‘Miadia Mafy Hiaro ny Finoana’!
‘Miadia mafy hiaro ny finoana izay efa voatolotra indray mandeha monja ho an’ny olona masina.’ — JODA 3.
1. Amin’ny heviny ahoana ny Kristiana marina amin’izao andro izao no mandray anjara amin’ny ady?
MAFY mandrakariva ny fiainan’ny miaramila any an’ady. Alao sary an-tsaina ange ny hoe mirongo ireo fitaovana rehetra hoenti-miady sady mandeha an-tongotra kilaometatra tsy tambo isaina na manao ahoana na manao ahoana toetr’andro, manaraka fampiofanana mamizana be momba ny fampiasana fitaovam-piadiana, na voatery hiaro tena amin’ny loza mahery vaika isan-karazany mety haningotra aina na handratra. Tsy mandray anjara amin’ny adin’ireo firenena anefa ny Kristiana marina. (Isaia 2:2-4; Jaona 17:14). Na izany aza, dia tsy tokony hohadinointsika mihitsy fa, amin’ny heviny iray, dia ao anatin’ny ady isika rehetra. Feno fankahalana an’i Jesosy Kristy sy ny mpanara-dia azy eto an-tany, i Satana. (Apokalypsy 12:17). Izay rehetra manapa-kevitra ny hanompo an’i Jehovah Andriamanitra, raha ny marina, dia nilatsaka ho miaramila mba hanao ady ara-panahy. — 2 Korintiana 10:4.
2. Ahoana no nilazalazan’i Joda ny ady kristiana, ary amin’ny ahoana ny taratasiny no afaka manampy antsika haharitra ao amin’izany?
2 Nanoratra toy izao i Joda, rahalahin’i Jesosy iray reny taminy, mifanentana amin’izany indrindra: “Ry malala, raha manao izay zotom-po rehetra hanoratra aminareo aho hilaza ny amin’ny famonjena iombonantsika, dia nisy nahatery ahy hanoratra aminareo, hananatra [anareo mba hiady, NW ] mafy hiaro ny finoana izay efa voatolotra indray mandeha monja ho an’ny olona masina.” (Joda 3). Rehefa nampirisika ny Kristiana mba “hiady mafy” i Joda, dia nampiasa teny mifandray amin’ny hoe “fijaliana mafy”. Eny, mety ho sarotra io ady io, hampijaly mafy mihitsy aza! Mafy aminao ve indraindray ny maharitra ao amin’io ady io? Afaka manampy antsika ny taratasin’i Joda, izay fohy kanefa mahery. Izy io dia mampirisika antsika hanohitra ny fahalotoam-pitondran-tena sy hanaja ny fahefana naorin’Andriamanitra ary hitahiry ny tenantsika ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra. Andeha hojerentsika ny fomba hampiharana io torohevitra io.
Tohero ny fahalotoam-pitondran-tena
3. Loza inona nilana fikarakarana maika no natrehin’ny kongregasiona kristiana tamin’ny andron’i Joda?
3 Hitan’i Joda tsara fa teo amin’ireo Kristiana namany, dia tsy ny rehetra akory no nandresy tao amin’ilay ady amin’i Satana. Niatrika loza nilana fikarakarana maika ny andian’ondry. Nisy lehilahy ratsy fitondran-tena “niditra misokosoko”, hoy ny nosoratan’i Joda. Ireny lehilahy ireny dia nampirisika an-kolaka ny hanarahana fahalotoam-pitondran-tena. Kinga saina erỳ izy ireo nanamarina ny nataony, ka ‘namadika ny fahasoavan’Andriamanitsika ho fijejojejoana’. (Joda 4). Angamba izy ireo nisaina sahala amin’ireo Gnostika sasany fahiny, ka nanao hoe, arakaraka ny anotan’ny tena bebe kokoa, no ahafahan’ny tena mahazo ny fahasoavan’Andriamanitra bebe kokoa — koa raha ny marina, dia tsara kokoa ny manota bebe kokoa! Na angamba izy ireo nanatsoaka hevitra fa tsy hanasazy azy mihitsy ny Andriamanitra tsara fanahy iray. Na ahoana na ahoana, dia diso hevitra izy ireo. — 1 Korintiana 3:19.
