Anisan’ny Fandaminan’Andriamanitra Ianao ka Mitoera eo Ambany Fiarovany
“Ny anaran’i Jehovah dia tilikambo mafy; ny marina miezaka ho ao aminy ka voavonjy.” — OHABOLANA 18:10.
1. Inona ny tarehin-javatra sarotra misy ny Kristianina, araka ilay vavaka nataon’i Jesosy?
TALOHA kelin’ny nahafatesany, dia nivavaka tamin’ilay Rainy tany an-danitra i Jesosy, ho an’ireo mpanara-dia azy. Nilaza toy izao izy noho ny fiahiany feno fitiavana: “Efa nomeko azy ny teninao; ary halan’izao tontolo izao izy, satria tsy naman’izao tontolo izao, tahaka Ahy tsy naman’izao tontolo izao. Izaho tsy mangataka aminao mba hampiala azy amin’izao tontolo izao, fa ny mba hiaro azy amin’ny ratsy.” (Jaona 17:14, 15). Fantatr’i Jesosy fa ho toerana mampidi-doza ho an’ny Kristianina izao tontolo izao. Hampiseho ny fankahalany azy ireo izy io, amin’ny famafazana lainga momba azy ireo na amin’ny fanenjehana azy ireo. (Matio 5:11, 12; 10:16, 17). Ho loharanon’ny fikororosiana ara-pitondran-tena koa izy io. — 2 Timoty 4:10; 1 Jaona 2:15, 16.
2. Aiza no ahafahan’ny Kristianina mahita toeram-piarovana ara-panahy?
2 Ilay izao tontolo izao hankahala ny Kristianina dia voaforon’ireo olona izay sady lavitra an’Andriamanitra no eo ambany fifehezan’i Satana. (1 Jaona 5:19). Lehibe lavitra noho ny kôngregasiôna kristianina io tontolo io, ary mahery lavitra noho ny olona na iza na iza i Satana. Tena loza mandrahona, noho izany, ny fankahalan’izao tontolo izao. Aiza no ahafahan’ireo mpanara-dia an’i Jesosy mahita fiarovana ara-panahy? Nilaza an-kolaka ny valiny ny fanambarana iray tao amin’ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) tamin’ny 1 Desambra 1922, manao hoe: “Vanim-potoana ratsy no misy antsika ankehitriny. Mbola rafitra ady ny fandaminan’i Satana sy ny fandaminan’Andriamanitra. Ady mangotrakotraka izy io.” Amin’io ady io, dia toeram-piarovana ara-panahy ny fandaminan’Andriamanitra. Tsy hita ao amin’ny Baiboly ny teny hoe “fandaminana”, ary fitenenana vaovao ny hoe “fandaminan’Andriamanitra”, tany amin’ireo taona 1920. Inona àry io fandaminana io, ary ahoana no hahazoantsika fiarovana ao anatin’izy io?
Ny fandaminan’i Jehovah
3, 4. a) Araka ny diksionera iray sy Ny Tilikambo Fiambenana, inona no atao hoe fandaminana? b) Amin’ny heviny ahoana no azo antsoina hoe fandaminana ny fitambaran’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany?
3 “Fitambaran’olona voalamina” no atao hoe fandaminana, araka ny diksionera iray. Amin’ny fitadidiana izany, dia takatsika fa, noho ireo apostoly nandamina ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany ho kôngregasiôna maro teo an-toerana, izay teo ambany fiandraiketan’ny fitambara-mpitantana iray tao Jerosalema, dia mety ny hiresahana an’io “fitambaran-drahalahy” io ho fandaminana. (1 Petera 2:17, NW ). Manana rafi-pandaminana mitovy amin’izany koa ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao. Nanamafy ny firaisan-tsaina teo amin’ilay fitambaran’olona tamin’ny taonjato voalohany ny fisian’ireo ‘lehilahy natolotra ho fanomezana’, toy ny “mpiandry sy mpampianatra”. Nandeha nitety kôngregasiôna ny sasany tamin’izy ireny, fa ny hafa kosa dia loholona tao amin’ireo kôngregasiôna teo an-toerana. (Efesiana 4:8, 11, 12, NW; Asan’ny Apostoly 20:28). Manamafy ny firaisan-tsain’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao koa ny “fanomezana” mitovy amin’izany.
