Ny hoavin’ny fivavahana rehefa heverina amin’ny fiainany tamin’ny lasa
Tapany voalohany: 4026-2370 al. f. ir. — Ny fizarazarana ara-pivavahana — Ny niandohany
“Amin’ny toe-tenany ny olona dia biby mivavaka.” — Edmund Burke, mpanao raharaham-panjakana irlanday tamin’ny taonjato faha-18
MAHATSAPA amin’izao ny filana hivavaka ny olona. Araka ny Firaketana vaovao britanika, “ireo mpandinika ny toe-piainan’olombelona dia tsy mbola nahita mihitsy olona afaka amin’izay rehetra mety ho fahatsapana ho mila mivavaka, ary izany dia, na amin’ny toerana aiza na amin’ny fotoana toy inona. Vao teo am-piandohan’ny olombelona, ny lehilahy sy ny vehivavy dia nivavaka tamin’ny Mpamorona azy, araka ny fandrindran-kevitra tokoa. Neken’izy ireo ho toy ny Fahefana tampony izy, tamin’ny fitodihana tany aminy mba handraisana torohevitra sy fitarihan-dalana. Ho azo atao àry ny hilaza fa niaraka tamin’ny famoronana an’i Adama ny fisehoan’ny fivavahana teto ambonin’ny tany. Nitranga tamin’ny 4026 alohan’ny fanisan-taona iraisana izany, araka ny fandaharan-taonan’ny Baiboly.
Misy angamba hanakiana ny fitenenana hoe “famoronana an’i Adama”. Kanefa, ny tsangan-kevitra tsy voaporofon’ny fivoarana miandalana (evolisiona), dia voahozongozona mafy, vao haingana foana izay, indrindra fa avy tamin’ny sasantsasany amin’ireo mpanohana azy. Mba hahazoana filazalazana bebe kokoa, dia jereo ny boky hoe La vie: comment est-elle apparue? Evolution ou création? navoakan’ny Fikambanana Watchtower any New York.
Amin’izao andro izao, dia tsy misy olona afaka manamarina, rehefa tsy mihoatra ny zava-misy, fa ny fitantaran’ny Baiboly momba ny fiandohana iombonan’ny olombelona dia tsy ara-tsiansa. Nanazava ny gazetiboky Newsweek, tamin’ny 1988, fa ireo manam-pahaizana manokana momba ny fandovan-toetra dia mirona hanaiky fa avy amin’ny reny tokana ny olona amin’ny andro ankehitriny. Ilay lahatsoratra dia nanonona ny tenin’i S. J. Gould, mpandinika taolam-biby sy olona tao amin’ny oniversiten’i Harvard, manao hoe: “Na inona na inona tsy fitoviana asehony eo amin’ny fisehoany ivelany, ny olombelona rehetra dia avy amin’ny fisiana iray, nipoitra tsy ela izay teo amin’ny toerana iray manokana.” Nanampy izy hoe: “Misy karazam-pihavanan’ny zavamananaina mbola lalina lavitra noho ny niheverantsika azy.”
Manaporofo ny fahamarinan’ny Baiboly ireo zava-misy ireo. Tsy manana antony na dia kely akory àry isika handavana ny fahamarinan’ny fanazavana nomeny antsika momba ny niandohan’ny fizarazarana ara-pivavahana.
Ahoana no nampizara roa ny fivavahana tokana?
Araka ny Firaketana momba ny fivavahana (anglisy), saiky ny fivavahana fantatra rehetra dia manana zavatra inoana izay, sady samy hafa amin’ny andinindininy, no mitovy koa amin’ny fomba mahagaga. Ampianarin’izy ireny, ohatra, fa namoy ny fankasitrahan’Andriamanitra nananany tany am-boalohany ny olona, fa tsy natao ho azy ny fahafatesana ary ilaina ny fanaovana sorona mba hahazoana indray ny fankasitrahan’Andriamanitra. Izany dia porofo mafy orina tsy mivantana ny amin’ny fiandohana iombonan’ny fivavahana ankehitriny.
Hazavain’ny Baiboly ny fomba nitrangan’ny zavatra. Tantarainy fa nanda ny fitarihan’Andriamanitra ny mpivady olombelona voalohany ary nitady torohevitra momba ny fitondrantena ara-pivavahana tany amin’olon-kafa iray. Na dia toa tsy nahalala ny fisian’i Satana sy ny fikomiany tamin’Andriamanitra aza izy ireo, dia nanaraka ny lalan’ny tsy fiankinana sy nifidy hanaraka ny torohevitry ny zavaboary iray, nasehon’ny menarana, fa tsy ny an’ny Mpamorona. Tatỳ aoriana, dia nasehon’ny Baiboly fa Satana no niteny tamin’ny alalan’ilay menarana mpamitaka. — Genesisy 2:16 ka hatramin’ny 3:24; Apokalypsy 12:9.
