Ny Fitiavana (Agape) — Ny Izy sy ny Tsy Izy
“Ampio fitiavana ny firaiketam-pon-drahalahy anananareo.” — 2 PETERA 1:5, 7, NW.
1. a) Toetra tsara inona no omen’ny Baiboly ny toerana voalohany? b) Teny grika efatra inona avy no adika matetika hoe “fitiavana”, ary iza amin’ireo no asiana fitenenana ao amin’ny 1 Jaona 4:8?
RAHA misy toetra tsara na hatsaran-toetra omen’ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly, ny toerana voalohany, dia ny fitiavana izany. Ao amin’ny fiteny grika, fiteny nanoratana ny Soratra Grika Kristiana tany am-boalohany, dia misy teny efatra matetika adika hoe “fitiavana”. Ny fitiavana mitana ny saintsika izao dia tsy ny eʹros (teny tsy hita ao amin’ny Soratra Grika Kristiana), izay mifototra amin’ny fifanintonana eo amin’ny lahy sy ny vavy; izany koa dia tsy ny stor·geʹ, fihetseham-po mifototra amin’ny fatoran’ny ra; na ny phi·liʹa, fitiavana feno fisakaizana mafana mifototra amin’ny fifankamamiana ka efa novelabelarina tao amin’ny lahatsoratra teo aloha. Izany kosa dia ny a·gaʹpe — ny fitiavana mifototra amin’ny fotopoto-pitsipika, izay azo lazaina hoe mitovy hevitra amin’ny tsy fitiavan-tena, dia ilay fitiavana izay nasian’ny apostoly Jaona fitenenana rehefa nilaza izy hoe: “Andriamanitra dia fitiavana.” — 1 Jaona 4:8.
2. Inona no voalaza mazava mikasika ny fitiavana (a·gaʹpe)?
2 Mikasika an’io fitiavana (a·gaʹpe) io, dia hoy ny Profesora William Barclay ao amin’ny bokiny hoe New Testament Words: “Ny agapē dia misy ifandraisany amin’ny saina: izy io akory tsy fihetseham-po izay mipoitra ho azy ao am-pontsika [toy ny mety hitranga amin’ny phi·liʹa] fotsiny; izy io dia fotopoto-pitsipika izay iniantsika iainana. Ny agapē dia misy ifandraisany amin’ny fomba miavaka amin’ny fahavononana hanao zavatra. Fifehezana atao an-keriny izy io, fandresena, ary fahavitan-javatra. Tsy misy mihitsy olona tia ho azy ny fahavalony. Ny fitiavana ny fahavalon’ny tena dia fifehezana atao an-keriny amin’ireo fironantsika sy fihetseham-pontsika voajanahary rehetra. Io agapē io (...) raha ny marina, dia ilay hery enti-mitia ny tsy maha-te-ho-tia, enti-mitia olona tsy tiantsika.”
3. Fanantitranterana inona no nataon’i Jesosy Kristy sy i Paoly mikasika ny fitiavana?
3 Eny, anisan’ny zavatra tsy mampitovy ny fanompoam-pivavahana madio amin’i Jehovah Andriamanitra sy ireo endri-panompoam-pivavahana hafa rehetra, ny fanantitranterany an’io karazam-pitiavana io. Ara-drariny ny nilazan’i Jesosy Kristy ireo didy roa lehibe indrindra toy izao: “Ny voalohany dia izao: ‘(...) Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra’. Ary ny faharoa dia izao: ‘Tiava ny [mpiara-belona aminao, NW ] tahaka ny tenanao’. Tsy misy didy hafa lehibe noho ireo.” (Marka 12:29-31). Nanao izany fanamafisana ny amin’ny fitiavana izany ihany ny apostoly Paoly ao amin’ny toko faha-13 amin’ny 1 Korintiana. Rehefa avy nanantitrantitra izy fa ny fitiavana no toetra tsara voalohany tsy azo avela, dia namarana ny teniny izy tamin’ny filazana hoe: “Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana; fa ny fitiavana no lehibe amin’ireo.” (1 Korintiana 13:13). Nilaza ara-drariny i Jesosy fa ny fitiavana no marika famantarana ireo mpanara-dia azy. — Jaona 13:35.
Zavatra izay tsy atao hoe fitiavana
4. Lafiny tsy manorina firy ary lafiny manorina firy momba ny fitiavana no notononin’i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 13:4-8?