4 Milaza toy izao momba ny teny hoe “fandaminana” Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) tamin’ny 1 Novambra 1922: “Ny fandaminana dia fitambaran’olona izay natao hanatanteraka zava-kendrena iray voavolavola.” Manohy manazava ilay Tilikambo Fiambenana fa ny fiantsoana ny Vavolombelon’i Jehovah hoe fandaminana, dia tsy nahatonga azy ireo ho “sekta, araka ilay heviny ampiasana an’io teny io, fa midika fotsiny hoe miezaka mafy mba hanatanteraka ny fikasan’Andriamanitra ny Mpianatra ny Baiboly [Vavolombelon’i Jehovah] ary manao izany araka ny fomba anaovan’ny Tompo ny zavatra rehetra, izany hoe, amin’ny fomba milamina”. (1 Korintiana 14:33). Nasehon’ny apostoly Paoly fa nanao zavatra tamin’ny fomba nilamina toy izany koa ny Kristianina tamin’ny androny. Ny fitambaran’ireo Kristianina voahosotra dia nampitahainy tamin’ny tenan’olombelona manana rantsambatana maro, izay samy manao ny anjara asa nanendrena azy avy, mba hahafahan’ny vatana miasa araka ny tokony ho izy. (1 Korintiana 12:12-26). Izany ka sary mampiseho tsara ny atao hoe fandaminana! Nahoana no voalamina ny Kristianina? Mba hanatanteraka ny “fikasan’Andriamanitra”, sy hanao ny sitrapon’i Jehovah.
5. Inona no atao hoe fandaminan’Andriamanitra hita maso?
5 Nanambara mialoha ny Baiboly fa ho tafaray ireo Kristianina marina amin’izao andro izao, hampiarahina ao amin’ny “tany” iray toy ny “firenena” iray, izay ‘isehoan’izy ireo tahaka ny fanazavana eo amin’izao tontolo izao’. (Isaia 66:8; Filipiana 2:15). Maherin’ny dimy tapitrisa sy sasany ankehitriny io “firenena” voalamina io. (Isaia 60:8-10, 22). Mbola tsy ny fandaminan’Andriamanitra manontolo anefa izany. Misy anjely koa tafiditra amin’izy io.
6. Iza no mahaforona ny fandaminan’Andriamanitra, raha raisina amin’ny heviny faran’izay miitatra?
6 Misy tarehin-javatra maro izay iarahan’ny anjely miasa amin’ny olombelona mpanompon’Andriamanitra. (Genesisy 28:12; Daniela 10:12-14; 12:1; Hebreo 1:13, 14; Apokalypsy 14:14-16). Nety tokoa raha nilaza toy izao Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) tamin’ny 15 May 1925: “Anisan’ny fandaminan’Andriamanitra avokoa ny anjely masina rehetra.” Hoy ny teny nanampin’izy io: “I Jesosy Kristy Tompo, izay manana ny hery sy ny fahefana rehetra, no eo amin’ny lohan’ny fandaminan’Andriamanitra.” (Matio 28:18). Raha raisina amin’ny heviny faran’izay miitatra àry, dia ireo rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany izay miara-miasa mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra no anisan’ny fandaminan’Andriamanitra. (Jereo ny faritra voafefy.) Tombontsoa toy inona moa ny hoe anisan’izy io! Endre ny fifaliana eo am-piandrandrana ilay fotoana izay hahavoalamina ny zavaboary velona rehetra, any an-danitra sy etỳ an-tany, mba hiderana an’i Jehovah Andriamanitra amim-piraisan-tsaina! (Apokalypsy 5:13, 14). Inona anefa ilay fiarovana omen’ny fandaminan’Andriamanitra amin’izao andro izao?