4. Inona avy ireo ohatra telo ao amin’ny Soratra Masina momba ny didim-pitsaran’i Jehovah tamin’ny lasa, notononin’i Joda?
4 Nanaporofo ny naha-diso ny fisainan-dratsin’izy ireo i Joda, tamin’ny fanononana ohatra telo momba ny didim-pitsaran’i Jehovah tamin’ny lasa: tamin’ireo Isiraelita izay “tsy nino”; tamin’ireo “anjely izay (...) nandao ny fonenany” mba hanota niaraka tamim-behivavy; tamin’ireo mponina tao Sodoma sy Gomora, izay “nijangajanga (...) ka lasa nanaraka nofo hafa”. (Joda 5-7; Genesisy 6:2-4; 19:4-25; Nomery 14:35). Tamin’ny toe-javatra tsirairay, dia nampihatra didim-pitsarana niezinezina tamin’ireo mpanota i Jehovah.
5. Tenin’ny mpaminany fahiny iza no notononin’i Joda, ary ahoana no anehoan’izany faminaniana izany fa azo antoka tanteraka ny fahatanterahany?
5 Tatỳ aoriana i Joda dia niresaka ny amin’ny didim-pitsarana iray vao mainka lasa lavitra kokoa. Nanonona faminaniana iray nataon’i Enoka izy — dia teny izay tsy hita na aiza na aiza ao amin’ny Soratra Masina ara-tsindrimandry, ankoatra an’io.a (Joda 14, 15). Nambaran’i Enoka mialoha ny amin’ny fotoana hitsaran’i Jehovah ny olona ratsy fanahy rehetra sy ny asan’ny haratsiam-panahiny rehetra. Mahaliana fa nampiasa matoanteny milaza ny lasa i Enoka rehefa niteny, satria azo antoka aoka izany ireo didim-pitsaran’Andriamanitra ka toy ny hoe efa nitranga sahady izy ireny. Nety ho naneso an’i Enoka ny olona, ary tatỳ aoriana, dia nety ho naneso an’i Noa koa, kanefa samy rendrika tao amin’ilay Safo-drano naneran-tany avokoa ireny mpaniratsira rehetra ireny.
6. a) Nila nampahatsiarovina ny amin’inona ireo Kristiana tamin’ny andron’i Joda? b) Nahoana isika no tokony hanaraka ny fampahatsiarovan’i Joda?
6 Nahoana i Joda no nanoratra ireny didim-pitsaran’Andriamanitra ireny? Fantany mantsy fa ny sasany tamin’ireo izay niaraka tamin’ny kongregasiona kristiana tamin’ny androny, dia nanao ota nitory fahambanian-toetra sy mendrika homelohina nitovy tamin’ireo izay nahatonga ireny didim-pitsarana tamin’ny lasa ireny. Noho izany, dia nanoratra i Joda fa nisy fahamarinana fototra ara-panahy sasany, nilaina nampahatsiarovina an’ireo kongregasiona. (Joda 5). Niharihary fa hadinon’izy ireo hoe nahita izay nataony anie i Jehovah Andriamanitra. Eny, rehefa minia mandika ny lalàny ireo mpanompony, ka mandoto ny tenany sy ny hafa koa, dia mahita izany izy. (Ohabolana 15:3). Mampalahelo azy mafy ny fanaovan-javatra toy izany. (Genesisy 6:6; Salamo 78:40). Mahatahotra ny mieritreritra hoe, isika izay olombelona tsotra itỳ anie ka afaka manan-kery eo amin’ny fihetseham-pon’ilay Tompo Manam-piandrianana eo amin’izao rehetra izao. Mandinika antsika isan’andro izy, ary rehefa manao araka izay fara herintsika isika mba hanarahana ny dian’i Jesosy Kristy, Zanany, dia mampifaly ny fony ny fitondran-tenantsika. Aoka àry isika tsy ho sosotra mihitsy amin’ny fampahatsiarovana toy ireo nomen’i Joda, fa mba hanaraka azy ireny kosa. — Ohabolana 27:11; 1 Petera 2:21.
