Tadidinao ve?
Nandinika tamim-pitandremana ireo nomerao farany tamin’ny Ny Tilikambo Fiambenana ve ianao? Raha izany no izy, dia angamba afaka hahatsiaro ireto manaraka ireto ianao:
◻ Moa ve ny sasany amin’ireo kristiana voahosotra ho tafita velona amin’ny “fahoriana lehibe” ary hiaina eto an-tany kelikely alohan’ny hakana azy ho any an-danitra? — Apokalypsy 7:14.
Tsy mazava sy hentitra ny Baiboly ny amin’io. Toa milaza ny fitantarana sasany ao amin’ny Baiboly fa mety hanohy hiaina ka hiditra ao amin’ny fandehan-javatra vaovao ireo voahosotra. Kanefa, efa nahazo ny fampiofanana ilaina mba hampandehanana ny fandehan-javatra vaovao ny an-tapitrisany maro amin’ireo izay manantena ny hiaina mandrakizay eto an-tany. Noho izany, dia tsy hilaina ho an’io asa io ireo sisa vitsy an’isa, ary mety hifidy ny haka azy ireo ho any an-danitra hanaovana ny “fampakaram-badin’ny Zanak’ondry” aorian’ny fandringanana ilay vehivavy janga ara-pivavahana, dia i “Babylona Lehibe”, Andriamanitra. (Apokalypsy 18:2, 10; 19:2, 7, 8). — 15/11/90, pejy faha-31.
◻ Noho ny antony manosika inona avy no tokony hanirian’ny lehilahy iray mafy ny ho tonga mpiandraikitra kristiana? (1 Timoty 3:1, MN).
Tokony hiezaka mba handroso ho amin’ny asan’ny mpiandraikitra ny lehilahy iray ary hanao izany amim-panetren-tena satria maniry hanompo ny hafa izy. Rehefa voahetsiky ny antony manosika mendri-kaja toy izany izy, io zavatra ataony io dia afaka mitondra fitahiana ara-panahy ho an’izay rehetra voakasik’izany. — 1/11/90, pejy faha-18.
◻ Nahoana i Paoly no tsy nanjary kivy na dia teo aza ireo zavatra rehetra tsy maintsy niaretany?
Manazava toy izao i Paoly: “Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’Ilay mampahery ahy.” (Filipiana 4:13). Tsy nanandrana na oviana na oviana ny hitondra ny entany irery i Paoly. Tsia, fa niantehitra tamin’i Jehovah kosa izy mba hanohana azy. (Salamo 55:22). — 1/11/90, pejy faha-30.
◻ Inona no tian’ny tenin’i Paoly ao amin’ny Efesiana 4:26 holazaina amin’ny hoe: “Tezera, fa aza manota”?
Ireo teny ireo dia manaiky fa mety ho tezitra ara-drariny ny olona iray, kanefa raha mitranga tokoa izany, dia tsy tokony hihazona ‘fahasosorana ho tratry ny masoandro milentika’ izany olona izany. (Efesiana 4:26, MN). Nahoana? Satria izany dia hanome fahafahana ny Devoly hanararaotra azy, angamba amin’ny fitarihana azy hanao zavatra ratsy ka hahazo ny tsy fankasitrahan’Andriamanitra. (Salamo 37:8, 9). — 15/12/90, pejy faha-21.
◻ Fifanoheran-javatra lehibe inona no misy eo amin’ny fomba fampianatry ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny fomba arahin’ny klerjin’ny fivavahana lazaina fa kristiana?
Mampianatra amin’ny alalan’ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah, fa ny klerjin’ny fivavahana lazaina fa kristiana kosa mampifototra ny fampianarany amin’ny lovantsofina ara-pivavahan’ny fanompoan-tsampy avy tany Babylona sy Egypta. — 1/1/91, pejy faha-25.
◻ Noho ny antony lehibe indrindra inona no nahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra teto an-tany?
Tonga teto an-tany i Jesosy mba handamina voalohany indrindra ilay raharaha napoitran’i Satana nifandray tamin’ny fiandrianan’i Jehovah. — 15/1/91, pejy faha-13.
◻ Rehefa miantso ireo manam-pahefana tsy ara-pivavahana hoe “ambony” isika, moa ve amin’izany isika mampihena vidy ny voninahitra tokony ho an’i Jehovah? (Romana 13:1, MN)
Tsia, satria Jehovah dia lehibe lavitra noho ny hoe “ambony” fotsiny. Izy no “Tompom-piandrianana”, “ny Avo Indrindra”. (Salamo 73:28, MN; Daniela 7:18, 22). Ireo manam-pahefana tsy ara-pivavahana dia ambony raha oharina amin’ny olombelona hafa ary ao anatin’ny faritra ahafahany manao zavatra fotsiny. Manana andraikitra hanapaka eo amin’ny fitambaran’olona sy hiaro azy izy ireo. — 11/1/91, pejy faha-12.
◻ Nahoana ny fitiavana no ny lehibe indrindra amin’ireo vokatry ny fanahin’Andriamanitra sivy voatonona ao amin’ny Galatiana 5:22, 23?
Ireo vokatry ny fanahin’Andriamanitra valo hafa dia fisehoana na endrika samihafa isehoan’ny fitiavana, ilay voatonona voalohany. Toetra tsara ilaina avokoa ireo vokatry ny fanahy hafa rehetra ireo, kanefa tsy hahasoa antsika izy ireo raha tsy manam-pitiavana isika. (1 Korintiana 13:3). — 15/2/91, pejy faha-14.
◻ Inona ireo vokatsoa azo avy amin’ny fivavahana ho an’ireo mpiray finoana amintsika?
Rehefa manao ho antom-bavaka ny fahasalamana ara-panahin’ny hafa isika, dia ho voatarika ho akaiky kokoa azy ireo ao anatin’ny fitiavana ny rahalahy. Mangoraka azy ireo koa isika, miara-paly sy miara-kory aminy. Foana izay mety ho lolompo ka hanome toerana ho an’ireo fiheverana manorina izay hahatonga antsika ho be fitiavana sy ho falifaly. — 15/2/91, pejy faha-21-22.
◻ Inona avy ireo antony manery antsika hanompo an’i Jehovah Andriamanitra?
Tokony hanompo an’i Jehovah isika satria izy no Mpamorona ary mitarika antsika ho akaiky azy ireo toetrany tsara. (Deoteronomia 32:3, 4; 1 Jaona 4:8; Apokalypsy 10:6). Milaza ny Baiboly hoe: “Ny toe-panahy araka an’Andriamanitra [fifikirana amin’Andriamanitra, MN] no mahasoa amin’ny zavatra rehetra ka manana ny teny fikasana ny amin’ny fiainana ankehitriny sy ny ho avy koa.” (1 Timoty 4:8). Tsy misy andriamanitra ankoatra an’i Jehovah afaka mampanantena fiafarana tahaka izany ka hanatanteraka ny fampanantenany. — 1/3/91, pejy faha-6-7.