Voaro ao anatin’ny fandaminan’Andriamanitra — Amin’ny fomba ahoana?
7. Amin’ny fomba ahoana no iarovan’ny fandaminan’Andriamanitra antsika?
7 Manampy eo amin’ny fiarovana antsika amin’i Satana sy ireo teti-dratsiny ny fandaminan’Andriamanitra. (Efesiana 6:11). Tanjona tokana ihany no masaka ao an-dohan’i Satana, rehefa manery sy manenjika ary maka fanahy an’ireo mpivavaka amin’i Jehovah izy: Ny hampiala azy ireo amin’ilay ‘lalana tokony halehany’. (Isaia 48:17; ampitahao amin’ny Matio 4:1-11.) Tsy afaka ny handositra tanteraka an’ireny fanafihana ireny mihitsy isika raha mbola eto amin’itỳ fandehan-javatra itỳ. Manatanjaka sy miaro antsika anefa ny fifandraisantsika akaiky amin’Andriamanitra sy ny fandaminany, ka manampy antsika hitoetra ao amin’ilay “lalana”. Ho vokany dia tsy mamoy ny fanantenantsika isika.
8. Ahoana no anohanan’ny fandaminan’i Jehovah tsy hita maso ireo mpanompony eto an-tany?
8 Amin’ny fomba ahoana no anomezan’ny fandaminan’Andriamanitra izany fiarovana izany? Voalohany aloha dia mahazo fanohanana azo antoka isika, avy amin’ireo zavaboary ara-panahy manompo an’i Jehovah. Rehefa niharam-panerena mafy i Jesosy, dia nisy anjely nanampy azy. (Lioka 22:43). Rehefa notandindomin’ny fahafatesana i Petera, dia namonjy azy tamin’ny fomba mahagaga ny anjely iray. (Asan’ny Apostoly 12:6-11). Na dia tsy misy fahagagana toy izany aza amin’izao andro izao, dia mahazo fampanantenana ny vahoakan’i Jehovah fa hisy anjely hanohana azy ireo eo amin’ny asa fitoriany. (Apokalypsy 14:6, 7). Matetika izy ireo no manana tanjaka mihoatra noho ny mahazatra rehefa miatrika tarehin-javatra sarotra. (2 Korintiana 4:7, NW ). Takatr’izy ireo koa, ankoatra izany, fa “ny Anjelin’i Jehovah [dia] mitoby manodidina izay matahotra Azy ka mamonjy azy”. — Salamo 34:7.
9, 10. Ahoana no azo ilazana fa “ny anaran’i Jehovah dia tilikambo mafy”, ary ahoana no iharan’io foto-pitsipika io amin’ny fandaminan’Andriamanitra amin’ny fitambarany?
9 Fiarovana koa ny fandaminan’i Jehovah hita maso. Amin’ny fomba ahoana? Izao no vakintsika ao amin’ny Ohabolana 18:10: “Ny anaran’i Jehovah dia tilikambo mafy; ny marina miezaka ho ao aminy ka voavonjy.” Tsy te hilaza akory izany hoe ahazoana fiarovana ny famerimberenana fotsiny ny anaran’Andriamanitra. Ny fitadiavantsika fialofana ao amin’ny anaran’Andriamanitra kosa dia midika hoe mitoky amin’ny tenan’i Jehovah mihitsy isika. (Salamo 20:1; 122:4). Ny dikan’izany dia hoe manohana ny fiandrianany sy ny lalàny ary ireo foto-pitsipiny, no sady mino ny fampanantenany. (Salamo 8:1-9; Isaia 50:10; Hebreo 11:6). Tafiditra amin’izany koa ny fanehoana fifikirana tsy mizarazara amin’i Jehovah. Ireo izay mivavaka amin’i Jehovah amin’izany fomba izany ihany no afaka miombom-peo amin’ny mpanao salamo, amin’ny filazana hoe: “[Jehovah] no ifalian’ny fontsika, satria ny anarany masina no itokiantsika.” — Salamo 33:21; 124:8.