7. a) Nahoana no tena zava-dehibe ho an’ireo tafiditra amin’ny fanaovan-dratsy lehibe, ny mitady fanampiana avy hatrany? b) Ahoana no ahafahantsika rehetra manalavitra ny fahalotoam-pitondran-tena?
7 Tsy vitan’ny hoe mahita fotsiny i Jehovah, fa manao zavatra koa izy. Noho izy Andriamanitry ny rariny, dia manasazy ny mpanao ratsy izy — na ho ela, na ho haingana. (1 Timoty 5:24). Mamita-tena fotsiny ireo izay misaina hoe mipetraka ho tantara fotsiny ny didim-pitsaran’i Jehovah ary tsy miraharaha izay ratsy ataon’izy ireo izy. Tena zava-dehibe ho an’izay rehetra tafiditra ao amin’ny fahalotoam-pitondran-tena amin’izao andro izao, ny mitady avy hatrany ny fanampian’ireo loholona kristiana! (Jakoba 5:14, 15). Mety hahalasa eritreritra antsika rehetra ny fandrahonana entin’ny fahalotoam-pitondran-tena eo amin’ilay ady ara-panahy ataontsika. Isan-taona, dia misy voa, izany hoe, olona izay voaroaka tsy ho eo amintsika, ka ny ankamaroany dia naloto fitondran-tena nefa tsy nibebaka. Tsy maintsy tapa-kevitra mafy isika hanohitra izay mety ho fakam-panahy, na dia izay vao manomboka mitarika antsika ho amin’izany aza. — Ampitahao amin’ny Matio 26:41.
Hajao ny fahefana naorin’Andriamanitra
8. Iza ireo “manana voninahitra” voalaza ao amin’ny Joda 8?
8 Ny zava-nanahirana hafa iray nokarakarain’i Joda, dia ny tsy fahampiam-panajana ny fahefana naorin’Andriamanitra. Eo amin’ny andininy faha-8, ohatra, dia nampangainy ho “miteny ratsy ny manana voninahitra”, ireo lehilahy ratsy fanahy ireo ihany. Iza moa ireo “manana voninahitra” ireo? Lehilahy tsy lavorary izy ireo, saingy nametrahan’ny fanahy masin’i Jehovah andraikitra. Ny kongregasiona, ohatra, dia nanana loholona izay nomena andraikitra hiandry ny andian’ondrin’Andriamanitra. (1 Petera 5:2). Teo koa ireo mpiandraikitra mpitety faritany, sahala amin’ny apostoly Paoly. Ary ilay fitambaran-doholona tao Jerosalema dia niasa tamin’ny naha-fitambara-mpitantana azy, ka nanao fanapahan-kevitra izay nisy heriny teo amin’ny kongregasiona kristiana, tamin’ny fitambarany. (Asan’ny Apostoly 15:6). Nanahy mafy i Joda, satria niteny ratsy na nanimbazimba ny lehilahy toy izany ny olona sasany tao amin’ny kongregasiona.