Tamin’ny fanapahan-kevitra nataony, ny olona dia niala an-tsitrapo tamin’ny fitarihana teokratika sy nanorina ny fotopoto-pitsipiky ny tenany ihany raha ny amin’ny tsara sy ny ratsy. Tamin’ny nanehoany toe-tsaina tsy tia fiankinana, dia napetrak’i Adama sy Eva teo amin’ny lalana izay hiafara amin’ny fipoiran’ny fivavahana maro samy hafa ny olombelona. Amin’ny fitambarany, izy rehetra dia hahaforona fanompoam-pivavahan-diso izay hifanohitra amin’ny tena endri-pivavahana narahin’ireo vavolombelon’i Jehovah tsy nivadika tao anatin’ny Tantara. Mivantana na tsy mivantana, dia i Satana, ilay Mpanohitra lehibe, no nandray soa tamin’izany fanompoam-pivavahan-diso izany. Afaka nanoratra toy izao àry ny apostoly Paoly: “Tsia, fa izay zavatra aterin’ny jentilisa ho fanatitra, dia ateriny amin’ny demonia, fa tsy amin’Andriamanitra; koa tsy tiako ho mpiombona amin’ny demonia hianareo. Tsy mahazo misotro amin’ny kapoaky ny Tompo sy ny kapoaky ny demonia hianareo; tsy mahazo mihinana amin’ny latabatry ny Tompo sy ny latabatry ny demonia hianareo.” — 1 Korintiana 10:20, 21.
Araka izany, ny fikomian’i Adama dia nanorina endri-pivavahana faharoa, izay nanindrahindra ny zavatra noforonina alohan’ny Mpamorona. Ary ny nanohana izany fivavahana vaovao izany, raha ny marina, dia tsy iza fa ilay nilaza tena ho ‘andriamanitra’ ihany, dia Satana Devoly. — 2 Korintiana 4:4; 1 Jaona 5:19.
Nanolotra fanatitra ho an’ny Mpamorona ry Kaina sy Abela, zanakalahin’i Adama sy Eva voalohany, ka izany dia mampiseho fa nanana fihetseham-po ara-pivavahana hatramin’ny fahazazany izy mirahalahy ireo. Nasehon’ny tohin’ny zava-nitranga anefa fa tsy niray hevitra izy ireo raha ny amin’ny fivavahana. Naseho ny porofon’izany, 130 taona latsaka taorian’ny niandohan’ny tantaran’olombelona, rehefa neken’ny Mpamorona ny fanatitra nataon’i Abela fa nolaviny kosa ny an’i Kaina. Miharihary fa tsy nikasa hankasitraka izay fivavahan’ny tenantsika manokana Andriamanitra. Namelona ny fahatezeran’i Kaina izany toe-javatra izany ka nitarika azy hamono ny rahalahiny. — Genesisy 4:1-12; 1 Jaona 3:12.
Vao voalohany teo amin’ny tantaran’ny olombelona, no nisian’ny ran’olon-tsy manan-tsiny nandoto ny tany noho ny fankahalana ara-pivavahana. Tsy io anefa no ho farany. Raha nandinika ny tarehin-javatra ankehitriny ny mpandahatra tantara iray dia nanoratra fa “toa ny antsasany na mihoatra amin’ireo ady atao eo amin’izao tontolo izao no ady manana endrika ara-pivavahana tsotra izao, na ady izay misy fifandirana ara-pivavahana”.
Tamin’ny andron’i Enosy, zana-drahalahin’i Kaina sy Abela “no vao niantsoana ny anaran’i Jehovah”. (Genesisy 4:26) Koa satria i Abela, tamin’ny androny, efa nivavaka tamin’Andriamanitra tamim-pinoana tamin’ny anarany, izany ‘fiantsoana ny anaran’i Jehovah’ izany dia amin’ny heviny hoe ny olona dia nanomboka nandoto azy, nampiasa azy tamin’ny fomba nanala baraka. Niharihary fa fihatsarambelatsihy ara-pivavahana izany.
