ny feony; dia hivoaka izy”. (Jaona 5:28, 29). Izay lazalazain’i Jesosy eto dia tena tsy mitovy amin’ny hoe fanahy tsy mety maty izay mbola velona aorian’ny hahafatesan’ny vatana, ka mankany an-danitra avy hatrany. Izy io dia ‘fivoahan’ny’ olona izay tao am-pasana efa hatramin’ny taonjato maro na an’arivony taona maro mihitsy aza, ny maro aminy. Izany dia fanahy maty izay novelomina indray. Tsy mety ho vita ve izany? Tsia, raha amin’Andriamanitra “Izay mamelona ny maty sy miantso ny tsy misy toy ny misy”. (Romana 4:17). Ireo be fisalasalana dia mety hanazimba ilay hevitra hoe olona efa maty no velona indray. Izany anefa dia mifanaraka tanteraka amin’ny hoe “Andriamanitra dia fitiavana” sy ny hoe “Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy” izy. — 1 Jaona 4:16; Hebreo 11:6.
17. Inona no hotanterahin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fananganana ny maty?
17 Ahoana tokoa moa no ahafahan’Andriamanitra mamaly soa ireo ‘nahatoky hatramin’ny fahafatesana’, raha tsy mamelona azy ireny indray izy? (Apokalypsy 2:10). Ny fananganana ny maty koa dia mahatonga an’Andriamanitra ho afa-manatanteraka ilay nosoratan’ny apostoly Jaona hoe: “Izao no nisehoan’ny Zanak’Andriamanitra, dia ny handrava ny asan’ny devoly.” (1 Jaona 3:8). Efa tany amin’ny Saha Edena i Satana no tonga mpamono ny taranak’olombelona iray manontolo, fony izy nitarika ny ray aman-drenintsika voalohany ho amin’ny ota sy ny fahafatesana. (Genesisy 3:1-6; Jaona 8:44). Nanomboka nandrava ny asan’i Satana i Jesosy fony izy nanolotra ny ainy lavorary ho avotra mifanandrify. Io avotra io mantsy no nanokatra ny lalana mba hanafahana ny olombelona amin’ny fanandevozan’ny ota nolovana tamin’ny tsy fankatoavan’i Adama an-tsitrapo. (Romana 5:18). Fandravana fanampiny atao amin’ny asan’ny Devoly ny fananganana ireo izay maty noho io fahotana avy tamin’i Adama io.
Vatana sy fanahy
18. Ahoana no fihetsiky ny filôzôfa grika sasany rehefa nilaza i Paoly fa natsangana tamin’ny maty i Jesosy, ary nahoana?
18 Fony tany Atena ny apostoly Paoly, dia nitory ny vaovao tsara tamin’ny vahoaka iray, nahitana filôzôfa grika sasany teo anivony. Izy ireo dia nihaino ny lahatenin’i Paoly momba ilay hany Andriamanitra marina sy ny fitakiany fibebahana. Inona anefa no nitranga avy teo? Namarana ny lahateniny toy izao i Paoly: “[Andriamanitra] efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin’ny fahamarinana amin’ny alalan’ny Lehilahy iray voatendriny, koa efa nanome vavolombelona hampino ny olona rehetra izany Izy tamin’ny nananganany Azy tamin’ny maty.” Nahatonga ady hevitra ireo teny ireo. “Raha nahare ny amin’ny fitsanganan’ny maty izy, dia nihomehy ny sasany”. (Asan’ny Apostoly 17:22-32). Nanao izao fanamarihana izao i Oscar Cullmann, teôlôjianina: “Miohatra amin’ny hafa, dia sarotra kokoa ho an’ny Grika, izay nino ny tsy fahafatesan’ny fanahy, ny hanaiky ilay fitoriana kristianina momba ny fitsanganana amin’ny maty. (...) Ny fampianaran’i Socrate sy i Platon, izay filôzôfa malaza, dia tsy azo ampifanarahina velively amin’ny an’ny Testamenta Vaovao.”
19. Ahoana no nataon’ireo teôlôjianina tao amin’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina mba hanandramana hampifanaraka ny fampianarana momba ny fitsanganana amin’ny maty sy ny foto-pampianarana momba ny fanahy tsy mety maty?