9. Ohatra inona avy momba ny tsy fanajana fahefana no notononin’i Joda?
9 Mba hiampangana ny resaka tsy manaja toy izany, dia nanonona ohatra telo fanampiny i Joda ho fampahatsiarovana, eo amin’ny andininy faha-11: i Kaina sy i Balama ary i Kora. I Kaina dia tsy niraharaha ny torohevitra feno fitiavana nomen’i Jehovah, ary niniany notohizina ilay fankahalany nifofo ain’olona. (Genesisy 4:4-8). I Balama dia nahazo fampitandremana niverimberina izay tsy isalasalana fa avy tamin’ny loharano ambony noho ny olombelona — eny fa na dia ny borikiny aza niteny taminy! Tamim-pitiavan-tena anefa, dia nanohy nanao teti-dratsy hamelezana ny vahoakan’Andriamanitra, i Balama. (Nomery 22:28, 32-34; Deoteronomia 23:6). I Kora dia nanana ny toeram-piandraiketany manokana, kanefa dia tsy ampy azy izany. Nanetsika fikomiana tamin’i Mosesy, ilay lehilahy nalemy fanahy indrindra teto an-tany, izy. — Nomery 12:3; 16:1-3, 32.
10. Ahoana no mety hahalatsaka ny sasany ao amin’ny fandriky ny ‘fitenenan-dratsy ny manana voninahitra’, ary nahoana no tokony hohalavirina ny resaka toy izany?
10 Mazava erỳ ny fampianaran’ireo ohatra ireo antsika mba hihaino torohevitra sy hanaja ireo ampiasain’i Jehovah eo amin’ny toeram-piandraiketana! (Hebreo 13:17). Mora dia mora ny mahita hokianina amin’ireny loholona voatendry ireny, satria tsy lavorary izy ireny, toy ny maha tsy lavorary antsika rehetra. Raha mifantoka amin’ny fahadisoan’izy ireny anefa isika, ka mampihena ny fanajantsika azy, sao lahy isika “miteny ratsy ny manana voninahitra”? Eo amin’ny andininy faha-10, i Joda dia manisy resaka ny amin’ireo “miteny ratsy izay zavatra rehetra tsy fantany akory”. Indraindray ny sasany dia hanakiana ny fanapahan-kevitra nataon’ny fitambaran-doholona na ny komitim-pitsarana. Tsy fantatr’izy ireny akory anefa ireo tsipiriany rehetra izay tsy maintsy nodinihin’ireo loholona mba hahatongavana tamin’izany fanapahan-kevitra izany. Koa nahoana no miteny ratsy izay zavatra tsy tena fantatr’izy ireo akory? (Ohabolana 18:13). Ireo izay mikiry manao resaka tsy mahafinaritra toy izany dia mety hahatonga fisaratsarahana ao anatin’ny kongregasiona, ary angamba aza azo ampitahaina mihitsy amin’ny “harambato voasaron-drano” mampidi-doza any amin’ireo fiaraha-mikorana ataon’ny mpiray finoana. (Joda 12, 16, 19). Tsy irintsika mihitsy ny hahatonga loza ara-panahy ho an’ny hafa. Aoka kosa ny tsirairay amintsika ho tapa-kevitra ny hankasitraka ireo lehilahy manana andraikitra, noho ny asa mafy ataony sy noho ny fandavan-tenany ho an’ny andian’ondrin’Andriamanitra. — 1 Timoty 5:17.
11. Nahoana i Mikaela no nitana tena mba tsy hiteny ratsy hanameloka an’i Satana?
11 Notononin’i Joda ny ohatra iray izay nanaja ny fahefana naorina araka ny tokony ho izy. Izao no nosoratany: “Mikaela arikanjely aza, raha niady tamin’ny devoly ka nifanditra ny amin’ny fatin’i Mosesy, dia tsy sahy niteny ratsy hahameloka azy, fa hoy izy: ‘Hananatra anao anie Jehovah.’ ” (Joda 9). Mampianatra lesona roa miavaka io fitantarana mahavariana io, izay tsy hita afa-tsy ao amin’ny Joda ihany, ao amin’ny Soratra Masina ara-tsindrimandry. Etsy an-daniny, dia mampianatra antsika hamela ny fitsarana ho eo an-tanan’i Jehovah, izy io. Miharihary fa mba hampandrosoana fanompoam-pivavahana diso, dia nirin’i Satana hampiasaina tamin’ny fomba ratsy ny fatin’i Mosesy, lehilahy nahatoky. Haratsiana re izany! Na izany aza, dia nanetry tena i Mikaela ka nitana tena mba tsy hitsara, satria i Jehovah ihany no nanana izany fahefana izany. Koa tsy vao mainka àry ve isika tokony hitana tena mba tsy hitsara ireo lehilahy mahatoky izay miezaka manompo an’i Jehovah?