10 Miombom-peo amin’i Mika ankehitriny ireo rehetra ao anatin’ny fandaminan’Andriamanitra hita maso, amin’ny filazana hoe: “Isika kosa handeha amin’ny anaran’i Jehovah Andriamanitsika mandrakizay doria.” (Mika 4:5). Ny votoatin’ilay fandaminana amin’ny andro maoderina dia ny “Isiraelin’Andriamanitra”, izay antsoin’ny Baiboly hoe ‘olona hankalazana ny anarany’. (Galatiana 6:16; Asan’ny Apostoly 15:14; Isaia 43:6, 7; 1 Petera 2:17). Ny hoe anisan’ny fandaminan’i Jehovah àry dia midika hoe anisan’ny vahoaka iray izay mitady sy mahazo fiarovana amin’ny anaran’Andriamanitra.
11. Amin’ny fomba voafaritra tsara inona avy no iarovan’ny fandaminan’i Jehovah an’ireo anisany?
11 Fanampin’izany, ny fandaminan’Andriamanitra hita maso dia fitambaran’olona mitovy zavatra inoana, fikambanan’ireo mpiray finoana izay mifanatanjaka sy mifankahery. (Ohabolana 13:20; Romana 1:12). Izy io dia toerana ikarakaran’ireo mpiandry kristianina ny ondry, sy ampaherezany ny marary sy ny ketraka, ary iezahany hanarina ny lavo. (Isaia 32:1, 2; 1 Petera 5:2-4). Manome ‘sakafo amin’ny fotoana mety’, amin’ny alalan’ny fandaminana, ny “mpanompo mahatoky sy malina”. (Matio 24:45, NW ). Io “mpanompo” io, izay voaforon’ny Kristianina voahosotra, dia manome ny tsara indrindra amin’ireo zava-tsoa ara-panahy — fahalalana marina miorina amin’ny Baiboly, izay afaka mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay. (Jaona 17:3). Tari-dalana avy amin’ilay “mpanompo” no mahatonga ny Kristianina hahazo fanampiana mba hihazona fari-pitsipika ara-pitondran-tena ambony sy ho “malina tahaka ny bibilava, kanefa koa ho tsotra tahaka ny voromahailala”, ao anatin’ilay tontolo mampidi-doza manodidina azy. (Matio 10:16, NW ). Ampiana izy ireo mba “hanan-javatra be dia be hatao foana amin’ny asan’ny Tompo”, ka izany fotsiny aza dia efa fiarovana mafy. — 1 Korintiana 15:58, NW.
Iza avy no anisan’ny fandaminan’Andriamanitra?
12. Iza no fantatra ho anisan’ny fandaminan’Andriamanitra any an-danitra?
12 Iza avy no anisan’ny fandaminan’Andriamanitra, satria izy ireo ihany no mahazo izany fiarovana izany? Tsy misy isalasalana ny valin’io fanontaniana io, raha ny amin’ilay fandaminana any an-danitra. Tsy any an-danitra intsony i Satana sy ireo anjeliny. Mbola any kosa anefa ireo anjely mahatoky, “manao fivoriambe”. Hitan’ny apostoly Jaona fa, mandritra ny andro farany, dia eo akaikin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra no misy “ny Zanak’ondry”, sy ireo kerobima (“ny zava-manan-aina efatra”), ary ny “anjely maro”. Miaraka amin’izy ireo eo koa ireo loholona 24, izay sary mampiseho ireo Kristianina voahosotra efa nahazo ilay lovany be voninahitra any an-danitra. (Hebreo 12:22, 23, NW; Apokalypsy 5:6, 11; 12:7-12). Mazava fa anisan’ny fandaminan’Andriamanitra avokoa izy rehetra ireo. Tsy tsotra toy izany kosa anefa ny eo anivon’ny olombelona.
