“Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
1. Ahoana no ampahafantaran’ny Baiboly ilay Loharanony, ary karazana fahalalana inona no omen’ny Soratra Masina?
“NY SORATRA rehetra dia ara-tsindrimandrin’ Andriamanitra.” Ireo teny ao amin’ny 2 Timoty 3:16 (NW ) ireo dia mampahafantatra an’Andriamanitra izay hoe Jehovah no anarany, ho ny Loharanon’ny Soratra Masina sady Mpanome Tsindrimandry ny hanoratana azy. Mahafa-po sady mahafinaritra toy inona moa ireo Soratra ara-tsindrimandry! Endre ny loharanom-pahalalana marina omen’izy ireo! Tena “ny fahalalana an’Andriamanitra” marina, izay nokarohin’ireo tia ny rariny tamin’ny taonjato rehetra ka nankamaminy, izy ireo. — Ohab. 2:5.
2. Nanao ahoana no nanombanan’i Mosesy sy i Davida ary i Solomona ny fahendrena araka an’Andriamanitra?
2 Ny iray tamin’ireo mpikaroka fahalalana ireo dia i Mosesy, ilay mpitarika sady mpandamina hita mason’ny firenen’Isiraely izay an’Andriamanitra. Nilaza izy fa ny fampianarana araka an’Andriamanitra dia namelombelona ‘tahaka ny ando, sy tahaka ny erika amin’ny ahi-maitso ary ny ranonorana amin’ny anana’. Avy eo, dia teo i Davida, mpiady nafana fo sady mpiaro ny anaran’i Jehovah, izay nivavaka hoe: “Ampianaro ny làlanao aho, Jehovah ô, dia handeha amin’ny fahamarinanao aho”. Teo koa i Solomona tia fihavanana, mpanorina ny iray tamin’ireo zavatra naorina nalaza indrindra teto amin’itỳ tany itỳ, dia ny tranon’i Jehovah tany Jerosalema. Nanombana ny vidin’ny fahendrena araka an’Andriamanitra tamin’izao teny izao izy: “Ny fandrantoana azy dia tsara noho ny fandrantoana volafotsy, ary ny tombom-barotra aminy dia mihoatra noho ny volamena tsara. Saro-bidy noho ny voahangy izy; ary izay rehetra irinao tsy misy azo ampitahaina aminy.” — Deot. 32:2; Sal. 86:11; Ohab. 3:14, 15.
3. Vidiny nanao ahoana no nomen’ny tenan’i Jesosy sy Andriamanitra ny tenin’Andriamanitra?
3 I Jesosy, ilay Zanak’Andriamanitra, dia nanome ny vidiny ambony indrindra ho an’ny tenin’Andriamanitra tamin’ny filazana hoe: “Ny teninao no fahamarinana.” Hoy izy tamin’ireo mpanara-dia azy: “Raha maharitra amin’ny teniko hianareo, dia ho mpianatro tokoa; ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.” (Jaona 17:17; 8:31, 32). Mahery tokoa io teny izay azon’i Jesosy avy tamin’ny Rainy io. Tenin’Andriamanitra izy io. Taorian’ny fahafatesany sy ny fitsanganany tamin’ny maty ary ny fiakarany ho any an-tanana ankavanan’i Jehovah any an-danitra, i Jesosy dia nanome fanambarana fanampiny momba ny tenin’ny Rainy, anisan’izany ny filazalazana mahafinaritra ny amin’ireo fitahian’Andriamanitra ho an’ny taranak’olombelona ao amin’ilay Paradisa ho eto an-tany. Taorian’izany, Andriamanitra dia nanoro ny apostoly Jaona toy izao: “Soraty; fa mahatoky sy marina ireo teny ireo.” Ny teny rehetra ao amin’ireo Soratra ara-tsindrimandry dia “mahatoky sy marina”, ka mitondra soa tsy hay lazaina ho an’ireo izay mankato azy ireo. — Apok. 21:5.
4. Mahasoa ho amin’inona moa ireo Soratra ara-tsindrimandry?
4 Amin’ny ahoana no ahatongavan’ireo soa ireo? Manome ny valiny ilay teny manontolo nataon’ny apostoly Paoly ao amin’ny 2 Timoty 3:16, 17 (NW ): “Ny soratra rehetra dia ara-tsindrimandrin’Andriamanitra sady mahasoa ho fampianarana, ho fananarana, ho fandaminan-javatra, ho fifehezana amin’ny rariny, mba hanana fahaizana feno, ho tena ampy fitaovana ho amin’ny asa tsara rehetra, ny olon’Andriamanitra.” Ireo Soratra ara-tsindrimandry àry dia mahasoa ho fampianarana foto-pampianarana marina sy fitondran-tena mahitsy, ho fanitsiana izay diso ao amin’ny saintsika sy ny fiainantsika, ary hananarana sy hifehezana antsika mba handehanantsika amim-panetren-tena ao amin’ny fahamarinana sy ny rariny. Amin’ny fanekentsika ny fampianaran’ny Tenin’Andriamanitra, dia mety ho tonga “mpiara-miasa amin’Andriamanitra” isika. (1 Kor. 3:9). Tsy misy tombontsoa lehibe kokoa eto an-tany amin’izao andro izao noho ny ho be hatao ao amin’ny asan’Andriamanitra amin’ny maha-‘lehilahin’Andriamanitra manana fahaizana feno sy tena ampy fitaovana’.
FANORENANA MAFY HAHAZOANA FINOANA
5. Inona moa ny finoana, ary ahoana ihany no mety hahazoana azy io?
5 Mba hahatongavana ho mpiara-miasa amin’Andriamanitra, dia ilaina ny finoana. Ny finoana dia tsy tokony hampifangaroina amin’ny fetezana hinohino foana, araka ny fahita aoka izany amin’izao andro izao. Olona maro be no mihevitra fa izay karazam-pinoana rehetra — mifandray amin’ny fiangonana iray, na araka ny fivoarana miandalana, na filozofika — dia ampy. Ny lehilahin’Andriamanitra anefa dia tsy maintsy ‘mihazona amin’ny finoana sy ny fitiavana ao amin’i Kristy Jesosy ny mariky ny teny tsy misy kilema’. (2 Tim. 1:13). Ny finoany dia tsy maintsy ho tena izy sy velona, satria “ny finoana no fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita”. Tsy maintsy mifototra amin’ny finoana mafy an’Andriamanitra sy ireo valisoa homeny an’ireo izay mahazo sitraka aminy, izy io. (Heb. 11:1, 6). Io finoana io dia tsy azo raha tsy amin’ny alalan’ny fianarana amim-pahazotoana ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly. Izy io dia miorina amin’ny fitiavana lalina ny Baiboly sy ilay Andriamanitry ny Baiboly, dia i Jehovah, ary ny Zanany, dia i Jesosy Kristy. Iray ihany ny finoana velona toy izany, toy ny maha-iray ihany ny Tompo, dia i Jesosy Kristy, sy ny maha-iray ihany an’Andriamanitra sady Rain’ny rehetra, dia i Jehovah. — Efes. 4:5, 6.
