Ratsy ve ny Mamaly Faty?
Teo amin’ny “auto-route” iray any Etazonia, dia nisy fiara iray nitaredretra teo am-pakana sisin-dalana mba hamelana ny hafa iray hisongona. Namaly izany ny mpamily ilay fiara faharoa tamin’ny fitifirana ilay fiara nanorisory azy, ka nahafaty mpandeha tsy manan-tsiny iray tamin’izany.
Nisy zatovovavy iray resin’ny ankizivavy hafa iray tamin’ny lalao tany an-tsekoly. Namaly ny fahavoazana nihatra taminy izy io tamin’ny firesahana tamin’ilay ankizilahy iarahan’ilay ankizivavy fa niaraka tamina ankizilahy iray any amin’ny sekoly hafa ilay ankizivavy. Tamin’izany no nanimbany ny fifandraisan’ilay ankizivavy tamin’ilay ankizilahy iarahany.
OLONA maro no mahatsapa fa azo hamarinina ny famaliany rehefa mihevitra izy ireny fa nasian-dratsy. Amin’ny fomba iray na hafa, dia manaraka ity fitenenana ity izy ireny: “Aza tezitra fa mamalia faty kosa.” Amin’izao andro izao, dia mihena ny fitiavana ny mpiara-belona, ary mitombo kosa ny toe-tsaina tia valifaty. — Matio 24:12.
Ahoana anefa no fiheveranao ny valifaty? Raha mino ny Baiboly ianao, dia angamba mahatsapa fa raha ny tokony ho izy, dia ratsy ny mamaly faty. Nefa noho isika miaina ao amin’ny tontolo iray tsy tia an’Andriamanitra, dia mety hihevitra ianao fa ny famelan-keloka, izay mifanohitra amin’ny valifaty, matetika dia tsy mifanaraka amin’ny zava-misy. Ahoana no ho fihetsikao raha toa ianao ka nofetsena na nambakaina? Moa ve hanjary ho mpamaly faty ianao raha toa misy olona iray manao tsinontsinona anao na manambany anao eo anatrehan’ny hafa? Hamaly faty ve ianao sa hamela heloka?
Manimba ny toe-tsaina tia valifaty
Mazava ho azy fa misy ambaratongany ny fanafintohinana. Nefa ny ankamaroan’ny olona izay maniry ny hamaly faty dia tsy voambaka na nampiharana famelezana mafy akory. Tsy dia zava-dehibe akory ireo “fanafintohinana” resahina eo amin’ny fiandohan’ity lahatsoratra ity, kanefa dia toa lehibe izany tao an-tsain’ireo olona nanapa-kevitra ny hamaly faty.
Milaza ny Baiboly fa tsy tokony hamboly toe-tsaina tia valifaty isika. Manoro hevitra toy izao ny Ohabolana 24:29: “Aza manao hoe: araka izay nataony tamiko no mba hataoko aminy kosa.” Nahoana no tsy tokony hanao toy izany? Voalohany indrindra, dia manimba ara-pihetseham-po sy ara-batana ny toe-tsaina toy izany. Manaisotra ny fiadanan-tsaina sy misakana ny fahaiza-mandanjalanja tsara ny saina manolokolo valifaty. Hevero ity fitantaran’ny vaovao ity: “Nisy mpamboly roa nifampitifitra avy teny ambonin’ny kamiaonetiny ka nifamono teo amin’ny toeram-pitobian’ny fiara iray, namarana tamin’izany ny lolompony naharitra 40 taona izay nanomboka fony izy ireo mbola ankizy.” Alao sary an-tsaina fa nandritra ny fiainany dia voapoizin’ny lolompo sy valifaty ny fisainan’ireo lehilahy roa ireo! — Ohabolana 14:29, 30.
Ny antony hafa iray tsy tokony hambolena toe-tsaina tia valifaty dia satria ny olona manao fahadisoana — na dia olona manao fahadisoana tena lehibe aza — dia mety hiova. Ny apostoly Paoly, ohatra, tamin’ny fotoana sasany, dia “nankasitraka ny namonoana” an’i Stefana mpianatra, sady “nifofofofo fandrahonana sy famonoana tamin’ny mpianatry ny Tompo”. Niova anefa izy. Rehefa afaka taona maromaro tatỳ aoriana, ny apostoly Petera — izay notandindomin-doza ny ainy noho izay nataon’i Paoly nandritra izany fotoana taloha kokoa izany — dia niantso azy hoe “i Paoly, rahalahy malalantsika”. (Asan’ny apostoly 8:1; 9:1; 2 Petera 3:15). Ho afaka nanandrana namaly faty an’i Paoly ireo kristiana, indrindra fa fony izy teo am-piandrasana, ary jamba, tany Damaskosy. (Asan’ny apostoly 9:3-15). Ho fahadisoana namohehatra toy inona moa no nitranga raha izany!
Noho izany, dia afaka nanoro hevitra tsara toy izao i Paoly ao amin’ny Romana 12:20: “Raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; raha mangetaheta izy, omeo hosotroiny.” Nahoana? Satria raha mamaly faty ny fahavalo iray isika, dia hanamafy ny fihetsiny izy ary hampaharitra ny fifandrafiana eo amintsika roa tonta izany. Nefa raha manao soa ny olona iray manafintohina na mandratra antsika isika, dia mety hanalefaka ny fihetsiny izany ary hanao izay hahatonga ny fahavalo iray taloha ho sakaiza.