13. Ahoana no nampahafantaran’i Jesosy ny hoe iza no anisan’ny fandaminan’Andriamanitra ary iza kosa no tsy anisany?
13 Izao no nolazain’i Jesosy mahakasika ny sasany izay mihambo ho manaraka azy: “Maro no hanao amiko amin’izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin’ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia tamin’ny anaranao va izahay? ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin’ny anaranao va izahay? Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory hianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, hianareo mpanao meloka.” (Matio 7:22, 23). Raha mpanao meloka ny olona iray, dia azo antoka fa tsy anisan’ny fandaminan’Andriamanitra izy, na inona na inona filazany, ary na aiza na aiza toerana ivavahany. Nasehon’i Jesosy koa ny fomba hahafantarana izay anisan’ny fandaminan’Andriamanitra. Hoy izy: “Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko Izay any an-danitra.” — Matio 7:21.
14. Lafiny inona avy amin’ny sitrapon’Andriamanitra no fantatra fa tsy maintsy ataon’ireo anisan’ny fandaminan’Andriamanitra?
14 Tsy maintsy manao ny sitrapon’Andriamanitra, noho izany, ny olona iray mba hahatonga azy ho anisan’ny fandaminan’Andriamanitra, izay ny “fanjakan’ny lanitra” no votoatiny. Inona ny sitrapony? Nampahafantatra lafiny tena lehibe iray amin’izy io i Paoly rehefa nilaza hoe: “Ny sitrapon[’Andriamanitra] dia hoe tokony ho voavonjy ny karazan’olona rehetra ary ho tonga amin’ny fahalalana araka ny marina ny fahamarinana.” (1 Timoty 2:4, NW ). Manao ny sitrapon’Andriamanitra ny olona iray raha tena miezaka hahazo fahalalana marina avy ao amin’ny Baiboly, ka mampihatra azy io eo amin’ny fiainany, sy mampiely azy io amin’ny “karazan’olona rehetra”. (Matio 28:19, 20; Romana 10:13-15). Sitrapon’Andriamanitra koa ny famahanana sy ny fikarakarana ny ondrin’i Jehovah. (Jaona 21:15-17). Manana anjara asa tena lehibe amin’izany ny fivoriana kristianina. Ny olona iray izay manana fahafahana hanatrika ireny fivoriana ireny, nefa manao tsirambina ny fanatrehana izany, dia tsy ampy fankasitrahana ny toerany ao anatin’ny fandaminan’Andriamanitra. — Hebreo 10:23-25.
Fisakaizana amin’izao tontolo izao
15. Fampitandremana inona no nomen’i Jakoba an’ireo kôngregasiôna tamin’ny androny?
15 Tokony ho 30 taona taorian’ny nahafatesan’i Jesosy, dia nampahafantatra lafin-javatra sasany izay mety hahatandindomin-doza ny toeran’ny olona iray ao anatin’ny fandaminan’Andriamanitra, i Jakoba, rahalahin’i Jesosy, iray reny taminy. Hoy no nosoratany: “Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan’izao tontolo izao, dia fahavalon’Andriamanitra izy.” (Jakoba 4:4). Azo antoka fa tsy anisan’ny fandaminan’Andriamanitra ny fahavalony. Inona àry no atao hoe fisakaizana amin’izao tontolo izao? Nohazavaina fa miseho amin’ny endriny samy hafa izy io, anisan’izany ny hoe mitady fifaneraserana ratsy na manjary mifandray akaiky amin’ny naman-dratsy. Fanampin’izany, i Jakoba dia nifantoka tamin-javatra tena voafaritra tsara — toe-tsaina ratsy izay mitarika ho amin’ny fitondran-tena tsy mendrika.
16. Inona ny teny manodidina ilay fampitandreman’i Jakoba manao hoe fandrafiana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao?