6. Manao ahoana ny toetran’ny finoana marina?
6 Mila ny mahalala isika hoe inona no Tenin’Andriamanitra sy izay niaviany, ary koa ny fahefany sy ny zava-kendreny ary ny heriny ho amin’ny rariny. Rehefa mahatakatra ny hafatra be voninahitra ao anatiny isika, dia hahazo finoana. Ambonin’izany, dia hanjary ho tia mafy aoka izany ny Baiboly sy ilay Loharanony isika, ka tsy hisy na inona na inona ho afaka hamono izany finoana sy fitiavana izany. Ny Soratra Masina, anisan’izany ireo tenin’i Jesosy Kristy, no manome fanorenana mafy hahazoana finoana. Ny finoana marina dia ho ilay karazany hiaritra fitsapana sy fisedrana mafy, fanenjehana ary koa ireo fandrosoana sy filozofia tsy mihevitra afa-tsy ny zavatra ara-nofon’ny fitambaran’olona tsy tia an’Andriamanitra. Izy io dia handresy amim-boninahitra hatrany amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra hanjakan’ny rariny. “Ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika.” — 1 Jaona 5:4.
7. Valisoa inona avy no azo avy amin’ny fahitana ny fahendrena ao amin’ny Baiboly?
7 Mba hahazoana finoana sy hihazonana azy, dia mila ny miezaka isika ny hanorina fitiavana sy fankasitrahana ny Tenin’Andriamanitra, dia ireo Soratra ara-tsindrimandry. Ny Soratra Masina dia fanomezana tsy manan-tsahala nataon’Andriamanitra ho an’ny olombelona, harena ara-panahy tondraka, izay tsy azo saintsainina ny halalin’ny fahendrena ao anatiny, ary ny heriny hanome fahalalana sy hampirisika hanao ny rariny dia mihoatra noho ny an’ny boky hafa rehetra nosoratana hatramin’izay. Rehefa mandalina mba hahazoana fahalalana ny Tenin’Andriamanitra isika, dia ho voatosika hiara-mihiaka amin’ny apostoly Paoly hoe: “Endrey ny halalin’ny haren’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany!” Ny hoe mahafantatra ireo Soratra ara-tsindrimandry sy ilay Loharanony dia midika hoe miditra ao amin’ny lalan’ny fifaliana sy fahafinaretana mandrakizay. — Rom. 11:33; Sal. 16:11.
JEHOVAH — ANDRIAMANITRA MPAMPITA HEVITRA
8. a) Nahoana isika no tokony ho velom-pankasitrahana noho ny maha-Andriamanitra mpampita hevitra an’i Jehovah? b) Amin’ny fomba ahoana no maha-hafa azy noho ireo andriamanitra demonia?
8 Niresaka momba ny voninahitry ny anaran’i Jehovah i Davida, ka nihiaka hoe: “Lehibe Hianao ka manao zava-mahagaga; Hianao irery ihany no Andriamanitra.” (Sal. 86:10). Nanao “zava-mahagaga” maro ho an’ny olombelona eto an-tany i Jehovah, ary anisan’izany ny fampitana ny Teniny tamin’izy ireo. Eny, i Jehovah dia Andriamanitra mpampita hevitra, Andriamanitra milaza ny momba azy amim-pitiavana ka hitondra soa ho an’ireo zavatra noforoniny. Tokony ho velom-pankasitrahana toy inona moa isika noho ilay Mpamorona antsika tsy andriandahy lavitra iray, ka hoe voasarona ao anatin’ny zava-miafina ary tsy mihontsina eo anoloan’ny zavatra ilain’ireo olona tia ny rariny eto an-tany! Toy ny hataony koa ao amin’ny tontolo vaovao ho avy, na dia ankehitriny aza i Jehovah dia mitoetra eo amin’ireo izay maneho finoana sy fitiavana azy, ao amin’ny fifandraisan’ny Ray be hatsaram-po iray mampita zava-tsoa ho an’ireo zanany manontany azy. (Apok. 21:3). Ilay Raintsika any an-danitra dia tsy toy ireo andriamanitra demonia, izay tsy maintsy aseho amin’ny alalan’ny sampy moana sy mahatahotra. Ireo andriamanitra vy sy vato dia tsy manana fifandraisan’ny ray amin’ireo mpivavaka aminy ao anatin’ny haizina. Tsy afaka mampita na inona na inona mahasoa ho azy izy ireo. Tena marina fa “ho tahaka azy izay manao azy”. — Sal. 135:15-19; 1 Kor. 8:4-6.
9. Karazana fampitan-kevitra inona no tonga avy tany amin’Andriamanitra any ambony?
9 I Jehovah no ilay “Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be [hatsaram-panahy miharo fitiavana, NW ] sy fahamarinana”. (Eks. 34:6). Noho ny haben’ny hatsaram-panahiny miharo fitiavana, dia nampita fahamarinana tondraka ho an’ny olombelona izy. Izany dia torohevitra marim-pototra avokoa ho fitarihana ny olombelona ary mahafaoka faminaniana manazava ny lalana mitarika ho amin’ny fitahiana ho avy. “Fa izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika hananantsika ny fanantenana amin’ny faharetana sy ny fiononana avy amin’ny Soratra Masina.” (Rom. 15:4). Avy tany ambony, avy tany an-danitra mihitsy, dia nisy fampitan-kevitra azo ianteherana tonga mba hampianarana ny olombelona, izay etỳ ambany. — Jaona 8:23.