4 Voalaza fa mora kokoa ny milaza izay tsy atao hoe fitiavana, noho ny milaza izay atao hoe fitiavana. Misy maha-marina azy ihany izany, satria ny apostoly Paoly dia nanonona zavatra sivy izay tsy atao hoe fitiavana, ary zavatra fito izay atao hoe fitiavana, ao amin’ilay toko nosoratany momba ny fitiavana, ao amin’ny 1 Korintiana 13, eo amin’ny andininy faha-4 ka hatramin’ny faha-8.
5. Ahoana no amaritana ny hoe “fialonana” na “hasarotam-piaro”, ary ahoana no ampiasana azy io amin’ny heviny manorina ao amin’ny Soratra Masina?
5 Ny zavatra voalohany nolazain’i Paoly fa tsy atao hoe fitiavana dia ny hoe: izy io dia “tsy mialona [“tsy saro-piaro”, NW ]”. Izany dia mitaky fanazavana kely satria misy lafiny manorina sy tsy manorina amin’ny hasarotam-piaro. Ny rakibolana iray dia namaritra ny hoe “mialona” na “saro-piaro” hoe “tsy mahazaka fandrafiana” sy hoe “mitaky fifikirana tsy mizarazara”. Araka izany dia nilaza toy izao i Mosesy ao amin’ny Eksodosy 34:14: “Tsy hiankohoka eo anatrehan’izay andriamani-kafa hianao; fa Jehovah, dia saro-piaro no anarany, satria Andriamanitra saro-piaro Izy”. Ao amin’ny Eksodosy 20:5 (NW ) i Jehovah dia nilaza hoe: “Izaho Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra mitaky fifikirana tsy mizarazara.” Mitovy hevitra amin’izany, dia nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Fa fahasaro-piaro araka an’Andriamanitra no mahasaro-piaro ahy aminareo”. — 2 Korintiana 11:2.
6. Ohatra araka ny Soratra Masina inona avy no mampiseho hoe nahoana no tsy mialona ny fitiavana?
6 Matetika kokoa anefa dia manana heviny ratsy ny “fialonana” na “hasarotam-piaro”, ka izany no antony nandaharana azy miaraka amin’ireo asan’ny nofo ao amin’ny Galatiana 5:20 (NW ). Eny, ny fialonana na hasarotam-piaro toy izany dia feno fitiavan-tena sy miteraka fankahalana, ary ny fankahalana dia mifanohitra amin’ny fitiavana. Ny fialonana no nahatonga an’i Kaina hankahala an’i Abela ka tonga hatramin’ny famonoana azy ho faty. Ary ny fialonana no nahatonga ireo folo mirahalahy iray ray tamin’i Josefa hankahala azy ka tonga hatramin’ny faniriana hamono azy ho faty. Ny fitiavana dia tsy mitsiriritra amim-pialonana ny fananana na ny tombontsoan’ny hafa, toy ny nitsiriritan’i Ahaba Mpanjaka tamim-pialonana ny tanimboalobok’i Nabota. — 1 Mpanjaka 21:1-19.
7. a) Zava-nitranga inona no mampiseho fa tsy mahafaly an’i Jehovah ny fireharehana? b) Nahoana ny fitiavana no tsy mirehareha na dia tsy amim-piheverana aza?
7 Avy eo i Paoly dia milaza amintsika fa ny fitiavana “tsy mirehareha”. Mampiharihary tsy fisiam-pitiavana ny fireharehana, satria izany dia mametraka ny tena ho eo amin’ny toerana ambony kokoa noho ny hafa. Tsy mahafaly an’i Jehovah ny mpirehareha, araka ny mety ho hitantsika tamin’ny fomba nampietreny an’i Nebokadnezara rehefa nirehareha izy io. (Daniela 4:27-32). Matetika ny fireharehana dia atao tsy amim-piheverana noho ny tena faly tafahoatra amin’ny zava-bitan’ny tena na amin’ny fananan’ny tena. Ny sasany dia mety hirona hirehaka ny amin’ny fahombiazany teo amin’ny fanompoana kristiana. Ny hafa dia sahala amin’ilay loholona izay tsy nahatana tena hiantso an-telefaonina ireo namany mba hilazana tamin’izy ireo ny nividianany fiarakodia vaovao iray nitentina efa ho 90 000 000 FMG. Tsy mampiseho fitiavana izany rehetra izany, satria mampiseho an’ilay mpirehareha ho ambony eo imason’ireo mihaino azy.
