-
Niara-nandeha Tamin’Andriamanitra i Enoka na dia Ratsy aza ny OlonaNiara-nandeha Tamin’Andriamanitra i Enoka na dia Ratsy aza ny OlonaNy Tilikambo Fiambenana—2001 | 15 Septambra
-
-
Faminaniana momba ireo ratsy fanahy
Tena sarotra ny mihazona fitondran-tena tsara rehefa voahodidin’olona ratsy fanahy isika. Nanambara hafatra fanamelohana hentitra ho an’ny ratsy fanahy koa anefa i Enoka. Notarihin’ny fanahin’Andriamanitra izy, ka naminany toy izao: “ ‘Indro, tonga Jehovah mbamin’ny masiny tsy omby alinalina hitsara ny olona rehetra sy hampiaiky ny olona ratsy fanahy rehetra ny asan’ny haratsiam-panahy rehetra, izay nataony tamin’ny haratsiam-panahiny sy ny teny sarotra rehetra izay nitenenan’ny mpanota ratsy fanahy hanohitra Azy.’ ”—Joda 14, 15.
Inona no vokatr’izany teo amin’ireo tsy mpino mafy hatoka? Rariny raha nety ho tsy tian’olona na ho nesoina sy norahonana, i Enoka, noho izany teny manindrona izany. Tsy maintsy ho nisy nitady hamono azy. Tsy natahotra an’izany anefa izy. Fantany ny nanjo an’i Abela marina, ary vonona ny hanompo an’Andriamanitra tahaka azy izy, na inon-kidona na inon-kihatra.
-
-
Niara-nandeha Tamin’Andriamanitra i Enoka na dia Ratsy aza ny OlonaNiara-nandeha Tamin’Andriamanitra i Enoka na dia Ratsy aza ny OlonaNy Tilikambo Fiambenana—2001 | 15 Septambra
-
-
[Efajoro, pejy 30]
Naka Teny avy tao Amin’ny Bokin’i Enoka ve ny Baiboly?
Sady tsy ara-tsindrimandry no tsy anisan’ny Baiboly ny Bokin’i Enoka. Nolazaina fa nosoratan’i Enoka izy io, nefa tsy marina izany. Toa nosoratana tamin’ny taonjato voalohany na faharoa al.f.i. tany ho any izy io, ary fitambarana angano jiosy nitarina, izay miharihary fa fanamboamboarana ilay tantara fohy momba an’i Enoka ao amin’ny Genesisy. Izany fotsiny dia efa ampy mba hanilihan’ireo tia ny Teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra azy io.
Ny bokin’i Joda ihany, ao amin’ny Baiboly, no mirakitra ireto teny ara-paminanian’i Enoka ireto: “ ‘Indro, tonga Jehovah mbamin’ny masiny tsy omby alinalina hitsara ny olona rehetra sy hampiaiky ny olona ratsy fanahy rehetra ny asan’ny haratsiam-panahy rehetra, izay nataony tamin’ny haratsiam-panahiny sy ny teny sarotra rehetra izay nitenenan’ny mpanota ratsy fanahy hanohitra Azy.’” (Joda 14, 15) Maro ny manam-pahaizana manizingizina fa nalaina mivantana avy tao amin’ny Bokin’i Enoka io faminanian’i Enoka momba ny mpiara-belona taminy ratsy fanahy io. Mety ho naka hevitra avy tamin’ny boky tsy ara-tsindrimandry sy tsy azo itokisana ve i Joda?
Tsy lazain’ny Soratra Masina ny fomba nahafantaran’i Joda ny faminanian’i Enoka. Mety ho naka teny avy tamin’ny loharanon-kevitra iray niombonana fotsiny izy, angamba lovantsofina azo itokisana nifampitampita hatramin’ny andro fahiny. Nanao toy izany koa i Paoly, rehefa nilaza fa i Jana sy i Jambra no anaran’ireo ombiasy tsy fantatra anarana nanohitra an’i Mosesy tao amin’ny lapan’ny Farao. Raha afaka nijery loharanon-kevitra fahiny toy izany ny mpanoratra ny Bokin’i Enoka, nahoana no tsy mba afaka nanao toy izany koa i Joda?a—Eksodosy 7:11, 22; 2 Timoty 3:8.
Tsy zava-dehibe ny fomba nahazoan’i Joda ny fanazavana momba ny hafatr’i Enoka ho an’ny ratsy fanahy. Azo itokisana izy io satria nanoratra teo ambanin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra i Joda. (2 Timoty 3:16) Nanakana azy tsy hilaza zavatra tsy marina ny fanahy masin’Andriamanitra.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Nilaza zavatra tsy hita ao amin’ny Baiboly koa i Stefana mpianatra. Ireto avy no noresahiny: Ny fanabeazana ejipsianina azon’i Mosesy, ny hoe 40 taona izy fony nandositra an’i Ejipta, ireo 40 taona nitoerany tany Midiana, ary ny anjara asan’ny anjely tamin’ny fampitana ny Lalàn’i Mosesy.—Asan’ny Apostoly 7:22, 23, 30, 38.
-