10. Tamin’ny fiteny inona avy no nampitan’i Jehovah hevitra, ary nahoana?
10 Mbola tsy nampita hevitra na oviana na oviana tamin’ny alalan’ny fiteny tsy fantatra i Jehovah, fa tamin’ny fitenin’ny olombelona foana, dia ny fiteny velon’ireo vavolombelony mahatoky. (Asa. 2:5-11). Tamin’i Adama, i Noa, i Abrahama, i Mosesy ary ireo mpaminany hebreo, i Jehovah dia niresaka tamin’ny fitenin’ny olombelona voalohany, fantatra ankehitriny hoe teny hebreo. Ny teny hebreo dia notohizina nampiasaina nandritra ny fotoana mbola nahaizana azy, eny, hatramin’ny andron’i Saoly avy tany Tarsosy mihitsy aza, satria niresaka taminy tamin’io fiteny io i Jesosy tafatsangana tamin’ny maty. (Asa. 26:14). Rehefa nanjary nanjaka teo amin’ireo Isiraelita tany an-tsesitany ny fiteny aramiana, dia nisy fampitan-kevitra sasany tamin’ny teny aramiana avy tamin’Andriamanitra, satria nahay io fiteny io ilay vahoaka. (Ezra 4:8–6:18, f.a.p.; 7:12-26; Dan. 2:4b–7:28). Tatỳ aoriana, rehefa nanjary ny fiteny niraisam-pirenena sady ny fiteny lehibe indrindra teo amin’ny vavolombelony ny teny grika, dia natao sy notahirizina tamin’io fiteny io ny fampitan-kevitr’i Jehovah. Ireo teny voatahiry ao amin’ny Baiboly dia fampitan-kevitra avy tamin’i Jehovah, notenenina foana tamin’ny fiteny velona iray mba hitondra soa ho an’ireo olona manetry tena sy tia ny fahamarinana eto an-tany.
11. Nahoana no azo lazaina fa i Jehovah no Mpamorona ny fiteny rehetra?
11 I Jehovah no Mpamorona ny saina sy ny taova fitenenana, anisan’izany ny lela sy ny vava ary ny tenda, izay mahaforona ireo feo mifampidipiditra rehetra ao amin’ny tsirairay amin’ireo fiteny maro be misy. Noho izany, dia azo lazaina fa i Jehovah no Mpamorona ny fiteny rehetra. Ny fahefana ananany eo amin’ny fitenin’ny olombelona dia nasehon’ilay fahagagana nataony teo amin’ny Tilikambon’i Babela. (Eks. 4:11; Gen. 11:6-9; 10:5; 1 Kor. 13:1). Tsy misy na dia fiteny iray aza hafahafa amin’i Jehovah. Tsy vitan’ny hoe nanome ny olombelona ny teny hebreo tany am-boalohany izy, fa, tamin’ny namoronany ny saina sy ireo taova fanononana, izy dia nanome koa ny fototra ho an’ny teny aramiana sy grika ary ireo fiteny 3 000 eo ho eo itenenan’ny olombelona ankehitriny.
NY FITENIN’NY FAHAMARINANA
12, 13. a) Ahoana no nanaovan’i Jehovah ireo fampitan-kevitra nataony ho mora azo? b) Manomeza ohatra.
12 Na manao ahoana na manao ahoana rafitr’ilay fitenin’olombelona nampiasain’i Jehovah, tamin’ireo fisehoan-javatra rehetra izy dia nampita hevitra tamin’ny fitenin’ny fahamarinana, fa tsy tamin’ny alalan’ny zava-miafina ara-pivavahana akory. Fiteny tsotra sy mora azo izy io. (Zef. 3:9, NW ). Ny olombelona eto an-tany dia mora mahatakatra ireo zavatra azo refesina amin’ny fomba telo, izany hoe zavatra izay manana haavo sy sakany ary halava, sady manaraka ny fandehan’ny fotoana. Noho izany, i Jehovah dia nampiseho ireo zavatra tsy hita maso tamin’ny fampiasana sary tandindona azon’ny sain’ny olona takarina. Ohatra, nisy tabernakely iray novolavolain’Andriamanitra ny ho bikany ary natsangan’i Mosesy tany an’efitra. Nahazo tsindrimandry i Paoly mba hampiasa ireo teny fanoharana milaza zavatra mazava tsara nampiasaina tao amin’izy io, mba hanazavana zava-misy be voninahitra any an-danitra mihitsy. — Heb. 8:5; 9:9.
13 Indro misy ohatra hafa iray: I Jehovah, izay fanahy (esprit), dia tsy mipetraka ara-bakiteny eo ambony seza fiandrianana iray any an-danitra. Kanefa, ho antsika olombelona tsotra, izay voafetran’ny zava-misy hita maso, Andriamanitra dia milaza hevitra amin’ny fampiasana teny hita maso toy izany mba hampitana hevitra. Rehefa manomboka ny fitsarany any an-danitra izy, izany dia tsy misy hafa amin’ny rehefa manomboka ny fitsarany amin’ny fipetrahana eo ambony seza fiandrianana iray ny mpanjaka iray eto an-tany. — Dan. 7:9-14, NW.
MORA ADIKA
14, 15. Nahoana ny Baiboly, mifanohitra amin’ireo asa soratra filozofikan’ny olombelona, no mora adika amin’ny fiteny hafa? Hazavao amin’ny alalan’ny ohatra.
14 Koa satria nosoratana tamin’ireo teny mivantana sy mora azo ireo ny Baiboly, dia azo atao ny mandika ho amin’ny ankamaroan’ireo fiteny amin’izao andro izao ireo teny sy fanaovan-javatra ao aminy, amin’ny fomba mazava tsara sy araka ny marina. Voatana ao amin’ireo fandikan-teny rehetra ny hery sy ny tanjaka nananan’ny fahamarinana tany am-boalohany. Ireo teny tsotra fampiasa isan’andro toy ny hoe “soavaly”, “ady”, “satroboninahitra”, “seza fiandrianana”, “lehilahy manambady”, “vehivavy manambady” ary “zanaka”, dia mampita hevitra araka ny marina sy mazava amin’ny fiteny rehetra. Izany dia mifanohitra amin’ireo asa soratra filozofikan’olombelona izay matetika no tsy mora adika araka ny marina tsara. Ireo fomba fiteny sarotra sy voambolana mbola tsy raikitra ampiasain’izy ireo dia matetika no tsy azo ampitaina amin’ny fomba marina amin’ny fiteny hafa.