12. Inona no azon’ireo manana toeram-piandraiketana ao amin’ny kongregasiona kristiana, ianarana avy amin’ny ohatr’i Mikaela?
12 Etsy an-kilany, dia afaka maka lesona avy amin’i Mikaela koa ireo manana fahefana ao amin’ny kongregasiona. Rehefa dinihina tokoa mantsy, na dia “arikanjely”, lehiben’ireo anjely rehetra, aza i Mikaela, dia tsy nanampatra ny toeram-pahefany izy, na dia rehefa nisy nila ady taminy aza. Manaraka akaiky izany ohatra izany ireo loholona mahatoky, ka manaiky fa tsy fanajana ny fiandrianan’i Jehovah ny fanamparana ny fahefan’izy ireo. Ny taratasin’i Joda dia nanan-javatra maro holazaina momba ireo lehilahy izay nanan-toerana tokony hohajaina tao amin’ny kongregasiona, kanefa nanjary nanampatra ny fahefany. Eo amin’ny andininy faha-12 ka hatramin’ny faha-14, ohatra, i Joda dia nanoratra fiampangana faran’izay henjana an’ireo “mpiandry mamahan-tena, nefa tsy matahotra”. (Ampitahao amin’ny Ezekiela 34:7-10.) Raha lazaina amin’ny teny hafa izany dia hoe, ny tombontsoa ho an’ny tenany no nahin’izy ireo voalohany, fa tsy ny an’ny andian’ondrin’i Jehovah. Afaka miana-javatra betsaka avy amin’izany ohatra ratsy izany, ireo loholona amin’izao andro izao. Ny tenin’i Joda tokoa eto dia mampiseho sary mazava tsara ny amin’izay tsy irintsika hatao. Raha manaiky ho resin’ny fitiavan-tena isika, dia tsy afaka ny ho miaramilan’i Kristy; ho revo loatra amin’ny fiadiana ho an’ny tombontsoan’ny tenantsika mantsy isika. Aoka kosa isika rehetra hiaina mifanaraka amin’ny tenin’i Jesosy hoe: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” — Asan’ny Apostoly 20:35.
“Tehirizo ny tenanareo ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra”
13. Nahoana isika rehetra no tokony haniry amim-pahatsorana ny hitoetra ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra?
13 Rehefa namaramparana ny taratasiny i Joda, dia nanolotra izao torohevitra mahafinaritra izao: “Tehirizo ny tenanareo ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra”. (Joda 21). Tsy misy zavatra hanampy antsika bebe kokoa hanao ilay ady kristiana, noho ny fitoerana ao amin’ny fitiavan’i Jehovah Andriamanitra. Raha dinihina tokoa mantsy, dia ny fitiavana no toetran’i Jehovah lehibe indrindra. (1 Jaona 4:8). Nanoratra toy izao ho an’ireo Kristiana tany Roma i Paoly: “Matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.” (Romana 8:38, 39). Ahoana anefa no hitoerantsika ao amin’izany fitiavana izany? Mariho ireto fepetra telo azontsika arahina ireto, araka ny voalazan’i Joda.
14, 15. a) Inona no dikan’ny hoe mandroso amin’ny ‘finoantsika masina indrindra’? b) Ahoana no ahafahantsika mandinika ny toetoetry ny fiadiantsika ara-panahy?