Ny “Targum” jiosin’i Jerosalema, famoaboasan-tenin’ny Soratra Masina, dia milaza toy izao: “Tao anatin’io taranaka io izy ireo no nanomboka nivily lalana sy nanompo sampy ary niantso azy ireny tamin’ny anaran’ny tenin’ny Tompo.” Ny fanompoan-tsampy, ary koa ny filazana faniriana hanao sarin’Andriamanitra, dia tsy nitsahatra ho ny zavatra mampiavaka ny fivavahan-diso hatramin’izao androntsika izao.
Ny andalan-teny ao amin’ny Joda 14, 15 dia manisy fitenenana ny amin’ny faminaniana notononin’i Enoka nahatoky ho fanoherana ny mpanompo sampy tamin’io arivo taona voalohany teo amin’ny tantaran’olombelona io. Izao no vakina ao: “Indro, tonga Jehovah mbamin’ny masiny tsy omby alinalina hitsara ny olona rehetra sy hampiaiky ny olona ratsy fanahy rehetra ny asan’ny haratsiam-panahy rehetra, izay nataony tamin’ny haratsiam-panahiny sy ny teny sarotra rehetra izay nitenenan’ny mpanota ratsy fanahy hanohitra Azy.” Tanteraka tao anatin’ny arivo taona faharoa ireo teny ireo raha mbola niroborobo ny fivavahan-diso. Angamba aza ny haratsiam-panahy tamin’izany niseho tamin’ny alalan’ny fanompoam-pivavahana tamin’ny anjely, izay rehefa tsy nankatò an’Andriamanitra, dia nidina nitafy nofo tetỳ an-tany ary nanambady “ny zanakavavin’ny olona”. Avy amin’ireny firaisana ireny no nahaterahan’ny olona metisy izay “olo-mahery hatrizay ela izay, dia ny lehilahy nanan-daza”. — Genesisy 6:4.
Na dia izany aza, i “Noa kosa nahita fitia teo imason’i Jehovah” satria “niara-nandeha tamin’Andriamanitra” izy. (Genesisy 6:8, 9) Izy sy ny ankohonany, izany hoe olona valo anisan’ny fivavahana marina, tamin’ny fitambarany, dia tafasaraka tanteraka tamin’izao tontolo izao ratsy nanodidina azy. “Be ny faharatsian’ny olona tambonin’ny tany” ary “heni-doza [feno herisetra, MN] ny tany”, noho ny fivavahan-diso ary satria koa ireo izay nanaraka azy dia betsaka lavitra. (Genesisy 6:5, 11) Nanapa-kevitra Andriamanitra tamin’izay fa hahatonga safodrano mba handringanana ireo mpanaraka ny fivavahan-diso. Tsy nisy afa-tsy Noa sy ny ankohonany no nandray soa tamin’ny fiarovan’Andriamanitra, ka izy ireo no hany tafita velona tamin’ny safodrano, ary izany dia nanosika azy ireo taorian’izay, ‘hanorina alitara ho an’i Jehovah’, fanao iray mifanaraka amin’ny fanompoam-pivavahana marina (Genesisy 8:20). Ny safodrano dia namela hanavaka mazava tsara hoe iza tamin’ireo fivavahana roa nisy tamin’ny andron’i Noa no marina ary iza no diso.
Izay voalaza teo aloha dia avy amin’ny fotopoto-pitsipika hoe azo itokiana ny fitantaran’ny Baiboly. Ankoatr’ireo porofo voalaza teo am-piandohan’ny lahatsoratra anefa, dia hevero koa ireo izay aseho ao anatin’ny faritra voafefy hoe “Nisy safodrano maneran-tany tokoa ve?”
Ny hoavin’ny fivavahana sy ny anao
Tena ilaina ny hahafantarana ny fiainan’ny fivavahana tamin’ny lasa satria amin’ny fotony dia tsy misy afa-tsy karazam-pivavahana roa: ny anankiray, ankasitrahan’ny Mpamorona ny olombelona, ary ny iray hafa dia mazava ho azy fa tsy azo ekena eo imasony. Araka ny fandrindran-kevitra àry, izay maniry hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra dia tsy maintsy mitovy fomba fijery Aminy raha ny amin’ny fivavahana. Tsarovy fa voakasika avokoa isika rehetra, satria “amin’ny toe-tenany ny olona dia biby mivavaka”.