16 Izao no vakintsika ao amin’ny Jakoba 4:1-3: “Avy aiza ny ady, ary avy aiza ny fifandirana eo aminareo? Tsy izao va no ihaviany, dia ny filanareo izay miady ao anatin’ny momba ny tenanareo? Mila hianareo, nefa tsy manana ihany; mamono sy mitsiriritra hianareo, nefa tsy mahazo ihany; mifanditra sy miady hianareo; tsy manana hianareo, satria tsy mangataka. Mangataka hianareo, nefa tsy mahazo ihany, satria diso fangataka, mba holaninareo amin’ny filanareo.” Rehefa avy nanoratra ireo teny ireo i Jakoba vao nampitandrina ny amin’ny fisakaizana amin’izao tontolo izao.
17. Tamin’ny fomba ahoana no nisy ‘ady’ sy ‘fifandirana’ tao amin’ny kôngregasiôna kristianina tamin’ny taonjato voalohany?
17 Taonjato maro taorian’ny nahafatesan’i Jakoba, dia niady sy nifamono ara-bakiteny ireo Kristianina sandoka. Ny niantefan’ny taratasin’i Jakoba anefa dia ireo anisan’ny “Isiraelin’Andriamanitra” tamin’ny taonjato voalohany, izay nety ho tonga ‘mpisorona sy mpanjaka’ any an-danitra. (Apokalypsy 20:6). Tsy nifamono tamin’ny ady ara-bakiteny akory izy ireo. Nahoana àry i Jakoba no niresaka zavatra toy izany teo anivon’ireo Kristianina? Mpamono olona no niantsoan’ny apostoly Jaona an’izay rehetra mankahala ny rahalahiny. Niresaka ny tsy fifankahazoan-toetra sy ny fifanolanana maharitra ao anatin’ny kôngregasiôna ho toy ny “ady” sy “fifandirana” i Paoly. (Titosy 3:9; 2 Timoty 2:14; 1 Jaona 3:15-17). Mitovy amin’izany ihany fa ny tsy fitiavana ireo namana kristianina no miharihary fa tao an-tsain’i Jakoba. Ny fihetsik’ireo Kristianina teo amin’izy samy izy dia tsy nisy hafa tamin’ilay fomba izay matetika ifampitondran’ny olona eo amin’izao tontolo izao.
18. Inona no mety hahatonga fanaovan-javatra sy fihetseham-po tsy misy fitiavana, eo amin’ny samy Kristianina?
18 Nahoana no nitrangan-javatra toy izany tao amin’ny kôngregasiôna kristianina? Noho ny toe-tsaina ratsy, toy ny fitsiriritana sy ny ‘filana’. Afaka ny handrava ilay fisakaizana kristianina feno fitiavana eo anivon’ny kôngregasiôna koa, ny avonavona sy ny fialonana ary ny fanirian-daza. (Jakoba 3:6, 14). Ny toe-tsaina toy izany dia mahatonga ny olona iray ho sakaizan’izao tontolo izao, ka ho fahavalon’Andriamanitra. Tsy misy olona mihazona toe-tsaina toy izany ka afaka manantena ny hitoetra ho anisan’ny fandaminan’Andriamanitra.
19. a) Iza indrindra no tokony homen-tsiny raha hitan’ny Kristianina iray fa misy fisainan-dratsy mamaka ao am-pony? b) Ahoana no ahafahan’ny Kristianina mandresy ny fisainan-dratsy?