19 Na izany aza, taorian’ilay fivadiham-pinoana lehibe taorian’ny nahafatesan’ireo apostoly, dia nikely aina hampivady ny fampianarana kristianina momba ny fitsanganana amin’ny maty, tamin’ny finoan’i Platon momba ny fanahy tsy mety maty, ireo teôlôjianina. Rehefa nandeha ny fotoana, dia niara-nanaiky vahaolana vaovao ny sasany: Amin’ny fotoana ahafatesana, dia misaraka (“afahana”, araka ny ilazan’ny sasany azy) amin’ny vatana ny fanahy. Avy eo, amin’ny Andro Fitsarana, “ny vatana tsirairay dia hakambana indray amin’ny fanahiny avy, ary ny fanahy tsirairay hakambana indray amin’ny vatany avy”, araka ny Outlines of the Doctrine of the Resurrection, nataon’i R. J. Cooke. Ilay fanakambanana indray ny vatana sy ny fanahiny tsy mety maty, hitranga amin’ny hoavy, no lazaina fa fitsanganana amin’ny maty.
20, 21. Iza no tsy nijanona nampianatra ny fahamarinana momba ny fitsanganana amin’ny maty, ary amin’ny ahoana izany no nitondra soa ho azy ireo?
20 Mbola foto-pampianarana ofisialin’ireo fiangonana lehibe ihany io teôria io. Na dia mety ho toa lôjika aza izany hevitra izany ho an’ny teôlôjianina iray, dia tsy mahafantatra izany ny ankamaroan’ireo mpiangona. Mino fotsiny izy ireo fa hankany an-danitra avy hatrany rehefa maty. Izany no antony nahatonga an’i John Garvey mpanoratra, hiampanga toy izao, tao amin’ny nomeraon’ny Commonweal, tamin’ny 5 May 1995: “Ilay finoan’ny ankamaroan’ny Kristianina [momba ny fiainana aorian’ny fahafatesana] dia toa akaiky kokoa ny filôzôfian’i Platon amin’ny endriny vaovao, fa tsy amin-javatra tena kristianina, sady tsy mifototra amin’ny Baiboly.” Raha ny marina, ireo mpitondra fivavahana ao amin’ny Tontolo Lazaina fa Kristianina dia nanakalo ny Baiboly tamin’i Platon, ka nanafoana ilay fanantenana ara-baiboly momba ny fitsanganana amin’ny maty, ho an’ny andian’ondriny.
21 Ny Vavolombelon’i Jehovah kosa, etsy an-danin’izany, dia manilika ny filôzôfian’ny mpanompo sampy ka mifikitra amin’ny fampianaran’ny Baiboly momba ny fitsanganana amin’ny maty. Hitan’izy ireo fa mampitombo fahalalana sy mahafa-po ary mampionona izany fampianarana izany. Ao amin’ireo lahatsoratra manaraka, dia ho hitantsika fa marim-pototra sy lôjika tokoa ny fampianaran’ny Baiboly momba ny fitsanganana amin’ny maty na ho an’ireo manana fanantenana ny ho eto an-tany izany na ho an’ireo manana fanantenana ny hatsangana ho amin’ny fiainana any an-danitra. Mba hiomanana amin’ny fandinihana ireo lahatsoratra ireo, dia ampirisihinay ianao hamaky amim-pitandremana ny toko faha-15 amin’ny taratasy voalohany ho an’ny Korintianina.
Tadidinao Ve?
◻ Nahoana isika no tokony hamboly fatokiana mafy ny fitsanganana amin’ny maty?
◻ Fanantenana inona no napetrak’i Jehovah teo anoloan’i Adama sy i Eva?
◻ Nahoana no tsy araka ny lôjika ny itadiavana ny fahamarinana any amin’ny filôzôfia grika?
◻ Nahoana no fanantenana azon’ny saina ekena ny fitsanganana amin’ny maty?
[Sary, pejy 10]
Rehefa nanota ny ray aman-drenintsika voalohany, dia namoy ilay fanantenana fiainana mandrakizay eto an-tany
[Sary, pejy 12]
Nanan-kery teo amin’ireo manam-pahaizan’ny fiangonana ny finoan’i Platon ny tsy fahafatesan’ny fanahy
[Sary nahazoan-dalana]
Musei Capitolini, Roma