15 Ambony lavitra noho izany ny herin’ny Baiboly hilaza zavatra. Na dia rehefa nampita hafatra nisy didim-pitsarana tamin’ny tsy mpino aza Andriamanitra, dia tsy nampiasa fiteny filozofika, fa teny fampiasa isan’andro kosa. Izany dia aseho ao amin’ny Daniela 4:7-9. Eto ny fanjakan’ilay mpanjaka mpanompo sampy mpanandra-tena dia nolazalazaina tamin’ny an-tsipiriany tamin’ny alalan’ny teny ilazana ny hazo iray, ary avy eo, dia nisy fitrangan-javatra ho avy nambara mialoha araka ny marina tsara, tamin’ny alalan’ny fanaovan-javatra nifandray tamin’io hazo io. Izany rehetra izany dia azo ampitaina mazava tsara rehefa adika amin’ny fiteny hafa. I Jehovah dia nampita hevitra tamim-pitiavana tamin’izany fomba izany mba ‘hitomboan’ny fahalalana’. Mahatalanjona toy inona moa ny fanampiana nomen’izany mba hahatakarana ny faminaniana amin’izao “andro farany” izao! — Dan. 12:4.
LALANA FAMPITAN-KEVITRA
16. Ahoana no azo anoritana ny fomba fampitan-kevitra ampiasain’i Jehovah?
16 Mety hisy hanontany hoe: Inona ilay fitaovana nampitana hevitra? Izany dia azo aseho tsara amin’ny alalan’ny ohatra maoderina iray. Eo amin’ireo lalam-pampifandraisana dia misy 1) ny mpilaza na loharanon’ilay hafatra; 2) ny milina mpandefa ilay hafatra; 3) ny fitaovana mitondra ilay hafatra; 4) ny milina mpandray ilay hafatra; ary 5) ny mpandre an’ilay hafatra. Eo amin’ny fifandraisana an-telefaonina dia misy 1) ny mpampiasa ilay telefaonina loharanon’ilay hafatra; 2) ny telefaonina mpandefa, izay mamadika ilay hafatra ho onja elektrika; 3) ireo taribin’ny telefaonina izay mitondra ireo onja elektrika any amin’ny andefasana azy; 4) ny telefaonina mpandray, izay mamadika ilay hafatra miendrika onja ho feo; ary 5) ny mpandre an’ilay hafatra. Mitovy amin’izany koa, any an-danitra 1) i Jehovah Andriamanitra dia mandefa ireo teniny; 2) avy eo ny Teniny, na Mpitondra Teniny, ofisialy — fantatra ho i Jesosy Kristy ankehitriny — matetika dia mampita ilay hafatra; 3) ny fanahy masin’Andriamanitra, ilay hery miasa izay ampiasaina ho fomba ampitan-kevitra, dia mitondra ilay hafatra ho eto an-tany; 4) ny mpaminanin’Andriamanitra eto an-tany dia mandray ilay hafatra; ary 5) avy eo io dia mampahafantatra izany ho tombontsoan’ny vahoakan’Andriamanitra. Tsy misy hafa amin’ny mpitondra hafatra iray izay mety hirahina mba hitondra hafatra lehibe iray indraindray amin’izao andro izao, dia nisy fotoana toy izany koa nifidianan’i Jehovah ny hampiasa mpitondra hafatra ara-panahy, na anjely, mba hampita hevitra sasany avy tany an-danitra tamin’ireo mpanompony teto an-tany. — Gal. 3:19; Heb. 2:2.
FANOMEZANA TSINDRIMANDRY
17. Teny grika inona no nadika hoe “ara-tsindrimandrin’Andriamanitra”, ary ahoana no anampian’ny hevitr’izy io antsika hahatakatra ny fomba fanomezana tsindrimandry?
17 Ny teny hoe “ara-tsindrimandrin’Andriamanitra” dia nadika avy tamin’ny teny grika hoe the·oʹpneu·stos, izay midika hoe “nofofonin’Andriamanitra”. (Jereo ny 2 Timoty 3:16, NW, f.a.p. voalohany.) Ny fanahin’Andriamanitra, na heriny miasa, mihitsy no ‘nifofonany’ lehilahy nahatoky ka nahatonga azy ireo hanambatra ireo fanazavana nilaina sy hanoratra ny Soratra Masina. Io fanaovan-javatra io dia fantatra amin’ny hoe fanomezana tsindrimandry. Ny sain’ireo mpaminany sy mpanompon’i Jehovah nahatoky hafa izay nanjary nahazo tsindrimandry dia notarihin’io hery miasa io. Izany dia midika fa nahazo hafatra, anisan’izany ny sary ny amin’ny fikasany, avy tamin’Andriamanitra, izy ireo ary koa fa nanjary voarakitra mafy tao an-tsainy ireo. “Fa tsy nisy faminaniana avy tamin’ny sitrapon’ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin’Andriamanitra no nitenenan’ny olona araka izay nitondran’ny Fanahy Masina azy.” — 2 Pet. 1:21; Jaona 20:21, 22.
18. Nanao ahoana ny halalin’ny fanohinan’ireo hafatra ara-tsindrimandry ny fon’ireo olombelona mpandray azy?
18 Rehefa tsy natory sy nahatsiaro tena tsara na rehefa natory ka nanonofy ireny lehilahin’Andriamanitra ireny, ny fanahiny dia nampitoetra mafy tao amin’izy ireny ilay hafatra avy tamin’Andriamanitra, ny loharanon’ilay lalana fampitan-kevitra. Rehefa nandray ilay hafatra ilay mpaminany dia nanana andraikitra ny handika azy ho teny ho an’ny hafa. Rehefa hiverina amin’ny fitsanganan’ny maty i Mosesy sy ireo mpaminany nahatoky hafa, dia tsy isalasalana fa ho afaka hanamarina izy ireo ny maha-araka ny marina ireo asa soratra noraketiny sy notahirizina. Ny anton’izany dia satria ny sainy izay ho noforonina indray sy ho velom-pankasitrahana dia azo inoana fa mbola hahatadidy mazava tsara ireo hevitra nampitaina taminy tany am-boalohany. Mitovy amin’izany koa, ny fahitana ilay fiovan-tarehy dia nanohina mafy ny apostoly Petera, hany ka afaka nanoratra tamin’ny fomba toa hitan’ny maso mazava tsara momba ny famirapiratan’izany izy, 30 taona tatỳ aoriana. — Matio 17:1-9; 2 Pet. 1:16-21, NW.