19 Iza no azontsika omen-tsiny raha hitantsika fa misy fisainan-dratsy mamaka ao am-pontsika? I Satana ve? Eny, amin’ny lafiny sasany. Izy no ‘mpanapaka ny fanjakana eny amin’ny rivotr’itỳ tontolo itỳ’, izay ielezan’ny toe-tsaina toy izany. (Efesiana 2:1, 2; Titosy 2:12). Mazàna anefa dia ny nofontsika tsy lavorary no rangory fototry ny afo mahatonga fisainan-dratsy. Nanoratra toy izao i Jakoba taorian’ny nanomezany fampitandremana mahakasika ny fisakaizana amin’izao tontolo izao: “Ataonareo va fa miteny foana ny Soratra Masina? [‘Tsy mitsahatra maniry mafy ilay fanahy izay niorim-ponenana ato anatintsika, noho fironana hitsiriritra’, NW ]”? (Jakoba 4:5). Manana fironana raiki-tampisaka hanao ratsy avokoa isika rehetra. (Genesisy 8:21; Romana 7:18-20). Afaka miady amin’izany fironana izany anefa isika, raha miaiky ny fahalementsika ka miantehitra amin’ny fanampian’i Jehovah mba handresena azy ireny. Hoy i Jakoba: “Lehibe kokoa [noho ilay fironana hitsiriritra efa raiki-tampisaka ao amintsika] anefa ny hatsaram-panahy omen[’Andriamanitra] an’izay tsy mendrika akory”. (Jakoba 4:6, NW ). Noho ny fanampian’ny fanahy masin’Andriamanitra sy ny fanohanan’ireo rahalahy kristianina mahatoky, ary noho ny vidin’ny sorom-panavotan’i Jesosy, dia tsy resin’ny fahalemen’ny nofony ireo Kristianina mahatoky. (Romana 7:24, 25). Voaro izy ireo ao anatin’ny fandaminan’Andriamanitra, ary sakaizan’Andriamanitra, fa tsy sakaizan’izao tontolo izao.
20. Fitahiana manana amby ampy inona avy no azon’ireo anisan’ny fandaminan’Andriamanitra?
20 Mampanantena toy izao ny Baiboly: “Jehovah hanome hery ny olony; Jehovah hitahy ny olony amin’ny fiadanana.” (Salamo 29:11). Raha toa isika ka tena anisan’ilay “firenena” maoderin’i Jehovah, izany hoe, ny fandaminany hita maso, dia tsy ho diso anjara amin’ilay hery omeny isika ary hanana ilay fiadanana izay itahiany ny vahoakany. Marina aloha fa lehibe lavitra ny tontolon’i Satana miohatra amin’ny fandaminan’i Jehovah hita maso, ary matanjaka lavitra i Satana miohatra amintsika. Tsitoha kosa anefa i Jehovah. Tsy misy maharesy ny heriny miasa. Tafaray amintsika eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra koa ireo anjely mahery. Afaka miorina mafy isika, noho izany, na dia eo aza ilay fankahalana atrehintsika. Toa an’i Jesosy, dia afaka mandresy izao tontolo izao isika. — Jaona 16:33; 1 Jaona 4:4.
Azonao Hazavaina Ve?
◻ Inona no atao hoe fandaminan’Andriamanitra hita maso?
◻ Amin’ny fomba ahoana avy ny fandaminan’Andriamanitra no manome fiarovana?
◻ Iza avy no anisan’ny fandaminan’Andriamanitra?
◻ Inona no azontsika atao mba tsy hahatonga antsika ho sakaizan’izao tontolo izao?
[Efajoro, pejy 9]
Inona no Atao hoe Fandaminan’Andriamanitra?
Fomba telo no ampiasana ny teny hoe “fandaminan’Andriamanitra”, ao amin’ireo zavatra vita an-tsoratry ny Vavolombelon’i Jehovah.
1 Ny fandaminan’i Jehovah tsy hita maso any an-danitra. Ireo zavaboary ara-panahy mahatoky no ao anatin’izy io. Antsoina hoe “Jerosalema any ambony” izy io ao amin’ny Baiboly. — Galatiana 4:26.
2 Ny fandaminan’i Jehovah hita maso, izay olombelona no ao anatiny. Ny sisa voahosotra sy ny olona betsaka no anisan’izy io amin’izao andro izao.
3 Ny fandaminan’i Jehovah eo amin’izao rehetra izao. Ao anatin’izy io ny fandaminan’i Jehovah any an-danitra, miaraka amin’ireo voahosotra eto an-tany natsangany ho zanany, izay manana fanantenana ny ho tonga zavaboary ara-panahy. Ho anisan’izy io koa, any aoriana, ireo olombelona lavorary eto an-tany.
[Sary, pejy 10]
Ny sakafo ara-panahy tsara indrindra no omena amin’ny alalan’ny fandaminan’i Jehovah