Ny fiekena fa manana ny fahalementsika manokana koa isika, dia manampy eo amin’ny fandresena ny fahasosorana izay mitarika ho amin’ny faniriana hamaly faty. Nanontany toy izao ilay mpanao salamo: “Raha mandinika heloka Hianao, Jehovah ô [Jah Jehovah ô, MN], iza no hahajanona, Tompo ô?” (Salamo 130:3). Samy efa nanafintohina na nampahatezitra ny hafa daholo isika rehetra. Moa ve isika tsy faly rehefa tsy nanandrana nanao toy izany tamintsika koa izy ireny? Moa àry ve isika tsy tokony hanao zavatra amin’ny fananana fahatanan-tena mitovy amin’izany? Nanoro hevitra toy izao i Jesosy: “Na inona na inona tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany.” — Matio 7:12.
Marina fa milaza ny Baiboly hoe: “Mankahalà ny ratsy.” (Salamo 97:10; Amosa 5:15). Nefa tsy milaza amintsika izy io mba hankahala ilay olona manao ratsy. Raha ny marina, dia nandidy antsika i Jesosy hoe: “Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo.” (Matio 5:44). Raha mamaly ratsy ny ratsy isika, dia manahaka ny toe-tsain’ilay mpanao ratsy. Hoy ny ohabolana fahiny hoe: “Aza manao hoe: Hamaly ny ratsy nataony aho; fa andraso Jehovah, fa Izy no hamonjy anao.” (Ohabolana 20:22). Fihetsika mampiseho fahendrena re izany! Tsara kokoa ny miseho ho mpandresy amin’ny fanoherana ny fakam-panahy hanahaka ireo mpanao ratsy. — Jaona 16:33; Romana 12:17, 21.
Fanasaziana — Avy amin’iza?
Ekena fa misy fanaovan-javatra sasany ratsy kokoa noho ny teny maharary sy ny fandratrana. Ahoana raha iharan’ny heloka bevava isika? Mazava ho azy fa noho ny rariny, dia tsapantsika fa misy zavatra tokony hatao. Inona anefa izany? Any amin’ny fitambaran’olona sasany, dia tsy hoe tsy mahazatra ny mandamina manokana ny toe-draharaha ary mamaly faty. Nefa ny fitambaran’olona toy izany matetika dia rotidrotiky ny ady misy fandatsahan-dra. Amin’izao andro izao, na ny lalàn’Andriamanitra na ny lalàn’olombelona, amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra, dia samy tsy mamela ny olona hanao valifaty manokana noho ny heloka bevava na noho ny antony tsara hafa. Ny herisetra ataon’ny tena manokana dia tsy miteraka afa-tsy herisetra betsaka kokoa.
Moa àry ve ny olona iray niharan’ny herisetra tokony hipetra-potsiny ary hanaiky ny ratsy atao aminy? Tsy voatery ho izany. Rehefa ny tenantsika na ny fananantsika no anaovana an-keriny, dia eo ireo manam-pahefana tokony hohatonina. Mety haniry ny hiantso pôlisy ianao. Raha any am-piasana, dia manatòna ny mpiandraiki-draharaha. Raha any an-tsekoly indray dia mety haniry ny hanatona ny tale ianao. Izany no antony maha-eo azy ireny — ny hanohana ny rariny. Milaza amintsika ny Baiboly fa ireo manam-pahefan’ny fitondram-panjakana dia ‘mpanompon’Andriamanitra, mpamaly handatsaka fahatezerana amin’izay manao ratsy.” (Romana 13:4). Takin’ny rariny ny hampiharan’ny fitondram-panjakana ny fahefany, ny hampitsaharany ny fanaovan-dratsy, ary ny hanasaziany ireo mpanao ratsy.
Marina fa maharitra vao tanterahina ny rariny indraindray. Nilaza toy izao ny mpanoratra iray trotraky ny fiainana: “Sahala amin’ny fiarandalamby iray saika tratra aoriana foana ny rariny.” Indraindray tokoa, dia tsy tonga mihitsy ilay fiarandalamby. Mety hahery aoka izany ireo mpanao ny tsy rariny, hany ka tsy voafehin’ny manam-pahefana izy ireny. Na dia eo aza izany, ny fomba mampiseho fahendrena dia ny fahatanan-tena. “Ny fahatezeran’ny adala dia avoakany avokoa; fa ny hendry kosa manindry fo”, hoy ny Baiboly. — Ohabolana 29:11.
Valifaty — Avy amin’iza?
Hitondra soa ho antsika, araka izany, ny fahatanana ny tenantsika tsy hamaly faty, ary azontsika atao ny miandry amim-pahatoniana, amin’ny fahafantarana fa raha tsy maintsy omena toerana ny rariny, dia hanao izany Andriamanitra amin’ny fotoana mety. (Mpitoriteny 8:11). Tsy hamela ireo ratsy fanahy tsy mifaditra ovana hampahory mandrakizay ny taranak’olombelona izy. Izany no antony nanoroan’ny apostoly Paoly hevitra antsika hoe: “Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo làlana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: ‘Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah.’ ” (Romana 12:19). Eny tokoa, ny Baiboly dia miresaka ny amin’ny andro famaliana iray hataon’ny Mpamorona. Inona io andro famaliana io? Ary iza no hiharan’ny famalian’Andriamanitra? Handinika ny amin’izany isika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.
[Efajoro, pejy 4]
Mba Hifehezana ny Fihetseham-po Ta Hamaly Faty dia Tadidio fa
□ Miahy ny amin’ny rariny Andriamanitra
□ manimba ny fanolokoloana toe-tsaina tia valifaty
□ matetika ny fananana hatsaram-panahy no mampihena ireo zava-manahirana amin’ny hafa
□ maro be amin’ireo fahadisoan’ny tenantsika no nohadinoin’ny hafa
□ mety hiova ireo olona manao fahadisoana
□ mandresy izao tontolo izao isika amin’ny fanoherana ireo fomba fanaony