ILAY MPANORATRA SY NY RANTSANTANANY
19. Inona moa ny ‘rantsantanan’Andriamanitra’, araka ny asehon’ny andininy inona avy?
19 Ireo mpanoratra olombelona dia nampiasa rantsantanana mba hanoratana, ka tamin’ny andro fahiny dia tamin’ny alalan’ny penina na ny fanoratana tamin’ny vato ary amin’izao andro maoderina izao dia amin’ny alalan’ny penina, ny milina fanoratana na ny ordinatera. Ny vokatra azo avy amin’ny fampiasana ireny rantsantanana ireny dia voalaza fa avy amin’ny sain’ny tompony. Fantatrao ve fa manana rantsantanana Andriamanitra? Marina izany satria i Jesosy dia niresaka momba ny fanahin’Andriamanitra ho toy ny ‘rantsantanany’. Rehefa nanasitrana lehilahy demoniaka iray izay nanjary afaka niteny sy nahita indray, i Jesosy, dia niteny ratsy ilay fomba nanasitranan’i Jesosy izany lehilahy izany ireo fahavalony ara-pivavahana. Araka an’i Matio, dia hoy i Jesosy tamin’izy ireo: “Raha ny Fanahin’Andriamanitra (...) no amoahako ny demonia, dia efa tonga aminareo sahady ny fanjakan’Andriamanitra.” (Matio 12:22, 28). Manampy antsika hahatakatra izany kokoa i Lioka amin’ny fanononana ny teny nataon’i Jesosy tamin’ny toe-javatra iray nitovy tamin’io toy izao: “Raha ny rantsan-tànan’Andriamanitra no amoahako ny demonia, dia tonga aminareo tokoa ny fanjakan’Andriamanitra.” (Lioka 11:20). Tamin’ny toe-javatra iray tany aloha, ireo ombiasin’i Egypta dia voatery nanaiky fa ireo loza nahazo an’i Egypta dia fanehoana ny herin’i Jehovah ambony kokoa, tamin’ny fiekena hoe: “Rantsantànan’Andriamanitra ity”. — Eks. 8:14, 15.
20. Nanao ahoana ny fiasan’ny ‘rantsantanan’Andriamanitra’, ary inona no vokany?
20 Mifanaraka amin’ireo fampiasana ny teny hoe “rantsantanana” ireo, dia azo atao ny mahatakatra fa manan-kery lehibe ny “rantsantànan’Andriamanitra” ary koa fa io anarana io dia mety tsara amin’ny fanahiny izay nampiasainy mba hanoratana ny Baiboly. Koa ny Soratra Masina àry dia mampahafantatra antsika fa tamin’ny alalan’ny ‘rantsantanany’ Andriamanitra dia nanoratra ny Didy Folo teo amin’ireo vato fisaka roa. (Eks. 31:18; Deot. 9:10, NW ). Rehefa nampiasa olona mba hanoratra ireo boky samihafa ao amin’ny Baiboly Masina Andriamanitra, dia ny rantsantanany ara-panoharana, na fanahiny, koa no hery nanosika tao ambadiky ny penin’ireny lehilahy ireny. Tsy hita ny fanahy masin’Andriamanitra, kanefa niasa tamin’ny fomba nahatalanjona izy io, ka ny vokatra hita maso, azo tsapain-tanana dia ny nahazoan’ny olombelona ny Tenin’ny fahamarinan’Andriamanitra, ny Baiboliny, izay fanomezana sarobidy. Tsy misy iadian-kevitra fa ilay Loharanon’ny Baiboly dia i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpampita Hevitra avy any an-danitra.
MANOMBOKA NY FANANGONANA ARA-TSINDRIMANDRY
21. a) Ahoana no nanombohan’ny fanoratana ireo Soratra Masina? b) Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’i Jehovah tamin’ny fitahirizana azy ireo?
21 Araka ny efa hita, dia ‘nomen’i Jehovah an’i Mosesy ny vato fisaka roa, izay nisy ny Vavolombelona, dia vato fisaka voasoratry ny rantsantanan’Andriamanitra’. (Eks. 31:18). Io asa soratra io dia nahafaoka ny Didy Folo, ary mahaliana fa io tahirin-kevitra io dia mampiseho, amin’ny fomba ofisialy, imbalo ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah. Tamin’io taona io ihany koa, izany hoe tamin’ny 1513 al.f.i., i Jehovah dia nandidy an’i Mosesy mba hanomboka hirakitra an-tsoratra maharitra. Nanomboka tamin’izany àry ny fanoratana ireo Soratra Masina. (Eks. 17:14; 34:27). Nandidy an’i Mosesy mba hanao “ny fiaran’ny Vavolombelona”, na ‘ny fiaran’ny fanekena’, koa Andriamanitra, dia vata iray tsara tarehy. Nasainy nitahiry io fampitan-kevitra sarobidy indrindra avy taminy io tao, ireo Isiraelita. (Eks. 25:10-22; 1 Mpanj. 8:6, 9). Ny famolavolana ny ho bikan’ilay Fiara sy ilay tabernakely nisy azy, dia avy tamin’i Jehovah; ary ny lehiben’ny mpanao azy, i Bezalila, dia feno ny “fanahin’Andriamanitra, dia fahendrena sy fahiratan-tsaina sy fahalalana ny amin’ny taozavatra samy hafa” mba hamitana ny asany araka ny planina avy tamin’Andriamanitra. — Eks. 35:30-35.
22. a) Iza no Loharanon’ireo Soratra ara-tsindrimandry, ary naharitra hafiriana ny fanoratana azy ireo? b) Iza avy moa ireo mpiara-nanoratra ny Baiboly, ary inona no fantatra momba azy ireo?
22 Tamin’ny fampahafantarana ny fikasany, Andriamanitra dia ‘niteny tamin’ny toe-javatra maro sy tamin’ny fomba maro’, nandritra ny fotoana lava be. (Heb. 1:1, NW ). Ireo mpandray an-tsoratra izay nanoratra ny Teniny dia nanao izany teo anelanelan’ny taona 1513 al.f.i. ka hatramin’ny 98 am.f.i. tany ho any, izany hoe nandritra ny 1 610 taona teo ho eo. Ilay hany Loharanony, i Jehovah Andriamanitra, dia nampiasa 40 teo ho eo tamin’ireny mpanoratra, na mpitantsoratra olombelona, ireny. Ireo mpiara-nanoratra rehetra ireo dia Hebreo avokoa, ka noho izany dia anisan’ilay firenena “notolorana ny tenin’Andriamanitra ho adidiny”. (Rom. 3:2). Ny valo taminy dia Jiosy kristiana izay nahafantatra an’i Jesosy, na nivantana izany na tamin’ny alalan’ireo apostoliny. Ireo Soratra ara-tsindrimandry nosoratana talohan’ny andron’izy ireo dia nanambara momba ny fahatongavan’ny Mesia, na Kristy. (1 Pet. 1:10, 11). Na dia nantsoina avy tamin’ny fari-piainana maro samy hafa aza ireny mpanoratra ny Baiboly teto an-tany ireny, nanomboka tamin’i Mosesy ka hatramin’ny apostoly Jaona, izy rehetra dia nandray anjara tamin’ny fiarovana ny fiandrianan’i Jehovah Andriamanitra ary nanambara ireo fikasany teto an-tany. Nanoratra tamin’ny anaran’i Jehovah sy noho ny herin’ny fanahiny izy ireny. — Jer. 2:2, 4; Ezek. 6:3; 2 Sam. 23:2; Asa. 1:16; Apok. 1:10, NW.