8. a) Inona no fihetsik’i Jehovah eo anoloan’ireo izay mieboebo? b) Nahoana ny fitiavana no tsy mitondra tena toy izany?
8 Avy eo isika dia ilazana fa ny fitiavana “tsy mieboebo”. Ny olona iray mieboebo, na miavonavona, dia tsy mampiseho fitiavana, manandra-tena ho ambony noho ny hafa. Ny toe-tsaina toy izany dia faran’izay tsy mampiseho fahendrena satria “Andriamanitra manohitra ny mpiavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena”. (Jakoba 4:6). Manao zavatra mifanohitra amin’izany indrindra ny fitiavana; mihevitra ny hafa ho ambony izy io. Nanoratra toy izao i Paoly ao amin’ny Filipiana 2:2, 3: “Tanteraho ny fifaliako, mba hiraisanareo saina, miray fitiavana, miray fo, miray hevitra, tsy manao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana, na mandrani-tena foana fa amin’ny fanetren-tena dia aoka samy hanao ny namany ho mihoatra noho ny tenany.” Ny toe-tsaina toy izany dia mahatonga ny hafa tsy hahatsiaro ho sakodiavatra, fa ny olona miavonavona noho ny filam-baniny kosa dia mahatonga ny hafa ho sadaikatra.
9. Nahoana ny fitiavana no tsy manao izay tsy mahamendrika?
9 Ankoatra izany i Paoly dia nilaza fa ny fitiavana dia “tsy manao izay tsy mahamendrika”. Ny rakibolana dia mamaritra ny hoe “tsy mendrika” ho “tsy mifanaraka amin’ny fari-pitsipika eken’ny besinimaro na manohitra an-karihary ny fahalalam-pomba na ny fari-pitondran-tena”. Ny olona iray manao izay tsy mahamendrika (tsy mampiseho fitiavana) dia tsy miraharaha ny fihetseham-pon’ny hafa. Fandikan-tenin’ny Baiboly maro no mandika ilay teny grika amin’ny hoe “tsy manaja”. Ny olona toy izany dia manamavo izay heverina fa mety sy mampiseho fahaiza-mifidy zavatra. Azo antoka fa ny fanehoam-piheverana ny hafa amim-pitiavana dia hidika ho fanalavirana izay zavatra rehetra tsy mihaja na tsy mendrika, dia zavatra izay mahatohina ary mety hahatafintohina mihitsy aza.
Zavatra hafa tsy atao hoe fitiavana
10. Amin’ny ahoana ny fitiavana no hoe tsy mitady ny tombontsoan’ny tenany?
10 Manaraka izany dia ilazana isika fa ny fitiavana dia “tsy mitady ny [tombontsoan’ny tenany, NW ]”, izany hoe, rehefa voakasika ny tombontsoantsika manokana sy ny an’ny hafa. Nilaza toy izao ilay apostoly any an-toeran-kafa: “Tsy mba nisy olona tsy tia ny nofony, fa mamelona sy mitaiza azy”. (Efesiana 5:29). Rehefa mifaninana amin’ny tombontsoantsika anefa ny tombontsoan’ny hafa, ary tsy misy fotopoto-pitsipika hafa ao amin’ny Baiboly tafiditra, dia tokony hanao toy ny nataon’i Abrahama tamin’i Lota isika, amin’ny famelana amim-pitiavana ilay hafa hanana ny safidy voalohany. — Genesisy 13:8-11.
11. Midika ho inona ny hoe tsy mora sosotra ny fitiavana?
11 Tsy malaky tezitra koa ny fitiavana. Koa milaza amintsika i Paoly fa ny fitiavana dia “tsy mora sosotra”. Tsy mora tohina izy io. Mifehy tena izy. Ireo mpivady indrindra no tokony hihevitra amim-pitandremana io fananarana io, mba tsy hifampikitakita na hifampivazavaza. Misy tarehin-javatra izay mahatonga ny tena ho mora sosotra, ka izany dia nahatonga an’i Paoly hahatsapa ny ilana hanoro hevitra an’i Timoty toy izao: “Tsy mety raha miady ny mpanompon’ny Tompo, fa ho malemy fanahy amin’ny olona rehetra, mahay mampianatra, mahalefitra” — eny, tsy mora sosotra — “mananatra ny mpanohitra amin’ny fahamoram-panahy”. — 2 Timoty 2:24, 25.
