-
Derao i Jah Noho ny Didim-pitsarany!Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
-
-
1. Inona no teny ren’i Jaona “tahaka ny feo mafy nataon’ny vahoaka be tany an-danitra”?
EFA tsy eo intsony i Babylona Lehibe! Tena vaovao mahafaly izany. Tsy mahagaga raha nandre fiderana tany an-danitra i Jaona! “Ary taorian’izany, dia nahare feo tahaka ny feo mafy nataon’ny vahoaka be tany an-danitra aho. Hoy ireo: ‘Miderà an’i Jah! An’Andriamanitsika ny famonjena sy ny voninahitra ary ny hery,
-
-
Derao i Jah Noho ny Didim-pitsarany!Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
-
-
2. a) Midika ho inona ny nandrenesan’i Jaona ny hoe “Miderà an’i Jah!”, na Haleloia, indroa hatreto? b) Iza no omem-boninahitra noho ny nandringanana an’i Babylona Lehibe? Hazavao.
2 Tokony hoderaina tokoa i Jah. Fanafohezana ny hoe Jehovah ny “Jah.” Tsaroantsika eto tokoa ny fampirisihan’ilay mpanao salamo hoe: “Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an’i Jehovah. Haleloia [na Miderà an’i Jah].” (Salamo 150:6) Indroa i Jaona hatreto no nandre ilay feo falifaly mihira hoe “Miderà an’i Jah!”, na hoe Haleloia. Midika izany fa mbola misy fahamarinana nahariharin’Andriamanitra taminy. Iray ihany ilay Andriamanitra ao amin’ny Soratra Grika Kristianina sy ny Soratra Hebreo, ary Jehovah no anarany. Mitsara sy mandringana an’i Babylona Lehibe izao ilay Andriamanitra nampianjera an’i Babylona fahiny. Omeo azy ny voninahitra rehetra noho izany fandresena izany! Azy mantsy ny hery nampianjera an’i Babylona, fa tsy an’ireo firenena izay fitaovana nampiasainy fotsiny. I Jehovah irery no mpanome famonjena.—Isaia 12:2; Apokalypsy 4:11; 7:10, 12.
-