23. Firaketana an-tsoratra taloha inona avy no nampiasain’ny mpanoratra tao amin’ny Baiboly sasany, ary ahoana no nahatongavan’ireny ho Soratra ara-tsindrimandry?
23 Maro tamin’ireo mpanoratra ireo no nampiditra tao amin’ny firaketana an-tsoratra nataony, fanazavana nilaina ka natambany avy tamin’ny tahirin-kevitry ny vavolombelona nanatri-maso ka nangonin’ny mpanoratra taloha, izay tsy nahazo tsindrimandry ny maro taminy. I Mosesy, ohatra, dia nety ho nanambatra ireo fanazavana nilainy ho an’ny tapany sasany tamin’ny Genesisy avy tamin’ny fitantaran’ny vavolombelona nanatri-maso toy izany, toy ny nety ho nataon’i Samoela koa teo am-panoratana ny bokin’ny Mpitsara. I Jeremia dia nanambatra ireo fanazavana nilainy ho an’ny Mpanjaka Voalohany sy Faharoa, ary i Ezra dia nanoratra ny Tantara Voalohany sy Faharoa, tamin’io fomba io tamin’ny ankamaroan’ny fotoana. Ny fanahy masina no nitarika ireny mpanambatra fanazavana nilaina ireny mba hamantarana hoe tapany inona avy tamin’ireny tahirin-kevitr’olombelona taloha ireny no tokony hampidirina. Nanamarina tamin’izany àry izy io fa azo itokiana ny fanambàrana ireny fanazavana nilaina ireny. Nanomboka tamin’ny fotoana nanambàrana azy, ireny tapany avy tamin’ny tahirin-kevitra tranainy kokoa ireny dia nanjary nahaforona ireo Soratra ara-tsindrimandry. — Gen. 2:4; 5:1; 2 Mpanj. 1:18; 2 Tant. 16:11.
24, 25. a) Fe-potoana inona teo amin’ny tantara no voafaokan’ny Baiboly? b) Manonòna hevitra mahaliana sasany hita ao amin’ilay tabilao eo amin’ny pejy faha-12.
24 Nanao ahoana ny filaharan’ireo boky 66 ao amin’ny Baiboly rehefa tonga atỳ amintsika? Tapany inona eo amin’ny fizotran’ny fotoana tsy misy farany no voafaokan’izy ireo? Rehefa avy nilazalaza ny famoronana ny lanitra sy ny tany ary ny fanomanana ny tany ho fonenan’ny olombelona ny fitantaran’ny Genesisy, dia mandray ny fiandohan’ny tantaran’ny olombelona nanomboka tamin’ny famoronana ny lehilahy voalohany tamin’ny 4026 al.f.i. Avy eo ireo Asa Soratra Masina dia mitantara ireo fisehoan-javatra lehibe hatramin’ny aoriana kelin’ny taona 443 al.f.i. Avy eo, aorian’ny fahabangana misy 400 taona mahery, dia mandray ilay fitantarana manomboka eo amin’ny taona 3 al.f.i. indray izy ireo, ka manohy izany hatramin’ny taona 98 am.f.i. tany ho any. Noho izany, raha ny fandehan’ny tantara no jerena, ny Soratra Masina dia mahafaoka fe-potoana misy 4 123 taona.
25 Ilay tabilao eo amin’ny pejy faha-12 dia hanampy antsika hahatakatra ny toe-javatra niavian’ireo mpanoratra ny Baiboly sy ny filaharan’ny nahatongavan’ireo asa soratra ao amin’ny Baiboly atỳ amintsika.
ILAY “BOKY” MANONTOLON’NY FAHAMARINAN’ANDRIAMANITRA
26. Amin’ny ahoana ireo Soratra Masina no boky feno iray?
26 Ireo Soratra Masina, amin’ny maha-fitambaram-boky iray azy ireo, manomboka amin’ny Genesisy ka hatramin’ny Apokalypsy, dia mahaforona boky feno iray, tahirim-boky feno iray, izay samy ara-tsindrimandrin’ilay hany Loharanony Tampony. Tsy tokony hozaraina roa izy ireo, ka hoe homena vidiny ambany kokoa ny tapany iray. Ireo Soratra Grika Kristiana dia tena ilain’ireo Soratra Hebreo ary ireo Soratra Hebreo tena ilain’ireo Soratra Grika Kristiana. Itỳ farany dia famenon’irỳ voalohany mba hahaforona boky feno iray, dia ny an’ny fahamarinan’Andriamanitra. Ireo bokin’ny Baiboly 66 miaraka dia mahaforona ilay tahirim-bokin’ny Soratra Masina. — Rom. 15:4.
27. Nahoana no fiantsoana diso ny teny hoe “Testamenta Taloha” sy hoe “Testamenta Vaovao”?
27 Diso ny lovantsofina rehefa mizara ny Tenin’Andriamanitra voasoratra ho fizarana roa, ka miantso ny fizarana voalohany, manomboka amin’ny Genesisy ka hatramin’ny Malakia, hoe ny “Testamenta Taloha”, ary ny fizarana faharoa, manomboka amin’ny Matio ka hatramin’ny Apokalypsy, hoe ny “Testamenta Vaovao”. Ao amin’ny 2 Kôrintianina 3:14, ny fanamarihana ambany pejy ao amin’ny Dikanteny Iombonana eto Madagasikara dia miresaka momba ny “Testamenta Taloha”, kanefa ilay apostoly eto dia tsy miresaka momba ireo Soratra Hebreo fahiny manontolo. Tsy te hilaza koa izy fa hoe mahaforona “testamenta [fanekena] vaovao” iray ireo asa soratra kristiana ara-tsindrimandry. Ilay apostoly eto dia miresaka momba ny faneken’ny Lalàna, izay noraketin’i Mosesy an-tsoratra tao amin’ny Pentateuque ary tsy mahaforona afa-tsy tapany iray monja amin’ireo Soratra talohan’ny andron’ny Kristiana. Noho izany antony izany, dia hoy izy ao amin’ny andininy manaraka hoe: “Raha vakina ny tenin’i Mosesy.” Ilay teny grika nadika hoe “testamenta” ao amin’ny fanamarihana ambany pejy ao amin’ny Dikanteny Iombonana eto Madagasikara dia tsy miovaova fa nadikan’ny fandikan-teny maoderina maro hoe “fanekena”. — Matio 26:28; 2 Kor. 3:6, 14, Fandikan-teny malagasy, Fandikan-teny katolika, Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao.