12. a) Amin’ny heviny ahoana ny fitiavana no tsy mihevitra ny ratsy natao tamin’ny tena? b) Nahoana no tsy mampiseho fahendrena ny fiheverana ny ratsy natao tamin’ny tena?
12 Rehefa nanohy ny teniny mikasika ireo zavatra izay tsy atao hoe fitiavana i Paoly dia nanoro hevitra hoe: “Ny fitiavana (...) tsy manao otripo [“tsy mihevitra ny ratsy natao tamin’ny tena”, NW ]”. Izany akory tsy midika hoe ny fitiavana dia tsy mahamarika izay ratsy natao tamin’ny tena. Nasehon’i Jesosy ny fomba tokony handaminantsika raharaha rehefa misy manisy ratsy lehibe antsika. (Matio 18:15-17). Ny fitiavana anefa dia tsy mamela antsika hanohy ho sosotra, na hitana alahelo. Ny tsy fiheverana ny ratsy natao tamin’ny tena dia midika ho famelan-keloka sy fanadinoana izany raha vantany vao voalamina araka ny Soratra Masina ilay raharaha. Eny, aza mampijaly tena na mampahory tena amin’ny famisavisana zava-dratsy, ka hihevitra ny ratsy natao taminao!
13. Inona no dikan’ny hoe tsy mifaly amin’ny tsy rariny, ary nahoana ny fitiavana no tsy manao izany?
13 Ambonin’izany, dia ilazana isika fa ny fitiavana dia “tsy mifaly amin’ny [tsy rariny, DIEM ]”. Izao tontolo izao dia mifaly amin’ny tsy rariny araka ny azontsika jerena amin’ny fitiavan’ny besinimaro ireo boky sy sarimihetsika ary fandaharana ao amin’ny televiziona izay feno herisetra sady vetaveta. Izany fifaliana rehetra izany dia feno fitiavan-tena, tsy manisy fiheverana ireo fotopoto-pitsipika ara-drarin’Andriamanitra na izay mahasoa ny hafa. Izany fifaliana feno fitiavan-tena rehetra izany dia famafazana ho an’ny nofo, ary amin’ny fotoana mety, dia hijinja fahasimbana avy amin’ny nofo. — Galatiana 6:8.
14. Nahoana no azo lazaina amin-toky fa tsy ho levona mandrakizay ny fitiavana?
14 Ny zavatra farany tsy ataon’ny fitiavana izao dia: “Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay”. Voalohany, ny fitiavana dia tsy ho levona na hifarana mandrakizay satria Andriamanitra dia fitiavana, ary izy no “ilay Mpanjaka mandrakizay”. (1 Timoty 1:17, DIEM ). Ao amin’ny Romana 8:38, 39, dia omena toky isika fa ny fitiavan’i Jehovah antsika dia tsy ho levona mandrakizay: “Matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.” Ankoatra, izany dia tsy ho levona mandrakizay ny fitiavana amin’ny heviny hoe tsy mba tsy ampy na oviana na oviana izy io. Izy io dia afaka miatrika izay takin’ny toe-javatra rehetra, sy ny zava-tsarotra rehetra.
Zavatra izay atao hoe fitiavana
15. Nahoana i Paoly no mandahatra ny fahari-po ho voalohany eo amin’ireo lafiny manorina amin’ny fitiavana?
15 Tonga eo amin’ny lafiny manorina izao i Paoly, izay atao hoe fitiavana, ka nanomboka hoe: “Ny fitiavana mahari-po”. Voalaza fa tsy mety hisy ny zavatra toy ny fiarahana kristiana raha tsy misy ny fahari-po, izany hoe, raha tsy misy ny fifampizakana amim-paharetana. Izany no izy satria samy tsy tanteraka avokoa isika rehetra, ary fisedrana ho an’ny hafa ny tsy fahatanterahantsika sy ny fahadisoantsika. Tsy mahagaga raha nandahatra io lafiny io ho voalohany raha ny amin’izay atao hoe fitiavana ny apostoly Paoly!