Mandraisa fahalalana ny amin’izany fitantarana momba ny fivavahana izany, tsy amim-pahiratan-tsaina fotsiny, fa indrindra koa amin’ny fo mahay mandray zavatra. Isaky ny handinika amin’ny tsipiriany ny fivavahana iray manokana isika, dia makà fotoana ampy tsara mba hanontaniana tena raha toa ireo fampianarany ka mora azo sy mazava ary mifandrindra. Ary ahoana ny amin’ny zava-bitany? Moa ve izy io nanampy ireo mpikambana ao aminy hanatona an’Andriamanitra tamin’ny fanantitranterana taminy ny maha-zava-dehibe ny hankatoavana ireo Didiny, sa kosa izy namela azy ireo hametra ny fitsipi-pitondrantenany manokana? Moa ve ny fivavahana nampianatra ny olona hitoky amin’Andriamanitra mba handaminana ireo zava-manahirana an’izao tontolo izao? Moa ve izy io tsy namitaka azy ireo kosa tamin’ny famporisihana azy hametraka ny fitokiany tamin’ny fomba ara-politika? Moa ve izy io nitondra fiadanana sy firaisan-tsaina teo amin’ny mponina amin’ny tany, sa kosa izy nampitranga fizarazarana sy nampirehitra ady?
Ireo fanontaniana ireo, sy ny maro hafa koa, dia hamela anao hanavaka ny fivavahana tokana nomen’ny Mpamorona ny olombelona tany am-boalohany amin’ireo fangalaran-tahaka maro be noforonin’ilay mpanohitra Azy.
Moa ve ny fivavahana manana anjara andraikitra amin’ny firodanan’ny fahatsaram-pitondrantena? Hamaofivaofy fohy ny amin’io foto-kevitra io ny lahatsoratra manaraka.
[Efajoro, pejy 25]
Nisy tokoa ve ny safodrano naneran-tany?
“Tsy zava-nitranga sarotra inoana tamin’ny vanim-potoana nandinihana ny tany vao haingana velively ny safodranon’ny Genesisy fa mifanohitra amin’izany, dia mifanaraka aminy tanteraka (. . .). Raha ny marina, izany dia ny vanim-potoana nety indrindra tamin’ny fisafotofotoana haingana sy nahery vaika karazan’izany.” — Ny safodrano nodinihina indray (anglisy).
“Ny arkeolojia koa dia namela hahita fomba filazana hafa ny tantaran’ny [Baiboly] momba ny safodrano (. . .). Manaitra kokoa ny fitoviana noho ny fahasamihafana.” — Fikarohana tany amin’ireo tany nanoratana ny Baiboly (anglisy).
“Ny safodrano naneran-tany nahatonga ny tany ho tondraka na safotry ny rano nisondrotra [dia] zavatra inoana iombonana saika ao amin’ny angano rehetra eran’izao tontolo izao. (. . .) Araka ny angano “inca”, izy io dia napoakan’i Viracocha, andriamanitra ambony indrindra, izay tsy faly tamin’ireo olombelona voalohany ka nanapa-kevitra ny handringana azy.” — Rakibolana nosoratan’i Funk sy Wagnalls momba ny vako-drazana sy ny angano ary ny lovantsofina (anglisy).
“Ahitana fitoviana mbola lehibe kokoa ihany amin’ny tantaran’ny Genesisy ao amin’ny fitantarana poetika momba ny olo-mahery babyloniana hafa iray, ka ilay mahery fo dia mitondra ny anarana hoe Gilgamesy. (. . .) Azo inoana fa izy io dia nosoratana tany amin’ny fiandohan’ny arivo taona faharoa tany ho any. (. . .) Saika tsy nahitana fahasimbana [ilay takelaka tanimanga XI], ka izany dia manome ny filazana feno indrindra amin’ny tantaran’ny safodrano amin’ny soratra manan-drirana.” — Firaketana jodaika (anglisy).
“Sahala amin’ny Hebreo, ny Babyloniana, ny Grika, ny Skandinava ary ny firenena hafa teo amin’izao tontolo izao taloha, dia foko indiana maro avy any Amerika Avaratra sy Atsimo no mampaharitra lovantsofina ny amin’ny safodrano. (. . .) ‘Rehefa tonga ireo misionera voalohany (. . .), hoy ny nosoratan’ny “révérend” Myron Eells tamin’ny 1878, dia nahita fa nanana ny lovantsofiny ny amin’ny safodrano ireny Indiana ireny, ka voalaza tamin’izany fa voavonjy teo ambony zahatra hazo ny lehilahy iray sy ny vadiny.’ ” — Lovantsofina indiana any avaratra andrefan’i Pasifika (anglisy).