28. Toky inona no omena raha ny amin’ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly?
28 Izay noraketina an-tsoratra ka voatahiry ho ny Soratra Masina dia tsy tokony hohatsatsoina. (Deot. 4:1, 2; Apok. 22:18, 19). Hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly momba io hevitra io: “Fa na izahay, na anjely avy any an-danitra aza, no mitory filazantsara hafa aminareo afa-tsy izay efa notorinay taminareo, aoka ho voaozona izy.” (Gal. 1:8; jereo koa ny Jaona 10:35.) Ny teny faminanian’i Jehovah rehetra dia tsy maintsy tanteraka amin’ny fotoany. “Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako: tsy hiverina amiko foana izy, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin’izay ampandehanako azy.” — Isaia 55:11.
FANDINIHANA NY SORATRA MASINA
29. Ato amin’itỳ boky itỳ, isaky ny fandinihana misesy ny boky tsirairay ao amin’ny Baiboly, fanazavana inona no omena eo am-boalohany?
29 Ao amin’ireo pejy manaraka, dia hodinihina misesy ireo boky 66 ao amin’ireo Soratra Masina. Lazalazaina ny tantara manodidina izay raketin’ny boky tsirairay, omena ny fanazavana momba ilay mpanoratra, ny fotoana nanoratana azy ary indraindray ny fe-potoana voafaokany. Omena koa ny porofo mampiseho fa azo itokiana ilay boky ary koa fa tena anisan’ireo Soratra ara-tsindrimandry izy io. Io porofo io dia mety ho hita ao amin’ireo tenin’i Jesosy Kristy na ao amin’ireo asa soratry ny mpanompon’Andriamanitra hafa nahazo tsindrimandry. Matetika aoka izany ny maha-azo itokiana ilay boky dia asehon’ny fahatanterahana tsy azo lavin’ny faminanian’ny Baiboly na ny fanaporofoana ao anatin’ilay boky ihany, toy ny firindrany sy ny filazany ny marina ary ny fahatsorany. Mety horaisina koa ny fanaporofoana fanampiny avy tamin’ny zavatra hitan’ny arkeolojia na ny tantara ivelan’ny fivavahana azo ianteherana.
30. Amin’ny fomba ahoana no ampisehoana ireo loha hevitra ao amin’ny boky tsirairay ao amin’ny Baiboly?
30 Rehefa lazalazaina ireo loha hevitra raketin’ny boky tsirairay, dia iezahana ny hampisehoana ilay hafatra mahery ampitain’ilay mpanoratra ao amin’ny Baiboly amin’ny fomba miavaka mba hampidirana fitiavana lalina ireo Soratra ara-tsindrimandry sy ilay Loharanony, dia i Jehovah Andriamanitra, ao am-pon’ny mpamaky. Izany indray kosa dia hampitombo ny fankasitrahana ny hafatra velon’ny Tenin’Andriamanitra, ary koa ny maha-azo ampiharina azy sy ny firindrany ary ny hakantony. Ireo loha hevitra ao amin’ilay boky dia alamina araka ny lohatenikelin’ireo fehintsoratra. Izany dia mba hanamora ny fianarana fa tsy tokony horaisina ho toy ny fizarazarana tsy maintsy ekena amin’ireo boky ao amin’ny Baiboly. Ny boky tsirairay dia fitambarana iray manontolo, ka mandray anjara sarobidy amin’ny fahatakarana ireo fikasan’Andriamanitra.
31. a) Fanazavana inona no aroso mba hampisehoana fa mahasoa ny boky tsirairay? b) Loha hevitra be voninahitra inona no asongadina hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny faran’ny fandinihana ireo boky rehetra ao amin’ny Baiboly?
31 Eo am-pamaranana ny fianarana ny boky tsirairay, ilay fandinihana dia manondro ny antony ilazana fa io tapany amin’ny Soratra ara-tsindrimandry io dia “mahasoa ho fampianarana, ho fananarana, ho fandaminan-javatra, ho fifehezana amin’ny rariny”. (2 Tim. 3:16, NW ). Dinihina ny fahatanterahan’ireo faminaniana, rehefa marihin’ny fanamarinana ara-tsindrimandry omen’ny mpanoratra ao amin’ny Baiboly tatỳ aoriana izany. Amin’ny toe-javatra tsirairay, dia aseho ny fandraisan’ilay boky anjara amin’ny fivelaran’ilay loha hevitra ankapoben’ny Baiboly. Tsy angano akory ny Baiboly. Mirakitra ny hany hafatra velona ho an’ny olombelona izy io. Manomboka amin’ny boky voalohany, ny Genesisy, ka hatramin’ny boky farany, ny Apokalypsy, ireo Soratra ara-tsindrimandry dia manamarina ny fikasan’ilay Mpamorona izao rehetra izao, dia i Jehovah Andriamanitra, hanamasina ny anarany amin’ny alalan’ilay Fanjakana hotapahan’ilay Taranany. Ao amin’izany no miorina ny fanantenana be voninahitr’ireo tia ny rariny rehetra. — Matio 12:18, 21.
32. Fanazavana inona no omena mba hampitomboana ny fankasitrahana ny Baiboly?
32 Aorian’ny fandinihana ireo boky 66 ao amin’ny Baiboly, dia misy toerana natokana mba hanomezana fanazavana momba ny toe-javatra nanodidina ny fanoratana ny Baiboly. Anisan’izany ny fianarana momba ny jeografian’ny Tany Nampanantenaina, ny fanomezana ny fotoana nitrangan’ireo fisehoan-javatra ao amin’ny Baiboly, ireo fandikan-tenin’ny Baiboly, ireo porofo arkeolojika sy hafa manohana ny maha-azo itokiana ny Baiboly ary ny porofo avy amin’ny katalaogy na lisitr’ireo boky ao amin’ny Baiboly. Misy fanazavana sy tabilao sarobidy hafa koa ao amin’io fizarana io. Izany rehetra izany dia natao mba hampitomboana ny fankasitrahana ny Baiboly amin’ny maha-boky azo ampiharina sy mahasoa indrindra eto an-tany azy amin’izao andro izao.