14 Voalohany, dia asain’i Joda manohy mandroso amin’ny ‘finoantsika masina indrindra’ isika. (Joda 20). Araka ny hitantsika tao amin’ilay lahatsoratra teo aloha, dia fanaovan-javatra mitohy izany. Isika dia sahala amin’ny trano izay mila ny hohamafisina hatrany hatrany amin’ny famelezan’ny toetr’andro miharatsy hatrany. (Ampitahao amin’ny Matio 7:24, 25.) Koa aoka àry isika tsy hanjary hatoky tena tafahoatra na oviana na oviana. Aoka kosa isika hahamarika hoe eo amin’inona isika no afaka mandroso, miorina amin’ny finoantsika, ka hanjary hatanjaka kokoa, ho miaramilan’i Kristy mahatoky kokoa. Azontsika dinihina, ohatra, ireo kojakoja mahaforona ilay fiadiana ara-panahy voalazalaza ao amin’ny Efesiana 6:11-18.
15 Manao ahoana ny toetoetry ny fiadiana ara-panahin’ny tenantsika manokana? Mafy araka ny ilana azy ve ny ‘ampingan’ny finoantsika’? Raha mitodika ny lasa isika, ka mijery ireo taona faramparany, moa ve hitantsika soritra fa nanao tsirambina sasany isika, toy ny hoe nihanahalana ny fanatrehana fivoriana, na very ny zotom-po amin’ny fanompoana, na nihalefy ny hafanam-po amin’ny fianarana manokana? Atahorana ny famantarana toy izany! Mila manao zavatra isika dieny izao mba handroso sy hanatanjaka ny tenantsika ao amin’ny fahamarinana. — 1 Timoty 4:15; 2 Timoty 4:2; Hebreo 10:24, 25.
16. Inona no dikan’ny hoe mivavaka ao amin’ny fanahy masina, ary zavatra inona no tokony hangatahintsika tsy tapaka amin’i Jehovah?
16 Ny fomba faharoa hitoerana ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra, dia ny fanohizana ‘mivavaka ao amin’ny fanahy masina’. (Joda 20). Ny dikan’izany dia fivavahana eo ambanin’ny herin’ny fanahin’i Jehovah sy mifanaraka amin’ny Teniny ara-tsindrimandrin’ny fanahy. Ny vavaka dia fomba iray tena lehibe anakekezantsika manokana an’i Jehovah sy ilazantsika ny fifikirantsika aminy. Tsy tokony hataontsika tsirambina mihitsy io tombontsoa mahatalanjona io! Ary rehefa mivavaka isika, ny fanahy masina dia azontsika angatahina, na angatahina hatrany, raha ny marina kokoa. (Lioka 11:13). Io no hery matanjaka indrindra azontsika raisina. Raha manana fanampiana toy izany isika, dia afaka mitoetra mandrakariva ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra sy miaritra amin’ny maha-miaramilan’i Kristy antsika.
17. a) Nahoana no miavaka tokoa ny ohatr’i Joda raha ny amin’ny famindram-po? b) Ahoana no ahafahan’ny tsirairay avy amintsika manohy maneho famindram-po?
