Nanao ny Sitrapon’i Jehovah Izy Ireo
Nisakana Loza ny Vehivavy Malina Iray
VEHIVAVY hendry iray manambady lehilahy iray tsy misy ilana azy — izany no toerana nisy an’i Abigaila sy i Nabala. “Hendry sady tsara tarehy” i Abigaila. Mifanohitra amin’izany kosa fa “saro-po sy ratsy amin’izay ataony” i Nabala. (1 Samoela 25:3). Ny fisehoan-javatra nitohitohy izay nitranga ka nahatafiditra io mpivady tsy nifanentana io dia namela ny anarany ho voasoritra tsy hay kosehina ao amin’ny tantara ao amin’ny Baiboly. Andeha hojerentsika hoe amin’ny ahoana.
Tombontsoa manokana tsy noraisina tamim-pankasitrahana
Taonjato faha-11 al.f.i. tamin’izay. Voahosotra ho mpanjakan’ny Isiraely ho avy i Davida, nefa tsy nanjaka izy, fa nandositra kosa. Tapa-kevitra ny hamono azy i Saoly, mpanjaka teo amin’ny fanjakana. Ho vokany, dia voatery niaina toy ny mpandositra i Davida. Tamin’ny farany, dia nialokaloka tany an’efitr’i Parana, tany atsimon’i Joda sy nanoloana ny efitr’i Sinay, izy sy ny olony 600 teo ho eo. — 1 Samoela 23:13; 25:1.
Raha mbola tany izy ireo dia nifanena tamin’ny mpiandry ondry nampiasain’ny lehilahy iray nantsoina hoe Nabala. Io lehilahy nanankarena taranak’i Kaleba io, dia nanana ondry 3 000 sy osy 1 000, ary nanety ny ondriny izy tany Karmela, tanàna tany atsimon’i Hebrona, angamba 40 kilaometatra teo ho eo monja avy teo Parana.a Nanampy an’ireo mpiandry ondrin’i Nabala i Davida sy ny olony, hiambina ny andian’ondry tamin’ny mpangalatra nirenireny nanerana ilay efitra. — 1 Samoela 25:14-16.
Teo anelanelan’izay, dia nanomboka ny fanetezan’ondry tany Karmela. Fotoana nahafaly izy io, nitovy tamin’ny fotoam-pijinjana ho an’ny mpamboly. Fotoana fanehoana fahalalahan-tanana lehibe koa izy io, rehefa nanome valisoa an’izay niasa ho azy ny tompon’ondry. Koa tsy feno fahasahisahian-dratsy àry i Davida rehefa naniraka folo lahy ho any amin’ny tanànan’i Karmela mba hangataka sakafo tamin’i Nabala ho valin’ny asa nataony ho tombontsoan’ny andian’ondrin’izy io. — 1 Samoela 25:4-9.
Tsy nampiseho fahalalahan-tanana velively ny fihetsika nasetrin’i Nabala. “Inona moa Davida?”, hoy izy nanaraby. Avy eo, rehefa nilaza an-kolaka izy hoe i Davida sy ny olony dia tsy inona fa mpanompo nandositra, dia nanontany hoe: “Halaiko va ny mofoko sy ny ranoko ary ny zavatra izay efa novonoiko ho an’ny mpanety ondriko, ka homeko izay olona tsy fantatro nihaviana akory?” Rehefa ren’i Davida izany, dia hoy izy tamin’ny olony: “Samia manao ny sabatrareo eo amin’ny fehin-tsabany avy hianareo”. Tokony ho lehilahy 400 no niomana hiady. — 1 Samoela 25:10-13.
Ny fahamalinan’i Abigaila
Ren’i Abigaila, vadiny, ny fitenenan-dratsy nataon’i Nabala. Angamba tsy sambany tamin’izay no nahavoatery azy hisalovana sy handrindra fihavanana ho an’i Nabala. Na ahoana na ahoana, dia nanao zavatra avy hatrany i Abigaila. Tsy niteny tamin’i Nabala izy, fa nanangona vatsy — anisan’izany ny ondry dimy sy sakafo tondraka — ary nivoaka mba hihaona tamin’i Davida tany an’efitra. — 1 Samoela 25:18-20.