33. Ahoana no azo ilazalazana ny Baiboly, ary mitondra soa inona ny fianarana azy?
33 Andriamanitra, ilay Loharanon’ny Baiboly, dia niresaka be dia be tamin’ny olombelona. Naneho fitiavana lalina sy fiahian-dray lalina aoka izany izy tamin’ireo zavatra nataony ho an’ny zanany eto an-tany. Endre izany fitambaran-tahirin-kevitra ara-tsindrimandry miavaka nomeny ho antsika ao amin’ny Soratra Masina! Tena marina fa ireo dia mahaforona harena tapitra ohatra, tahirim-boky betsaka aoka izany, izay misy fanazavana “nofofonin’Andriamanitra”, ary mihoatra lavitra ny harena sy ny zavatra tanterahin’ireo asa soratra nataon’olombelona. Ny fanokanan-tena hianatra ny Tenin’Andriamanitra dia tsy hanjary ‘hanasatra ny tena’, fa hitondra soa mandrakizay kosa ho an’ireo izay mahafantatra “ny tenin’ny Tompo [izay] maharitra mandrakizay”. — Mpit. 12:12; 1 Pet. 1:24, 25.
[Tabilao, pejy 12]
IREO MPANORATRA NY BAIBOLY NAHAZO TSINDRIMANDRY SY NY ASA SORATRA NATAONY
(Milahatra Araka ny Fotoana)
Laharany
Mpanoratra
Asany
Vita Tamin’ny
Asa Soratra Nataony
1
Mosesy
Manam-pahaizana, mpiandry ondry, mpaminany, mpitarika
1473 al.f.i.
Genesisy; Eksodosy; Levitikosy; Joba; Nomery; Deoteronomia; Salamo faha-90 (faha-91 koa angamba)
2
Josoa
Mpitarika
1450 al.f.i. t.h.a.
Josoa
3
Samoela
Levita, mpaminany
tl. 1080 al.f.i. t.h.a.
Mpitsara; Rota; tapany amin’ny Samoela Voalohany
4
Gada
Mpaminany
1040 al.f.i. t.h.a.
Tapany amin’ny Samoela Voalohany; Samoela Faharoa (izy roa ireo niaraka tamin’i Natana)
5
Natana
Mpaminany
1040 al.f.i. t.h.a.
Jereo etsy ambony (niaraka tamin’i Gada)
6
Davida
Mpanjaka, mpiandry ondry, mpahay mozika
1037 al.f.i.
Maro amin’ireo Salamo
7
Zanak’i Kora
—
—
Sasany amin’ireo Salamo
8
Asafa
Mpihira
—
Sasany amin’ireo Salamo
9
Hemana
Olon-kendry
—
Salamo faha-88
10
Etana
Olon-kendry
—
Salamo faha-89
11
Solomona
Mpanjaka, mpanorina, olon-kendry
1000 al.f.i. t.h.a.
Ankamaroan’ny Ohabolana; Tonon-kiran’i Solomona; Mpitoriteny; Salamo faha-127
12
Agora
—
—
Ohabolana toko faha-30
13
Lemoela
Mpanjaka
—
Ohabolana toko faha-31
14
Jona
Mpaminany
844 al.f.i. t.h.a.
Jona
15
Joela
Mpaminany
820 al.f.i.(?) t.h.a.
Joela
16
Amosa
Mpiandry ondry, mpaminany
804 al.f.i. t.h.a.
Amosa
17
Hosea
Mpaminany
tr. 745 al.f.i.
Hosea
18
Isaia
Mpaminany
tr. 732 al.f.i.
Isaia
19
Mika
Mpaminany
tl. 717 al.f.i.
Mika
20
Zefania
Andriana, mpaminany
tl. 648 al.f.i.
Zefania
21
Nahoma
Mpaminany
tl. 632 al.f.i.
Nahoma
22
Habakoka
Mpaminany
628 al.f.i. (?) t.h.a.
Habakoka
23
Obadia
Mpaminany
607 al.f.i. t.h.a.
Obadia
24
Ezekiela
Mpisorona, mpaminany
591 al.f.i. t.h.a.
Ezekiela
25
Jeremia
Mpisorona, mpaminany
580 al.f.i.
Mpanjaka Voalohany sy Faharoa; Jeremia; Fitomaniana
26
Daniela
Andriana, mpanapaka, mpaminany
536 al.f.i. t.h.a.
Daniela
27
Hagay
Mpaminany
520 al.f.i.
Hagay
28
Zakaria
Mpaminany
518 al.f.i.
Zakaria
29
Mordekay
Praiminisitra
475 al.f.i. t.h.a.
Estera
30
Ezra
Mpisorona, mpanora-dalàna, mpitantan-draharaham-panjakana
460 al.f.i. t.h.a.
Tantara Voalohany sy Faharoa; Ezra
31
Nehemia
Tandapa, governora
tr. 443 al.f.i.
Nehemia
32
Malakia
Mpaminany
tr. 443 al.f.i.
Malakia
33
Matio
Mpamory hetra, apostoly
41 am.f.i. t.h.a.
Matio
34
Lioka
Dokotera, misionera
61 am.f.i. t.h.a.
Lioka; Asan’ny Apostoly
35
Jakoba
Mpiandraikitra (rahalahin’i Jesosy)
tl. 62 am.f.i.
Jakoba
36
Marka
Misionera
60-65 am.f.i. t.h.a.
Marka
37
Petera
Mpanarato, apostoly
64 am.f.i. t.h.a.
Petera Voalohany sy Faharoa
38
Paoly
Misionera, apostoly, mpanao lay
65 am.f.i. t.h.a.
Tesaloniana Voalohany sy Faharoa; Galatiana; Korintiana Voalohany sy Faharoa; Romana; Efesiana; Filipiana; Kolosiana; Filemona; Hebreo; Timoty Voalohany sy Faharoa; Titosy
39
Joda
Mpianatra (rahalahin’i Jesosy)
65 am.f.i. t.h.a.
Joda
40
Jaona
Mpanarato, apostoly
98 am.f.i. t.h.a.
Apokalypsy; Jaona; Jaona Voalohany, Faharoa ary Fahatelo