17 Fahatelo, dia mampirisika antsika mba hanohy hamindra fo, i Joda. (Joda 22). Miavaka ny ohatra navelan’ny tenany tamin’io lafiny io. Rehefa dinihina tokoa mantsy, dia ara-drariny raha nanahy mafy izy, tamin’ilay faharatsiana sy fahalotoam-pitondran-tena ary fivadiham-pinoana izay nitsofoka tsimoramora tao amin’ny kongregasiona kristiana. Na izany aza, dia tsy nanaiky ho resin’ny fangitakitahana izy, ka hihevitra ny fotoana ho nampidi-doza loatra ka tsy tokony hanehoana toetra “malefaka” toy ny famindram-po. Tsia, fa nampirisika ireo rahalahiny izy, mba hanohy hamindra fo na oviana na oviana azo anaovana izany, ka hampisaintsaina amin-katsaram-panahy an’ireo izay voan’ny fisalasalana, ary ‘hisarika avy amin’ny afo’ mihitsy aza, an’ireo izay mania ka madiva hanao fahotana lehibe. (Joda 23; Galatiana 6:1). Izany ka fampirisihana tsara dia tsara ho an’ireo loholona amin’izao andro sarotra izao! Mikely aina koa izy ireo maneho famindram-po raha mbola misy fototra azo anaovana izany, sady hentitra ihany rehefa ilaina izany. Samy maniry hifaneho famindram-po toy izany koa isika rehetra. Tsy hanao an-dolompo amin-javatra madinika isika, ohatra, fa azontsika atao kosa ny mazoto mamela heloka. — Kolosiana 3:13.
18. Ahoana no ahafahantsika mahazo antoka fa handresy ao amin’ilay ady ara-panahy ataontsika isika?
18 Tsy mora ilay ady ataontsika. Araka ny nolazain’i Joda, dia ‘ady mafy’ ilay izy. (Joda 3, NW ). Mahery ireo fahavalontsika. Tsy i Satana fotsiny, fa ny tontolony ratsy sy ny tsy fahalavorariantsika manokana koa, dia samy milahatra hamely antsika avokoa. Na dia izany aza anefa, dia afaka matoky tanteraka ny amin’ny fandresena isika! Nahoana? Satria isika eo amin’ny andaniny misy an’i Jehovah. Namarana ny teniny i Joda, tamin’ny fampahatsiarovana fa i Jehovah dia manana ara-drariny “ny voninahitra sy ny fahalehibiazana, ny fanjakana sy ny fahefana hatramin’ny taloha indrindra sy ankehitriny ary mandrakizay”. (Joda 25). Tsy mahatahotra ve ny mieritreritra izany? Mety hisy isalasalana àry ve raha “maharo anareo mba tsy ho tafintohina” io Andriamanitra io? (Joda 24). Tsia dia tsia! Aoka ny tsirairay avy amintsika samy ho tapa-kevitra ny hanohy hanohitra ny fahalotoam-pitondran-tena sy hanaja ny fahefana naorin’Andriamanitra ary hitahiry ny tenantsika ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra. Amin’izany fomba izany no hiarahantsika hahazo fandresena be voninahitra.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Misy mpanao fikarohana milaza fa i Joda dia nanonona teny avy tao amin’ilay boky apôkrifa hoe Bokin’i Enoka (anglisy). Izao anefa no nomarihin’i R. C. H. Lenski: “Manontany izahay hoe: ‘Avy taiza no niavian’io boky bemiray io, dia ny Bokin’i Enoka?’ Zavatra notefitefena io boky io, ary tsy misy mahazo antoka ny amin’ny datin’ireo tapany maro samihafa ao aminy (...); iza no mahita raha tsy nalaina avy tao amin’ny bokin’i Joda mihitsy aza angamba, ny sasany amin’ireo teny nampiasainy.”
Fanontaniana ho Famerenana
◻ Ahoana no ampianaran’ny taratasin’i Joda antsika mba hanohitra fahalotoam-pitondran-tena?
◻ Nahoana no zava-dehibe tokoa ny manaja ny fahefana naorin’Andriamanitra?
◻ Nahoana no tena ratsy ny fampiasana amin’ny fomba ratsy ny fahefana ao amin’ny kongregasiona?
◻ Inona no azontsika atao mba hitoerana ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra?
[Sary, pejy 15]
Tsy mitovy amin’ireo miaramila romana ny Kristiana, fa manao ady ara-panahy
[Sary, pejy 18]
Manompo noho ny fitiavana ny mpiandry kristiana, fa tsy noho ny fitiavan-tena