Rehefa nahita an’i Davida i Abigaila dia niankohoka teo anoloany avy hatrany. “Aoka ny tompoko tsy hisaina io Nabala lehilahy tena ratsy fanahy io”, hoy izy nitalaho taminy. “Izao saotra nentin’ny ankizivavinao aminao izao, tompoko, dia aoka homena ny zatovo manaraka ny Tompoko.” Nanampy teny toy izao izy: “Tsy ho alahelo na ho nenina amin’ny fon’ny tompoko izany [tarehin-javatra nahakasika an’i Nabala izany]”. Ny teny hebreo nadika hoe “alahelo” eto dia milaza tsy mivantana fanenjehan’ny feon’ny fieritreretana. Koa nampitandrina an’i Davida mba tsy hanao zavatra maimaika ka hanenenany any aoriana, i Abigaila. — 1 Samoela 25:23-31.
Nihaino an’i Abigaila i Davida. “Hotahiny anie ny fahendrenao, ary hotahiny anie hianao, izay niaro ahy androany tsy hahazo heloka amin’ny fandatsahan-dra”, hoy izy taminy. “Raha tsy avy faingana hitsena ahy hianao toy izay, dia efa tsy nasiako niangana [na iza na iza mivalan-drano eo amin’ny rindrina, NW ] aza amin’i Nabala ambara-pahazavan’ny andro.”b — 1 Samoela 25:32-34.
Fianarana ho antsika
Io fitantaran’ny Baiboly io dia mampiseho fa tsy ratsy velively, ho an’ny vehivavy iray tia an’Andriamanitra, ny manombo-javatra araka ny mety, raha ilaina izany. Nanao zavatra nifanohitra tamin’ny fanirian’i Nabala vadiny i Abigaila, nefa tsy manameloka azy noho izany ny Baiboly. Mifanohitra amin’izany kosa, fa midera azy ho vehivavy malina sy hendry izy io. Noho izy nanombo-javatra tao anatin’io tarehin-javatra sarotra io, dia namonjy ain’olona maro i Abigaila.
Na dia tokony haneho fanekena araka an’Andriamanitra aza ny vehivavy manambady amin’ny ankapobeny, dia mety tsy hitovy hevitra amin’ny vadiny izy rehefa voakasika ny fotopoto-pitsipika marina. Ary araka ny tokony ho izy izany. Mazava ho azy fa tokony hiezaka mafy izy hanana foana “toe-tsaina tony sy feno halemem-panahy”, sady tsy tokony hanao zavatra amim-pahaleovan-tena izy, noho ny filam-baniny fotsiny na ny avonavona na ny fikomiana. (1 Petera 3:4, NW ). Kanefa, tsy tokony hahatsapa ho voatery hanao izay fantany fa tena tsy fahendrena na mandika ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly ny vehivavy tia an’Andriamanitra. Marina tokoa, fa ny fitantarana ny amin’i Abigaila dia manolotra porofo mafy orina hanoherana an’izay manamafy fa mampiseho ny vehivavy ho toy ny andevo fotsiny ny Baiboly.
Mampianatra antsika ny amin’ny fifehezan-tena koa io fitantarana io. Nampiseho io toetra io tamin’ny fomba feno i Davida indraindray. Ohatra, nanda tsy hamono an’i Saoly Mpanjaka mpamaly faty izy, na dia nanana fahafahana nalalaka nanao izany aza, ary na dia ho nitondra filaminana ho azy aza ny fahafatesan’i Saoly. (1 Samoela 24:3-8). Nifanohitra tamin’izany, fa tampoka tamin’i Davida ny nanaovan’i Nabala tsinontsinona azy ka dia nianiana izy fa hamaly faty. Fampitandremana mazava ho an’ny Kristiana miezaka ‘tsy hamaly ratsy na amin’iza na amin’iza’ izany. Amin’ny toe-javatra rehetra, izy ireo dia tokony hanaraka ny fananaran’i Paoly manao hoe: “Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra. Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo làlana ny fahatezerana”. — Romana 12:17-19.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Fantatra ho niitatra hatrany amin’ny farany avaratra, any Beri-sheba, ny efitr’i Parana. Nisy kijana lehibe tao amin’io sombin-tany io.
b Fomba fiteny hebreo ilazana ny lehilahy ny hoe “na iza na iza mivalan-drano eo amin’ny rindrina”, miharihary fa fitenenana fanamavoana izy io. — Ampitahao amin’ny 1 Mpanjaka 14:10, NW.
[Sary, pejy 15]
Mitondra fanomezana ho an’i Davida i Abigaila