16. Amin’ny fomba ahoana avy no ahafahan’ny mpianakavy mifaneho hatsaram-panahy?
16 Nilaza i Paoly fa “mora fanahy” na tsara fanahy koa ny fitiavana, izany hoe, ny fitiavana dia mahasoa, feno fiheverana, miahy ny amin’ny zo sy ny fihetseham-pon’ny hafa. Miseho amin-javatra lehibe sy madinika ny hatsaram-panahy. Azo antoka fa naneho hatsaram-panahy tamin’ilay lehilahy notafihin’ny jiolahy ilay Samaritana tia ny mpiara-belona. (Lioka 10:30-37). Ny fitiavana dia finaritra amin’ny filazana hoe “aza fady”. Baiko ny fitenenana hoe: “Omeo atỳ io mofo io”. Ny fampiarahana izany teny izany amin’ny hoe “aza fady” no mahatonga azy io ho fangatahana. Tsara fanahy amin’ny vadiny ny lehilahy manambady rehefa manaraka ilay torohevitra ao amin’ny 1 Petera 3:7 hoe: “Hianareo lehilahy, miaraha mitoetra aminy araka ny marina, manaja ny vavy, tahaka ny mety hatao amin’ny fanaka malemilemy kokoa sady mpiara-mandova ny fahasoavan’ny fiainana, — mba tsy ho voasakana ny fivavahanareo.” Tsara fanahy amin’ny vadiny ny vehivavy manambady rehefa maneho “fanajana lalina” azy. (Efesiana 5:33, NW ). Tsara fanahy amin’ny zanany ny ray rehefa arahin’izy ireo ilay torohevitra ao amin’ny Efesiana 6:4 manao hoe: “Hianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin’ny famaizana sy ny fananaran’ny Tompo [“Jehovah”, NW ] izy.”
17. Inona avy ireo fomba roa ifalian’ny fitiavana amin’ny fahamarinana?
17 Tsy mifaly amin’ny tsy rariny ny fitiavana fa “miara-mifaly amin’ny fahamarinana kosa”. Tsy misaraka ny fitiavana sy ny fahamarinana — Andriamanitra dia sady fitiavana no “Andriamanitry ny fahamarinana”. (Salamo 31:5). Ny fitiavana dia mifaly amin’ny fahitana ny fahamarinana mandresy sy mampiharihary ny lainga; izany no anisan’ny mahatonga ilay fitomboana lehibe eo amin’ny isan’ny mpivavaka amin’i Jehovah amin’izao andro izao. Kanefa satria ny fahamarinana dia ampifanoherina amin’ny tsy rariny, ilay hevitra dia mety hidika koa hoe ny fitiavana dia mifaly amin’ny rariny. Mifaly amin’ny fandresen’ny rariny ny fitiavana, toy izay asaina hataon’ny mpivavaka amin’i Jehovah amin’ny fianjeran’i Babylona Lehibe. — Apokalypsy 18:20.
18. Amin’ny heviny ahoana ny fitiavana no hoe mandefitra ny zavatra rehetra?
18 Milaza amintsika koa i Paoly fa ny fitiavana dia “mandefitra ny zavatra rehetra”. Araka ny asehon’ny Kingdom Interlinear, ilay hevitra dia hoe ny fitiavana manarona ny zava-drehetra. Izy io dia tsy “mampiharihary fahadisoan”-drahalahy, toy ny ironan’ny ratsy fanahy hatao. (Salamo 50:20, NW; Ohabolana 10:12; 17:9). Eny, ny hevitra eto dia mitovy amin’ilay ao amin’ny 1 Petera 4:8 manao hoe: “Ny fitiavana manarona fahotana maro”. Mazava ho azy fa ny tsy fivadihana dia hisakana ny olona iray tsy hanarona fahotana lehibe eo anoloan’i Jehovah sy ny kongregasiona kristiana.
19. Amin’ny fomba ahoana no inoan’ny fitiavana ny zavatra rehetra?
19 Ny fitiavana dia “mino ny zavatra rehetra”. Manorina ny fitiavana fa tsy hoe tsy manorina. Izany akory tsy midika fa ny fitiavana dia mora ambakaina. Tsy malaky mino ireo filazana manaitaitra izy io. Kanefa mba hananan’ny olona iray finoana an’Andriamanitra, dia tsy maintsy manana fahavononana hino izy. Ny fitiavana àry dia tsy misalasala, tsy be fanakianana loatra. Izy io dia tsy manohitra ny finoana toy ny ataon’ny tsy mino an’Andriamanitra, izay milaza amim-pitompoan-teny fantatra fa tsy misy Andriamanitra. Izy io koa dia tsy sahala amin’ny agnostique, izay manamafy amim-pitompoan-teny fantatra fa tsy azo atao tsotra izao ny mahafantatra izay niaviantsika, ny antony maha-eto antsika, ary izay ho endriky ny hoavy. Ny Tenin’Andriamanitra dia manome toky antsika mikasika ireo zavatra rehetra ireo. Vonona ny hino koa ny fitiavana satria izy io dia feno fitokiana fa tsy be ahiahy loatra.
20. Ahoana no ifandraisan’ny fitiavana amin’ny fanantenana?
20 Manome toky antsika ny apostoly Paoly, fanampin’izany, fa ny fitiavana dia “manantena ny zavatra rehetra”. Koa satria manorina ny fitiavana fa tsy hoe tsy manorina, dia manana fanantenana matanjaka ny amin’izay rehetra nampanantenaina ao amin’ny Tenin’Andriamanitra izy io. Izao no lazaina amintsika: “Izay miasa tany dia tokony hiasa amin’ny fanantenana, ary izay mively vary dia tokony hively amin’ny fanantenana hahazo.” (1 Korintiana 9:10). Na dia feno toky aza ny fitiavana, dia feno fanantenana koa izy, manantena ny tsara indrindra mandrakariva.
21. Fanomezan-toky araka ny Soratra Masina inona no mampiseho fa miaritra ny fitiavana?
21 Farany, dia mahazo toky isika fa ny fitiavana dia “maharitra [“miaritra”, NW ] ny zavatra rehetra”. Afaka manao izany izy noho izay lazain’ny apostoly Paoly amintsika ao amin’ny 1 Korintiana 10:13 hoe: “Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan’ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany làlana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany.” Ny fitiavana dia mahatonga antsika hitodika any amin’ireo ohatra maro be ao amin’ny Soratra Masina mikasika ireo mpanompon’Andriamanitra izay niaritra, ka i Jesosy Kristy no lohany amin’izany, araka ny ampahatsiarovina antsika ao amin’ny Hebreo 12:2, 3.
22. Amin’ny maha-zanak’Andriamanitra antsika, toetra tsara voalohany indrindra inona no tsy maintsy ahintsika mandrakariva ny hanehoana azy?
22 Marina tokoa fa ny fitiavana (a·gaʹpe) no toetra tsara voalohany indrindra ilaintsika Kristiana, Vavolombelon’i Jehovah, hambolena, rehefa jerena izay atao hoe fitiavana sy izay tsy izy. Amin’ny maha-zanak’Andriamanitra antsika, dia enga anie isika hiahy mandrakariva ny amin’ny hanehoana io vokatry ny fanahin’Andriamanitra io. Fanahafana an’Andriamanitra ny fanaovana izany, satria tsarovy fa “Andriamanitra dia fitiavana”.
Tadidinao Ve?
◻ Ahoana no nampisehoan’i Jesosy Kristy sy i Paoly ny toerana voalohany indrindra tanan’ny fitiavana?
◻ Amin’ny heviny ahoana ny fitiavana no tsy mialona?
◻ Amin’ny ahoana ny fitiavana no “mandefitra ny zavatra rehetra”?
◻ Nahoana no azo lazaina fa tsy ho levona mandrakizay ny fitiavana?
◻ Amin’ny fomba roa inona avy no ifalian’ny fitiavana amin’ny fahamarinana?
[Efajoro, pejy 21]
FITIAVANA (AGAPE)
Ny Izy Ny Tsy Izy
1. Mahari-po 1. Mialona
2. Tsara fanahy 2. Mirehareha
3. Mifaly amin’ny fahamarinana 3. Mieboebo
4. Mandefitra ny zavatra rehetra 4. Manao izay tsy mahamendrika
5. Mino ny zavatra rehetra 5. Mitady ny tombontsoan’ny tenany
6. Manantena ny zavatra rehetra 6. Mora sosotra
7. Miaritra ny zavatra rehetra 7. Manao otri-po
8. Mifaly amin’ny tsy rariny
9. Ho levona mandrakizay
[Sary, pejy 18]
Nampietren’i Jehovah i Nebokadnezara noho ny fireharehana